Seminera
Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina: Mitady ireo tandindona sy toetran’ny Mpamonjy


“Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina: Mitady ireo tandindona sy toetran’ny Mpamonjy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina: Mitady ireo tandindona sy toetran’ny Mpamonjy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana ny soratra masina: Lesona 166

Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina

Mitady ireo tandindona sy toetran’ny Mpamonjy

Young adult students sitting on church chairs holding their scriptures.

Iray amin’ireo tanjona fototry ny soratra masina ny manampy antsika hianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy dia fomba iray manan-danja hianarantsika ihany koa momba ny Ray any An-danitra. Arakaraka ny ianarantsika momba Azy Ireo no hitomboan’ny finoantsika Azy Ireo. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hifantoka amin’ny Mpamonjy eo am-pandalinany ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady hevi-baovao izay nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny soratra masina manokana na miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo. Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny zavatra izay hitan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tanjon’ny soratra masina

Hevero ny hanao sarina tarigetra iray eo amin’ny solaitrabe.

What is your Target?

Manasà mpianatra iray na roa hanipy zavatra malefaka eny amin’ilay tarigetra. Aorian’ny andrana anankitelo dia fafao ilay tarigetra. Raha tianao dia azonao atao ny mangataka mpianatra iray mba hanandrana hikendry hahavoa an’ilay tarigetra na dia efa tsy eo intsony aza ilay izy. (Hiteraka fisafotofotoan-tsaian izany.) Azonao atao ny manontany ny zavatra tsapan’izy ireo momba ilay sahanasa rehefa tsy misy tarigetra azon’izy ireo kendrena.

  • Nahoana no tsara ny manana tarigetra na tanjona amin’ny sahanasa iray?

  • Inona ilay tarigetra na tanjon’ny fandalinana soratra masina?

Mety hizara valinteny isan-karazany ny mpianatra. Raha tianao dia azonao atao ny mamerina manao sary an’ilay tarigetra sy manoratra ny sasany amin’ny valin-teny omen’ny mpianatra momba ny tanjon’ny fandalinana soratra masina ao anatin’ilay tarigetra na eo akaikin’ilay izy.

Hazavao fa ny fahatakarana ny tanjon’ny soratra masina dia afaka manampy antsika amin’ny fandalinantsika azy ireny.

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ka tadiavo ny tanjona fototry ny soratra masina.

Portrait of Elder D. Todd Christofferson.  Photographed in March 2020.

Amin’ny farany, ny tanjona fototry ny soratra masina rehetra dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, i Jesoa Kristy—finoana fa misy Izy Ireo; finoana ny drafitry ny Ray ho an’ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainantsika mandrakizay; finoana ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, izay mamelona ity drafitry ny fahasambarana ity; finoana mba hahatonga ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho fomba fiainantsika; ary finoana mba hahalalana “ilay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, izay [nirahiny]” (Jaona 17:3Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Liahona, Mai 2010, 33)

15:36
  • Ahoana no hamintinanao ny tanjon’ny soratra masina?

    Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny tanjona fototry ny soratra masina dia ny hanorina ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manao sarina zanatsipìka iray miainga avy eo amin’io fahamarinana io hankeo afovoan’ilay tarigetra.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana io tanjona io hiantraika amin’ny fomba fandalinantsika ny soratra masintsika?

  • Nahoana no mety hanan-danja ny fiezahana tsy tapaka ny hanorina finoana an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Saintsaino ny zavatra ifantohanao rehefa mandalina ny soratra masina ianao. Toy ny ahoana ny fahatsapanao ny fifantohanao amin’ny fanorenana finoana an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny soratra masina ianao?

Rehefa mianatra fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina ianao ato amin’ity lesona ity dia katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fomba fampiasana ireo fahaiza-manao ireo mba hanorenana ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ity lesona ity dia hiresaka momba ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina roa izay afaka manampy ny mpianatra hifantoka amin’ny Mpamonjy. Mety ilaina ny manazava fa noho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay miray hina tanterana, rehefa mianatra momba ny Mpamonjy isika dia mihatra amin’ny Ray ireo toetra ireo (jereo ny Jaona 6:38; 10:30; 14:7–9). Ireo fahaiza-manao ato amin’ity lesona ity dia hanampy antsika hifantoka amin’i Jesoa Kristy. Io fifantohana io koa dia manampy antsika hianatra momba ny Ray any An-danitra.

Ho an’ny fahaiza-manao tsirairay dia hamaritra ny fahaiza-manao ianao, hanao modely izany, ary avy eo dia hanome fahafahana ny mpianatra hampihatra izany.

Fahaiza-manao: Mitadiava tandindon’ny Mpamonjy ary saintsaino ny dikany

Farito

Feno tandindon’ny Mpamonjy ny soratra masina. Ny tandindon’ny Mpamonjy dia zavatra iray izay afaka mampahatsiahy antsika ny anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika. Ho an’ity fahaiza-manao ity dia ataovy izao manaraka izao:

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireto dingana manaraka ireto:

  1. Mitadiava tandindona izay mampahatsiahy anao ny Mpamonjy.

  2. Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no mampitovy ny Mpamonjy amin’ity tandindona ity?

    • Ahoana no anampian’ny fampitahana ny Mpamonjy amin’io tandindona io ahy hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy eo amin’ny fiainako?

Lamina hakan-tahaka

Ataovy modely io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny fiarahan’ny iray kilasy manao izany. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny dikan’izany sy ny fomba hanaovana izany.

Tamin’ny alalan’ny mpaminany Jeremia, ny Tompo dia nampiasa tandindona mahery vaika mba hampianarana antsika momba Azy. Vakio ny Jeremia 2:13; 17:13, ka mitadiava tandindona iray momba ny Mpamonjy.

  • Ahoana no itovian’ny Mpamonjy amin’io tandindona io? (loharano velona)

    Raha sahirana mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no ampiasana ny rano? (Hanalana hetaheta, manampy antsika hiaina, hanadiovana ary hamelombelomana aina.) Ahoana no itovian’ny Mpamonjy amin’ny rano amin’ireo fomba ireo?

    • Ahoana no maha-manan-danja ny Mpamonjy amin’ny maha-rano Azy? Nahoana isika no mety hila Azy matetika tahaka ny ilantsika rano?

    • Nahoana ny Tompo no mety hampitaha ny tenany amin’ny loharano iray (na lohataona) fa tsy amin’ny dobo na amina loharano hafa?

    • Ahoana no hanampian’ny fampitahana ny Mpamonjy amin’io tandindona io anao hahatakatra ny fomba ahafahany manampy anao eo amin’ny fiainanao?

Fanazaran-tena

Omeo fahafahana hampihatra io fahaiza-manao io samirery na ao anatina vondrona kely ny mpianatra raha toa ka tsapanao fa hahasoa azy ireo izany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisafidy iray amin’ireo soratra masina etsy ambany na ny hafa izay azonao omena.

Misafidiana iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto. Mitadiava tandindon’ny Mpamonjy ary apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana roa eny amin’ny solaitrabe.

2 Samoela 22:2–4

Isaia 25:4 (Fanamarihana: Ny teny hoe ianao dia entina ilazana ny Tompo.)

Malakia 3:2–3

Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra hitany. Mitadiava fomba hisaorana sy hiderana azy ireo noho ny ezaka ataon’izy ireo. Raha sahirana ny mpianatra dia omeo toky izy ireo fa tsy maninona izany; mitaky fanazaran-tena ireo fahaiza-manao ireo.

Fahaiza-manao: Mitadiava zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny zavatra nataony sy ny teniny

Farito

Afaka mifantoka amin’ny Mpamonjy ihany koa isika rehefa mandalina ny soratra masina amin’ny alalan’ny fikarohana ny zavatra nataony sy ny teniny ao amin’ny soratra masina. Avy eo isika dia afaka misaintsaina ny zavatra azontsika ianarana momba Azy avy amin’ny zavatra nataony sy ny teniny ary ny fomba ahafahan’ny zavatra ianarantsika momba Azy manampy antsika eo amin’ny fiainantsika.

Azonao atao ny mampiseho ireto dingana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe mba harahan’ny mpianatra.

  1. Tadiavo ny teny nolazain’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony

  2. Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no ampianarin’ireo teny na fihetsika ireo ahy momba ny Mpamonjy?

    • Ahoana no hanampian’ireo teny na fihetsika ireo ahy hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy eo amin’ny fiainako?

Lamina hakan-tahaka

Afaka mianatra momba ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny tantaran’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-nego. Natsipy tao anaty lafaoro mirehitra afo ireo lehilahy telo olo-marina ireo noho izy ireo nandà ny hitsaoka ilay sary volamena izay namboarin’i Nebokadnezara mpanjaka (jereo ny Daniela 3:13–22).

Hevero ny hanazava amin’ny mpianatra fa indraindray izy ireo dia tsy maintsy mamaky amim-pitandremana, ary mitady manokana ny zavatra nolazain’ny Tompo na nataony. Ohatra amin’izany ireto andininy manaraka ireto.

Vakio ny Daniela 3:23–25, ka tadiavo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ao anatin’ireo andininy ireo.

Hevero ny hampiseho ilay sary hoe “Sadraka sy Mesaka, ary Abed-nego ao anaty lafaoro mirehitra afo.“

Jesus Christ depicted standing with the Old Testament figures Shadrach, Meshach and Abednego in the fiery furnace of King Nebuchadnezzar. The three men standing with Christ are unharmed by the flames. The servants of the king are backing away and falling to the ground due to the intense heat of the furnace.

Raha ilaina dia azonao atao ny manazava fa na ny Mpamonjy, na ny iraka avy any an-danitra izay nalefany, dia nijoro niaraka tamin’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego tao anatin’ilay lafaoro.

  • Inona no ampianarin’io fihetsika io anao momba ny Mpamonjy?

  • Ahoana no hanampian’io fihetsika io ahy hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy eo amin’ny fiainako?

Mianatra isika avy amin’io zavatra niainana io fa ny Tompo dia hanohana antsika ao anatin’ireo fitsapana lalovantsika (jereo koa ny Almà 36:3, 27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8; 24:8).

Fanazaran-tena

Mba hampiharana io fahaiza-manao io dia vakio ny iray amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo na nataony, dia apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana roa izay miaraka amin’io fahaiza-manao io.

Eksodosy 14:21–22, 30. Voafandrika teo anelanelan’ny tafika Egyptiana sy ny Ranomasina Mena ny zanak’Isiraely.

1 Samoela 16:6–12 Niezaka namantatra ny mpanjakan’i Isiraely manaraka i Samoela.

Isaia 1:16–18 Lavo tao anatin’ny fahotana ny vahoakan’i Isiraely.

Isaia 53:3–5 Faminanian’i Samoela mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra hitany. Raha ilaina dia anontanio hoe: “Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana io toetran’ny Mpamonjy io manampy anao hampihatra finoana Azy?”

Tsoakevitra

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fahaiza-manao ireo anao amin’ny fandalinanao ny soratra masina?

Farano amin’ny fizarana ny eritreritrao manokana momba ny Mpamonjy sy ireo fahaiza-manao izany. Asao ny mpianatra hitady ireo fomba hampiharana ireo fahaiza-manao ireo amin’ny fandalinany ny soratra masina. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mihazona diary fandalinana iraketana ny zavatra ianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.