Seminera
Jeremia 31: Hanoratra ny lalàny ao am-pontsika Izy


“Jeremia 31: Hanoratra ny lalàny ao am-pontsika Izy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Jeremia 31: Hanoratra ny lalàny ao am-pontsika Izy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Jeremia 31–33; 36–38; Fitomaniana 1; 3: Lesona 134

Jeremia 31

Hanoratra ny lalàny ao am-pontsika Izy

nomerika ihany

Ahoanao no mety ho fihetsiky ny olona iray raha mahalala ao an-tsainy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy fa tsy mahatsapa izany ao am-pony? Azo heverina ve ny hanaovany zavatra na dia tsy mahatsapa ny herin’ny fitiavan’ny Mpamonjy aza izy? Miova toy ny ahoana ny zavatra ataontsika rehefa mahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao am-potsika isika? Ny Jeremia 31 dia mampanantena antsika fa rehefa mitodika amin’ny Tompo isika dia hosoratany ao am-potsika ny lalàny (jereo ny Jeremia 31:18, 33). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny hevitry ny hoe manana ny filazantsaran’ny Mpamonjy misoratra ao am-pon’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hametraka ity fanontaniana ity amin’ny fianakaviany sy ny namany ny mpianatra: “Inona no maha-samy hafa ny fahalalana ny fahamarinan’ny filazantsara ao an-tsainao sy ny fahatsapana izany ao am-ponao?” Afaka miomana hizara izay nifanakalozany hevitra izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mahalala zavatra ao an-tsaintsika ary mahatsapa izany ao am-pontsika

Mba hanombohana ny fampianarana dia entano ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona avy ny trangan-javatra mety hahalalantsika fa tokony hanao zavatra iray isika kanefa sarotra amintsika ny manao izany?

Mety hizara ohatra toy izao ny mpianatra hoe mandeha matory ara-potoana, misakafo ara-pahasalamana, na mamita ny enti-mody alohan’ny fotoana farany tokony hamitana izany. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa zavatra efa mahazatra ny mitolona mba hampifanaraka ny zavatra ataontsika amin’ny zavatra fantatsika fa marina. Mitombina ihany koa izany mahakasika ny fahalalana sy ny fanaovana zavatra araka ny zavatra fantantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mety ho fantantsika ny zavatra takin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy kanefa tsy miaina araka izany foana isika. Na izany aza anefa dia afaka miezaka isika mba hanana ny Mpamonjy sy ny filazantsarany hitaona antsika amin’ny zavatra rehetra ataontsika.

Tsy hita taratra foana amin’ny zavatra ataontsika ny zavatra fantantsika mikasika ny fanarahana ny Mpamonjy. Nametraka fanontaniana izay mety ananantsika indraindray ao anatin’izany toe-javatra izany ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Portrait of Elder D. Todd Christofferson.  Photographed in March 2020.

Inona no azonao atao mba hahatonga ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tsy ho fitaomana eo amin’ny fiainanao fotsiny fa ho fitaomana mifehy mihitsy ary indrindra indrindra ho ivon’ny tena maha ianao anao? (“When Thou Art Converted,” Liahona, Mey 2004, 11)

Rehefa mandalina ny Jeremia 31 ianao dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahita fomba hanaovanao ny filazantsaran’ny Mpamonjy ho “ivon’ny maha ianao anao mihitsy.”

Nilaza mialoha ny fitahian’ny Mpamonjy ho an’i Israely i Jeremia

Ho an’ity sahanasa fandalinana ity dia azonao atao ny mandrindra ny mpianatra anaty vondrona ahitana olona telo. Asao ny mpianatra tsiarairay ao anatin’ilay vondrona hamaky ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto, ary hizara ny valim-panontaniana nomen’izy ireo amin’ireo mpianatra hafa ao amin’ny vondrona.

Taorian’ny fampitandremana ny amin’ireo voka-dratsy izay hianjady amin’ny olon-dratsy amin’ny andro farany (jereo ny Jeremia 30:23–24) dia naminany i Jeremia fa hanangona indray ny vahoakan’ny fanekempihavanany ho eo Aminy indray ny Tompo.

Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary jereo izay zavatra hataon’ny Tompo ho an’ny vahoakany:

Jeremia 31:1–3

Jeremia 31:6–10

Jeremia 31:17–20

  • Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fampanantenana izay hitanao?

  • Inona no ampianarin’izany fanasana izany mikasika ny Tompo?

Vakio ny Jeremia 31:31–33 ary jereo ny fomba hanehoan’ny Tompo ny hatsaram-pony feno fitiavana amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany.

  • Ahoana no hamintinanao ity fampianarana ity mba ho lasa fanambarana fahamarinana?

    Ampio ny mpianatra hahita fa nampanantena hanangona antsika ho eo Aminy ny Tompo amin’ny maha vahoakan’ny fanekampihavanana antsika ary hanoratra ny lalàny ao am-pontsika.

  • Inona no hevitry ny hoe manana ny lalàn’ny Tompo misoratra ao am-potsika araka ny hevitrao?

Mety hizara hevitra samihafa ny mpianatra. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny andian-teny hoe misoratra ao am-pontsika (jereo ny andininy 33) dia mety hilazana ny fiovam-po, ny fandalovana fiovana ary ny faniriana hanatanteraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fontsika manontolo. Mety ho tianao ny manamarika fa nampiasa fanoharana mitovy amin’izany ihany koa i Paoly rehefa namariparitra ny Olomasina tany Korinto ho “epistilin’i Kristy … tsy nosoratana tamin’ny ranomainty … tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo” (2 Korintiana 3:3).

Misoratra ao am-ponao ve ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

Asehoy ireto fanontaniana roa manaraka ireto. Entano ny mpianatra hisafidy iray izay heveriny fa hanampy azy hahatakatra kokoa ny hevitry ny hoe, manana ny Tompo manoratra ao am-pony ny lalàna.

  1. Ahoana no hamantarako fa misoratra ao am-poko ny lalànan’ny Mpamonjy?

  2. Inona no zavatra azoko atao hanasako ny Mpamonjy hanoratra ny lalàny ao am-poko?

Alamino ho ao anaty vondrona kely ny mpianatra, miaraka amin’ireo mpianatra hafa izay nisafidy fanontaniana mitovy aminy. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe manana namana iray nametraka ilay fanontaniana nosafidiany. Asao ny mpianatra hanomana valinteny azony zaraina amin’io namana io.

sary famantarana ny semineraMba hanampiana ny mpianatra hanomana valinteny dia azonao omena tahadikan’ilay taratasy zaraina hoe “Hanoratra ny lalàny ao am-ponao ny Mpamonjy” ny mpianatra tsirairay avy.

Mampisehoa fahatakarana

Hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hanao fanazaran-tena hamaly ilay fanontaniana nosafidiany. Azonao ampiarahana amin’ny mpianatra nandalina fanontaniana hafa ny mpianatra.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fomba ahafahan’ny zavatra nianarany manampy olona iray hanao tsy tapaka ny zavatra fantany fa marina. Mba hanampiana ny mpianatra hampiseho izay nianarany sy tsapany dia azonao atao ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no porofo hotadiavinao hanamarinana fa manoratra ny lalàny ao am-ponao ny Tompo?

  • Inona ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao hanasana ny Mpamonjy hanoratra ny filazantsarany ao am-ponao?

Azonao atao ihany koa ny mangataka mpianatra vonona ny hizara ny traikefa nananany tamin’ny famantarany fa nanoratra ny lalàny tao am-pony ny Mpamonjy. Azonao zaraina ny fomba nahitanao ny Tompo nanoratra ny lalàny tao am-ponao. Amporisiho ny mpianatra hangataka fanampiana avy amin’ny Tompo ary handray andraikitra manoloana ny fahatsapana voarainy.