Seminera
Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako: Mahatakatra ny fomba iresahan’ny Tompo aminao


“Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako: Mahatakatra ny fomba hiresahan’ny Tompo aminao”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako: Mahatakatra ny fomba hiresahan’ny Tompo aminao”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako: Lesona 162

Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako

Mahatakatra ny fomba hiresahan’ny Tompo aminao

Revelation

Tian’ny Ray any An-danitra ny hanambara ny eritreriny sy ny sitrapony amin’ireo zanany. Ny fahafantarana izany dia afaka manampy rehefa mikaroka ny valin’ireo fanontaniantsika sy mandray fanapahan-kevitra manan-danja ary miezaka ny ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa isika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tari-dalana sy fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Mamantatra feo

Rehefa miditra ao an-dakilasy ny mpianatra dia omeo tarehimarika samy hafa miaraka amin’ireto toromarika manaraka ireto ny vitsivitsy amin’izy ireo: “Rehefa miantso ny tarehimarika any anareo aho dia lazao hoe: -Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo.-” Hazavao fa rehefa voantso ny tarehimarika any amin’izy ireo dia afaka misafidy ny hiteny ilay andian-teny amin’ny alalan’ny bitsibitsika na amin’ny alalan’ny feo tsotra izy ireo.

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra hanakimpy ny masony. Hazavao fa hiezaka hamantatra ireo mpiara-mianatra aminy izy ireo amin’ny alalan’ny fihainoana ny feony. Manonona isa samy hafa isaky ny mandeha. Rehefa avy milaza ilay andian-teny ny mpianatra tsirairay izay voatononao ny tarehimarika tany aminy dia asao ny mpianatra ambiny hanangana ny tanany raha toa ka fantatr’izy ireo hoe iza no niteny.

Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mora ve sa sarotra ny namantatra hoe iza no niteny? Nahoana?

  • Nahoana no mety ho sarotra ho an’ny mpitsidika ao amin’ny kilasintsika ny mamantatra hoe iza no niteny?

Asehoy ity fanombanan-tena manaraka ity ary asao ny mpianatra hisaintsaina ny valintenin’izy ireo.

Saintsaino ny valinteny homenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mirakitra ny sasany amin’ireo eritreritrao ao amin’ny diary fandalinanao.

  • Hatraiza ny fahatokiako ny fahafantarako ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainako?

  • Inona avy ireo fanontaniana ananako momba ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra?

Hevero ny hijoro ho vavolombelona fa te hiresaka amin’ny zanany tsirairay ny Ray any An-danitra. Hazavao fa rehefa mikatsaka fanambarana isika dia hanampy antsika Izy hampitombo ny fahatokiantsika amin’ny famantarana ny feony sy ny fandraisana valim-panontaniana sy fitarihana avy Aminy.

Feo tony sy malefaka

Raha nandositra ireo olona izay nifofo ny ainy i Elia mpaminany dia niafina tao anaty lava-bato (jereo ny 1 Mpanjaka 19:1–10). Raha mbola tao izy dia niresaka taminy ny Tompo.

Vakio ny 1 Mpanjaka 19:11–12, ary tadiavo ao ny zavatra nianaran’i Elia momba ny fomba ahafahan’ny Tompo miresaka amintsika.

  • Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ny zavatra niainan’i Elia?

Ampio ny mpianatra hamantatra fa iray amin’ireo fomba ifandraisan’ny Tompo amintsika ny feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina.

Mety hanontany tena ny mpianatra sasany raha tena hiresaka amin’izy ireo Andriamanitra na tsia ary mety tsy hahafantatra ny fomba hamantarana izany rehefa manao izany Izy. Ity teny nambara manaraka ity sy ny sahanasa fandalinana ho an’ny 3 Nefia 11 dia manampy amin’ny famaliana ireo olana ireo.

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Afaka mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra isika, ary mandray fitarihana sy torolalana…. Raha mandray marina ny Fanahy Masina isika ary mianatra mamantatra sy mahatakatra ny bitsiny, dia hotarihina amin’ireo toe-javatra lehibe na kely.

…Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika manokana,” Liahona, mey 2018, 94–95)

Saintsaino ny handamina ny mpianatra ho tsiroaroa mba hamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Mba hanampiana ny mpianatra handalina dia asao izy ireo hiato aorian’ny famakiana ny andininy tsirairay ary hifanakalo hevitra amin’ny namany ny zavatra hitan’izy ireo ka afaka manampy antsika handre sy hamantatra fanambarana avy amin’ Andriamanitra.

Vakio ny 3 Nefia 11:1–7, dia tadiavo ny zavatra azontsika ianarana momba ny fihainoana sy ny famantarana fanambarana avy amin’ Andriamanitra.

  • Inona no nianaranao momba ny fanambarana avy amin’io tantara io?

Mamantatra fanambarana avy amin’ Andriamanitra

Hazavao fa iray amin’ireo fomba ahafahantsika mianatra mamantatra ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika ny mahatakatra ireo fomba samihafa ahafahany mifandray amintsika. Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra ny fomba ahafahan’ny Tompo mifandray amintsika, dia hevero ny hampiseho azy ireo finday avo lenta iray na hampiseho ny sarin’izany ary hanoratra ity fanontaniana manaraka ity eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mandray hafatra amin’ny alalan’ny finday avo lenta?

    Anisan’ireo valinteny mety ho azo ny antso an-telefaonina, ny hafatra an-tsoratra, ny hafatra ao anaty application, ary eny fa na dia ireo sary izay safidiantsika aseho ao amin’ny findaintsika aza. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra fohy momba ilay fanontaniana etsy ambony dia fafao ilay andian-teny hoe “finday avo lenta” ary soloy amin’ny “Fanahy Masina” izany.

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mandray hafatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay maha-samy hafa ny fandraisana hafatra avy amin’ny Fanahy Masina amin’ny fandraisana hafatra amin’ny finday avo lenta?

Raha tsapanao fa mety ho sarotra ho an’ny mpianatrao ity sahanasa fandalinana soratra masina manaraka ity dia azonao atao ny mamaky ny andinin-tsoratra masina voalohany ary manontany ny iray kilasy ny zavatra ampianarin’ilay andinin-tsoratra masina momba ny fomba ahafahantsika mahafantatra fa miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Raha mamaky ilay andinin-tsoratra masina ianao dia azonao atao ny manampy ny mpianatra hahita avy ao amin’io andininy io fa afaka mahafantatra isika fa mifandray amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy rehefa mahatsapa fitomboan’ny fahendrena, fahatakarana na fahalalana isika. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mandalina tsiroaroa na anaty vondrona kely ny sasany amin’ireo soratra masina hafa manaraka. Tsy voatery handalina ireo soratra masina rehetra ireo ny mpianatra.

Halalino ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Ho an’ny andinin-tsoratra masina tsirairay izay halalininao dia tadiavo ireo fomba ahafahantsika mahafantatra fa miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao sy ny zavatra nianaranao.

Eksodosy 31:3

Jaona 14:26–27

Jaona 14:13

Galatiana 5:22–23

2 Nefia 28:30

2 Nefia 32:5

Môzià 5:2

Almà 18:35

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:21–23

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13

Joseph Smith—Tantara 1:11–12

sary famantarana ny semineraFomba iray ahafahanao manao ilay asa natao teo aloha ny manonta tahadika maromaro amin’ilay taratasy zaraina nampiarahana tamin’ity lesona ity ary manety ireo sarina finday avo lenta tsirairay. Manorata andinin-tsoratra masina samihafa isaky ny finday avo lenta ary apetraho manerana ny efitrano izany. Asao ny mpianatra handehandeha manodidina ny efitrano ary handalina ny vitsivitsy amin’izy ireo.

Azonao atao ihany koa ny mametraka fehezanteny fohy momba ny fomba ifandraisan’ny Ray any An-danitra amintsika eo amin’ny sasantsasany amin’ireo finday avo lenta. Hita ao amin’ny Loharanom-pitaovana fanampiny an’ity lesona ity ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ireo teny nolazaina azo ampiasaina.

Alamino ho vondrona kely maromaro ny mpianatra ary asao izy ireo hizara ny zavatra nanaitra azy ireo avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalinin’izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara izay zavatra niainan’izy ireo rehefa nandre ny feon’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny valin’ny fanontanian’izy ireo, na hafatra fankaherezana na fitarihana hafa. Ampahatsiahivo azy ireo ny tsy hizara ny antsipirian’ireo zavatra niainana manokana izay masina sy mahakasika ny tena manokana be loatra.

Raha manampy dia azonao atao ny mijery ny “Receiving Revelation” (4:17), manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00–2:18 hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’io horonan-tsary io dia olona maro no mamaly ilay fanontaniana hoe “Ahoana no fomba handefasan’ny Fanahy fanambarana aminao?”

4:17
  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo fomba samihafa ifandraisan’ny Ray any An-danitra amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina manampy anao hamantatra fanambarana avy Aminy?

Miresaka aminao Andriamanitra

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny valinteniny amin’ity rafi-tantara manaraka ity dia azon’izy ireo atao ny mamaly ilay fanontaniana etsy ambany miaraka amin’ny namana iray. Izany dia hanome fahafahana ny mpianatra tsirairay hizara ny zavatra nianarany.

Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa mpianatra roa ho eny aloha mba hilalao an-tsehatra ilay rafi-tantara. Afaka mizara ny valinteniny ny mpianatra iray. Avy eo ireo mpianatra roa dia afaka maka mpianatra roa vaovao mba hilalao an-tsehatra ilay rafi-tantara. Azonao averina imbetsaka izany.

Alaovy sary an-tsaina hoe mitranga mandritra ny alahady ity rafi-tantara manaraka ity:

Nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nisy mpandahateny iray nindrana ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson rehefa niteny izy hoe: “Tena te hiresaka aminao ve Andriamanitra? Eny!” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika”, Liahona, mey 2018, 95). Rehefa mivoaka ny trano fiangonana ianao aorian’ilay fivoriana dia hoy ilay namanao hoe: “Te hahafantatra ny fitarihana sy ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako aho, saingy tsy azoko antoka ny fomba hanaovana izany.”

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy tamin’ny Fanahy Masina sy momba ny Fanahy Masina androany dia inona no holazainao amin’ilay namanao?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fanirian’ny Tompo hiresaka amintsika amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina.