“Fitomaniana 1; 3: -Fa tsy mitsahatra ny fiantrany,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fitomaniana 1; 3: -Fa tsy mitsahatra ny fiantrany,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Jeremia 31–33; 36–38; Fitomaniana 1; 3: Lesona 136
Fitomaniana 1; 3
“Fa tsy mitsahatra ny fiantrany”
Koa satria feno fangorahana ny Mpamonjy dia vonona ny hanasitrana, hampahery ary hamela Izy na dia manota Aminy aza isika. Taorian’ny naharava an’i Jerosalema noho ny fahotana sy ny fikomiana dia niezaka nanampy ny Jiosy hahatakatra ny fangorahan’ny Mpamonjy sy hanana fanantenana ao anatin’izany i Jeremia. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fangorahan’ny Mpamonjy azy ireo eny fa na dia rehefa manota aza izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra hitadidy tantara avy amin’ny soratra masina izay mampiseho ny toetra feno fangorahan’ny Mpamonjy. Hanana fahafahana hiverina amin’ity tantara ity ny mpianatra ao amin’ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Rehefa avy manota isika
Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana izao rafi-tantara izao.
Na ho solon’izany dia asehoy ilay horonan-tsary hoe “Coincé dans une impasse” manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-1:47. Ity horonan-tsary ity dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azonao alefa rehefa afaka kelikely mandritra ny lesona ny ambin’ilay horonan-tsary.
Alaovy sary an-tsaina ny tovolahy iray nanao izay rehetra azony natao hanaovana safidy tsara teo amin’ny fiainany. Indray andro raha nanatrika fety izy dia nanaiky notarihin’ny namany hisotro zava-pisotro mahamamo satria tsy tiany ny hiavaka tamin’ny rehetra. Ny ampitson’iny raha nifoha izy dia nahatsapa ho irery, meloka ary kivikivy. Nanomboka nanao safidy ratsy hafa tsikelikely izy ary nanomboka very fanantenana ny amin’ny ho aviny.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteny omen’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Hiverenana mandritra ny lesona manontolo ny valinteny nosoratana.
-
Rehefa manota ny olona dia mety ho tahaka ny ahoana no fahitany sy fahatsapany ny tenany?
-
Ahoana no mety ho fahitany sy fahatsapany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Angataho ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto hanombanany ny fahatsapana ananany.
-
Efa nisy nandalo tao an-tsainao ve ny iray tamin’ireo fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe?
-
Iza amin’ireo fehezan-teny ireo no fantatrao hoe diso? Inona no tsy tena azonao antoka?
Zava-dehibe ny mahatsiaro fa samy manota isika ary “tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23). Eo am-pandalinanao ny Fitomaniana androany dia tadiavo ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao hamantatra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mikasika anao, eny fa na dia manao hadisoana aza ianao.
Alahelo noho ny ota
Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity. Asao ny mpianatra hizara izay hitany eo amin’ity sary ity na ny zavatra tsapany avy amin’izany. Hazavao fa mampiseho an’i Jeremia sy ny alahelony lehibe ity sary ity. Afaka mizara izay tsaroany mikasika ilay tantaran’i Jeremia ny mpianatra sy ny antony nampalahelo azy. Raha ilaina dia zarao ny antsimpiriany avy amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.
Nandritra ny 40 taona teo ho eo dia niteny tamin’i Jeremia ny Tompo mba haminany tamin’ny mpianakavin’i Israely momba ny faharavana sy fambaboana an’i Jerosalema raha tsy mibebaka sy miverina amin’ Andriamanitra izy ireo (jereo ny Jeremia 16:1–13). Nandritra ny fanjakan’ny Mpanjaka Zedekia dia noravan’ny Babyloniana i Jerosalema ary nitondra olona maro ho babo izy ireo, mba hahatanteraka ny faminanian’ny Tompo (jereo Jeremia 52). Fotoana vitsy taty aorian’izany dia nanoratra ny bokin’ny Fitomaniana i Jeremia.
Mety ho tianao ny manazava fa ny teny hoe fitomaniana dia ilazana fanehoana alahelo na fangirifiriana lalina.
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fijaliana niainan’ny vahoakan’ny Tompo. Azonao atao ny mampiaraka ny mpianatra ho tsiroaroa na ho ao anaty vondrona kely maromaro mba handalina ireo andalan-tsoratra masina. Hazavao fa tamin’ny alalan’ny fomba fijerin’i Jerosalema no nanoratan’i Jeremia ny ankamaroan’ireo andininy ireo, tahaka ny hoe ilay tànana mihitsy eto no miresaka.
Vakio ny iray na ny roa amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny teny na andian-teny maneho izay tsapan’ny olona rehefa avy nijaly noho ny fahotany izy ireo.
Fitomaniana 1:1–4
Fitomaniana 1:16–18
Fitomaniana 1:20–22
-
Inona no teny na andian-teny hitanao?
Mba hanampiana ny mpianatra handinika ny zavatra hitany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity.
-
Fantantsika fa tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, koa nahoana Izy Ireo araka ny hevitrao no mamela antsika hiaina izany karazam-pijaliana izany rehefa manota isika?
Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia asaivo vakiny ny andalan-tsoratra masina toy ny 2 Korintiana 7:9–10; Almà 42:18, 29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1, dia hitady valinteny azo omena amin’izany.
Ny fangorahan’ny Mpamonjy
Ny ambin’ny lesona dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fangorahan’ny Mpamonjy antsika na dia manota aza isika.
Azonao ampiarahana tsiroaroa ny mpianatra handalina ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary hamaly ny fanontaniana miaraka amin’izany. Ohatra, ny mpianatra iray dia afaka mandalina ny andininy 22–26 ary mandalina ny andininy 31–33 ny iray hafa.
Saintsaino ireo fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe izay nosoratana tany am-piandohan’ny lesona. Vakio ny Fitomaniana 3:22–26, 31–33 ka tadiavo ny teny na andian-teny hozarainao amin’ny olona manana fahatsapana toy izany.
-
Inona no teny na andian-teny hozarainao? Nahoana?
-
Inona no fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay tianao ho takatr’izy ireo?
Rehefa mizara hevitra ny mpianatra dia mety ho hitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Mangoraka antsika ny Tompo, eny fa na dia manota aza isika.
Raha mila fanampiana ny mpianatra hahatakatra ny teny hoe fangorahana dia azonao zaraina ity famaritana manaraka ity: “Ao amin’ny soratra masina ny hevitry ny teny hoe mangoraka dia midika ara-bakiteny hoe -miaraka ory.- Ny heviny koa dia ny hoe maneho fo onena, alahelo, ary famindram-po amin’ny hafa.” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fangorahana,” Médiathèque de l’Évangile).
Mba hahatakarana kokoa ny fangorahan’ny Mpamonjy dia azon’ny mpianatra atao ity sahanasa manaraka ity. Ho solon’ny fandalinana ny iray amin’ireto safidy manaraka ireto dia afaka mieritreritra sy mandalina tantara hafa avy amin’ny soratra masina izay ahitana ny fangorahan’ny Mpamonjy ny mpianatra.
Vitao ny iray amin’ireto fandalinana azo hisafidianana ireto, ary jereo izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny fomba ahafahanao mahatsapa ny fangorahan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao.
-
Halalino ny iray amin’ireto tantara ireto izay mampiseho ny fangorahan’ny Mpamonjy: Matio 18:23–35; Jaona 8:1–11.
-
Halalino ny iray na ny roa amin’ireto andalan-tsoratra masina izay mampianatra momba ny fangorahan’ny Mpamonjy ireto: Môzià 15:7–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:2–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:9.
Asao ny mpianatra hifampianatra izay nianarany sy tsapany. Azonao asaina ny mpianatra izay vonona hizara amin’ny iray kilasy.
Mety hanampy amin’ity fifanakalozan-kevitra ity ihany koa ity fijoroana ho vavolombelona manaraka ity.
Nijoro ho vavolombelona toy izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Afaka mamela heloka i Jesoa Kristy satria nanefa ny vidin’ny fahotantsika Izy.
Misafidy ny hamela heloka Ilay Mpanavotra antsika noho ny fangorahany sy ny famindram-pony ary ny fitiavany tsy manan-tsahala.
Te hamela heloka ny Mpamonjintsika satria anisan’ny toetra amin’ny maha-Andriamanitra Azy izany.
Ary, amin’ny maha-Mpiandry ondry tsara Azy, dia feno fifaliana Izy rehefa misafidy ny hibebaka isika.
Na dia mahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra noho ny zavatra nataontsika aza isika, rehefa misafidy ny hibebaka isika dia manasa eo no ho eo ny Mpamonjy ho ao amin’ny fiainantsika. (“Ny fibebahana: Safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 123)
Mahatsapa ny fangorahan’ny Mpamonjy ho ahy
-
Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahatsapa ny fangorahan’ny Mpamonjy? (Aza mizara fahotana efa vita taloha na zavatra mahakasika loatra ny tena manokana.)
Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay tovolahy tany am-piandohan’ny lesona.
-
Inona no hozarainao amin’ity tovolahy ity araka izay nianaranao androany?
Azonao faranana ilay horonan-tsary “Coincé dans une impasse,” manomboka amin’ny minitra faha-1:48 ka hatramin’ny faha-3:41. Na raha mbola tsy nasehonao ny tapany voalohany tamin’ilay horonan-tsary dia asehoy ilay horonan-tsary manontolo. Afaka mitady porofo ny mpianatra fa nampiseho fangorahana ho an’ilay tovolahy ny Mpamonjy. Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.
Azonao faranana amin’ny fijoroanao ho vavolombelona, ny eritreritra na fahatsapana anananao mikasika ny Mpamonjy ny fampianarana.