Seminera
Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina: Topimaso ankapobeny


“Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Topimaso ankapobeny

Ny soratra masina no fomba nomen’ Andriamanitra antsika mba hianarantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Na izany aza dia misy fitaovana azontsika ampiasaina mba hanampiana antsika hahomby kokoa amin’ny ezaka ataontsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina. Ireo lesona ireo dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra sy hanao fampiharana amin’ny alalan’ny fampiasana ireto fitaovana manaraka ireto: mifantoka amin’ny Mpamonjy, mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, manisy fanamarihana ao amin’ny soratra masina, manasa ny Fanahy Masina, ary manao fampitahana mba hamantarana ireo fahamarinana tsy ambara mivantana.

Soso-kevitra amin’ny fandrindram-potoana: Ireto lesona ireto dia azo ampianarina amin’ny fotoana rehetra. Kanefa mety hahomby kokoa ny fampianarana lesona iray na mihoatra izany momba ireo fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina mandritra ny vanim-potoana iandohan’ny taom-pianarana ary avy eo mampiditra fahaiza-manao iray hafa isaky ny herinandro vitsivitsy. Izany dia manome fahafahana ireo mpianatra hianatra sy hampihatra ireo fahaiza-manao ireo mandritra ny taom-pianarana.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.

Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hifantoka amin’ny Mpamonjy eo am-pandalinan’izy ireo ny soratra masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady hevi-baovao izay nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny soratra masina manokana na miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo. Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny zavatra izay hitan’izy ireo.

  • Votoatin-javatra haseho: Teny nambaran’ny Loholona Christofferson; sarin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ao amin’ny lafaoro mirehitra afo; Dingana hanampiana amin’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy amin’ny fandalinana soratra masina

  • Horonan-tsary: D. Todd Christofferson “La bénédiction des Écritures” manomboka eo amin’ny mari-potoana 10:49 ka hatramin’ny 11:21

Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny fahaizany mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina izay manampy azy ireo hanatona kokoa ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanisy marika na hanoratra ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny zavatra izay nianarany avy amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina. Avy eo izy ireo dia afaka mangataka namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hamaky io andinin-tsoratra masina io ihany, sy hizara ny zavatra nianarany avy amin’izany, ary hampitaha ireo hevi-baovao.

  • Fitaovana: Mitondrà akondro na voankazo misy hodiny izay tsy azo hanina raha ny tokony ho izy; raha tsy izany dia mampisehoa sary iray maneho izany

  • Taratasy zaraina: “Mitady fahamarinana ao anaty soratra masina”

  • Votoatin-javatra haseho: Mampisehoa fanontaniana avy amin’ny ampahany hoe “Farito” ao amin’ny “Mamantatra ireo fahamarinana tsy ambara mivantana”; asehoy ireo toromarika avy amin’ny ampahany hoe “Fanazaran-tena” ao amin’izany fizarana izany ihany

Manisy fanamarihana ao amin’ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Hianatra hanisy fanamarihana ao amin’ny soratra masiny ny mpianatra amin’ny fomba izay afaka manampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona vitsivitsy ao amin’ny fianakaviany, na ao amin’ny paroasiny, na sampana misy azy ireo momba ny zavatra hitany fa tena manampy rehefa manisy marika ny soratra masina. Tokony ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra nianarany ny mpianatra.

  • Zavatra haseho: Mitondrà soratra masina an’ny tena manokana, tsara kokoa raha soratra masina an’ny tena manokana voalohany izany

  • Votoatin-javatra haseho: Asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ny andinin-tsoratra masina iray (tsara kokoa raha andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izany)

  • Taratasy zaraina: “Manaova fanazaran-tena manisy fanamarihana ao amin’ny soratra masina”

  • Horonan-tsary: D. Todd Christofferson, “La bénédiction des Écritures” manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:51 ka hatramin’ny 15:05; “A Marking System That Works for You” (1:56); “Highlighting” (tsy mbola navoaka); “Note taking” (tsy mbola navoaka); “Linking” (tsy mbola navoaka)

Asa izay manasa ny Fanahy Masina ho ao anatin’ny fandalinana soratra masina

Tanjon’ny lesona: Hampihatra fahaiza-manao izay manasa ny Fanahy Masina ho ao anatin’ny fandalinana ny soratra masina ny mpianatra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamorona lisitry ny hevitra azon’izy ireo omena ny namana iray mba hanampiana azy ireo hanatsara ny fandalinany manokana ny soratra masina. Afaka mangataka hevitra amin’ny hafa izy ireo mba hanampiana ao amin’ny lisitr’izy ireo.

  • Sary: Kisary roa izay hatao sary eny amin’ny solaitrabe

  • Fitaovana: Taratasy kely ho an’ny mpianatra tsirairay izay tsy manana diary

  • Horonan-tsary: Loholona Stevenson, “Bitsiky ny Fanahy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 10:20 ka hatramin’ny 10:41; Filoha Oaks, “2.3.1. I Love My Daily Scripture Study” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:24 ka hatramin’ny 1:08; Loholona D. Todd Christofferson, “Quand tu seras converti” manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:25 ka hatramin’ny 4:19

  • Asehoy ny votoatiny: Misy lafiny efatra ao amin’ny ampahany “Fanazaran-tena” ao amin’ny fizarana “Saintsaino ny soratra masina”

Manao fampitahana

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao fampitahana ao amin’ny soratra masina mba hamantarana ireo fahamarinana tsy ambara mivantana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Mosesy 4:1–2, ka hitady ireo fitoviana sy fahasamihafana hitan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy i Satana. Asao izy ireo hisaintsaina ny antony ilàna ny fanaovana fampitahana ao amin’ny soratra masina.

  • Votoatin-javatra haseho: Fanontaniana telo any amin’ny fiandohan’ny lesona; ny sarin’ny Filankevitra tany an-danitra

  • Fitaovana: Mitondrà siramamy sy sira kely. Raha tsy izany dia mampisehoa sarin’ireo zavatra ireo

  • Sary: Sarina sira sy siramana; sarin’ny Filankevitra tany an-danitra