“Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valim-panontaniana: Ireo loharanom-pahalalana nofidin’ ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valim-panontaniana: Ireo loharanom-pahalalana nofidin’ ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako: Lesona 165
Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valim-panontaniana
Ireo loharanom-pahalalana nofidin’ny Tompo
Satria miaina ao anatin’ny fotoana izay maro no “milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy” (Isaia 5:20) isika, dia mety ho sarotra ny mamantatra ny fahamarinana. Na izany aza dia efa nanome ireo fanampiana ilaina ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hikatsaka fahamarinana avy amin’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe inona avy ireo loharanom-pahalalana hitodihan’izy ireo rehefa manana fanontaniana momba izao manaraka izao izy ireo: enti-mody, zavatra mahaliana na fialam-boly, zava-nitranga ara-tantara, ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Asao izy ireo hisaintsaina ny antony hitodihan’izy ireo amin’ireo loharanom-pahalalana hitan’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no marina?
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana zavatra azo tsapain-tanana na sary iray izay sandoka. Ohatra, azonao atao ny mampiseho ilay sary ao anatin’ny lesona momba ilay mpivoy bisikileta sy ilay bera. Angataho ny mpianatra mba hizara raha toa ka mino izy ireo fa tena misy ilay sary. Avy eo dia asehoy ilay sary marina izay maneho ilay mpivoy bisikileta fotsiny.
-
Oviana ianao no nahita na namaky zavatra izay nahatonga anao hametra-panontaniana raha marina izany?
-
Inona no mety hampananosarotra ny famantarana ny fahamarinana amin’izao androntsika izao?
Tamin’ny alalan’ny mpaminany Isaia, ny Tompo dia nampitandrina mikasika ny olana iray izay hatrehantsika amin’izao androntsika izao ka hanasarotra ny famantarana ny fahamarinana. Vakio ny Isaia 5:20, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo.
-
Oviana ianao no nahita zavatra ratsy nantsoina hoe “tsara” na zavatra tsara nantsoina hoe “ratsy”?
Mba hanampiana ilay fifanakalozan-kevitra dia hevero ny hampiseho ny “In Search of Truth“ (3:03), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:27. Na azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ilay teny nambara etsy ambany, izay ahitana fampianarana mitovitovy amin’izany. Asao ny mpianatra hikaroka ireo antony fanampiny mety hahasarotra ny famantarana ny fahamarinana.
Mba hanampiana antsika hahatakatra ny filana fitandremana rehefa manavaka ny fahamarinana sy ny fahadisoana dia nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Isika dia miaina ao anatin’ny fotoana izay iparitahan’ny fampahalalana sy ivelarany lehibe tokoa. Saingy tsy marina avokoa izany fampahalalana rehetra izany. Mila mailo isika rehefa mikatsaka fahamarinana sy misafidy ireo loharano ho an’izany fikarohana izany. Tsy tokony hoheverintsika ho loharanom-pahamarinana azo antoka ny zavatra manan-danja na manam-pahefana amin’izao tontolo izao. Tokony ho mailo isika amin’ny fianteherana amin’ny fampahalalana na ny torohevitra atolotr’ireo olo-malaza na mpanao fanatanjahan-tena fanta-daza na loharano tsy fanta-pihaviana ao amin’ny internet. Ny fahaizana amin’ny sehatra iray dia tsy tokony horaisina ho fahaizana momba ny fahamarinana amin’ny lohahevitra hafa. (“Ny fahamarinana sy ilay drafitra”, Liahona, nôv. 2018, 25)
Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Manao ahoana ny fatokian-tenanao amin’ny fahaizanao mamantatra fahamarinana?
-
Iza no azonao itokiana fa hanome valim-panontaniana marina momba ireo fanontaniana mikasika nyny filazantsara sy ireo fanontaniana mifandray amin’ny Fiangonana?
Tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary te hanampy antsika hamantatra ny tena marina sy izay tsy izy Izy Ireo. Mandritra ny lesona anio dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy mba hanampiana anao hamantatra ny zavatra nomen’Izy Ireo antsika.
Ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
Vakio ny andiam-pehezanteny 11 sy 12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ary asio marika ireo fampianarana tsapanao fa manan-danja ny ahafantarana azy rehefa mikatsaka valiny amin’ireo fanontanianao ianao.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara amin’ny namana iray ny zavatra hitany sy ny antony iheverany izany ho manan-danja.
Asao ny mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany. Mety hahita fahamarinana toa ireto izy ireo:
-
Nomen’ny Tompo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra isika mba hanampiana antsika hahita valiny sy fitarihana.
-
Hanampy antsika hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana ny Tompo rehefa mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voafidy isika, anisan’izany ny fikatsahana fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny miantehitra amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra rehefa mikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika isika?
Manavaka ny marina sy ny diso
Mba hanomezana ohatra amin’ny fomba anampian’ny Tompo antsika hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana, dia azonao atao ny mandalina ny tantara ao amin’ny soratra masina momba an’i Satana mifanehitra amin’i Mosesy ao amin’ny Mosesy 1. Hevero ny hampiseho ilay sary ao anatin’ny lesona momba an’i Satana mifanehitra amin’i Mosesy. Anontanio ny mpianatra ny zavatra fantany na tadidiny momba io tantara io.
Rehefa avy niresaka tamin’ Andriamanitra nifanatrika i Mosesy dia tonga i Satana ary nanandrana namitaka an’i Mosesy mba hitsaoka azy (jereo ny Mosesy 1:12).
Hevero ny handamina ny mpianatra ho tsiroaroa. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina manokana ireo andininy etsy ambany ary avy eo mifampizara ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
Vakio ny Mosesy 1:13–16, ka tadiavo ny fomba nahafahan’i Mosesy nanavaka an’i Satana tamin’ Andriamanitra.
-
Inona no hitanao?
-
Ahoana no ahafahantsika mampifandray ny zavatra niainan’i Mosesy amin’ny fiainantsika rehefa misafidy loharanom-pahalalana isika mba hahitana fahamarinana sy valiny amin’ireo fanontaniantsika?
Mety hanome valinteny toy izao ny mpianatra: afaka mamantatra fahamarinana isika amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny zavatra niainantsika niaraka tamin’ Andriamanitra; afaka miantehitra amin’ Andriamanitra isika amin’ny maha loharanon’ny fahamarinana faratampony ho antsika Azy, na afaka manampy antsika hanavaka ny fahazavana sy ny haizina Andriamanitra.
Azonao atao ny mampiseho ny ambin’ilay horonan-tsary “In Search of Truth,” manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:27 ka hatramin’ny 3:03. Azon’ny mpianatra atao ny mitady sy mizara izay loharanom-pahalalana ampiasain’ireo olona ao amin’ilay horonan-tsary mba hitadiavana fahamarinana.
3:3Raha manampy dia hevero ny hampiseho ity fanontaniana manaraka ity sy hanasa ny mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo eo amin’ny taratasy kely iray. Azon’ny mpianatra atao ny mamoritra ny taratasiny ary mametraka izany ao anaty fitoeran-javatra iray. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny misintona sy mamaky valinteny maromaro izay nosoratan’ny mpianatra hafa.
-
Inona ny zavatra maha-feno fankasitrahana anao ny fahafantaranao azy kanefa tsy ho fantatrao raha tsy teo ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay nomen’ny Ray any An-danitra amin’izao androntsika izao? Nahoana?
Fanazaran-tena
Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hizatra hitodika amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hitadiavana ny valin’ny fanontanian’izy ireo.
Zarao ho tsiroaroa na anaty vondrona kely ny mpianatra ary asehoy ireto fehezanteny manaraka ireto. Azonao atao ny mampifanaraka ireo fehezanteny ireo amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao.
Ampiasao ny iray amin’ireto fehezanteny diso manaraka ireto na misafidana iray noforoninao manokana:
-
Diso: Tsy mampaninona an’ Andriamanitra firy izay fomba fiainantsika raha mbola tsy mandratra ny hafa koa isika.
-
Diso: Tsy misy afa-tsy ity fiainana ity irery ihany. Tsy nisy isika talohan’ny nahaterahantsika, ary tsy hisy isika aorian’ny fahafatesantsika.
-
Diso: Tena tsy mila ny Bokin’ i Môrmôna mihitsy isika satria efa manana ny Baiboly.
Amin’ny alalan’ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra, tadiavo ireo fehezanteny izay manitsy ilay fehezanteny diso nosafidinao. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao.
Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra azonao ampiasaina:
-
Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na Tovana ho an’ny soratra masina
-
Lohahevitra sy fanontaniana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org
-
Lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
-
Médiathèque de l’Évangile
-
Ny ray aman-dreninao na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Raha mila fanampiana ny mpianatra dia hevero ny hizara ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto ho ohatra:
-
Tsy mampaninona an’ Andriamanitra firy izay fomba fiainantsika raha mbola tsy mandratra ny hafa koa isika. (Eksodosy 20:3–17; “Ireo didy” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana)
-
Tsy misy afa-tsy ity fiainana ity irery ihany. Tsy nisy isika talohan’ny nahaterahantsika, ary tsy hisy isika aorian’ny fahafatesantsika. (Abrahama 3:22–23; Jeremia 1:4–5; Joba 19:25–26; “Drafitry ny famonjena” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana)
-
Tena tsy mila ny Bokin’ i Môrmôna mihitsy isika satria efa manana ny Baiboly. (Ezekiela 37:15–17; 2 Nefia 29:6–10; “Bokin’i Môrmôna” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana)
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fehezanteny marina ho an’ny tsirairay amin’ireo fehezanteny diso ireo.
Asao ny mpianatra hizara ny loharanom-pahalalana nitodihany sy ny zavatra hitany avy tao amin’ireo loharanom-pahalalana ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara ny zavatra nataony mba hahitana ny valinteniny.
Mba hamaranana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hametraka ity fanontaniana manaraka ity: Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo loharanom-pahalalana nofidin’ ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
-
Inona no nianaranao androany mikasika ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana ho antsika?