“Jeremia 36: Ny tenin’ Andriamanitra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Jeremia 36: Ny tenin’ Andriamanitra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Jeremia 31–33; 36–38; Fitomaniana 1; 3: Lesona 135
Jeremia 36
Ny tenin’ Andriamanitra
Ampahany tena ilaina amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina. Ny fianarana avy amin’ny soratra masina dia mampitodika ny saintsika sy ny fontsika mankany Aminy ary manasa ny heriny ho eo amin’ny fiainantsika. Nandritra ny fotoana nisian’ny apôstazia dia nomen’ny Tompo torolalana i Jeremia mpaminany hanoratra sy handefa ny tenin’ny Tompo ho an’ny vahoakan’i Joda mba hahafahan’izy ireo mitodoka Aminy sy hahazoan’izy ireo famelan-keloka. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hampitodihan’ny soratra masina azy ireo amin’i Jesoa Kristy mba hahazoany ny famelana ny fahotany.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handinika ny tanjona napetrany amin’ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy ny fivoarany manoloana ny vakiteny tsy maintsy hatao mandritra ny taona. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny fomba anampian’ny fandalinany soratra masina azy ireo hitodika amin’ny Tompo.
Sahanasa fianarana azo atao
Fahasahiana miteny
Mieritrereta fomba hanampiana ny mpianatra hiomana hianatra ny fomba nampiasan’ny Tompo soratra masina hanitsiana antsika amim-pitiavana sy hitondrana antsika ao Aminy. Fomba iray hanaovana izany ny famelana ny mpianatra hisaina toe-javatra iainana izay mety tsy ahazoana aina ny fahasahiana miteny. Raha ilaina dia azonao ampiasaina ireto toe-javatra iainana manaraka ireto.
-
Ahoana no mety ataon’ny olona iray izay manahy momba anao ao anatin’ireto toe-javatra iainana manaraka ireto?
-
Rehefa avy nihinana sakafo antoandro ianao dia tsikaritry ny namanao fa nisy poti-tsakafo tavela teo amin’ny nifinao.
-
Nahazo fanasana tamin’ny fety iray izay hanaovana zavatra tsy mendrika ianao. Mahafantatra ilay zavatra hatao ilay namanao kanefa fantany fa tena efa dodona ny ho any ianao.
-
-
Inona no mety handrisika ny olona iray ho sahy hiteny amin’ny toe-javatra iainana toy ireo?
-
Inona no mety ho vokatry ny fitenenana zavatra iray na ny fahanginana?
Mahalala sy mahita ny zavatra tsy hitantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Maniry ny tsara indrindra ho antsika Izy Ireo ary miteny amintsika amin’ny alalan’ny soratra masina (jereo ny 2 Nefia 32:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38). Rehefa mandalina ianao androany dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny soratra masina mitahy ny fiainanao. Hevero ny mety ho fiantraikan’ireo hevitra ireo amin’ny fandalinanao manokana.
Tanjon’ny soratra masina
Vakio ny Jeremia 36:1–3 dia jereo ny antony nandidian’ny Tompo an’i Jeremia handray an-tsoratra ny teniny ho an’ny vahoakan’i Joda.
-
Inona no tian’ny Tompo hitranga tamin’ny vahoakan’i Joda?
-
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny tanjona sasantsasany an’ny soratra masina?
Ny mpianatra dia mety ahita fahamarinana tahaka ny hoe manampy antsika hitodika amin’ny Tompo sy hahazo ny famelan-kelony ny soratra masina.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny andian-teny hoe “dia samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy” sy ny hoe “ka avelako ny helony sy ny fahotany” (andininy 3). Azon’izy ireo soratana eo akaikin’ireo andian-teny ao amin’ny soratra masiny ireo ny fahamarinana hitany.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny soratra masina antsika hitodika amin’ny Tompo sy hahazo famelan-keloka avy Aminy?
Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. rehefa mizara hevitra ny mpianatra dia mety hampiasa ireo hevitra azony avy amin’ireto soratra masina ireto izy ireo. Mety ho tianao ny ho lasa mahafantatra tsara ireto soratra masina ireto mba hahafahanao mijery izany rehefa mizara hevitra ny mpianatra. Ho solon’izany, rehefa avy mizara valiny vitsivitsy ho an’ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia azonao omena ireto torolalana manaraka ireto sy asaina manampy ireo hevitra voasoratra eny amin’ny solaitrabe.
Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary mitadiava fomba fanampiny hanampian’ny soratra masina antsika hitodika amin’ny Tompo sy hahazo famelana amin’ny fahotantsika.
2 Timoty 3:16
Ny fanontaniana izay manampy ny mpianatra hanombana ny zavatra nianarany dia afaka manampy anao hamantatra raha toa izy ireo ka vonona hiroso amin’ny fizarana manaraka amin’ny lesona na tsia. Ohatra, azonao atao ny mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:
-
Inona no zavatra ianaranao?
-
Inona no fanontaniana anananao momba ny zavatra novakinao?
Ny valintenin’ny mpianatra dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy anao hanavaka ny fomba hamaliana araka ny zavatra ilainy.
Mba hahazoana fampianarana fanampiny momba ny fametrahana fanontaniana hanombanana ny fandalinana dia jereo ny “Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Ny mpanjaka sy ny horonan-taratasy
Azonao atao ny mamintina na mamaky ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.
Nanao izay nandidian’ Andriamanitra azy i Jeremia ary niteny tamin’ny lehilahy iray antsoina hoe Baroka handray an-tsoratra izay rehetra notenenin’ny Tompo tao amin’ny horonan-taratasy iray. Koa satria tany am-ponja i Jeremia dia i Baroka no nasainy namaky ny tenin’ny Tompo tamin’ny vahoakan’i Joda, anisan’izany ireo printsy maromaro. Rehefa avy nanao izany izy dia nomen’i Baroka an’ireo printsy ny horonan-taratasy mba hovakina amin’i Joiakima, mpanjakan’i Joda (jereo ny Jeremia 36:4–10, 14–15, 20–21).
Vakio ny Jeremia 36:20–24 ary jereo ny fihetsika nasehon’i Joiakima Mpanjaka rehefa nandre ireo teny tao amin’ny horonan-taratasy.
-
Nahoana ny mpanjaka no naneho fihetsika toy izany raha ny hevitrao?
Vakio ny Jeremia 36:25 ary tadiavo ny fomba niezahan’ny printsy sasany nandresy lahatra ny mpanjaka.
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo no ireo printsy ao amin’ny andininy 25. Amin’ny fampiasana ny zavatra nianaran’izy ireo tao am-pianarana androany dia asao ny mpianatra hanomana valinteny ho an’ny Mpanjaka mba hanampiana azy hahatakatra ny fomba ahafahan’ny soratra masina mitahy ny fiainany.
Fomba iray hanaovana ity sahanasa ity ny fandaminana ny mpianatra ho ao anaty vondrona ahitana olona telo. Ny mpianatra tsirairay dia afaka misolo tena ny iray amin’ireo printsy ary miara-manomana ny valinteniny ireo vondrona. Avy eo dia azonao asaina ny vondrona iray hanatona eny aloha ary hilalao an-tsehatra ny fifampiresahany tamin’ny mpanjaka. Afaka manasa mpianatra iray hafa ianao hilalao ny toeran’ny mpanjaka na azonao mpampianatra lalaovina izany anjara toeran’ny mpanjaka izany. Azonao omena sosokevitra ny mpianatra mba hamarana ny tantara amin’ny fomba hafa ka ao anatin’izany ilay mpanjaka dia resy lahatra tsy handoro ilay horonan-taratasy.
-
Toe-javatra iainana inona amin’izao vanim-potoana izao no mety ahafahana manampy zatovo iray amin’ny alalan’ny fampianarana notsoahina avy tamin’ny valinteninao?
Diniho ny zavatra nianaranao
Azonao atao ny mizara ity teny nambara manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina izay nianarany avy amin’ny fandalinana ny Jeremia 36.
Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Tena “maneho ny heriny” amin’ny alalan’ny soratra masina tokoa Andriamanitra [jereo Almà 37:14] mba hamonjena sy hanandratana ny zanany. Manitatra ny fitadidiantsika, manitsy ny fahadisoana, ary mitondra antsika amin’ny fibebahana sy mampifaly antsika ao amin’i Jesoa Kristy Mpanavotra tokoa Izy, amin’ny alalan’ny teniny. (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Liahona, mey 2010, 33)
Mety hanampy ny manome fotoana ny mpianatra hisaintsainana na hanoratana ny valinteniny amin’ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hizaran’izy ireo izany amin’ny iray kilasy.
-
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahalalana fa ny fandalinanao manokana ny soratra masina dia afaka manampy anao hitodika amin’ny Tompo sy handray famelan-keloka sy fitarihana avy Aminy?
Mety ho fotoana tsara ho an’ny mpianatra izany mba hisaintsainana ny tanjona napetrany amin’ny fandalinany manokana sy ny vakiteny takina mba hahazoany naoty amin’ny seminera. Hevero ny hanasa ny mpianatra hamerina hijery ny tanjony ary hieritreritra ny fomba ahafahany mifantoka kokoa amin’ny fitodihana amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny fandalinany manokana ny soratra masina.