“Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay: Miezaka mahita ny zavatra araka ny fahitan’ny Tompo azy ireny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay: Miezaka mahita ny zavatra araka ny fahitan’ny Tompo azy ireny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako: Lesona 164
Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Miezaka mahita ny zavatra araka ny fahitan’ny Tompo azy ireny
Mety tsy ho hitantsika eo no ho eo foana ny valin’ireo fanontaniantsika na vahaolana amin’ireo olantsika, ary tsy maninona izany. Ireny fotoana ireny dia tranga fanararaotra entina hatokisana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hitan’Izy Ireo ny zavatra tsy hitantsika. Fantatr’Izy Ireo ny zavatra tsy fantatsika. Rehefa miezaka mahita ny zavatra araka ny fahitan’izy ireo azy ireny isika dia manomboka mahita ny fanontaniantsika sy ny olantsika amin’ny fomba hafa. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamorona lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana na fifanahafana izay afaka maneho ny lanjan’ny fahitana zavatra amin’ny fomba fijery hafa. Azo omena fahafahana hizara ny heviny any am-piandohan’ny fotoam-pianarana izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Fomba fijery
Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana na fifanahafana iray izay afaka maneho ny lanjan’ny fahitana zavatra amin’ny fomba fijery hafa. Asao izy ireo hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny iray kilasy. Na azonao atao ny mampiseho ireo sary izay ahitana ny lohateny hoe “Tokantrano–Fomba fijery voafetra” ary asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namana iray:
-
Raha afaka misafidy ny iray amin’ireo trano ireo ianao mba hipetrahana, dia iza amin’ireo no hosafidianao? Nahoana?
Ampisehoy ny ampahany faharoa amin’ireo sary izay ahitana ny lohateny hoe “Tokantrano–Fomba fijery amin’ny antsipiriany” ary asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fanontaniana manaraka.
-
Inona no fiantraikan’izany fomba fijery fanampiny izany eo amin’ny safidinao?
-
Inona avy ireo toe-javatra mety hatrehantsika izay ahafahan’ny fijerena zavatra amin’ny fomba fijery samihafa manampy antsika?
Alaovy sary an-tsaina hoe ireo trano ireo dia maneho ireo fanontaniantsika momba ny filazantsara na ny toe-javatra iainantsika.
-
Nahoana no mety hampidi-doza ny misintona tsoakevitra mahakasika ny fanontaniantsika na ny toe-javatra iainantsika kanefa tsy miezaka ny hijery izany amin’ny fomba fijery mivelatra kokoa?
Mety nahita fanontaniana na zavatra mampiahiahy manokana momba ny filazantsara ireo mpianatra nandritra ny fianarana seminera. Raha izay no izy dia asao izy ireo hieritreritra ny iray amin’ireo fanontanian’izy ireo. Raha tsia dia azonao atao ny manasa azy ireo haka fotoana izao mba handinika fanontaniana na ahiahy izay mety ananan’izy ireo na ananan’ny hafa. Asao ny mpianatra hisaintsaina ombam-bavaka mandritra ny lesona mikasika ny fomba ahafahan’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy azy ireo hahita valiny, na vahaolana, na fiadanana bebe kokoa farafahakeliny.
Vakio ny andiam-pehezanteny 8–10 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) mba hitadiavana ny fomba ahafahantsika “mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay”.
Rehefa avy nandalina ny mpianatra, dia angataho izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Rehefa mizara izany izy ireo dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanombanana fahatakarana iray na roa toy ny hoe:
-
Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mandrisika anao hiezaka hahita ny zavatra araka ny fahitan’Izy Ireo?
-
Inona no torohevitra homenao mba hanampiana ny olona hijery ny fanontaniany na ny toe-javatra iainany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?
-
Inona no fifehezana fotopampianarana na andinin-tsoratra masina hafa manampy anao hijery ireo zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hikaroka ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana mba hanampiana azy ireo hamaly ilay fanontaniana teo aloha.
Aorian’io fifanakalozan-kevitra io dia omeo taratasy ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra hanoratra fehezanteny iray famintinana ny zavatra nianarany momba ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Rehefa samy avy nanoratra zavatra iray izy ireo dia asao ireo mpianatra mba hifanakalo taratasy amin’ny mpianatra maro samihafa araka izay tratrany mandritra ny 10 segondra mandra-pitenenanao hoe “mijanòna”.
Miantsoa mpianatra vitsivitsy hamaky ilay fehezanteny voasoratra eo amin’ilay taratasy noraisin’izy ireo. Mety niara-nilaza zavatra toy izao ny mpianatra: Ny famakafakana ireo fanontaniantsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia hanampy antsika hahita azy ireo bebe kokoa tahaka ny ahitan’ny Tompo azy ireny.
Amporisiho ny mpianatra hitazona ilay taratasy noraisin’izy ireo. Hampiasaina ao aoriana kely ao amin’ny lesona ireo.
Ohatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Misafidiana iray amin’ireto ohatra manaraka ireto avy ao amin’ny soratra masina. Tadiavo ny fiantraikan’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay teo amin’ny fijerin’ireo olona ireo.
Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra ny fandalinany dia azonao atao ny manome sahan-kevitra fanampiny ho an’ny ohatra tsirairay avy. Ho an’ireo izay mamaky ny tantaran’i Adama sy i Eva dia azonao atao ny manazava fa ny olona sasany dia mandray ny Fahalavoana ho ratsy satria nampiditra ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny fitsapana teto amin’izao tontolo izao izany. Mahakasika an’i Joba dia azonao zaraina fa maro tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany no maty, very ny fananany, ary niaina olana ara-pahasalamana lehibe izy.
-
Nanazava ny Fahalavoana i Adama sy i Eva. Mosesy 5:10–11
-
Nizara ny fijoroany ho vavolombelona i Joba nandritra ireo fitsapana. Joba 19:25–26
-
Inona no porofo hitanao fa nahita ny toe-javatra niainany tao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra io olona io?
-
Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelon’io olona io momba an’i Kristy teo amin’ny fomba nahitany ilay toe-javatra?
Rehefa avy nizara ny zavatra hitany ny mpianatra, dia manontania hoe:
-
Inona avy ireo ohatra sasantsasany avy amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy izay niatrehany toe-javatra iray tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?
Raha mila fanampiana izy ireo amin’ny fitadiavana ohatra iray dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Isaia 53:3–5, 10 ary hifanakalo hevitra momba ny antony, tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, naha-“sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy” (Isaia 53:10). (Na dia nampalahelo ny Ray any An-danitra aza ny nahita an’i Jesoa Kristy nijaly, ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay nanany dia nanome Azy fahafahana hahita fa ny Sorompanavotan’ny Zanany dia ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjena ho an’ny zanany rehetra.)
Saintsaino raha toa misy toe-javatra iainanao amin’izao fotoana izao ka ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no hanampy anao hahita ny zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ao anatin’izany.
Mety hahazo tombontsoa ihany koa ny mpianatra amin’ny fahitana ohatra maoderina momba ny olona iray izay mijery ny fanontaniany sy ny toe-javatra iainany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Hevero raha ilaina ny hijery ny “Examining Questions with an Eternal Perspective (Mamakafaka ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay)” (2:56), ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’io horonan-tsary io ny zatovovavy iray dia mamakafaka ilay fanontaniana hoe “Raha tena misy marina izany Andriamanitra be fitiavana izany dia nahoana no avelany hijaly ny olona?” Aorian’ilay horonan-tsary dia azon’ny mpianatra atao ny mizara hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo momba ny fijerena zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Fanazaran-tena
Ho an’ny sahanasa manaraka dia azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo taratasy izay noraisin’izy ireo teo aloha taorian’ny nampitampitana ilay fehezan-teny iray famintinana ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Manorata fanontaniana na toe-javatra mety hiainan’ny zatovo iray izay mety hanampy hijerena azy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Rehefa avy nanoratra zavatra ny mpianatra tsirairay dia asao indray izy ireo mba hanohy hifanakalo taratasy mandritra ny 10 segondra mandra-pitenenanao hoe “mijanòna.” Avy eo dia azo asaina miara-miasa tsiroaroa ny mpianatra mandritra ny ambin’ilay sahanasa.
Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny namana iray ny iray na izy roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mifandray amin’ny zavatra voasoratra eo amin’ireo taratasy noraisinao izy ireo. Mariho fa ny fanontaniana voalohany ao amin’ny vondrona tsiroaroa dia avy amin’ny andiam-pehezanteny 8 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.
-
Inona no zavatra efa fantatro mikasika ny Ray any An-danitra sy ny drafiny, ary ny fomba hifandraisany amin’ireo zanany?
Ahoana no ahafahan’izany manova ny fomba ahitana ilay fanontaniana na toe-javatra?
-
Inona avy ireo fampianaran’ny filazantsara mifandray amin’io foto-kevitra na olana io na manazava azy io?
Inona no soratra masina na teny nambara avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay manohana io fampianarana io?
Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny valinteninareo ianareo dia manorata valiny fohy eo amin’ny taratasinareo.
Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia mangataha mpianatra manolo-tena vitsivitsy hamaky ilay fanontaniana na toe-javatra eo amin’ny taratasiny amin’ny iray kilasy ary hizara ny valinteny nosoratany avy eo. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra ambiny mba hitady hevi-baovao fanampiny izay afaka manampy ny zatovo iray hijery ilay fanontaniana na toe-javatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa afaka manampy antsika hahita zavatra avy amin’ny fomba fijeriny ny Ray any An-danitra rehefa mitodika any Aminy isika. Azonao atao ihany koa ny mizara fa amin’ny fotoana izay ahatsapantsika fa tsy mbola afaka mahita ny zavatra hitany isika, dia mbola afaka matoky Azy isika (jereo ny Ohabolana 3:5–6). Amporisiho ny mpianatra mba hiezaka hatrany hamakafaka ny fanontaniany sy ny toe-javatra iainany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.