“Hosea 1–6; 10–14; Joela: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Hosea 1–6; 10–14; Joela: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Hosea 1–6; 10–14; Joela
Hosea 1–6; 10–14; Joela
Topimaso
Ao amin’ny bokin’i Hosea ny Tompo dia nampiasa ny fanambadian’i Hosea sy i Gomera mba ho tandindona hampianarana an’ Isiraely momba ny fitiavanyao amin’ny fanekempihavanana izay tsy mety lefy. Nampanantena tamin’ny alalan’ny mpaminany Joela ny Tompo hoe: “Handatsaka ny fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho” (Joela 3:1; jereo koa ny Joseph Smith—Tantara 1:41).
Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy. Mila fanampiana avokoa isika rehetra amin’ny famantarana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina. Rehefa mikatsaka ny hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ianao dia mitadiava fomba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fomba hiresahan’ny Fanahy amin’izy ireo. Raha te hianatra misimisy kokoa, dia jereo “Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa hikatsaka sy hamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana ary handray andraikitra eo anatrehan’izany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 18). Mba hahitana ohatra amin’ny fomba ahafahanao manampy ny hafa hamantatra ny Fanahy dia jereo ny Lesona 148 “Tombano ny fianaranao 9.”
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Hosea
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fitiavana tsy mety lefy sy ny famindram-pon’ny Mpamonjy ho azy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra niainany ka nanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo
-
Taratasy zaraina: “Mahatakatra ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo”
Joela
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahafahan’izy ireo mandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Omeo ny mpianatra ilay fanontaniana hoe: “Inona no azoko atao mba handraisako fanambarana ho an’ny tena manokana bebe kokoa eo amin’ny fiainako?” Asao izy ireo hisaintsaina fomba samihafa ahafahan’izy ireo mamaly izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mijery ny soratra masina na ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na mangataka ny olona izay atokiany ny valin’ilay fanontaniana.
-
Taratasy zaraina “Mampitombo ny fahafahanao mandray fanambarana”
-
Fitaovana: Kaopy kely iray, tavoara, siny lehibe, taratasy
-
Fitaovana haseho: Torolalana ho an’ny safidy efatra samihafa mba hifanakalozana hevitra momba ireo fomba hanampiana antsika handray fanambarana ho an’ny tena manokana
Tombano ny fianaranao 9
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny tanjona napetrany sy ny fivoarana hitany nandritra ny fandalinany ny Jeremia–Joela.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga vonona hizara andalan-tsoratra masina iray izay manan-danja amin’izy ireo avy amin’ny fandalinany ny Testamenta Taloha. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba anampian’io andalan-tsoratra masina io azy ireo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.
-
Fitaovana haseho: Sarin’ny Mpamonjy; tari-dalana hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny finoany momba ny iraka masina nampanaovina azy ireo; kisary hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny drafiny amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy