Seminera
Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: Topimaso


“Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47

Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47

Topimaso

Niantso an’i Ezekiela ho mpaminany mba ho mpitily ho an’ny Israelita nandritra ny fahababoana tany Babylona ny Tompo (jereo Ezekiela 3:16–17). Taty aoriana dia nampitahain’i Ezekiela tami’ny fiahian’ny mpiandry ondry tany Israely ny andian’ondriny ny fiahian’i Jesoa Kristy, “ilay Mpiandry Ondry Tsara” (Jaona 10:11), ny zanaky ny Ray Any an-danitra. Naminany ilay andro hiraisan’ny Baiboly (tapa-kazon’i Joda) sy ny Bokin’i Môrmôna (tapa-kazon’i Josefa) ho testamentan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay naverina tamin’ny laoniny i Ezekiela (jereo Ezekiela 37:15–17). Tao anatin’ny fahitana no nahitan’i Ezekiela ny tempolin’ny andro farany misy rano manasitrana mikoriana, tandindon’ny fitahiana omen’ny Tompo antsika rehefa mitsaoka Azy ao amin’ny tempoly isika.

sary famantarana ny seminera Ianaro manokana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Nahalala ary nahatakatra ny fotopampianarany ny Mpamonjy. Fony mbola zaza dia nampianatra sy namaly ny fanontanian’ny hafa Izy (jereo Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 2:46 [ao amin’ny Lioka 2:46, fanovozan-kevitra ambanin’ny pejy c]). Afaka mikatsaka ny handalina kokoa ny fotopampianarana marina sy handrisika ny mpianatrao hanao toy izany ihany koa ianao. Raha hamantatra misimisy kokoa ny fahatakaran’ny Mpamonjy ny fotopampianarany dia jereo ny “Nianatra ny fotopampianarana ny Mpamonjy,” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 20).

Ny ohatra amin’ny fomba handrisihana ny mpianatra hianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy araka ny ezaka ataony manokana dia hitanao ao amin’ny Lesona 141: “Ezekiela 47.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Ezekiela 1–3, 33

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanana faniriana lehibe kokoa hihaino ny fampitandreman’ny mpaminanin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Mpaminany” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na “Mpaminany” ao amin’ny lohahevitra sy fanontaniana amin’ny Tahirim-pitaovana. Afaka mijery ny anjara asan’ny mpaminany sy misaintsaina ny fijeriny ny fomba hanatanterahan’ny mpaminany izany asany izany izy.

  • Horonantsary:Tafasiry iarahana amin’ny Filoha Eyring sy ny Loholona Holland” (1:36:15) manomboka amin’ny mari-potoana 3:33 ka hatramin’ny 6:35; “The Prophet of God [Ilay mpaminanin’Andriamanitra]” (16:04) manomboka amin’ny mari-potoana 6:17 ka hatramin’ny 6:51; “The Voice of Warning [Ny feo fampitandremana]” (15:15) manomboka amin’ny mari-potoana 3:01 ka hatramin’ny 3:34

  • Sary: Sarin’i Carcassonne

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Raha ilaina dia ny edisiônan’ny fihaonambe farany mikasika ny Liahona hijerena ny Lahatenin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana; safidy amin’ny sahanasa hafa ny fanoratana amin’ny taratasy ny fampitandremana avy amin’ny mpaminany atao peta-drindrina ao an-dakilasy

Ezekiela 34

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba hitady sy hiahy ny hafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hihevitra fomba hanamarinana fa ny anarana hoe “Mpiandry Ondry Tsara” (Jaona 10:11, 14) no mendrika an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny misaintsaina ny fomba hanampian’izany anaram-boninahitry ny Mpamonjy izany azy ireo hahatakatra ny fitiavany sy ny faniriany hiahy ny zanaky ny Ray any an-danitra.

  • Horonantsary:Shepherds of Israel [Mpiandry ondrin’ny Israely]” (9:14) manomboka amin’ny mari-potoana 1:07 ka hatramin’ny 4:09; “Tafasiry iarahana amin’ny Filoha sy Rahavavy Oaks (Strive to Be [Miezaka ny hiova])” (1:20:10) manomboka amin’ny mari-potoana 57:50 ka hatramin’ny 59:55

  • Sary: Jesoa Kristy aseho ho mpiandry ondry

Ezekiela 37

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hiarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny fanontaniana apetraka amin’izy ireo hoe: “Nahoana ianao no mila ny Bokin’i Môrmôna raha mino ny Baiboly?” ary hiomana hizara ny fomba hamaliany izany. Azon’izy ireo atao ny manontany namana na fianakaviana ny mety ho valintenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana.

  • Taratasy zaraina: Sary Mba hanampiana ny mpianatra hamorona lahatsoratra ho an’ny tambazotra sosialy

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy miraikitra na taratasy kely miaraka amin’ny fametahana azy mba hanaovan’ny mpianatra fanehoan-kevitra amin’ny lahatsoratra avoakan’ny mpianatra hafa ao amin’ny tambazotra sosialy.

Ezekiela 47

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanana faniriana bebe kokoa hanompo an’Andriamanitra ao amin’ny tempoly.