“Fifehezana fotopampianarana: Mitady ny valin’ireo fanontaniako: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny amin’ireo fanontaniako: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako
Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako
Topimaso ankapobeny
Ny fandraisana anjara amin’ny fifehezana ny fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy. Ao anatin’ny fifehezana fotopampianarana, ny mpianatra dia hianatra andinin-tsoratra masina manan-danja ary koa hianatra sy hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy: manao asa amim-pinoana, mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Ireo fitsipika ireo dia afaka manampy azy ireo hamaly fanontaniana na hamaha olana sady mihazona ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Sosokevitra amin’ny fandrindram-potoana: Mety tsara kokoa ny mampianatra ireto lesona ireto any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Raha toa ka efa zatra ny fifehezana fotopampianarana tamin’ny taona lasa ny mpianatrao dia azonao atao ny mandamina ny lesona 161: “Manamafy orina ny fototra ara-panahinao” ho ampianarina any afovoan’ny taom-pianarana. Ity lesona ity dia azo ampiasaina mba hampahatsiahivana ny mpianatra ireo hevi-dehibe mifandray amin’ny fifehezana fotopampianarana rehefa manohy ny fandalinany izy ireo.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.
Hamafiso ny fototra ara-panahinao
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fifehezana fotopampianarana mitahy ny fiainan’izy ireo sy manampy azy ireo hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Helamàna 5:12 alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy. Azon’ny mpianatra atao ny mitady ireo fitahiana nampanantenaina noho ny fanorenana ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.
-
Votoatin-javatra haseho: Rafi-tantara eny am-piandohan’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Inona no atao hoe Fifehezana fotopampianarana?” (3:56)
Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ho an’ireo fanontaniako
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tari-dalana sy fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Recognizing the Promptings of the Holy Ghost” avy ao amin’ny fizarana “Revelation” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Rehefa mamaky ny mpianatra dia afaka mieritreritra ireo fanontaniana ananany momba ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra izy ireo. Afaka mitondra ny fanontaniany ao an-dakilasy izy ireo. Ho solon’ny fampiasana Lohahevitra sy fanontaniana dia azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:10–13 ary mitady ny zavatra nataon’i Joseph Smith hikatsahana sy hiomanana handray fanambarana.
-
Votoatin-javatra haseho: Fanontaniana manokana hosaintsainin’ny mpianatra any amin’ny fiandohan’ny lesona, fanontaniana momba ny finday avo lenta eny afovoan’ny lesona
-
Zavatra haseho: Finday avo lenta na sarina finday avo lenta
-
Fitaovana: Sarina finday avo lenta avy ao amin’ny taratasy zaraina ao amin’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Receiving Revelation” (4:17)
Manao asa amim-pinoana mba hahitana valiny
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny valin’ny fanontaniany momba ny filazantsara izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny andiam-pehezanteny 5–7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Azon’izy ireo atao ny miomana hizara ny antony iheveran’izy ireo fa manan-danja ny zavatra ataontsika rehefa mikatsaka valiny amin’ireo fanontaniana na olana momba ny filazantsara isika.
-
Sary: Ilay vehivavy avy any Zarefata; Namàna; Enoka
-
Horonan-tsary: “Act in Faith: The Stonemason” (4:57)
-
Votoatin-javatra haseho: Torolalana ho an’ny torohevitra azon’ny mpianatra omena ao amin’ny fizarana “Asa izay maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny lesona
Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamorona lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana na fifanahafana izay afaka maneho ny lanjan’ny fahitana zavatra amin’ny fomba fijery hafa. Azo omena fahafahana hizara ny heviny any am-piandohan’ny fotoam-pianarana izy ireo.
-
Sary: Zavatra roa izay toa tena misy amin’ny fomba fijery voafetra; ireo zavatra roa ireo ihany jerena amin’ny fomba fijery iray hafa izay mampiseho fa tena misy ny iray ary ny iray hafa dia tsy misy.
-
Fitaovana: Taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay
-
Horonan-tsary “Examining Questions with an Eternal Perspective [Mamakafaka ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay]” (2:56)
Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valiny
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hikatsaka fahamarinana avy amin’ireo loharanom-pahalalana izay nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe inona avy ireo loharanom-pahalalana hitodihan’izy ireo rehefa manana fanontaniana momba izao manaraka izao izy ireo: enti-mody, zavatra mahaliana na fialam-boly, zava-nitranga ara-tantara, ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Asao izy ireo hisaintsaina ny antony hitodihan’izy ireo amin’ireo loharanom-pahalalana hitan’izy ireo.
-
Sary: Sary sandoka sy sary marina any amin’ny fiandohan’ny lesona; I Mosesy mifanehitra amin’i Satana
-
Horonan-tsary: “In Search of Truth” (3:03)
-
Votoatin-javatra haseho: Fanontaniana any amin’ny faran’ny fizarana “Manavaka ny marina sy ny diso” ao amin’ny lesona. Teny ambara diso anankitelo ao amin’ny fizarana “Fanazaran-tena” ao amin’ny lesona
-
Fitaovana: Taratasy kely ho an’ny mpianatra tsirairay; fitoeran-javatra iray izay hametrahan’ny mpampianatra ny taratasin’izy ireo