“Daniela 6: Mitady fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Daniela 6: Mitady ny fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Daniela 1–7: Lesona 145
Daniela 6
Mitady ny fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina
Inona no tantara avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampianatra anao fitsipiky ny filazantsara manan-danja iray? I Jesoa Kristy mihitsy no nampiasa ny Testamenta Taloha mba hanampiana ireo mpianany hahatakatra ny fampianarany (ohatra, jereo ny Lioka 4:24–27). Tantara iray mahery vaika izay maneho fahamarinana maro ao amin’ny filazantsara ny tantaran’ny finoana sy ny fitokian’i Daniela ny Tompo, na dia rehefa niatrika ny lavaky ny liona aza izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra sy hizara ny fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny Daniela 6.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny tantaran’ny soratra masina nianarany tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity. Afaka misafidy tantara iray izay nanan-danja tamin’izy ireo izy ireo ary hiomana hizara fahamarinana ara-pilazantsara izay nazava taminy avy amin’ilay tantara.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny anatra azo raisina avy amin’ilay tantara
Mba hanampiana ny mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny famantarana ny anatra azo raisina avy amin’ny tantara iray dia misafidiana angano ao an-toerana na tantara fahiny malaza iray. Afaka mampiasa tantara toy “Ilay gana kely ratsy tarehy” ohatra ianao. Azonao atao ihany koa raha tsy izany, ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “Things That Matter Most” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 0:22, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no hafatra mety ampianarin’io tantara io?
-
Ahoana no ahafahan’io hafatra io maneho fahamarinana iray momba an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany?
Tahaka ny ahafahantsika mahita fahamarinana ao anatin’ny angano sy tantara malaza iray, dia afaka mianatra mitady fahamarinana manan-danjan’ny filazantsara isika ao amin’ireo tantara nentanim-panahy ao amin’ny soratra masina izay notsimbinin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika.
Mba hanampiana antsika hahatakatra ny fomba ampianaran’ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo fahamarinan’ny filazantsara dia nampianatra izao ny Loholona Jay E. Jensen ao amin’ny Fitopololahy:
Rehefa mamaky sy mandalina tantara [ao amin’ny soratra masina] ianao dia hahita teny, na andian-teny, na fitsipika iray izay toa azo ampiharina amin’izao andro izao tahaka ny tamin’ny lasa. Rehefa manohy mandalina ombam-bavaka ianao dia hisy fitsipika hafa ho hita miharihary. Rehefa manambatra ireo fitsipika ireo ianao, dia hanomboka hampifandray ny elanelana eo amin’ireo mpaminany sy olona izay niaina fahiny—izy ireo-tany-taloha—ary isika amin’izao vanim-potoana izao—izaho-eto-ankehitriny. (“Scripture Stories as Patterns for Our Lives,” Ensign, July 2009, 21)
-
Inona no nanaitra anao tamin’ny hafatry ny Loholona Jensen?
-
Inona no tantara ao amin’ny Testamenta Taloha nanampy anao hahatakatra kokoa momba an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany?
Ity fanombanan-tena manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hisafidy ny ampahany amin’ny fahaiza-manao amin’ny famantarana fahamarinana avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina izay azon’izy ireo hizàrana androany.
Amin’ny isa 1 ka hatramin’ny 5, dia omeo isa ny fahatokian-tenanao mampiasa ireto fahaiza-mandalina soratra masina manaraka ireto:
-
Afaka mamantatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ao anatin’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina aho.
-
Afaka mahita mora foana ny fomba ampianaran’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina momba an’i Jesoa Kristy aho.
-
Azoko ampiharina amin’ny fiainako ny tantaran’ny soratra masina.
-
Tsy manana olana aho rehefa mizara ny zavatra ianarako avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina amin’ny hafa.
Anio ianao dia handalina tantara iray ao amin’ny bokin’i Daniela ary hanazava ny zavatra nianaranao avy amin’izany. Mety hifantoka amin’ny fahaiza-manao izay tsapanao fa hanananao fahatokian-tena kely indrindra ny ezaka ataonao. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hampitombo ny fahafahanao mamantatra fahamarinana ao amin’ireo tantaran’ny soratra masina sy hampianatra ny hafa ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fiainany ary ny filazantsarany.
Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela
Taona maro taorian’ny nakana an’i Daniela sy ireo namany ho babo tany Babylona dia resin’ny Medianina sy ny Persiana ilay firenena. I Dariosy, izay Medianina, dia natao mpanjakan’i Babylona (jereo ny Daniela 6:1).
Ity sahanasa manaraka ity dia manampy ny mpianatra hizatra hamantatra fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ireo tantaran’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fandalinana ny tantaran’i Daniela izay natsipy tao an-davaky ny liona (jereo ny Daniela 6). Mety hanampy ny mpianatra ny manao topimaso fohy momba ilay tantara alohan’ny hikarohany ireo fahamarinan’ny filazantsara ao anatin’izany. Ireto manaraka ireto dia fomba vitsivitsy ahafahanao mamintina ilay tantara:
-
Azonao atao ny manasa mpianatra hizara ilay tantara, ka mandamina azy ireo ho vondrona maromaro mba hamaky fizarana iray. Avy eo dia azon’ny vondrona tsirairay atao ny mamintina ny anjarany amin’ilay tantara ho an’ny iray kilasy. Fomba iray hizarana ny vakiteny ny toy izao:
Daniela 6:2–6
Daniela 6:7–12
Daniela 6:13–18
Daniela 6:19–24
Daniela 6:25–29
-
Azonao atao ny mamintina ny tantara iray manontolo ho an’ny iray kilasy. Raha misy dia azonao ampiasaina ireo sary hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Daniel and the Lions” (Friend, Nov. 2018, FJ4–FJ6) na ny horonan-tsary “Daniel and the Lions’ Den” (1:46), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hanampiana anao hamintina ilay tantara.
Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny famantarana fitsipiky ny filazantsara ao amin’ireo tantaran’ny soratra masina dia ampiasao ilay taratasy zaraina hoe “Mampianatra fahamarinan’ny filazantsara ny tantara ao amin’ny soratra masina.” Satria hanolotra ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy ny mpianatra dia tsara kokoa raha miara-miasa amin’ny namana iray na ao anatina vondrona kely izy ireo. Hevero ny hampiaraka tsiroaroa ny mpianatra izay mety hitebiteby amin’ny hoe hanolotra zavatra amina mpianatra izay efa zatra amin’ny fanaovana izany.
Rehefa mampiasa ilay taratasy zaraina ny mpianatra mba hanomanana ny lesony dia azonao atao ny mivezivezy eran’ny efitrano mba hahitana ireo fahamarinan’ny filazantsara hitan’izy ireo. Raha sahirana izy ireo dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hianatra hamantatra ireo fahamarinana ao amin’ilay tantara. Ohatra amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’izy ireo ny:
-
Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia hiatrika fanoherana isika noho ny finoantsika (Daniela 6:2–6).
-
Hitahy ny ezaka ataontsika ny Tompo rehefa mijoro eo anatrehan’ny faneriterena ataon’izao tontolo izao isika. (Daniela 6:7–17).
-
Rehefa manao izay marina sy matoky ny Tompo isika dia afaka mitaona ny hafa ny ohatra tsara asehontsika (Daniela 6:17–29).
Zarao ny zavatra izay nianaranao
Rehefa nahavita ny momba ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny lesona nomaniny amin’ny vondrona iray hafa na amin’ny iray kilasy. Raha tsy mizara ampahany amin’ilay tantara izay mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia azonao atao ny manamarika ny fampitahana sasantsasany toy ireto manaraka ireto:
-
Samy nanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Daniela sy i Jesoa, na dia rehefa niatrika fahafatesana aza (jereo ny Daniela 6:8, 11; Jaona 6:38).
-
I Daniela sy i Jesoa dia samy nivoaka velona tamin’ny fomba mahagaga avy tao anaty lavaka iray izay voasarona vato (jereo ny Daniela 6:18, 24; Marka 15:46; 16:4–6).
Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hitondra ireo lesona nomanin’izy ireo mody ary hizara izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na namana iray.
Ho famaranana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hizara ny fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny hafatra momba an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany avy tamin’ireo tantaran’ny soratra masina. Asao ny mpianatra hanohy hikatsaka fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana azy ireo hahita ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina.