“Jeremia 31–33; 36–38; Fitomaniana 1; 3: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Jeremia 31–33; 36–38; Fitomaniana 1; 3: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Jeremia 31–33; 36-38; Fitomaniana 1; 3
Jeremia 31–33; 36–38; Fitomaniana 1; 3
Topimaso ankapobeny
Naminany tany Jerosalema taloha sy nandritra ny fanababoan’ny Babylonianina i Jeremia. Nampitandrina ny Jiosy izy fa raha tsy mibebaka izy ireo dia hotafihana ny tanànany ary dia hoentina ho babo izy ireo. Tsy nihaino ny tenin’i Jeremia ny mpanjaka sy ny vahoakan’i Jerosalema ka dia noravana. Nampianatra ny vahoakany mikasika ny fitiavan’ny Tompo sy ny fomba hanangonany ny vahoakany amin’ny andro farany ihany koa i Jeremia. Anisan’ny fanangonana ny fampanantenan’ny Tompo hanoratra ny lalàny ao am-pon’ireo izay manaraka Azy. Rehefa noravana i Jerosalema dia nanoratra fitomaniana ho an’ny olony i Jeremia, mampahatsiahy azy ireo ny famindram-pon’ny Tompo ary mampahatsiahy azy ireo fa tsy ho lavina mandrakizay izy ireo.
Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra. Amin’ny fiezahanao hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy dia mitadiava fomba hamaliana sy hifantohana amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra, ny fanontaniana ananany ary ny zavatra mahaliana azy fa tsy ho variana amin’ireo fitaovana nomaninao fotsiny ihany. Ny fanaovana izany dia mety hanasa ny Fanahy Masina hanampy anao hamaha ny toe-javatra handalovan’ny mpianatrao. Raha te hianatra kokoa mikasika ny fomba nandraisan’ny Mpamonjy andraikitra teo anatrehan’ny zavatra nilain’ny hafa dia jereo ny “Vonona lalandava ny handray andraikitra teo anatrehan’ireo zavatra nilain’ny hafa ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 17). Raha mila ohatra amin’ny zavatra tokony hataonao rehefa maharay bitsika avy amin’ny Fanahy mikasika ny zavatra ilain’ny mpianatrao, dia jereo ny Lesona 135: “Jeremia 36.”
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Jeremia 31
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny hevitry ny hoe manana ny filazantsaran’ny Mpamonjy misoratra ao am-pony.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao hametraka ity fanontaniana ity amin’ny fianakaviany sy ny namany ny mpianatra: “Inona no maha-samy hafa ny fahalalana ny fahamarinan’ny filazantsara ao an-tsainao sy ny fahatsapana izany ao am-ponao?” Afaka miomana hizara izay nifanakalozany hevitra izy ireo.
-
Zavatra haseho: Ireto fanontaniana manaraka ireto: “Ahoana no ahalalako fa misoratra ao am-poko ny lalàn’ny Mpamonjy? Inona avy ireo zavatra azoko atao mba hanasana ny Tompo hanoratra ireo lalàny ao am-poko?”
-
Taratasy zaraina: “Hanoratra ny lalàny ao am-ponao ny Mpamonjy”
Jeremia 36
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanampian’ny soratra masina azy ireo hitodika amin’i Jesoa Kristy mba hahazoany famelana amin’ny fahotana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handinika ny tanjona napetrany amin’ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy ny fivoarany manoloana ny vakiteny tsy maintsy hatao mandritra ny taona. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny fomba anampian’ny fandalinany soratra masina azy ireo hitodika amin’ny Tompo.
Fitomaniana 1; 3
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa ny fangorahan’ny Mpamonjy, na dia manota aza izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hitadidy tantara avy amin’ny soratra masina izay mampiseho ny toetra feno fangorahan’ny Mpamonjy. Hanana fahafahana hiverina amin’ity tantara ity ny mpianatra ao amin’ity lesona ity.
-
Sary: Sarin’ny mpaminany Jeremia
-
Horonan-tsary: “Coincé dans une impasse” (3:41)
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 9
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotompapianarana sy hampihatra ireo fitsipika masina amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hisafidy iray na roa amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotompapianarana avy amin’ny Testamenta Taloha ary hanao tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny toerana misy azy. Raha tian’izy ireo dia azony atao ihany koa ny manao tsianjery ilay andalana manontolo. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja na andalan-tsoratra masina manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.
-
Fitaovana: Ravin-taratasy iray avy ho an’ny mpianatra tsirairay