Seminera
Daniela 3: “Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay. … Ary na dia tsy izany aza”


“Daniela 3: -Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay. … Ary na dia tsy izany aza,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Daniela 3: -Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay. … Ary na dia tsy izany aza,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Daniela 1–7: Lesona 144

Daniela 3

“Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay. … Ary na dia tsy izany aza”

Indraindray ny Tompo dia manafaka antsika amin’ny fomba mahagaga amin’ireo fitsapana lalovantsika. Amin’ny fotoana hafa kosa dia mety tsy hanafaka antsika amin’ny fomba na amin’ny fotoana hantenaintsika izany Izy. Na inona na inona mitranga dia afaka miezaka hanahaka an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego isika ka matoky ny Tompo, na manao ahoana na oviana hisafidianany hitahiana antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana hatoky an’i Jesoa Kristy na inona na inona vokatr’izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra mpianatra mahatokin’i Kristy izay nafahana tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny fizahan-toetra. Avy eo dia entano izy hieritreritra mpianatra mahatoky hafa izay tsy nafahana. Afaka misaintsaina ny zavatra tian’izany tantara izany ampianarina mikasika ny fatokiana ny Tompo izy ireo avy eo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fizarana ity tantara manaraka ity momba an’i Tyson zanakalahin’ny Loholona Bowen.

Fanamarihana: Ilay teny nambara amin’ny endrika horonan-tsary dia ahitana fampahalalana fanampiny izay tsy ao amin’ilay teny ambara amin’ny endrika soratra.

Nizara ity zavatra niainany manokana manaraka ity ny Loholona Shayne M. Bowen ao amin’ny Fitopololahy:

11:26
Official Portrait of Elder Shayne M. Bowen.  Photographed March 2017.

Nitelina tsaoka kely izay hitany teo amin’ny karipetra i Tyson [zanako lahy] fony izy valo volana. Nihitsoka tao amin’ny tendan’i Tyson izany ary tsy afaka niaina izy. Nentin’ilay zokiny lahy niakatra tany amin’ny efitra ambony i Tyson ary nitroatroatra niantsoantso izy hoe: “Tsy miaina ilay zaza. Tsy miaina ilay zaza.” Nanomboka nampihatra ny fameloman’aina taminy izahay ary niantso ny laharan-tariby 911.

Tonga ireo mpanampy mpitsabo ary nitondra haingana an’i Tyson tany amin’ny hôpitaly. Nanohy nivavaka mafy tamin’ny fo izahay tao amin’ny efitrano fiandrasana ka nitalaho tamin’ Andriamanitra ny mba hisian’ny fahagagana. (“Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo,” Liahona, nôv. 2012, 16)

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny vokatra samy hafa amin’ity toe-javatra ity manoloana ny finoan’ilay fianakaviana an’ Andriamanitra?

Notohizan’ny Loholona Bowen hoe:

11:26
Official Portrait of Elder Shayne M. Bowen.  Photographed March 2017.

Fotoana izay toa tena ela dia ela taty aoriana dia tonga tao amin’ilay efitrano ny dokotera ary nilaza hoe: “Tena indrisy. Tsy misy zavatra hafa azonay atao intsony. Ataovy izay fantatrareo fa tokony hatao na dia mitaky fotoana maharitra aza izany.” Dia lasa izy.

Rehefa niditra ny efitrano nandrian’i Tyson izahay dia hitanay teo ilay loharanom-pifaliana kelinay tsy nisy aina intsony. …

Toy ireny hoe nitsahatra ireny ny fiainanay tamin’izay fotoana izay. (“Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo,” Liahona, nôv. 2012, 16)

Tahaka ny fianakaviana Bowen, dia mety hiaina zavatra izay tsy hitahian’ Andriamanitra anao amin’ny fomba nantenainao ianao. Saintsaino ireo zavatra niainanao na niainan’ny fianakavianao ka nahatsapanao fa nitahy na tsy nitahy anao tamin’izay zavatra nantenainao ny Tompo.

Mety hanampy ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto.

Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no miantraika amin’ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny zavatra niainanao?

  • Mahatsapa ve ianao fa afaka matoky Azy Ireo, na manao ahoana na manao ahoana fitahiana azonao na tsy azonao? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?

Rehefa mandalina ny Daniela 3 ianao anio, dia mifantoha amin’izay fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina ka afaka manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na inona na inona vokatr’izany.

Fanapahan-kevitra sarotra iray

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto anarana manaraka ireto: Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Asehoy ny sarin’ny sampy volamena ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra fantany momba io tantara io. Azonao atao ny mamintina ny toe-javatra nanodidina izany etsy ambany amin’ny teninao manokana.

Ny mpanjakan’i Babylona, i Nebokadnezara, dia nanao sarin-javatra volamena na sarivongana lehibe. Teo amin’ny 27,4 metatra teo ho eo ny ahavony ary 2,74 metatra ny velarany (jereo ny Daniela 3:1). Nandidy ny olona rehetra hiankohoka sy hitsaoka ilay sarin-javatra ny mpanjaka teo am-pandefasana karazana mozika (jereo ny Daniela 3:4–5). Ireo olona izay tsy nitsaoka ilay sarin-javatra volamena dia hatsipy ao anaty “lafaoro mirehitra afo” (Daniela 3:6).

Diniho ny vokatry ny tsy fitsaohana izany sarin-javatra izany, dia saintsaino ny zavatra heverinao fa ho nataonao raha tany ianao.

Nisafidy ny hanaja an’ Andriamanitra i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ka tsy nitsaoka ilay sarin-javatra (jereo ny Daniela 3:12).

Mba hanampiana ny mpianatra handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena dimy hilalao ny anjara toeran’i Nebokadnezara, Sadraka, Mesaka, Abednego ary ny mpitantara, ka hamaky izany. Ireo mpianatra izay mamaky ho an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego dia afaka mamaky andininy tsirairay ao amin’ny Daniela 3:16–18.

Vakio ny Daniela 3:13–18, dia tadiavo ny zavatra nianaranao avy amin’ireo lehilahy ireo momba ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no lesona ianaranao momba ny finoana an’i Jesoa Kristy?

    Ampio ny mpianatra hahita fa afaka maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fatokiana Azy, na inona na inona vokatr’izany.

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “dia mahavonjy anay” (andininy 17). Azavao fa ny fahafantarana fa Andriamanitra dia afaka mitahy antsika amin’ny zavatra antenaintsika dia fanehoana finoana Azy.

    Avy eo dia asao ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “Ary na dia tsy izany aza” (andininy 18). Anontanio ny mpianatra ny zavatra nianarany momba ny finoana an’ Andriamanitra avy amin’ny fahavononan’ireo lehilahy ireo hanaiky fa mety tsy hisafidy ny hitahy azy ireo amin’ny zavatra nantenainy Andriamanitra.

  • Inona ny maha samy hafa ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny finoana ny hitrangan’ny zavatra iray manokana?

  • Inona avy ireo toe-javatra maoderina izay tokony anehoan’ny olona iray finoana an’i Jesoa Kristy fa tsy finoana ny hitrangan’ny zavatra iray?

Ny vokatry ny finoantsika

Hevero ny hampiseho ny sarin’ilay lafaoro mirehitra afo tany am-piandohan’ny lesona. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ireto andininy manaraka ireto ary mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana etsy ambany, mandeha tsiroaroa na ao anatina vondrona kely.

Vakio ny Daniela 3:19–28, ka asio marika ireo teny na andian-teny izay manaitra anao tamin’ny zavatra niainan’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego.

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ireo andininy ireo dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “Shadrach, Meshach, and Abed-nego” (1:39), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

1:39
  • Inona no zavatra nanaitra anao tao amin’io tantara io?

  • Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’io tantara io?

Mety hanampy ny manazava fa na dia nanafaka an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego aza Andriamanitra, dia mety tsy hanafaka antsika foana amin’ireo zavatra ratsy mitranga Izy. Mba hanehoana izany dia azon’ny mpianatra atao ny mamita ity sahanasa manaraka ity.

Mieritrereta tantara ao amin’ny soratra masina izay nampiharan’ny olona finoana an’i Jesoa Kristy kanefa mbola nisy zavatra ratsy foana nitranga tamin’izy ireo.

Hevero ny hanoratra hoe Ary na dia tsy izany aza … eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mitanisa eo ambanin’io andian-teny io ireo olona izay noeritreretin’izy ireo. Raha ampy ny fotoana dia afaka mikaroka ny tantaran’ireo olona ireo ao amin’ny soratra masina izy ireo ka mitady porofo fa natoky an’ Andriamanitra ireo olona ireo. Ireto manaraka ireto dia ohatra azonao asaina jeren’ny mpianatra, araka izay ilaina: Nefia (jereo ny 1 Nefia 18:10–16), Abinadia (jereo ny Môzià 17:9–20), i Joseph sy i Hyrum Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1), na olo-marina maromaro (jereo ny Hebreo 11:36–40).

  • Ahoana no anampian’ireo tantara ireo anao hatoky ny Tompo na inona na inona mety ho vokatr’izany?

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manampy anao haniry hatoky Azy Ireo na inona na inona mety ho vokatr’izany?

Miantehitra amin’i Kristy

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny zavatra niainan’ny Loholona Bowen. Ity teny nambara manaraka ity dia afaka manampy azy ireo hahita ny fomba natokiany ny Tompo na dia teo aza ny zavatra niainany.

Nanohy nizara ny zavatra niainany ny Loholona Bowen:

Official Portrait of Elder Shayne M. Bowen.  Photographed March 2017.

Rehefa tsapako fa mitady handrendrika ahy ny fahamelohana, ny hatezerana, ary ny fifantohana loatra amin’ny tena, dia nivavaka aho mba hiova ny foko. Nomen’ny Tompo fo vaovao aho tamin’ny alalan’ny zavatra niainako manokana izay masina, ary na dia mbola irery sy nanaintaina aza izany dia niova ny fomba fijeriko. Nampahafantarina aho fa tsy voaroba akory ny tenako fa misy fitahiana lehibe miandry ahy kosa raha toa ka maneho fahatokiana aho.

Nanomboka niova ny fiainako ary afaka nijery ny hoavy tamim-panantenana aho fa tsy nitodika nijery ny lasa tamim-pahakiviana. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa noho Izy, ilay Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, dia ho atelin’ny fifaliana feno ireo fahatsapana alahelo sy fanirery ary hakiviana indray andro any. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka miantehitra Aminy isika. (“Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo,” Liahona, nôv. 2012, 17)

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra niainan’ny Loholona Bowen manampy anao?

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no naneho finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fatokiana Azy Ireo na inona na inona vokatr’izany?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra manampy anao haniry hatoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na inona na inona vokatr’izany. Azonao hampidirina ao ny fomba ahafahan’ireo lesona nianaranao tao amin’ny Daniela 3 manampy anao amin’ireo fitsapana izay atrehanao na ny zavatra antenainao hotsaroana amin’ny hoavy.

Afaka manasa mpianatra manolo-tena hizara ianao. Hevero ny hamarana amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana na ny fahatsapanao momba ny fahatokiana ny Tompo.