“Ezekiela 34: ‘Izy no hiandry azy,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ezekiela 34: ‘Izy no hiandry azy,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: Lesona 139
Ezekiela 34
“Izy no hiandry azy”
Samy mahatsapa ho very, potika, marary ary sahirana avokoa isika rehetra indraindray. Naniraka an’i Jesoa Kristy “hohamara ny folaka” ary “hampatanjaka ny malemy” ny Ray any an-danitra (Ezekiela 34:16). Mampitaha ny fiahian’ny mpiandry ondry tsara ny andian’ondriny amin’i Jesoa Kristy izay miahy ny zanaky ny Ray any an-danitra ny mpaminany Ezekiela ao amin’ny Ezekiela 34. Afaka hanampy ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy hitady sy hiahy ny hafa ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hihevitra fomba hanamarinana fa ny anarana hoe “Mpiandry Ondry Tsara” (Jaona 10:11, 14) no mendrika an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny misaintsaina ny fomba hanampian’izany anaram-boninahitry ny Mpamonjy izany azy ireo hahatakatra ny fitiavany sy ny faniriany hiahy ny zanaky ny Ray any an-danitra.
Sahanasa fianarana azo atao
Tandindon’ny Mpamonjy
Azonao atao ny mizara ity toe-javatra sy fanambarana manaraka ity. Asao ny mpianatra hamantatra ny fihetsiky ny mpiandry ondry izay tandindon’ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo. Na soloy ny fandefasana ny “Shepherds of Israel [Mpiandry ondrin’Israely]” manomboka amin’ny mari-potoana 1:07 ka hatramin’ny 4:09.
Nandritra ny diany nankany Maraoka dia nianatra mikasika ny fitiavan’i Jesoa Kristy ny zanaky ny Ray any An-danitra ny Loholona John R. Lasater ao amin’ny Fitopololahy, raha nisy ondry iray voadonan’ny fiaran’ny mpanjaka ka nahatonga ilay mpiandry ondry handray vola be ho onitra. Nilaza ilay mpandika tenin’ny Loholona Lasater fa tsy nanaiky handray ilay vola ilay mpiandry ondry. Nizara izay nitranga taorian’izany avy eo ny Loholona Lasater:
Tamin’ny fahatairana no nanontaniako azy hoe nahoana. Ary izy namaly hoe, “Noho ny fitiavany ny ondriny tsirairay.” Teo no nahitako fa niondrika naka ilay ondry maratra ilay mpiandry ondry ary nametraka izany tao anatin’ny kitapony anoloan’ny akanjony. Tsy nijanona nisafosafo ny lohany izy ary namerimberina teny iray. Rehefa nanontaniako ny dikan’ilay teny noteneniny dia nolazainy tamiko hoe “Miantso azy amin’ny anarany izy. Samy manana ny anarany avy ny ondriny rehetra ary satria izy no mpiandry azy ireo ary amin’ny maha mpiandry tsara azy dia mahalala ny ondry rehetra amin’ny anarany izy.” (“Shepherds of Israel,” Ensign, May 1988, 74)
-
Inona no azonao ianarana mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fihetsika nataon’ilay mpiandry ondry?
Eo am-pianarana androany, dia angataho ny fanampian’ny Fanahy Masina hianarana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy mba hiahiana ny zanaky ny Ray any an-danitra.
Mpiandry ondry
Mampitaha ny mpitarika ny Israely amin’ny mpiandry ondry tsy miahy ny andian’ondriny ny Tompo ao amin’ny Ezekiela 34. Vakio ny Ezekiela 34:1–6, ary mariho ny fehezanteny nampiasain’ny Tompo hanambarana ny mpitarika ny Israely.
-
Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ny ahiahiny nambarany ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Hanampiana ny mpitarika ny Israely mba hiahy kokoa ny andian’ondriny dia namariparitra ny fomba fiahiany ny andian’ondriny i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 10:11, 14, ary milaza ny tenany ho “ilay mpiandry ondry tsara” ihany koa Izy).
Hevero ny mampiseho sarin’i Jesoa Kristy, ilay mpiandry ondry, toy ilay sary any am-piandohan’ity lesona ity. Eo amin’ny ankavian’ilay sary dia hevero ny manoratra hoe “Amin’ny maha mpiandry tsara Azy, ny Mpamonjy dia …” Azon’ny mpianatra fintinina izay nomarihany tao amin’ny Ezekiela 34:11–16 eo ambanin’io lohateny io.
Vakio ny Ezekiela 34:11–16, ary mariho ny fehezanteny mamariparitra ny zavatra ataon’i Jesoa Kristy amin’ny zanaky ny Ray any an-danitra.
Mety ho tafiditra ao anatin’ny famintinana omen’ny mpianatra avy amin’ireo andininy ireto manaraka ireto:
-
Mitady izay very (andininy 11–12, 16)
-
Manafaka amin’ny haizina (andininy 12)
-
Mamahana sy manome izay ilainy (andininy 13–15)
-
Mamehy izay folaka (andininy 16)
-
Mampahery ny malemy (andininy 16)
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara tantara avy amin’ny soratra masina izay maneho izany fihetsika nataon’ny Mpamonjy izany amin’ny zanaky ny Ray any an-danitra.
Hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny ezaka ataony amin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fiahiana ny hafa dia hevero ny mampiseho ireto fanombanan-tena manaraka ireto.
Ampitahao izay nomarihinao tamin’ireo andinin-tsoratra masina roa nohalalininao tao amin’ny Ezekiela 34, ary saintsaino izay mety ho valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo fomba hahatsapanao ho mitovy amin’ny Mpamonjy?
-
Misy fomba hahatsapanao ho mitovy kokoa amin’ireo mpiandry ondrin’i Israely ve?
-
Inona avy ireo mety ho karazana olana atrehinao amin’ny fiahiana ny hafa toy izay nataon’ny Mpamonjy?
Mikarakara ny ondriny
Hevero ny manoratra hoe “Afaka manaraka ny ohatry nasehon’ny Mpamonjy aho amin’ny fanaovana …” eo ankavanan’ilay sarin’ny Mpamonjy. Atambaro ho vondrona madinika ny mpianatra ary omeo ireto torolalana manaraka ireto.
Amin’ny fampiasana izay voarainao tao amin’ny Ezekiela 34:11–16 dia manaova lisitry ny fomba azon’ny zatovo ampiharina mba hiahiana ny hafa tahaka izay nataon’ny Mpamonjy.
Mety ho isan’ny hevitra tonga ao an-tsain’ny mpianatra ireto manaraka ireto:
-
Mitsidika olona tsy hita efa ela (“Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy” [Ezekiela 34:11])
-
Malala-tanana amin’ny fotoana sy ny fananana (“Izaho no hiandry ny ondriko” [Ezekiela 34:15])
-
Manasa olona handray anjara amin’ny sahanasa miaraka aminao (“Ny very hotadiaviko” [Ezekiela 34:16])
-
Mamantatra ny filana ara-batana sy ara-pihetseham-pon’ny hafa (“Ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko” [Ezekiela 34:16])
Rehefa avy nanao ny lisitra ao anaty vondrona dia azonao atao ny manentana ny vondrona tsirairay hanoratra ny iray amin’ny hevitr’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Rehefa misy hevitra maromaro eny amin’ny solaitrabe dia mety hanampy ny hifanakalozan’ny mpianatra hevitra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no mety hampananosarotra ny fanaovana ireo zavatra ireo?
-
Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao handresy ireo fahasarotana ireo?
Azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary manentana ny mpianatra hisafidy iray farafahakeliny mba ho valiana. Rehefa misaintsaina ny traikefany manokana ny mpianatra dia azon’ny Fanahy Masina atao ny manampy azy ireo hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha zava-dehibe ny zavatra hianaran’izy ireo.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Mpamonjy anao na ny fianakavianao tamin’ny nandefasany olona hitady sy hiahy anao?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’ny Mpamonjy anao na ny fianakavianao hitady sy hiahy ny hafa?
Raha hitanao fa manampy ny mpianatra ny fahitana ohatra mampiseho zatovo miahy ny hafa, tahaka izay nataon’i Jesoa, dia hevero ny mampiseho ny “Tafasiry iarahana amin’ny Filoha sy Rahavavy Oaks (Strive to Be [Miezaka ny hiova])” manomboka amin’ny mari-potoana 57:50 ka hatramin’ny 59:55, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Mizara hevitra hitadiavana sy hiahiana ny hafa ny zatovo ao amin’io horonantsary io.
Manaova drafitra
Ny fanaovana drafitra ao an-dakilasy hampiharana izay nianaran’izy ireo dia manampy ny mpianatra handalina ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy.
Makà fotoana hisaintsainana olona eo amin’ny fiainanao izay tahaka ny ondry (very, voaroaka, folaka na malemy) ao amin’ny Ezekiela 34. Mety ho olona ao amin’ny kilasinao na kôlejy misy anao izany, mety ho fianakaviana na namana, na olona any am-pianarana. Angataho ny fanampian’ny Fanahy Masina hitari-dalana anao ny amin’izay olona mila ny fanampianao.
Avy amin’ireo hevitra nifanakalozantsika hevitra na hevitra hafa tianao hatao, dia soraty ny fomba hanarahanao ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy hitadiavana sy hiahiana io olona io.
Mba ahatsiarovanao ny drafitrao, dia azonao atao ny manoratra izany amin’ny taratasy kely na manao fampahatsiahivana ao amin’ny findainao.
Azonao atao ny manokana minitra vitsy amin’ny lesona manaraka mba hanaraha-maso ny mpianatra mikasika ny drafitra nataony sy ny fivoarany. Mba hamaranana dia azonao atao ny mizara ny fomba niahian’ny hafa anao na niahianao ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy.