Seminera
Tombano ny fianaranao 10: Amosa–Malakia


“Tombano ny fianaranao Amosa–Malakia”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Tombano ny fianaranao Amosa–Malakia”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Malakia: Lesona 160

Tombano ny fianaranao 10

AmosaMalakia

teen doing homework

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fivoarana hitany nandritra ny fandalinana ny Testamenta Taloha nataony tato ho ato.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy omban’ny fahavononana hizara sary iray maneho talenta na fahaiza-manao izay nezahiny hananana, na fomba nitomboan’izy ireo, na zavatra niainan’izy ireo nandritra ny taona lasa na toy izany. Raha tsy mahita sary izy ireo dia afaka tonga miaraka amin’ny ohatra iray mba hozaraina fotsiny.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny kilasinao dia mety nifantoka tamin’ny vokatra samihafa tao amin’ny Amosa ka hatramin’i Malakia avy amin’ny vokatra izay notombanana tato amin’ity lesona ity. Raha izany no izy, dia ampifanaraho ireo sahanasa mba hanombanana ny fivoarana niainan’ireo mpianatra avy amin’ny vokatra nosafidianareo. Tsy voatery hanao ireo sahanasa rehetra ihany koa ianareo. Azonao atao ny mifidy ireo sahanasa izay tsapanao fa hanan-danja manokana na ilain’ny mpianatrao.

Hanana fahafahana hanombana ny fivoarany amin’ireto lafin-javatra manaraka ireto ny mpianatra ato amin’ity lesona ity:

  1. Hazavao ny anjara asan’ny mpaminany. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia mifototra amin’ny fampianarana avy amin’ny Lesona 138: “Ezekiela 3 sy ny Lesona 149: “Amosa 3:7.”)

  2. Hazavao ireo anaram-boninahitra, anjara asa, toetra, ary tandindona an’i Jesoa Kristy. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia nosintomina avy tamin’ny fandalinan’ny mpianatra ny Testamenta Taloha amin’ny ankapobeny.)

  3. Tandremo ilay didy mba hankatò ny Tenin’ny Fahendrena. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia mifototra amin’ny fampianarana ao amin’ny Lesona 142: “Daniela 1.”)

Azonao soloina amin’ny sahanasa fanombanana ho an’ Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ny iray amin’ireo sahanasa atao ireo. Ireo fanombanana ho an’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana dia hita ao amin’ny tovana.

Ny fomba nitomboanao

Mba hanombohana ny lesona dia asao ireo mpianatra hampiseho sary izay maneho ny talenta na ny fahaiza-manao izay novolavolain’izy ireo, na ny fomba nitomboan’izy ireo, na ny zavatra niainan’izy ireo nandritra ny taona lasa na toy izany. Raha tsy manana sary ny mpianatra dia afaka mizara ohatra fotsiny izy ireo. Hevero ny hampiseho sary iray maneho ny fomba nitomboanao teo amin’ny fiainanao.

  • Nahoana no mahasoa ny miato kely indraindray ka mamantatra ny zavatra nianarantsika na ny fitomboantsika?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fomba nitomboan’izy ireo ara-panahy sy nanatonany kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nandritra ny taona lasa. Asao ireo mpianatra hanao sarina efajoro roa tahaka ireto manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany:

Study Journal Boxes

Ataovy sary na soraty ao anatin’ny efajoro tsirairay ny fomba iray izay tsapanao fa nitomboanao na nanatonanao kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nandritra ity taona ity. Mety ho “sarin’” ny zavatra niainanao izany. Mety ho hita ao amin’izany ireo:

  • Fomba niezahanao ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo tanjona sy drafitra nataonao nandritra ny taona. Raha nanao drafitra ianao rehefa nandalina ny soratra masina, dia hevero ny hampiditra ireo soratra masina ireo.

  • Soratra masina na fampianarana izay nanampy na nampahatanjaka anao. Azonao atao ny mampiditra andininy na toko hozaraina amin’ny hafa.

  • Ireo traikefa mampivoatra izay niainanao, toy ny fandraisana valim-bavaka, ny fanompoana ny hafa, ny fahatsapana ny fanampian’ny Tompo ao anatin’ny fitsapana iray, na ny fanentanam-panahy avy amin’ny ohatra iray avy amin’ny soratra masina na ny mpiara-mianatra iray.

Manasà mpianatra maromaro hizara ny zavatra nataony sary na nosoratany. Satria ity no fiafaran’ity taranja ity dia mety hanampy ny fanasana mpianatra maromaro mba hizara.

sary famantarana ny seminera Rehefa mizara ny mpianatra dia mitadiava fomba hanampiana azy ireo hahafantatra fa manome lanja ny valinteniny ianao. Alohan’ny hizaran’ny mpianatra izany dia afaka milaza zavatra toy ny hoe “Tiantsika ny mihaino an’i Olivia” na “Tena tiako ny hevitra nozarain’i Joseph sy ny zavatra niainany.” Manampy ny miatrika ireo mpianatra sy ny mibanjina azy ireo rehefa mizara izy ireo. Rehefa avy mizara izy ireo dia mety hanampy ihany koa ny “misaotra” amin-kitsimpo na ny hoe “Tiako ny mandre ny hevitrao.” Ho fanofanana fanampiny dia jereo ny “Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo.” ao anatin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Raha tsapanao fa fomba tsara azo ampiasana tsara ny ankabeazan’ny fotoana ho an’ny lesona ity sahanasa ity dia azonao omena fahafahana ny mpianatra tsirairay hizara zavatra iray izay nataony sary na nosoratany. Ohatra, azonao atao ny mandamina ireo dabilio ho faribolana ary mangataka mpianatra iray manolo-tena handeha voalohany. Avy eo dia mandehandehana manodidina ilay faribolana ka asao ireo mpianatra hafa hizara. Omeo fahafahana tsy handray anjara ny mpianatra raha toa izy ireo ka tsy te hizara. Eo am-pizaran’izy ireo dia mitadiava fomba hanekena ny ezaka ataon’ny mpianatra, hijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, ary hanamafisana ny herin’ny soratra masina.

Hazavao ny anjara asan’ny mpaminanin’ny Tompo

Mety nianatra momba ny anjara asan’ireo mpaminanin’ny Tompo ny mpianatra tao amin’ny Lesona 138: “Ezekiela 1–3; 33” sy ny lesona 149: “Amosa 3: 7”. Diniho ny hanomezana minitra vitsy ny mpianatra mba hamerina hijery ny zavatra nianarany tao amin’ireo lesona ireo. Afaka manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny famerenana mijery ny Ezekiela 3:10–11, 16–17; Amosa 3:7, miaraka amin’izay mety ho fanamarihana nataon’izy ireo tao amin’ny soratra masina na diarin’izy ireo mikasika ny anjara asan’ireo mpaminany.

Mba hampahafantarana ity sahanasa manaraka ity dia azonao atao ny manazava fa ny Fiangonana dia mametraka loharanom-pitaovana an-jotra ho an’ireo olona izay te hianatra momba ireo lohahevitra sasantsasany. Loharanom-pitaovana iray ny Lohahevitra sy fanontaniana izay hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Ampiasao ireto torolalana manaraka ireto mba hanoratana teny iditra misy fehezanteny telo momba ireo mpaminany izay azo ampiasaina ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile:

  1. Soraty ny fehezanteninao voalohany amin’ny fampiasana ny zavatra nianaranao momba ny anjara asan’ireo mpaminany ao amin’ny Ezekiela 3:10–11, 16–17.

  2. Manorata fehezanteny faharoa miainga avy amin’ny zavatra nianaranao momba ny anjara asan’ireo mpaminany tao amin’ny Amosa 3:7.

  3. Manorata fehezanteny fahatelo miainga avy amin’ny zavatra hafa nianaranao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Taloha momba ny anjara asan’ireo mpaminany.

Rehefa avy nanoratra ny teny iditra ny mpianatra dia azonao atao ny mampiseho ity ampahany manaraka amin’ny teny iditra momba ireo mpaminany avy ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana ity. Asao ny mpianatra hamaky izany ary hijery raha toa ka misy zavatra tian’izy ireo hampidirina ao amin’ny teny iditra nataony.

Toy ireo mpaminany fahiny, ireo mpampinany ankehitriny dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsara. Mampahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny tena toetoetrany izy ireo. Miteny amim-pahasahiana sy mazava izy ireo, manameloka ny ota sy mampitandrina ny amin’ny vokatr’izany. Misy fotoana mety ho entanin’ny fanahy izy ireo haminany ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy ho tombontsoantsika. (Lohahevitra sy fanontaniana, “Prophètes,” Médiathèque de l’Évangile)

Hevero ny hametraka ny mpianatra ao anatina vondrona kely mba hizara ny zavatra nosoratany. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny iray na ny maromaro amin’ireo fehezantenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Anaram-boninahitra sy anjara asa ary tandindon’i Jesoa Kristy

Mampisehoa sarina trangan-javatra ara-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha izay maneho ny Mpamonjy na ny heriny. Ohatra vitsivitsy amin’izany ireto sary manaraka ireto:

Collage
  • Inona avy no ampianarin’ireo sary tsirairay ireo antsika mikasika an’i Jesoa Kristy?

Ireo sary ireo dia maneho ny fomba namoronan’ny Mpamonjy izao tontolo izao; nanasitrany ny vahoaka izay nijery ny bibilava teo amin’ilay tehina; nanampiany an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego tao amin’ny lafaoro mirehitra afo; ary nanakombonany ny vavan’ny liona. Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa ilay menarana teo amin’ilay tehina dia tandindon’ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana (jereo ny Jaona 3:14).

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra iray na roa izay nianaranao momba ny Mpamonjy tamin’ity taona ity ka nanan-danja taminao. Ireo zavatra ireo dia mety ho avy tamin’ny tantara iray ao amin’ny Testamenta Taloha, na mety ho iray amin’ireo anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy, na tandindona momba Azy, na iray amin’ireo anjara asany. Raha azo atao dia ampio andinin-tsoratra masina miaraka amin’ny hevitrao. Hazavao ny antony maha-manan-danja izany hevitra izany aminao.

Manasà mpianatra maromaro hizara. Mitadiava fomba hanampiana ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ireo anjara asa maro tanterahiny eo amin’ny fiainantsika.

Fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity ary hanontany ny mpianatra ny zavatra tsaroan’izy ireo avy amin’ilay tantara hita ao amin’ny Daniela 1. Na azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo peta-drindrina momba ny Tenin’ny Fahendrena izay noforonin’izy ireo tao amin’ny Lesona 142: “Daniela 1” na hiezaka hitadidy ny zavatra nampidirin’izy ireo tao amin’izany.

Daniel Refusing the King’s Meat and Wine, by Del Parson
  • Inona no tsaroanao mikasika ity tantara ity?

Tao amin’ny Lesona 142: “Daniela 1”, ireo mpianatra dia nianatra fa ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena an’ny Tompo dia mitondra fitahiana ara-batana sy ara-panahy. Ao anatin’izany lesona izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hameno ity fehezanteny manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo: “Ny zavatra iray azoko atao izay hanampy ahy hankatò ny Tenin’ny Fahendrena dia …”

Mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny ezaka ataon’izy ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ny fomba namenoan’izy ireo an’io fehezanteny io. Aorian’izay dia asehoy ny iray na ny maro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo ezaka nataonao mba hankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao rehefa niezaka nankatò ny Tenin’ny Fahendrena ianao?

  • Efa nahita an’ Andriamanitra nitahy anao na ny hafa ara-batana na ara-panahy tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena ve ianao?

Hevero ny hanasa izay manolo-tena hizara ny hevitr’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ireo mpianatra hanitsy ny ezaka ataon’izy ireo na hanolo-tena indray hankatò ny Tenin’ny Fahendrena araka izay ilaina.