“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 9: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 9: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitisipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Jeremia 31–33; 36–38; Fitomaniana 1; 3: Lesona 137
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 9
Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia manampy ny mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka hanampy ny mpianatra hanao tsianjery andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hampihatra ireo fitsipika masina hahazoana fahalalana ara-panahy.
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hisafidy iray na roa amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotompapianarana avy amin’ny Testamenta Taloha ary hanao tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny toerana misy azy. Raha tian’izy ireo dia azony atao ihany koa ny manao tsianjery ilay andalana manontolo. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja na andalan-tsoratra masina manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana fifehezana fotopampianarana: Manao tsianjery
Asehoy ny mpianatra ny bokin-tsoratra masina ankatoavina: Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao, Bokin’i Môrmôna, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. (Azonao atao ny mampiseho izany mivantana na mampiseho tahadika amin’ny endrika elektronika na mampiasa ny sary etsy ambony).
-
Iza tamin’ireo bokin-tsoratra masina ireo no nianaran’ny Mpamonjy tamin’ny andron’ny fahazazany, ny fahatanorany ary nandritra ny fotoana nanaovany asa fanompoana tety an-tany?
Raha ilaina dia hazavao fa afaka nijery ny maro tamin’ireo soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha dia ilay soratra masina ianaran’ny zatovo amin’izao fotoana izao ny Mpamonjy.
Vakio ny iray na roa amin’ireto soratra masina manaraka ireto ary jereo ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy andian-teny na andininy natao tsianjery avy ao amin’ny Testamenta Taloha: Matio 4:2–4; 19:4–5; Marka 7:9–10; Lioka 24:27.
-
Inona no hitanao?
Mety hanamarika ny mpianatra fa nampiasa ny soratra masina natao tsianjery entina mandresy ny fakam-panahy, hamaliana fanontaniana, hanitsiana fomba fijery diso na hampianarana ny hafa ny Mpamonjy. Raha tian’ny mpianatra ho fantatra ny andininy nampiasain’ny Mpamonjy dia zarao fa nampiasa ny Deoteronomia 8:3 izy tao amin’ny Matio 4:2–4, tao amin’ny Matio 19:4–5 ny Genesisy 2:24, ary tao amin’ny Marka 7:9–10 dia ny Eksodosy 20:12 sy Deoteronomia 5:16 no nampiasainy.
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa rehefa manao tsianjery andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izy ireo ka mampiasa izany eo amin’ny fiainany izy ireo dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.
-
Inona ireo toe-javatra nandalovanao na mety handalovanao ka ilanao fanampiana avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina?
Ohatra amin’izany rehefa mampianatra lesona na mandaha-teny, mamaly fanontanian’ny hafa na mikaroka valinteny ho an’ny tena manokana ary rehefa mandalo fakam-panahy.
-
Inona ny zavatra ataonao na azonao atao izay mety hanampy anao hanao tsianjery ireo andian-teny na andalana manan-danja ao amin’ny soratra masina?
Mety ho isan’ireo valinteny ny famerenana ilay andian-teny na andalana, ny fanoratana izany ary mamafa teny avy amin’izany, na mampiasa karatra kely na ilay taratasy noforonin’ny mpianatra tao amin’ny Lesona 15: “Fampiharana fifehezana fotopampianarana 1.”
Azonao atao ny mampiseho na manome ny mpianatra tsirairay ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaran’izy ireo hatreto. Azo jerena ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotompampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.
Entano ny mpianatra hamita ireto sahanasa manaraka ireto amin’ny fampiasana fomba fitadidiana izay tiany. Azo atao amin’izany ny mampiasa litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ny andian-teny fifehezana fotopampianarana na mampiasa ny appli Fifehezana Fotopampianarana. Misy lisitrana hevitra hafa fanampiny ao amin’ny tovana “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana”.
Manokàna minitra maromaro hanaovana tsianjery andininy sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina fifehezana fotopampianarana vitsivitsy. (Raha tianao dia azonao atao ny manao tsianjery andalana manontolo ho fanampin’ny andian-teny manan-danja.)
Entano ny mpianatra hisafidy iray amin’ny andian-teny na andalana nataony tsianjery ary hiomana hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany andalana na andian-teny izany anao eo amin’ny fiainanao?
-
Ahoana no fomba hanampian’izany anao hanahaka bebe kokoa ny Mpamonjy?
Manasà mpianatra maromaro hizara ary zarao ihany koa ny hevitrao. Mitadiava fomba hamporisihana ny mpianatra hanohy hanao tsianjery ireo soratra masina.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny sisa amin’ny lesona dia mifantoka amin’ny fanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra iainana mifandray amin’izany. Alohan’ny hanohizana ny lesona dia asao ny mpianatra hamerina hijery ireto fitsipika ireto. Ny fahaizan’ny mpianatra mitadidy sy mampihatra avy hatrany ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia hitombo amin’ny alalan’ny famerenana sy ny fampiharana miverimberina. Ny sahanasa famerenana dia hita ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny tovana. Ny famariparitana ireo fitsipika dia hita ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
Zarao amin’ny mpianatrao ity rafi-tantara manaraka ity. Azonao atao ihany koa ny manamboatra ilay rafi-tantara hifanaraka amin’ny toe-javatra lalovan’ny mpianatra, na manontany azy ireo ny fomba tiany hanamboarana izany mba hahatonga izany rafi-tantara izany hifanaraka amin’ny fiainany.
Alaivo sary an-tsaina i Malala namanao miteny aminao hoe: “Tena mahamonamonaina ny fomba handaniantsika ny andro alahady ary toy ny fandaniam-potoana fotsiny izany. Tsy tsara lavitra kokoa ve hoy ianao ny faran’ny herinandrontsika raha toa ka tsy misahirana isika mitandrina ny andro Sabata ho masina?”
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety mahatonga an’i Malala ho sahirana amin’ny fanarahana ity didy ity?
Anontanio hoe nahoana no ilaina fantarina ny anton’ny mahatonga an’i Malala ho sorena.
Entano ny mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hampiasany ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy hanampiana an’i Malala hiala amin’ny fihetseham-pony amin’izao fotoana izao ho amin’ny fahatakarana sy fahatsapana fifaliana mandritra ny andro Sabata.
Azon’ny mpianatra atao ny manao ity manaraka ity samirery na ao anaty vondrona madinika:
Manokàna minitra maromaro hanomananao izay mety hanampiana an’i Malala, anisan’izany ny:
-
Soratra masina, fanambarana avy amin’ny mpitarika ny Fiangonana, na loharanom-pahalalana hafa nofidin’ Andriamanitra. Mety ho tafiditra anatin’izany ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana toy ny Eksodosy 20:8; Isaia 58:13–14; Môsià 2:41; na andininy hafa toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9, 13–15.
-
Fahamarinana na fotopampianarana fantatrao ka mety hanampy an’i Malala ahita ilay toe-javatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay (ohatra, ahoana no fomba hanampian’izany antsika hanahaka bebe kokoa ny Tompo [jereo ny Mosesy 3:3]).
-
Ohatra avy amin’ny soratra masina, lahateny tamin’ny fihaonambe maneran-tany, na traikefa manokana mampiseho ny fomba ataon’ny olona hiasana amim-pinoana ao amin’ny Tompo Jesoa Kristy hanajana ny Sabata, toy ny fandehanana any am-piangonana sy ny fandraisana anjara amin’ny fanasan’ny Tompo. Azonao atao koa ny mampiseho ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo raha nampiseho finoana izy ireo. (Anisan’ny soratra masina azo raisina amin’izany ny Eksodosy 16:14–30 sy Jarôma 1:5–9.)
Fomba iray azonao omena ny mpianatra hiomanany hizarana ny heviny amin’ny namany ity manaraka ity.
-
Omeo taratasy kely iray ny ankizy tsirairay. Asaivo avalony ho fizarana telo izany na asiany tsipika.
-
Asaivo asiany anarana ny fizarana tsirairay avy miaraka amin’ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy samihafa.
-
Mifidiana fitsipika ary asaivo soratan’ny mpianatra ao amin’ny taratasiny ny fomba iray mety hanampiana an’i Malala araka ilay fitsipika nosafidiana.
-
Afaka mampitapita ilay taratasy ny mpianatra ary manoratra fitsipika hafa amin’ny taratasy hafa. Entano ny mpianatra hanohy hampitapita sy hanoratra ny taratasy.
-
Rehefa misy hevitra maromaro ao anatin’ilay taratasy dia asao ny mpianatra hitazona izany ary hamaky izay voasoratra ao.
Manasà mpianatra maromaro izay vonona, hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny alalan’izay novakiany. Mety ho tianao ny manontany ny mpianatra izay tsy dia mandray anjara matetika amin’ny famaliana ny iray na maromaro amin’ireo fanontaniana ireo. Mety hahazo aina kokoa ny mpianatra sasany mizara izay nosoratan’ny namany hafa.
-
-
Inona no novakianao na nosoratanao ka hitanao fa afaka manampy an’i Malala? Nahoana?
-
Inona no azonao anampiana izany?
Rehefa avy nizara ny mpianatra maromaro dia azonao atao ny manontany ny iray kilasy raha misy zavatra hafa heverin’izy ireo fa ilain’i Malala amin’izao fotoana izao. Misy fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy mety hanampy ve kanefa tsy tafiditra tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra? Tohizo mandrapaha-tsapan’ny iray kilasy fa ampy ny zavatra entina hanampiana an’i Malala.
Inona no nianaranao?
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao izay nianaranao tamin’ity traikefa ity ka tianao ho tsaroana, anisan’izany ny fomba fampiasana fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manampy anao hamaly fanontaniana na ahiahy izay anananao.