“Manao asa amim-pinoana mba hahitana valiny: Mandroso hatrany, matoky ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Manao asa amim-pinoana mba hahitana valiny: Mandroso hatrany, matoky ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fifehezana fotopampianarana: Lesona 163
Manao asa amim-pinoana mba hahitana valiny
Mandrosoa hatrany, matoky ny Tompo
Mety ho sarotra ny miandry ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy ny fotoanany mba handraisana ny valin’ireo fanontaniantsika momba ny filazantsara. Tantara maro ao amin’ny Testamenta Taloha no maneho ny fomba nanohizan’ireo mpanara-dia an’ Andriamanitra nanao safidy izay naneho ny finoany sy ny fahatokiany Azy teo am-pikatsahana valim-panontaniana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka valiny amin’ny fanontaniany momba ny filazantsara izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny andiam-pehezanteny 5–7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Azon’izy ireo atao ny miomana hizara ny antony iheveran’izy ireo fa manan-danja ny zavatra ataontsika rehefa mikatsaka valiny amin’ireo fanontaniana na olana momba ny filazantsara isika.
Sahanasa fianarana azo atao
Miandry ny Tompo mba hahazoana valim-panontaniana
Hevero ny hampiseho sary avy amin’ny tantara vitsivitsy ao amin’ny Testamenta Taloha momba ireo olona izay nanao asa tamim-pinoana ny Tompo. Azonao atao ny manome an’ireo vondrona kelin’ireo mpianatra andinin-tsoratra masina iray mba hohalalininy; andinin-tsoratra masina izay mifanaraka amin’ny iray amin’ireo sary. Afaka misafidy tantara toa an’ireto ianao:
-
Ilay vehivavy mahatoky tao Zarefata nandritra ny mosary (1 Mpanjaka 17:7–12).
-
Namàna nikatsaka fanasitranana ny habokany (2 Mpanjaka 5:1–3, 9–10).
-
Ny antson’i Enoka mba hitory ny filazantsara (Mosesy 6:26–28, 31).
Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny ampahany amin’ilay tantara izay mampahafantatra ny toe-javatra sarotra (andinin-tsoratra masina ao anaty fononteny etsy ambony) ary hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto. (Any aoriana any mandritra ny lesona dia handalina ny fomba nanaovan’ireo olona ireo asa tamim-pinoana ireo mpianatra.)
-
Ahoana no nitakian’ny toe-javatra niainan’io olona io finoana ny Tompo?
-
Inona avy ireo olana na toe-javatra mety hatrehin’ireo zatovo amin’izao fotoana izao izay mitaky azy ireo hanao asa izay maneho ny finoan’izy ireo ny Tompo?
Raha mety hanampy ny mpianatra ny mamantatra ohatra amin’izao andro maoderina izao dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary “Act in Faith: The Stonemason” (4:57), manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:48, ary asao ny mpianatra hitady ireo toe-javatra sarotra natrehin’ireo zatovo roa ireo. Hevero ny hanampy ny mpianatra hamantatra ireo fanontaniana nananan’ireo zatovo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ireo fanontaniana eo amin’ny antsasaky ny solaitrabe.
4:56Rehefa avy namantatra fanontaniana maromaro ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaly ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ireto manaraka ireto.
-
Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nanana fanontaniana na olana momba ny filazantsara?
-
Inona avy ireo zavatra nataonao na azonao atao mba hahatsapana ho akaiky kokoa ny Mpamonjy rehefa manana ahiahy na fanontaniana momba ny filazantsara ianao?
Ara-drariny ny fananana fanontaniana na ahiahy momba ny Ray any An-danitra, na i Jesoa Kristy, na ny filazantsaran’Izy Ireo. Ireo fitsipika telon’ny Fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy antsika hamakivaky fanontaniana na olana sarotra. Ireo fitsipika ireo dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba hijanonana eo akaikin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka valim-panontaniana isika.
Ny finoana dia fitsipiky ny asa
Azonao lazaina amin’ny mpianatra fa hifantoka amin’ilay fitsipika voalohany ny lesona androany: Manao asa amim-pinoana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana tsy feno manaraka ity: Rehefa miatrika fanontaniana na olana amin’ny filazantsara isika dia afaka manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny …
Azonao atao ny mandika ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe, ary manasa ny mpianatra hitady fomba iray farafahakeliny hamenoana ilay fahamarinana natao soratra matevina avy amin’ny andiam-pehezanteny tsirairay.
Vakio ny andiam-pehezanteny 5, 6, ary 7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023), ka tadiavo ireo fomba hamenoana ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe.
|
Rehefa miatrika fanontaniana na olana mikasika ny filazantsara isika dia afaka manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny … | |
|---|---|
|
andiam-pehezanteny 5 | |
|
andiam-pehezanteny 6 | |
|
andiam-pehezanteny 7 |
-
Ahoana no hamenoanao ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fampiasana ny andiam-pehezanteny tsirairay?
-
Misy fomba hafa ve hanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy izay ho ampidirinao ao amin’io lisitra io?
Azon’ny mpianatra atao ny mameno ilay fehezanteny amin’ny andian-teny toy ny hoe:
… manohy mitandrina ny didy. (andiam-pehezanteny 5)
… miantehitra amin’izay efa fantatsika fa marina. (andiam-pehezanteny 6)
… matoky ny Ray any An-danitra mandra-pandraisantsika valiny. (andiam-pehezanteny 7)
Azonao ampiasaina ireto manaraka ireto mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hanombantombanana hoe hatraiza ny fahatsapan’izy ireo fa afaka mampiasa ny tsirairay amin’ireo fehezanteny telo ireo izy ireo mba hamaliana ny fanontaniany na ny olana momba ny filazantsara izany ananany.
Makà fotoana hisaintsainana ireo fomba ireo mba hanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa manana fanontaniana ianao. Raha mampiasa ny mari-drefy 1 (matoky kely) hatramin’ny 5 (tena matoky), dia hatraiza ny fatokian-tenanao rehefa manao asa amim-pinoana ny Mpamonjy amin’ireo fomba ireo ianao? Henoy tsara ireo bitsika avy amin’ny Fanahy mba hanampiana amin’ny fampitomboana ny fatokiantenanao amin’ireo lafin-javatra izay fantatrao fa azonao hatsaraina.
Asa izay maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy
Azon’ny vondrona ampiasaina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hanohizana ny fandalinana ny tantara ao amin’ny soratra masina izay natombok’izy ireo tany am-piandohan’ny lesona, ka hitady ny fomba nanaovan’ilay olona asa tamim-pinoana ny Tompo.
-
Ilay vehivavy mahatoky tao Zarefata nandritra ny mosary (1 Mpanjaka 17:13 –12)
-
Namàna nikatsaka fanasitranana ny habokany (2 Mpanjaka 05:11 –10)
-
Ny antson’i Enoka hitory ny filazantsara (Mosesy 6:37–39; 7:12–13)
Raha toa ianao ka nampiseho ny fiandohan’ilay horonan-tsary hoe “Act in Faith: The Stonemason” tany am-piandohan’ny lesona, dia azonao aseho ny famaranana izany manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:49 ka hatramin’ny 4:57. Asao ny mpianatra hitady ny fomba nitahian’ny Tompo ireo zatovo rehefa nanao asa tamim-pinoana Azy izy ireo.
Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fizarana hevitra izay afaka manampy olona iray hanao asa amim-pinoana ny mpianatra rehefa miatrika olana na fanontaniana momba ny filazantsara. Fomba iray hanaovana izany ny fampisehoana ireto torolalana manaraka ireto.
Alaovy sary an-tsaina hoe nasaina ianao hanome torohevitra ho an’ny olona iray izay nanana fanontaniana na olana momba ny filazantsara. Misafidiana anankiroa farafahakeliny amin’ireto fehezanteny tsy feno manaraka ireto:
-
Mitadiava fomba ahafahan’io olona io manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo didy azony tohizana ny fitandremana azy?
-
Inona no antenainao ho fantatr’io olona io na hotsaroany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona no azony atao mba hanehoana fatokiana Azy Ireo?
-
-
Mitadiava andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray farafahakeliny na andinin-tsoratra masina hafa izay afaka manampy io olona io hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy.
-
Mitadiava teny nambara avy amin’ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana izay mety hanampy io olona io hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny namana iray ny torohevitra mety homen’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manome fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fanaovana asa tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy teo am-pikatsahana valinteny momba ny filazantsara na fitahiana.
Manaova drafitra hanaovana asa amim-pinoana
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao drafitra mba hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa miatrika fanontaniana na ahiahy mikasika ny filazantsara izy ireo. Fomba iray hanaovana izany ny mizara ireto fisarihan-tsaina manaraka ireto mba hovaliana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Raha ilaina dia azonao atao ny mangataka izay mpianatra manana fahavononana mba hizara ny zavatra nosoratany.
-
Ny zavatra tiako hotsaroana momba ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy dia .
-
Ny zavatra iray tiako hatao mba hanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fotoana manaraka hisian’ny fanontaniana na olana dia .