Seminera
Daniela 1–7: Topimaso


“Daniela 1–7: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Daniela 1–7: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Daniela 1–7

Daniela 1–7

Topimaso

Na dia mpanompo tany an-tanin’olona aza i Daniela, Sadraka, Mesaka ary i Abednego dia tsy nivadika tamin’ny fankatoavana ny lalan’ny Tompo, ary niaro sy nitahy azy ireo ny Tompo. Nasehon’ny Tompo tamin’i Daniela ny fahitana ny amin’ny andro farany izay hanorenany ny fanjakany eto ambonin’ny tany. Hanenika ny tany manontolo ary hijoro mandrakizay ny fanjakan’ny Tompo sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

sary famantarana ny semineraAmpianaro ny momba ireo anaram-boninahitr’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra ananany. Rehefa mikatsaka hianatra bebe kokoa mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny soratra masina ny mpianatra dia ho lasa mahafantatra sy tia Azy izy ireo. Azonao atao ny manampy ny mpianatrao hanao izany amin’ny famoronana fanontaniana mampikaroka izay hanampy azy ireo hahita anaram-boninahitra, anjara asa ary toetran’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Krisy. Ny ohatra amin’ny fanaovana izany dia hita ao amin’ny Lesona 142: “Daniela 1.”

Raha mila fanazavana fanampiny amin’ny fomba fanaovana izany dia jereo ny “Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra ananany.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 7).

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Daniela 1

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanamafy ny fanolorantenany hankatoa ny Tenin’ny Fahendren’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra handalina ny topimaso momba ny “Tenin’ny Fahendrena” ao amin’ny Lohahevitra sy Fanontaniana ao amin’ny Tahirim-pitaovana. Amporisiho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny fomba nitahiana azy ireo na ny olona hafa tamin’ny alalan’ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendren’ny Tompo.

  • Horonantsary:God Gave Them Knowledge [Nanome fahalalana azy ireo Andriamanitra]” (13:49) manomboka amin’ny mari-potoana 0:52 ka hatramin’ny 5:15

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ho an’ireo mpianatra izay tsy afaka mahazo izany; taratasy sy markera ary pensilihazo miloko hanaovan’ny mpianatra peta-drindrina

Daniela 2

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona momba ny famerenan’Andriamanitra amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Daniela 3

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra ahatsapa faniriana hatoky an’i Jesoa Kristy na inona na inona no mety ho vokatr’izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra mpianatra mahatokin’i Kristy izay nafahana tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny fizahan-toetra. Avy eo dia entano izy hieritreritra mpianatra mahatoky hafa izay tsy nafahana. Afaka misaintsaina ny zavatra tian’izany tantara izany ampianarina mikasika ny fatokiana ny Tompo izy ireo avy eo.

  • Horonantsary:Because I Live, Ye Shall Live Also [Satria velona aho dia ho velona koa ianareo]” (11:26) manomboka amin’ny mari-potoana 4:04 ka hatramin’ny 4:55 sy mari-potoana 4:55 ka hatramin’ny 5:23; “Shadrach, Meshach, and Abed-nego [Sadraka, Mesaka ary Abednego]” (1:39)

  • Votoatin-kevitra haseho: Fanontaniana fanombanan-tena akaikin’ny fiandohan’ny lesona

  • Sary: Sampy volamena namboarin’ny Nebokadinezara, mpanjaka; Sadraka, Mesaka ary Abednego tao amin’ny lafaoro mirehitra afo

Daniela 6

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahita sy hizara fahamarinana ara-pilazantsara ao amin’ny Daniela 6.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny tantaran’ny soratra masina nianarany tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity. Afaka misafidy tantara iray izay nanan-danja tamin’izy ireo izy ireo ary hiomana hizara fahamarinana ara-pilazantsara izay nazava taminy avy amin’ilay tantara.

  • Tantara ho zaraina: Angano na angano malaza ahafahan’ny mpianatra mandray lesona ho amin’ny fiainana

  • Horonantsary: “Things That Matter Most [Ny zavatra manan-danja indrindra]” (0:33) manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:22; “Daniel and the Lions’ Den [Daniela tao an-davaky ny liona]” (1:46)

  • Sary: Sarin’i Daniela tao amin’ny lahatsoratra “Daniela sy ny liona” (Namana, Nôv. 2018, FJ4–FJ6)

  • Taratasy zaraina:Mampianatra fahamarinana ara-pilazantsara ny tantara ao amin’ny soratra masina