Seminera
Manamafy orina ny fototra ara-panahinao: Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana


“Manamafy orina ny fototra ara-panahinao: Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Manamafy orina ny fototra ara-panahinao: Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako: Lesona 161

Hamafiso ny fototra ara-panahinao

Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana

Jesus is standing on a hill. You can see the sun in the background

Ny fomba iatrehantsika ireo fanamby sy fanontaniana ary olana eo amin’ny fiainantsika dia afaka mitarika antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na hanalavitra Azy Ireo. Ny fifehezana fotopampianarana dia manolotra fitarihana izay afaka manampy antsika hiatrika ny toe-javatra toy izany amim-pinoana an’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fifehezana fotopampianarana mitahy ny fiainan’izy ireo sy manampy azy ireo hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Helamàna 5:12 alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy. Azon’ny mpianatra atao ny mitady ireo fitahiana nampanantenaina noho ny fanorenana ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Fomba iatrehana fampahalalana sarotra

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanao kisarina olona roa eny amin’ny solaitrabe ary omeo anarana hoe Anna sy Veronica izy ireo. Raha tian’izy ireo dia azon’ny mpianatra atao ny manome antsipiriany momba ny ankizivavy tsirairay toy ny fialamboliny, sy ny toerana hiasany, sy ny sns. Mitandrema mba tsy hamela ity ampahany amin’ny lesona ity haka fotoana be loatra na ho manan-danja kokoa noho ilay rafi-tantara.

Asehoy ity rafi-tantara manaraka ity. (Fanamarihana: Mitohy mandritra ny ampahany hafa amin’ny lesona ilay rafi-tantara.)

Mpinamana tsy mifanary i Anna sy i Veronica, ary samy mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’ I Jesoa Kristy Ho An’ Ny Olomasin’ Ny Andro Farany. Hatramin’ny nanombohany ny sekoly ambaratonga faharoa dia nahare fampahalalana sy hevitra maro momba ny Fiangonana avy amin’ny loharano samihafa izy ireo. Rehefa nihaona izy ireo indray alina dia nizara fampahalalana vitsivitsy izay novakiny an-jotra (en ligne) momba ny Fiangonana tamin’i Veronica i Anna. Nolazain’i Anna fa nanozongozona ny finoany ny zavatra hitany. Taitra izy raha nandre an’i Veronica nilaza fa fantany ireo zavatra ireo ary nahita fiadanana momba azy ireo izy. Liana tamin’ny antony nahatonga an’i Veronica hahatsapa izany i Anna.

  • Inona avy ireo zavatra tsara sasantsasany mitranga ato amin’ity rafi-tantara ity na dia teo aza ny ahiahan’i Anna?

Mety ho tsikaritry ny mpianatra fa zavatra tsara ny fahatsapan’i Anna ho sahy mametraka fanontaniana an-kitsim-po. Tsara ihany koa ny hoe afaka hanampy an’ i Anna i Veronica.

Asao ny mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo ka efa nahatsapa ny zavatra tsapan’i Anna. Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo hieritreritra raha toa izy ireo efa nahatsapa ho toa an’i Veronica ary nanana namana iray izay nanam-panontaniana ka nanatona azy ireo.

Rehefa mianatra momba ny fifehezana fotopampianarana ianao androany dia aoka ho vonona handray izay mety ho ampianarin’ny Fanahy Masina anao. Katsaho ny hahafantatra ny fomba ahafahan’ny fifehezana fotopampianarana manampy anao hamaly ireo fampahalalana tsy nampoizina omban’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy manampy ny hafa hanao toy izany koa.

Manorina ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy

Vakio ny andiam-pehezanteny roa voalohany ao amin’ny “Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Tadiavo ny fifehezana fotopampianarana izay natao hanampiana antsika hanao izany.

  • Ahoana no hamintinanao ny tanjon’ny fifehezana fotopampianarana?

    Eo anivon’ireo valinteny maro hafa, dia ampio ireo mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny fifehezana fotopampianarana dia manampy antsika hanorina ny fototra ara-panahintsika eo amin’i Jesoa Kristy.

    Raha manampy dia azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity:

  • Midika inona aminao ny hoe manorina ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy?

Alohan’ny hamakin’ny mpianatra ity andininy manaraka ity dia hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe: ny vato = Jesoa Kristy.

Vakio ny Isaia 28:16, dia tadiavo ny fomba ahafahan’ny fanorenana ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy mitahy antsika.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ny andian-teny hoe “taitra” ary hazavao fa io andian-teny io dia mety midika hoe “voahozongozona” na “miahiahy”.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hanakana antsika tsy ho voahozongozona ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

    Asao ny mpianatra hamerina hijery ny eritreritr’izy ireo momba an’ilay rafi-tantara.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany mety ho nataon’i Veronica mba hanorenana ny finoany an’i Jesoa Kristy ka tsy ho “voahozongozon’” ny olana sarotra?

Raha tsapanao fa mety hahasoa izany, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina ny Jakôba 4:6–10, ka hitady ny zavatra nataon’i Jakôba mba tsy ho voahozongozona ny finoany an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manao lisitra ny zavatra hitan’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny sarin’i Veronica. Asao ny mpianatra mba hamariparitra hoe mety ho toy ny ahoana ny asa tsirairay eo amin’ny fiainan’i Veronica.

Vokatry ny fifehezana fotopampianarana

Mba hanomanana ny mpianatra hahatakatra ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana dia lazao amin’ny teninao manokana ny ampahany manaraka amin’ilay rafi-tantara.

Niato nandritra ny fotoana fohy i Veronica ary nikaroka ny fomba hizarana amin’i Anna ny zavatra nanampy azy hijanona ho mahatoky. Te hampita ny maha-zava-dehibe ny ezaka tsy tapaka nataony izy mba hanamafisana orina ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy. Rehefa nisaintsaina ny fahazarany mivavaka sy mamaky soratra masina isan’andro ary mandray anjara ao am-piangonana sy mandritra ny seminera izy dia nisy lafin-javatra iray nanaitra azy.

“Ny Fifehezana fotopampianarana ilay izy”, hoy i Veronica tamim-pahatokian-tena.

Gaga i Anna. “Fifehezana inona?”

“Fifehezana fotopampianarana. Zavatra ataonay ao amin’ny seminera izany. Nanampy ahy betsaka izany mba hiatrika ireo fanontaniana sy toe-javatra mafy no sady mitazona ny finoako an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainako.” Hoy i Veronica namelabelatra.

Nibaribary ny fahalianan’i Anna. “Koa inona marina izany ilay fifehezana fotopampianarana?”

  • Inona ny zavatra efa fantatrao mikasika ny fifehezana fotopampianarana?

    Raha toa ka efa manana traikefa amin’ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny seminera ny sasany amin’ireo mpianatrao dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra efa fantany.

    Raha mila fanampiana bebe kokoa ny mpianatra amin’ny fahatakarana ny fifehezana fotopampianarana, dia hevero ny hampiseho ilay horonan-tsary hoe “Inona no atao hoe Fifehezana fotopampianarana?” (3:56).

    3:56

    Raha tsy izany dia azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho tsiroaroa ary mangataka azy ireo hamaky mikasika ireo vokatra roa ateraky ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny fizarana “Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo vokatra ateraky ny fifehezana fotopampianarana manampy an’i Anna hanorina ny fototra iorenany eo amin’i Jesoa Kristy?

Azonao atao ny mitanisa ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’i Anna.

Mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hahalala tsara ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia asao izy ireo hijery ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha eo ambanin’ny “Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina araka ny taranja” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Vakio ireo andian-teny manan-danja maromaro ao amin’ny soratra masina ary tadiavo ny andinin-tsoratra masina iray izay afaka manampy an’i Anna tsy ho voahozongozona amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina nosafidiany eny amin’ny solaitrabe manodidina ny kisary maneho an’i Anna. Azonao atao ny manondro andinin-tsoratra masina maromaro ary mangataka ireo mpianatra izay nanoratra azy ireo mba hizara ny fomba heveriny fa hanampian’izany an’i Anna.

Tsoakevitra

Omeo fahafahana ny mpianatra hampihatra ny famaritana ny fifehezana fotopampianarana amin’ny alalan’ny famaliana ity fisarihan-tsaina manaraka ity.

Alaovy sary an-tsaina hoe novalianao ilay fanontanian’i Anna hoe: “Inona no atao hoe fifehezana fotopampianarana?”. Raketo ao anatin’ny diarinao ny fomba hanazavanao ny atao hoe fifehezana fotopampianarana sy ny fomba ahafahan’izany mitahy ny fiainanao.

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany amin’ny olona iray mipetraka eo akaikiny na amin’ny iray kilasy.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba ahafahan’ny fifehezana fotopampianarana mitahy ny fiainan’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.