“Ezekiela 1–3; 33: -Efa nataoko ho mpitily ianao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ezekiela 1–3; 33: -Efa nataoko ho mpitily ianao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: Lesona 138
Ezekiela 1–3; 33
“Efa nataoko ho mpitily ianao”
Ahoana ny fomba hiarovantsika tena amin’ireo loza ara-panahy maro misy eto amin’izao tontolo izao? Niantso ny mpaminany hanao ny asan’ny mpitily, hampitandrina sy hiaro antsika ny Tompo. Niantso an’i Ezekiela ho mpitily ho an’ny Israelita nandritra ny fahababoana tany Babylona ny Tompo (jereo Ezekiela 3:16–17). Ity lesona ity dia afaka hanampy ny mpianatra hanana faniriana bebe kokoa hihaino ny fampitandreman’ny mpaminanin’ny Tompo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Mpaminany” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na “Mpaminany” ao amin’ny lohahevitra sy fanontaniana amin’ny Tahirim-pitaovana. Afaka mijery ny anjara asan’ny mpaminany sy misaintsaina ny fijeriny ny fomba hanatanterahan’ny mpaminany izany asany izany izy.
Sahanasa fianarana azo atao
Fahatsapana momba ny mpaminanin’ny Tompo
Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fanentanana ny mpianatra hisaintsaina ny fahatsapany mikasika ny mpaminanin’ny Tompo amin’izao vaninandro izao. Fomba iray hanaovana izany ny fanehoana ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana ary manentana ny mpianatra hihira na hihaino ny hira “Misaotra anao noho ny Mpaminany” (Hira fihirana, lah. 19). Azonao atao avy eo ny manome ny torolalana etsy ambany. Ekeo fa mety ho samy hafa ny fahatsapan’ny mpianatra tsirairay mikasika ny mpaminany ary tsy olana izany. Amporisiho izy ireo hamaly amin-kitsimpo.
Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao amin’ny valinteny iray na maromaro ireto fanambarana ireto:
Rehefa mahita ny mpaminany aho ka mihaino azy miteny na mamaky ny teniny dia mahatsapa ho …
Asao ny mpianatra izay mazoto hanao izany mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratany. Azonao atao ny manazava fa eo ampizarana sy eo ampihainoana izay zarain’ny hafa dia mety hanazava ny sain’izy ireo ny Fanahy Masina ary hampalefaka ny fony hanaraka ny mpaminanin’ny Tompo.
Niantso an’i Ezekiela ho mpaminany ny Tompo
Nosamborina ary nobaboina tany Babylona niaraka tamin’ireo Israelita hafa i Ezekiela. Nitsidika azy ny Tompo ary niantso azy ho mpaminany nandritra ny fotoana naha babo azy (jereo ny Ezekiela 1–2). Nampanantena ny hampahery an’i Ezekiela ny Tompo raha nitory tamin’ny vahoaka mpikomy sy mafy hatoka izy (jereo ny Ezekiela 3:7–9).
Ezekiela 3:16–17 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
Vakio ny Ezekiela 3:10–11, 16–17 ary jereo ny fampianaran’ny Tompo an’i Ezekiela mikasika ny andraikiny amin’ny maha mpaminany azy.
-
Inona no hitanao?
Hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fanehoan-tsarin’ny mpitily dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Carcassonne izay miaraka amin’ity lesona ity miaraka amin’ny fanambaran’ny Loholona Neil L. Andersen.
Nanazava ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
I Carcassonne dia tanàna miavaka any Frantsa voahodidina rindrina, izay nijoro efa hatramin’ny Moyen-âge. Nisy tilikambo avo mijoalajoala amin’ireo rindrina voaro ireo izay natao hijoroan’ireo mpitily andro aman’alina, nifantoka tsy tapaka avy lavitra nitazana fahavalo. Rehefa nahatazana fahavalo nanatona ilay mpitily dia ny feo fampitandremany no niaro ny vahoakan’i Carcassonne tamin’ny loza manambana izay tsy hitan’izy ireo.
Ny mpaminany dia mpitily mitsangana eo ambonin’ny tilikambo, miaro antsika amin’ireo loza ara-panahy izay mety tsy ho hitantsika. (“Ilay Mpaminanin’Andriamanitra,” Liahona, Mey 2018, 25)
-
Ahoana no hamintinanao izay voalaza ao amin’ny Ezekiela 3:16–17 sy ny fampianaran’ny Loholona Andersen mikasika ny mpaminany?
Ampio ny mpianatra hahatsikaritra fa niantso ny mpaminany ho mpitily hampitandrina antsika amin’ny loza ara-panahy mety hitranga ny Tompo. Hazavao fa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no manao ny asan’ny mpaminany ho an’ny Tompo ankehitriny. Raha nahavita ny sahanasa fanomanana ny mpianatra ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mizara izay nianarany ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra manaraka ity.
-
Nahoana no mamaritra tsara ny anjara asan’ny mpaminany ny teny hoe “mpitily”?
Ao amin’ny Ezekiela 33 dia namerina nampianatra indray an’i Ezekiela ny anjara asany amin’ny maha mpitily sy mpitondra ny hafatr’Andriamanitra ho an’Israely azy ny Tompo (jereo ny Ezekiela 33:1–7).
Vakio ny Ezekiela 33:9–11 ary jereo ny antony mahatonga ny Tompo mampitandrina ny vahoakany.
-
Inona no azon’ny andininy 11 ampianarina antsika mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy?
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny maha porofon’ny fitiavan’Andriamanitra ny fampitandremana avy amin’ny mpaminany:
Tsy sanatria akory hoe maika ny hanameloka antsika fotsiny ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy fa mikatsaka kosa ny fahasambarantsika sy miangavy antsika hibebaka Izy ireo, noho ny fahafantarana tsara fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana [ary tsy ho fahasambarana] na oviana na oviana.” [Almà 41:10]. Noho izany i Ezekiela sy ireo mpaminany rehetra taloha sy nanomboka tamin’izay, rehefa miresaka momba ny tenin’ Andriamanitra amim-kafanam-po dia mampitandrina ny rehetra hiala amin’i Satana, ilay fahavalon’ny fanahin’izy ireo, ary “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra.” [2 Nefia 2:27]. (“Ny feo fampitandremana,” Liahona, Mey 2017, 108)
-
Ahoana no mety miantraika amin’ny faniriantsika hanaraka ireo mpaminany ny fahatakarana ny anton’ny niantson’ny Tompo azy ireo ho mpitily?
Fampitandremana avy amin’ny mpitily
Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahita ohatra fampitandremana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny. Azonao atao ny manentana ny mpianatra hisafidy ny iray amin’ireto fandalinana manaraka ireto:
-
Lahateny vao haingana nataon’ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo
-
Ireto andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireto na andalana hafa nofidianao: Isaia 5:20; 1 Korintiana 6:19–20 (jereo ihany koa ny andininy 18); 2 Nefia 2:27; 2 Nefia 32:8–9; Almà 41:10; sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11
Rehefa avy nisafidy ny zavatra halalininy ny mpianatra dia asehoy ireto torolalana manaraka ireto:
Alalino ny fampianarana avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo ary miomana hizara ireto manaraka ireto:
-
Fampitandremana nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny.
-
Fitahiana voaraintsika na fanamby azontsika sorohina amin’ny alalan’ny fihainoana ny fampitandremana. Mety avy amin’ny zavatra nohalalininao na avy amin’ny hevitra na traikefa niainanao no handraisana izany.
-
Ahoana ny fahatsapanao mikasika io fampitandremana io ho porofon’ny fitiavan’Andriamanitra na ny faniriany antsika mba ho sambatra.
Azonao atao ny manentana ny mpianatra tsirairay mba hisafidy fampitandremana avy amin’ny mpaminany izay hitany ao amin’ny dingana 1 tao amin’ny fandalinany ary hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manoratra ilay fampitandremana amin’ny taratasy kely ary mametraka izany manodidina ny efitrano. Entano ny mpianatra hamaky ny fampitandremana nosaratan’ny mpianatra hafa. Afaka misafidy vitsivitsy amin’izany mba hifanakalozan-kevitra amin’ny antsimpiriany kokoa ny iray kilasy avy eo. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra nanoratra ilay fampitandremana nofidiana mba hizara ny valinteniny amin’ny dingana 2 sy 3 ao amin’ny fandalinana.
Raha mihaino sy mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ny mpianatra dia entano izy ireo mba hisaintsaina ny toe-javatra manokana lalovany sy ny zavatra ilainy. Amporisiho izy ireo hihevitra raha misy fampitandremana na hafatra manokana tian’ny Tompo omena azy.
Manaraka ny mpaminany
Eritrereto ny hevitra na fahatsapana nomen’ny Fanahy Masina anao nandritra ny lesona mikasika ny Tompo sy ny mpaminaniny. Ampio ny iray na ny roa amin’ireto andalana ireto ao amin’ny diary fandalinanao ary fenoy amin’ny eritreritra na fahatsapanao manokana izany:
Ny tiako ho tsaroina mikasika ny Tompo sy ny mpaminaniny dia hoe …
Te hanaraka ny mpaminanin’ny Tompo aho satria …
Azonao faranana amin’ny fangatahana mpianatra vitsivitsy hizara izay nosoratany izany. Azonao atao ny mizara ny fahatsapana naanananao mikasika ny Tompo sy ny mpaminaniny teo am-panomananao sy nampianaranao ny lesona.
Fanaovana tsianjery
Mety ho tianao ny manampy ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa manaraka. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina avy amin’ny Ezekiela 3:16–17 dia ny hoe “Ny mpaminany dia mpitily ho an’ny taranak’ Isiraely.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia ao amin’ireo fitaovana tovana ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”