“Ezekiela 37: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ezekiela 37: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: Lesona 140
Ezekiela 37
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna
Nahita ny fanangonana sy fanangonana amin’ny hoavy ny fokon’i Israely rehetra ho ao amin’ny Tompo i Ezekiela ao amin’ny Ezekiela 37, (jereo ny Ezekiela 37:20-28). Ny mpaminany maoderina koa dia nandika ny fahitana azon’i Ezekiela ho tapa-kazon’i Joda (ny Baiboly) sy ny tapa-kazon’i Josefa (ny Bokin’i Môrmôna) hitambatra miaraka ho testamentan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny (jereo ny Ezekiela 37:15–17). Ity lesona ity dia afaka hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo fomba hiarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Krisy sy ny filazantsarany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny fanontaniana apetraka amin’izy ireo hoe: “Nahoana ianao no mila ny Bokin’i Môrmôna raha mino ny Baiboly?” ary hiomana hizara ny fomba hamaliany izany. Azon’izy ireo atao ny manontany namana na fianakaviana ny mety ho valintenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana.
Sahanasa fianarana azo atao
Vavolombelona faharoa azo antoka
Alaivo sary an-tsaina hoe mahita lahatsoratra amin’ny tambazotra sosialy ianao manontany hoe, “Nahoana no ilainao ny Bokin’i Môrmôna raha mino ny Baiboly ianao?”
Asao ny mpianatra hisaintsaina izany fanontaniana izany eo am-panoratanao izany eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia asao ny mpianatra hanontany tena hoe:
-
Hatraiza ny fahatokian-tenako amin’ny fahafahako mamaly izany fanontaniana izany?
-
Inona no ho laizainao raha mametraka izany fanontaniana izany aminao ny namanao?
Eo am-pandalinana ny Ezekiela 37 androany dia angataho ny Fanahy hanampy anao hahita fomba hiarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Hanana fahafahana hanao fanazaran-tena hamaly io fanontaniana io ianao any amin’ny fiafaran’ny lesona.
Ny tapa-kazon’i Joda sy ny tapa-kazon’i Josefa
Nirahina hitory fibebahana ho an’i Israelita izay babo tany Babylona ny mpaminany Ezekiela. Ao amin’ny Ezekiela 37 no nandraketan’ny mpaminany ny fahitana azony izay ahitana ny Tompo mampianatra fa ny mpianakavin’i Isiraely, izay maty ara-panahy noho ny Apôstazia, dia ho velona indray amin’ny alalan’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Tao anatin’izany fahitana izany no nahitan’i Ezekiela tapa-kazo roa na takelaka hazo izay nanoratana ireo hafatra.
Eo am-pandalinan’ny mpianatra ity andalana manaraka ity dia mety ho tianao ny manamarika fa ny “tapa-kazon’i Joda” dia milaza ny Baiboly. Ny “tapa-kazon’i Josefa” dia milaza ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Efraima”; “Joda”). Azon’ny mpianatra atao ny manampy izany fampahalalana izany ho toy ny fanamarihana ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 16.
Ezekiela 37:15–17 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
Vakio ny Ezekiela 37:15–20 ary jereo ny fampanantenana nomen’ny Tompo mikasika ny soratra masina amin’ny andro farany.
-
Inona no hevitry ny fehezanteny hoe “dia ho iray eny an-tànanao izy” (andininy 17) araka ny hevitrao?
Hanampiana antsika hahatakatra ny mahatonga ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ho lasa testamentan’ny Mpamonjy “iray” dia nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mampianatra izy ireo fa Izy no Zanak’ Andriamanitra ary niaina fiainana mendrika tsara alain-tahaka Izy, nanao Sorompanavotana ho an’ny olon-drehetra Izy, maty teo amin’ny hazofijaliana Izy ary nitsangana indray tamin’ny naha Tompo nitsangana tamin’ny maty Azy. Mampianatra izy ireo fa Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao.
Ny vavolombelona avy amin’ny soratra masina dia manamarina ny fahamarinan’ny izy samy izy. Izany fomba fanamarinana izany dia efa nohazavain’ny mpaminany fahiny raha nanoratra fa ny Bokin’i Môrmôna dia “nosoratana mba hahazoanareo mino [ny Baiboly]; ary raha mino [ny Baiboly] ianareo dia hino ny [Bokin’i Môrmôna] ihany koa” (Môrmôna 7:9). Mifandray ireo boky ireo. Ny boky tsirairay dia mijoro ho toy ny porofo fa velona Andriamanitra ary miresaka amin’ny zanany amin’ny alalan’ny fanambarana ataon’ny mpaminaniny Izy. …
Ankehitriny ny Olomasina miaina any amin’ny firenena maro eto an-tany dia mihazona amim-pankasitrahana ny Baiboly (tapa-kazon’i Joda) sy ny Bokin’i Môrmôna (tapa-kazon’ny Efraima) izay mitambatra ho iray eo an-tànany koa. (“Fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny soratra masina,” Liahona, Nôv. 2007, 43, 44)
-
Ahoana no hamintinanao izay nianarantsika tao amin’ny Ezekiela 37:15–20 sy avy amin’ny Filoha Nelson?
Na mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany, dia ampio izy ireo hizara fahamarinana toy ny hoe samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy na ny Baiboly na ny Bokin’i Môrmôna.
-
Nahona no zava-dehibe ny sady manana ny Baiboly no manana ny Bokin’i Môrmôna izay samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?
Samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy
Ity sahanasa manaraka ity dia manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fomba samy hijoroan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Azonao atao ny manome ny sasany na izy rehetra amin’ireto tabilao eto ambany ireto. Afaka misafidy lohahevitra iray na maromaro hianarana manokana, miaraka amin’ny namana, na anaty vondrona ny mpianatra.
|
Lohahevitra momba ny filazantsara |
Soratra masina mitovy lenta |
|---|---|
Lohahevitra momba ny filazantsara Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy | Soratra masina mitovy lenta Baiboly: Isaia 53:3–5 Bokin’i Môrmôna: Almà 7:11–13 |
Lohahevitra momba ny filazantsara Fitsanganan’ny rehetra amin’ny maty noho ny amin’i Jesoa Kristy | Soratra masina mitovy lenta Baiboly: 1 Korintiana 15:20–22 Bokin’i Môrmôna: Almà 11:42–45 |
Lohahevitra momba ny filazantsara Nampanantena ny hanangona sy hanavotra ny olony ny Mpamonjy | Soratra masina mitovy lenta Baiboly: Ezekiela 37:21–23, 26–27 Bokin’i Môrmôna: 1 Nefia 10:14 |
Lohahevitra momba ny filazantsara Ny anjara asan’i Jesoa Kristy | Soratra masina mitovy lenta Baiboly: Isaia 63:7 Bokin’i Môrmôna: Moziah 4:11 |
Lohahevitra momba ny filazantsara Ny ôrdônansin’ny batisan’ny Mpamonjy | Soratra masina mitovy lenta Baiboly: Matio 3:13–17 Bokin’i Môrmôna: 2 Nefia 31:5–12 |
Lohahevitra momba ny filazantsara Misafidy lohahevitra iray ianao | Soratra masina mitovy lenta Baiboly: |
Mieritrereta fomba iray hanampiana ny mpianatra hizara izay nianarany. Fomba iray hanaovana izany ny fanomezana ny taratasy zaraina amin’ny mpianatra mba hampiasain’izy ireo hanaovana lahatsoratra amin’ny tambazotra sosialy. Raha tsy mahazatra ny mpianatra ny tambazotra sosialy dia afaka amboarinao ity sahanasa ity hilalaovana an-tsehatra izay tokony ho zarainy amin’ny olona hafa. Ny sahanasa dia manasa ny mpianatra hamaly ilay fanontaniana napetraka tany ampiadohan’ny lesona.
Misafidiana iray amin’ireo lohahevitra nohalalininareo ary manaova lahatsoratra ao amin’ny tambazotra sosialy izay azo ampiasaina hamaliana ny fanontaniana hoe “Nahoana no mila ny Bokin’i Môrmôna ianao raha mino ny Baiboly?” Ampio andian-tsoratra masina avy amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izay nianaranao izany. Hazavao ny zavatra manan-danja hitanao sy ny fomba ampianaran’izy roroa ireo mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Zarao ny zavatra izay nianaranao
Azonao apetaka manerana ny efitrano na eny amin’ny biraonao ny lahatsoratra na peta-drindrina navoakan’ny mpianatra. Entano ny mpianatra hitety ny efitra fianarana avy eo ary hamerina hijery ny asan’ny mpianatra namany. Omeo taratasy kely na taratasy miraikitra ny mpianatra hampiasainy eo am-pamitany ireto torolalana manaraka ireto.
Manorata “fanehoan-kevitra” amin’ny iray na maromaro amin’ireo lahatsoratra tao amin’ny tambazotra sosialy. Vitao anatin’ny fanehoan-kevitrao ny iray, farafahakeliny, amin’ireto safidy manaraka ireto:
-
Manampia andininy avy amin’ny Baiboly na avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mety hanampy ny hafa hahatakatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy sy ity lohahevitra ity. Ampio hevitra vitsivitsy mikasika ny zavatra manan-danja avy amin’ny soratra masina nozarainao.
-
Zarao ny fanampiana azonao avy amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ka nahatonga anao hahatakatra momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany.
-
Manorata toe-javatra niainanao ka nanampian’ny soratra masina avy amin’ny Baiboly na ny Bokin’i Môrmôna anao hampitombo ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.
-
Ho solon’ny fanoratanao ny eritreritrao amin’ny taratasy dia zarao ny zavatra nianaranao androany mikasika ny Mpamonjy sy ny fampianaran’ny filazantsarany ao amin’ny kaontinao manokana amin’ny tambazotra sosialy Ampio andalan-tsoratra masina sy ny fomba nanampian’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna anao hahatakatra bebe kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany.
Azonao faranana amin’ny fanentanana ny mpianatra hanohy hampiasa ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna mba hampitombo ny fahatakarany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny fampianarana.
Fanaovana tsianjery
Mety ho tianao ny hanampy ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary hamerina hijery izany mandritra ireo lesona hafa manaraka. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny “Ezekiela 37:15–17” dia ny hoe “Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia ho iray eny an-tànanao.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia ao amin’ireo fitaovana tovana ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”