“Ezekiela 47: Ireo fitahiana avy amin’ny Tempoly,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ezekiela 47: Ireo fitahiana avy amin’ny Tempoly,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: Lesona 141
Ezekiela 47
Ireo fitahiana avy amin’ny tempoly
Manome fitahiana betsaka antsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fitsaohana Azy ao amin’ny tempoly. Hitan’i Ezekiela tamin’ny alalan’ny fahitana ny tempolin’ny andro farany izay haorina ao Jerosalema. Hitany ny rano mikoriana avy amin’ilay tempoly, manasitrana ny tany manodidina ary mitondra aina ho an’ny Ranomasina Maty. Ity fahitana ity dia tandindon’ny fitahiana omen’ny Tompo antsika rehefa mitsaoka Azy ao amin’ny tempoliny isika. Ity lesona ity dia afaka hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hitsaoka an’ Andriamanitra ao amin’ny tempoly.
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manome ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto ary manasa azy ireo ho tonga vonona hizara ny valinteniny:
Sahanasa fianarana azo atao
Faniriana hitsaoka ao amin’ny tempoly
Atomboy amin’ny fomba hanampiana ny mpianatra hihevitra mikasika ny faniriany handeha sy hitsaoka ao amin’ny tempoly ny lesona. Azonao atao ny mampiseho sarin’ny tempoly mba hanaovana izany. Avy eo dia soraty eo amin’ny ilan’ny tempoly ny valintenin’ny mpianatra amin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ary eo amin’ny ilany iray hafa ny valinteniny amin’ny fanontaniana iray hafa.
-
Inona no mety ho antony mahatonga ny zatovo iray haniry hanatrika sy hanompo ao amin’ny tempoly?
-
Inona no mety ho antony mahatonga azy ireo tsy hazoto ho avy any an-tempoly? Inona no mety hahasarotra izany?
Ny fanontaniana hanaovana fanombanan-tena dia manampy ny mpianatra hahita fahafahana ho amin’ny fivoaran’ny tena manokana sy fahafahana mianatra. Entano ny mpianatra hanokana fotoana fohy hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka mikasika ny tenany ireto.
-
Hatraiza ny halehibeazan’ny fanirianao hitsaoka any amin’ny tempoly? Nahoana?
-
Inona no mety hanakana anao tsy handeha hiangona any amin’ny tempoly?
Raha mandalina ny Ezekiela ianao androany dia mangataha fanampiana avy amin’ny Tompo hampitombo ny fanirianao handeha hiangona sy hitsaoka any amin’ny tempoly.
Ny fahitana tempoly voarain’i Ezekiela
Fanamarihana: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo dia zava-dehibe ato amin’ity lesona ity ny filazana fa ny fitahiana dia azo avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny tempoly fa tsy avy amin’ny tempoly mivantana akory.
Ao amin’ny Ezekiela 47 i Ezekiela dia naharay fahitana izay mampiseho tandindona ireo fitahiana omen’ny Tompo ny olona rehetra manao ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Ny iraka avy any an-danitra nitondra an’i Ezekiela teo amin’ny varavaran’ny tempoly tany Jerosalema no nanombohan’izany.
Vakio ny Ezekiela 47:1, ary tadiavo ny zavatra hitan’i Ezekiela nivoaka avy tao amin’ilay tempoly.
-
Ahoana no mahatonga ny rano ho tandindona tena mety ho an’ny fitahiana avy amin’ny Tompo?
Anisan’ny valinteny mety ho hita ny hoe, mitondra aina ny rano, ilain’ny olon-drehetra, manadio, ary misy amin’ny toerana rehetra. Nampitaha ny tenany sy ny fitahiana omeny tamin’ny rano velona ny Mpamonjy nandritra ny fotoana nanaovany asa fanompoana tety an-tany (jereo Jaona 4:10; 7:37–39).
Mety hanampy amin’ity sahanasa manaraka ity ny manazava fa ny hakiho dia ventin-drefy, manomboka eo amin’ny kiho hatreo amin’ny tendron-dratsantanana, tokony ho 45 ka hatramin’ny 53 santimetatra eo ho eo.
Vakio ny Ezekiela 47:2–5 ary tadiavo ny lasa halalin’ny rano rehefa nikoriana avy amin’ny tempoly.
Koa satria tena azo alaina sary an-tsaina tsara ny fampianaran’ny Tompo ato amin’ity tantara ity dia afaka manampy amin’ny fanoritsoritana ny zavatra ianarantsika izany. Manaova sarina tempoly tsotsotra misy rano mikoriana avy ao aminy eo amin’ny tapany ambony amin’ny pejin’ny diary fandalinanao. (Hotohizanao ny sarina rano mankany amin’ny tapany ambany avy eo.)
Raha ilaina dia afaka jeren’ny mpianatra ny “And the River Will Grow (Ary hitombo ny renirano),” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 0:26 ka hatramin’ny 1:29.
-
Inona no tian’ny Tompo ampianarina mikasika ny fitahiana omeny amin’ny alalan’ny tempoly ao amin’ity fahitana ity araka ny hevitrao?
Anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Raha ampianao sarin-javatra hanehoana tandindona toerana tsy misy zava-miaina na tsy miroborobo eo amin’io sary nataonao io dia inona no hataonao eo ary nahoana?
Raha nametrahana izany fanontaniana izany ny olona tany Jerosalema tamin’ny andron’i Ezekiela dia azo antoka fa ny efitr’i Jodia na ny Ranomasina Maty no ho valinteniny. Nomena izany anarany izany ny Ranomasina Maty satria tsy afaka mamelon’aina biby na zava-maniry izy io. Mahery sira ihany koa izy ary tsy azo sotroina. Raha ilaina dia asehoy na ampahafantaro ny mpianatra ny toerana misy ny sary “Judean Wilderness [tany foanan’i Jodia]” (Kisary ao amin’ny Baiboly, lah. 3) ao amin’ny fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny loharanom-pitaovana na ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina raha hijery ny efitra eo akaikin’ny Ranomasina Maty. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mijery ny “Physical Map of the Holy Land [Sarintanin’ny Tany Masina]” (Sarintany ao amin’ny Baiboly, lah. 1) ary mitady ny tany foanan’i Jodia sy ny Ranomasina Maty.
Vakio ny Ezekiela 47:8–9, 12 ary tadiavo izay mitranga amin’ny zavatra rehetra nokasihan’ilay rano avy amin’ny tempoly, anisan’izany ny Ranomasina Maty.
Asao ny mpianatra hamita ny sariny eo amin’ny tapany ambanin’ny taratasy amin’izay vao avy novakiany.
Ity manaraka ity dia ohatra amin’ny fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny eny na tsia izay manampy ny mpianatra hahita fotopampianarana sy fitsipika ara-pilazantsara ho an’ny tenany manokana. Ity fomba fiasa ity dia mahatonga ny fandalinan’ny mpianatra ny soratra masina ho manan-danja kokoa ary mamela ny Tompo hampianatra sy hanome aingam-panahy azy ireo manokana. (Raha mila fiofanana fanampiny mikasika ity fahaiza-manao ity dia jereo ny: “Mamoròna fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny eny na tsia izay manampy ny mpianatra hamantatra fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny ezaka ataony fa aza mitarika ny mpianatra hanome valin-teny voafaritra mazava.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
-
Ahoana no hamintinanao izay nianaranao tamin’ny fahitana voarain’i Ezekiela?
Mety hizara fitsipika isan-karazany ny mpianatra. Isaory izy ireo amin’ny valinteniny ary anontanio azy ireo ny maha zava-dehibe aminy ny zavatra nianarany.
Iray amin’ny fitsipika mety ho voarain’ny mpianatra ny hoe: Rehefa mitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly isika dia mitahy antsika amin’ny fanasitranana, fiainam-baovao ary fitomboana Izy. Mety ho tian’ny mpianatra raisina an-tsoratra izany fitsipika izany na hanoratra ilay fitsipika iray hitany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Ezekiela 47:1–9.
Raha ilaina mba ahatakarana lalindalina kokoa dia tohizo ny horonantsarin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny fianakaviany, manomboka amin’ny mari-potoana 1:58 ka hatramin’ny 2:33.
Ampitomboy ny fahatakaranao
Manomàna tahadikan’ilay taratasy zaraina “Ireo fitahiana avy amin’ny Tempoly” ho an’ny mpianatra tsirairay.
Vakio ny taratasy zaraina “Ireo fitahiana avy amin’ny Tempoly” ary tsipiho na farito ny fitahiana izay misongadina aminao.
Azon’ny mpianatra soratana eo amin’ny sary nataony izany fitahiana izany, eo amin’ilay rano mikoriana avy ao amin’ny tempoly. Afaka manampy fitahiana hafa izay tonga ao an-tsainy ka omen’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny tempoly izy ireo.
Hevero ny manasa ny mpianatra hizara ny sary nataony sy ny fitahiana nosoratany amin’ny namany na amin’ny vondrona madinika. Na ho solon’izany dia manaova sarina renirano eny amin’ny solaitrabe ary angataho ny mpianatra hanoratra ireo fitahiana izay tonga ao an-tsainy eo amin’izany sary izany. Afaka manampy ireo fitahiana izay tiany ho tadidiana amin’ny sary nataony avy amin’izay nozarain’ny namany ny mpianatra.
-
Inona avy ireo fitahiana nanaitra anao?
Asao ny mpianatra hieritreritra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny fotoana fohy alohan’ny hametrahanao izany fanontaniana izany aminy. Eo am-pizarana dia mety hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao amin’izy ireo ianao: “Nahoana no manan-danja aminao izany?” “Nisy olona hafa nanana traikefa nitovy tamin’izany ihany koa ve?” sy hoe “Inona no tianao hanampiana izay efa nozaraina teo?”
Raha mipetraka amin’ny toerana lavitra ny tempoly ny mpianatra ary betsaka amin’izy ireo no tsy mbola nandeha tany amin’ny tempoly noho ny halavirana, ary tsy mahalala olona maro efa avy tany amin’ny tempoly izy ireo, dia ovay ilay fanontaniana faharoa hanontaniana mikasika ireo fitahiana niainan’ny mpianatra na ny olona fantany raha teo am-piomanana hitsaoka any amin’ny tempoly izy ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana no manasitrana na manome aina ireo fitahiana notononinao ireo?
-
Oviana ianao na ny olona fantatrao no niaina ny iray tamin’ireo fitahiana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fitsaohana tany amin’ny tempoly ireo?
Raha mahazo tombony ny mpianatra amin’ny fahitana ohatra fitahiana hafa azo avy amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly dia azonao atao ny mampiseho ny iray amin’ireto horonantsary manaraka ireto:
-
“Family History and Temple Work: Healing and Sealing [Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Fanasitranana sy famehezana]” (14:43) manomboka amin’ny mari-potoana 7:36 ka hatramin’ny 12:20.
Inona no zavatra tsapanao mikasika ny tempoly
Hamaranana ny lesona dia hevero ny mikaroka toerana malalaka eo amin’ilay sary nataonao na ao amin’ny diary fandalinanao hanoratanao ny fahatsapanao mikasika ny fandehanana sy fitsaohana any amin’ny tempoly sy ny fandraisana fitahiana avy amin’ny Tompo. Katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina ahafahanao manoratra tsara sy mazava ny fihetseham-ponao.
Azonao atao ny manasa izay mpianatra mazoto hizara ny eritreriny sy ny fijoroany ho vavolombelona. Hevero ny hizara ny anao ihany koa.