Seminera
Daniela 1: “Daniela … Tsy handoto ny tenany”


“Daniela 1: ‘Daniela … Tsy handoto ny tenany,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Daniela 1: ‘Daniela … Tsy handoto ny tenany,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Daniela 1–7: Lesona 142

Daniela 1

“Daniela … Tsy handoto ny tenany”

Daniel Refusing the King’s Meat and Wine, by Del Parson

Rehefa tojo toe-javatra mizaha toetra ny fahavononantsika hankatò ny didin’ny Tompo isika dia moa ve milefitra sa mijoro ho mafy orina? Amin’ny maha mpanompo tao an-dapan’ny mpanjaka an’i Daniela sy ny namany, dia nahazo baiko izy ireo handika ny lalàna nomen’ny Tompo mikasika ny fahasalamana, kanefa dia nijoro ho mafy orina izy ireo. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hanamafy ny fanoloran-tenany hankatò ny Tenin’ny Fahendren’ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Entano ny mpianatra handalina ny topimaso momba ny “Tenin’ny Fahendrena” ao amin’ny Lohahevitra sy Fanontaniana ao amin’ny Tahirim-pitaovana. Amporisiho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny fomba nitahiana azy ireo na ny olona hafa tamin’ny alalan’ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendren’ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no hataonao?

Hevero ny manomboka ny fampianarana amin’ny filazalazana momba ny zatovo iray izay tia fanamby hanandrana zava-baovao, tahaka ity manaraka ity. Azonao ovaina ny anarana sy ny sahanasa mba hahatonga izany hifanaraka kokoa amin’ny fiainan’ny mpianatrao.

I Mahefa dia mpikambana mafana fo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Malaza ho mpanandrana zava-baovao izy ary dia manome fanamby azy matetika ny namany, tahaka ireto manaraka ireto:

  • Indray andro dia nihantsy azy hanao hazakazaka lavitr’ezaka ny namany. Neken’i Mahefa izany fanamby izany.

  • Indray andro dia nihantsy azy hilomano tao amin’ny renirano misy ranomandry mangatsiaka ny namany. Neken’i Mahefa izany fanamby izany.

  • Indray andro dia nihantsy azy hiresaka tamin’ilay vehivavy vaovao tao am-pianarana ny namany. Neken’i Mahefa izany fanamby izany.

    Rehefa avy mamaky ny fanamby manaraka ianao dia miatoa kely ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity.

  • Indray andro, nihantsy an’i Mahefa hisotro toaka tamin’ny fety ny naman’i Mahefa.

  • Ahoana araka ny hevitrao no mety hasetrin’i Mahefa an’izany? Nahoana?

    Azonao anontaniana ny mpianatra raha mpitranga matetika any amin’ny toerana misy azy ny famporisihin’ny namana handika ny Tenin’ny Fahendrena. Afaka mitantara toe-javatra nahatsapany fanerena handika izany ihany koa izy ireo. Azonao atao ny mampahery ny mpianatra izay mety nandika ny didiny amin’ny fampahatsiahivana azy ireo fa hanampy azy ny Tompo raha miverina aminy sy mibebaka izy ireo. Omeo toky ny mpianatra fa tia azy ireo ny Tompo ary entano izy ireo hanohy hiezaka hatrany.

    Mba hanombanana ny fanoloran-tenany manokana amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena dia azon’ny mpianatra atao ny mamaly ireto manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.

  • Ahoana no hasetrinao toe-javatra toy izany araka ny hevitrao? Nahoana?

  • Inona no mety hataonao raha misy manome zavatra mahazatra toy ny kafe na dité?

Eo am-pandalinana ny Daniela 1 androany dia henoy ny eritreritra sy fahatsapana omen’ny Ray any an-danitra anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mitadiava hevitra hanamafisana ny fanoloran-tenanao hankatò ny Tenin’ny Fahendrena.

Nankatò ny Tompo i Daniela

Manodidina ny 606 Talohan’i Kristy dia nanafika an’i Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona, Nebokadnezara, ary naka ny sasany tamin’ny Israelita mba ho baboina tany Babylona. Namoaka didy ny mpanjaka mba hanofanana ny zatovo Israelita sasany amin’ny asa fanompoana ao an-dapa. Anisan’ireo zatovo ireo ny zatovolahy efatra antsoina hoe Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria. Novaina ho Beltesazara, Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny anaran’izy ireo tany Babylona (jereo Daniela 1:1–7).

Eo am-pamakiana ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra dia hevero ny miato kely eo amin’ny andininy 10 ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity. Azonao atao ihany koa ny manentana ny mpianatra hanaraka ao amin’ny soratra masiny raha mampiseho azy ireo ity horonantsary ity ianao “God Gave Them Knowledge [Nomen’Andriamanitra fahalalana izy ireo]” (ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) manomboka amin’ny mari-potoana 0:52 ka hatramin’ny 5:15 ary miatoa kely eo amin’ny mari-potoana 4:18 mba hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana.

13:49

Vakio ny Daniela 1:5, 8–14 ary tadiavo ny torolalana nomen’ny mpanjaka an’i Daniela sy ny namany mba ho ataon’izy ireo.

  • Nahoana no fanamby ho an’i Daniela sy ny namany ity fangatahana ity?

  • Nahoana araka ny hevitrao no mety hiteraka ny fahatezeran’ny mpanjaka ny tsy fihinanana sy ny tsy fisotroana zavatra sasantsasany?

Mety ho tsara raha ampahatsiahivinao ny mpianatra fa tamin’ny andron’i Daniela dia nanaraka ny lalan’i Mosesy ny Israelita izay nahitana famerana sakafo samihafa (jereo Deoteronomia 14). Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny hoe “hanin-kotrana” dia hilazana ny “sakafo misy voamaina, varimbazaha, sns.” (Daniela 1:12, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a).

Ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana ny Tompo

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Daniela sy ireo namany dia azonao hatambatra tsiroaroa hiara-miasa izy ireo. Eo am-pamakiana ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia asao ny iray amin’ireo mpianatra mandeha tsiroaroa hijery ny fomba nitahian’ny Tompo ara-batana an’i Daniela sy ireo namany, ary asao ny namany iray hafa hijery ny fitahiana ara-panahy nomen’ny Tompo azy ireo. Entano ireo mpianatra tsiroaroa avy eo hizara izay hitany. Asaivo marihin’izy ireo amin’ny fomba samy hafa ny fitahiana ara-batana sy ara-panahy (asongadino amin’ny loko samy hafa na tsipio ny iray ary ataovy miavaka ny iray hafa).

Vakio Daniela 1:15–20 ary tadiavo ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Daniela sy ireo namany noho ny fankatoavan’izy ireo.

sary famantarana ny seminera Rehefa mahita ny toetra sy toe-panahin’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia mety hitombo ny faniriany hatoky sy hankatoa Azy. Fomba iray hanaovana izany ny fanampiana ny mpianatra hamorona fanontaniana mampikaroka, tahaka ireto manaraka ireto, hahafahan’izy ireo misaintsaina.

(Raha mila fiofanana fanampiny amin’ny famoronana fanontaniana mampikaroka hanampiana ny mpianatra hahita toetra sy toe-panahin’i Jesoa Kristy dia jereo ny “Mamoròna fanontaniana mampikaroka mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo anarana fiantsoana Azy, ireo fanehoana Azy an’ohatra, ireo toetra nananany, ary ireo toetoetrany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

Avereno vakiana indray ny andininy 15–20, fa amin’ity indray mandeha ity dia saintsaino izay nianaranao mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika an’ Andriamanitra?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanamafisan’izany fahatakarana izany ny fanirianao hatoky sy hankatoa Azy?

Azonao atao ny manazava fa tahaka ny tamin’ny andron’i Daniela dia nanambara lalàna mifehy ny fahasalamana ho an’ny zanany ny Tompo ankehitriny. Tenin’ny Fahendrena no hiantsoana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89).

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra handalina ny Tenin’ny Fahendrena. Hevero ny manome taratasy sy fitaovana fanaovana zavakanto ary koa tahadikan’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ho an’ny mpianatra izay tsy afaka miditra amin’ny Tahirim-pitaovana. Azonao ferana ny fotoana laniana amin’ity sahanasa ity mba hanomezana fotoana malalaka ho an’ny traikefa any amin’ny faran’ny lesona.

Alaivo sary an-tsaina hoe nasaina hanao peta-drindrina mampiseho zavatra miavaka mikasika ny fivavahanao ianao. Nanapa-kevitra ianao hanao peta-drindrina mikasika ny Tenin’ny Fahendrena. Ampiasao ny sasany amin’ireto loharanom-pitaovana ireto, na izy rehetra, handraisanao fanapahan-kevitra ny amin’izay hampidirinao anatin’izany:

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21

  2. Daniela 1:15–20

  3. “Tenin’ny Fahendrena” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina na Lohahevitra sy fanontaniana (Loharanompitaovana) na ao amin’ny fizarana “Ahoana ny momba ny …?” ao amin’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022)

  4. Ny Tenin’ny Fahendrena: Ny heviny sy ny tsy heviny,” New Era, Aogositra. 2019, 26–28

Aza adinoina ny mampiditra fanambarana fahamarinana mikasika ny Tenin’ny Fahendrena ao amin’ilay peta-drindrina ataonao. Afaka raisina avy amin’ny zavatra niainan’i Daniela na avy amin’ny loharanom-pitaovana hafa izany fahamarinana izany.

Entano ny mpianatra hizara ny peta-drindrina nataony sy ny fanambarana fahamarinana hitany amin’ny mpianatra rehetra. Mety ho tafiditra amin’ny fahamarinana ho zarainy, hamafiso izao manaraka izao: Rehefa mitandrina ny didin’ny Tompo amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena isika dia hitahy antsika ara-batana sy ara-panahy Izy.

(Fanamarihana: Ao amin’ny Lesona 160: “Tombano ny fianaranao 10,” dia hiverina hijery ny peta-drindrina namboariny ny mpianatra. Mety hanampy ny manangona ireo peta-drindrina na mametaka izany ao an-dakilasy mandrapahatongan’ny fotoana hampianaranao izany lesona izany mba ho mora amin’ny mpianatra ny mahita azy.)

Ny olona mbola tsy mahatakatra ny tanjon’ny Tenin’ny Fahendrena dia mety hahita izany ho tahaka ny famerana tsy ilaina apetraky ny fiangonana. Manokàna minitra vitsy hisaintsainana ny fitahiana azo avy amin’ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena ary ny vokatry ny fandikana izany eo amin’ny olona tsirairay, ny fianakaviana, ary ny fiarahamonina.

  • Amin’ny fomba ahoana no hisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany amin’ny alalan’ny Tenin’ny Fahendrena araka ny hevitrao?

Manolora tena izao ankehitriny izao hankatoa ny Tompo

Hanampiana ny mpianatra hanamafy ny fanolorantenany hankatoa ny Tenin’ny Fahendrena avy amin’ny Tompo dia entano izy ireo hameno ireto fehezanteny manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany. Eo am-piomanan’izy ireo hanoratra izany dia angataho izy ireo hihevitra fa ny fomba fanolorantenany hankatoa ny Tenin’ny Fahendrena dia manamafy orina ny fifandraisany amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Te hankatoa ny Tenin’ny Fahendrena aho satria …

Zavatra iray azoko atao hanampy ahy hankatoa ny Tenin’ny Fahendrena ny …

Azonao atao ny mamarana izany amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fitahiana voarainao avy amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendreny.