“Manao fanamarihana ao amin’ny soratra masina: Manatsara ny fandalinana ataontsika amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masintsika, fanoratana fanamarihana ao amin’ny soratra masintsika ary fanaovana fampifandraisana ao amin’ny soratra masintsika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Manao fanamarihana ao amin’ny soratra masina: Manatsara ny fandalinana ataontsika amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masintsika, fanoratana fanamarihana ao amin’ny soratra masintsika ary fanaovana fampifandraisana ao amin’ny soratra masintsika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana soratra masina: Lesona 168
Manao fanamarihana ao amin’ny soratra masina
Manatsara ny fandalinana ataontsika amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masintsika, fanoratana fanamarihana ao amin’ny soratra masintsika ary fanaovana fampifandraisana ao amin’ny soratra masintsika
Ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina dia afaka manampy antsika hanana fifandraisana mafy orina kokoa amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fanaovana fanamarihana ao amin’ny soratra masintsika (fanasiana marika, fanoratana fanamarihana, ary fanaovana fampifandraisana) dia afaka manampy antsika hifantoka kokoa amin’ny teny halalinintsika sy hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Ao amin’ity lesona ity dia hianatra hanao fanamarihana ao amin’ny soratra masiny amin’ny fomba izay ahafahana manampy azy ireo hahatsapa ho akaikin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa ny mpianatra.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona vitsivitsy ao amin’ny fianakaviany, na ao amin’ny paroasiny, na sampana misy azy ireo momba ny zavatra hitany fa tena manampy rehefa manisy marika ny soratra masina. Tokony ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra nianarany ny mpianatra.
Sahanasa fianarana azo atao
Fahafahana manana ny soratra masina
Hanombohana ny fampianarana dia hevero ny hampiseho zatovolahy iray tamin’ny vanim-potoanan’ny Testamenta Taloha tahaka ireto manaraka ireto na hanao ny sariny. Lazao ny mpianatra fa zatovo Israelita antsoina hoe Jakoba tamin’ny 600 talohan’i J.K. izany sary izany. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe manao dinidinika amin’i Jakoba izy ireo. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny mpianatra iray miara-miasa aminy na amin’ny vondrona kely mikasika ny mety hamalian’i Jakoba ireto fanontaniana telo manaraka ireto.
-
Ahoana no fomba namokarana ny soratra masina tamin’ny andronareo?
-
Inona no tokony hataonao mba hianaran-javatra avy amin’ny soratra masina?
-
Manao ahoana ny endrika isehoan’ny fifandraisanao amin’ny soratra masina?
Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny mizara fa ny soratra masina tamin’ny 600 talohan’i J.K. dia voasokitra teo amin’ny takela-by sy nosoratana teo amin’ny takelaka hazo na mety teo amin’ny hodi-biby manify. Azo inoana fa tsy maintsy nandeha tany amin’ny toerana nisy ny soratra masina i Jakoba ary nihaino olona namaky izany. Mety ho nihaino olona nizara izay fantany araka ny fitadidiany koa izy.
-
Raha nasain’i Jakoba nanao dinidinika taminy ianao dia ahoana no mety ho namalianao ireo fanontaniana ireo?
-
Inona no mety ho eritreriny mikasika ny valinteninao?
Zarao amin’ny mpianatra ity teny nambara manaraka ity mba hanampiana azy ireo hisaintsaina ilay tombontsoa manokana ananan’izy ireo eo amin’ny fananana ny soratra masina.
Nampianatra izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Eritrereto ny halehiben’ny fitahiana azontsika noho ny fananantsika ny Baiboly Masina sy ireo soratra masina fanampiny miisa 900 pejy eo ho eo, ka tafiditra ao anatin’izany ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Avy eo dia eritrereto fa, ankoatra izany, ny tenin’ireo mpaminany izay ambaran’izy ireo rehefa entanin’ny Fanahy Masina izy ireo ao anatin’ny toe-javatra toy izany, izay antsoin’ny Tompo hoe soratra masina (jereo F&F 68:2–4), dia mirotsaka saika tsy tapaka eo amintsika. … Heveriko angamba fa tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, fotoana nanomezana ny olona soratra masina maro be toy izao. Ary tsy izay ihany fa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra dia afaka manana sy mandalina ny tahadikan’ireo soratra masina ireo izay azy ireo manokana amin’ny fitenin’izy ireo ho an’ny ankamaroany. Mety ho tena nahatalanjona ny zavatra toy izany ho an’ireo … Olomasinna tao amin’ireo fotoampitantanana taloha! Azo antoka fa eo anatrehan’izany fitahiana izany, dia milaza amintsika ny Tompo fa lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ny andro teo aloha ny filantsika mampiasa tsy tapaka ny soratra masina. (“The Blessing of Scripture,” Liahona, mey 2010, 35)
-
Inona no nisarika ny sainao tao amin’ny teny nambaran’ny Loholona Christofferson?
-
Inona no tombontsoa azonao avy amin’ny fananana ny bokin-tsoratra masinao manokana?
Hevero ny hampiseho ny bokin-tsoratra masinao manokana. (Raha mbola anananao izy ireo dia azonao atao ny mitondra ireo bokin-tsoratra masina voalohany nanananao.) Azonao atao ny mizara amin’ny mpianatra ny lanjan’ny fananana ny tahadikan’ny soratra masina izay anao manokana teo amin’ny fiainanao.
Zarao amin’ny mpianatra fa iray amin’ireo fitahiana eo amin’ny fananana soratra masina an’ny tena manokana ny fahafahana manao fanamarihana ao amin’izany (manisy marika, manoratra fanamarihana ary mampifandray andinin-tsoratra masina).
-
Inona no mety ho tombontsoa avy amin’ny fanaovana fanamarihana ao amin’ny soratra masinao manokana?
Asao ny mpianatra hikaroka fomba mety hahafahan’izy ireo mampiasa tsara kokoa ny soratra masiny manokana androany amin’ny alalan’ny fahaiza-manao eo amin’ny fanaovana fanamarihana.
Mety tsy hanana fotoana hampianarana ny tsirairay amin’ireo fahaiza-manao eo amin’ny fanaovana fanamarihana anankitelo ireo ianao. Fidio izay tsapanao fa tena hitondra fitahiana ho an’ny mpianatrao. Raha mampianatra fahaiza-manao maromaro ianao dia azonao atao ny mampianatra ampahany ao amin’ny fizarana “Mamaritra” sy “Manome lamina hakan-tahaka” ao anatin’ny fahaiza-manao tsirairay aloha izay vao manasa ny mpianatra “[Hanao] fampiharana” ireo fahaiza-manao izay atambatra.
Alohan’ny hampidirana ilay fahaiza-manao dia hevero ny hampiseho na hanoratra ny andinin’ny Mosesy 7:18 iray manontolo (na andininy iray hafa nofidinao) eny amin’ny solaitrabe mba hahafahana manisy fanamarihana eo amin’izany amin’ny fomba samihafa mandritra ny lesona.
Fahaiza-manao: Manisy marika ny soratra masina
Mamaritra
Ny fanasiana marika ny soratra masina dia fomba iray hanasongadinana teny, na andian-teny, na andinin-tsoratra masina izay tsapanao fa manan-danja. Afaka manampy anao hitadidy ny zavatra ampianarin’ilay andinin-tsoratra masina izany. Ny fanasiana marika ny soratra masina dia afaka manampy anao koa hifantoka kokoa amin’ny zavatra vakinao, izay afaka manokatra ny sainao sy ny fonao mba hanana fahatakarana lalindalina kokoa momba an’i Jesoa Kristy, ny fampianarany ary ny tenin’ireo mpanompony.
Manome lamina hakan-tahaka
Hevero ny hanasa ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe mba hampiseho ireo fomba samihafa mety hanasian’izy ireo marika ny Mosesy 7:18 izay voasoratra eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona avy ireo fomba samihafa mety hataon’ny olona mba hanasiana marika ny soratra masiny?
Anisan’ny mety ho valinteny ny fandokoana andinin-tsoratra masina, na fanipihana andian-teny na fanaovana teny ao anaty faribolana.
1:58 -
Inona avy ireo antony mety mahatonga anao hanapa-kevitra ny hanisy marika zavatra ao amin’ny soratra masinao?
Manao fampiharana
Fomba iray hanampiana ny mpianatra hanao fampiharana ny fanomezana ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ilay taratasy zaraina hoe “Fampiharana ny fanaovana fanamarihana ao amin’ny soratra masina.” Raha mampiasa soratra masina amin’ny taratasy ny mpianatrao fa tsy ilay taratasy zaraina, dia azonao atao ny manao tahadikan’ilay pejin’ny soratra masina ahitana ny Salamo 116:1–9 ahafahan’izy ireo manao fampiharana. Ny fanolorana ny iray amin’ireo safidy ireo dia ahafahan’ny mpianatra manandrana fomba samihafa hanaovana fanamarihana mba hahitana ny fomba mety tiany na mety tsy tiany mba hanasiana marika ao amin’ny soratra masiny manokana. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny andininy efatra voalohany ao amin’ny taratasy zaraina (Salamo 116:1–4) ka mampiasa fomba iray hanaovana fanamarihana ary mamaky ny andininy dimy farany (Salamo 116:5–9) ka mampiasa fomba fanaovana fanamarihana hafa. Raha mampiasa soratra masina amin’ny endrika elektrônika ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mamaky ireo andininy ireo sy manisy marika ny ao anatin’izany ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile amin’ny alalan’ny fampiasana fomba hafa. Azonao atao ny mampiseho azy ireo ny fomba famafana ny fanamarihana natao tamin’ny fomba nomerika raha tiany ny hanao izany rehefa vita ny fampiharana.
Fahaiza-manao: Manoratra fanamarihana
Mamaritra
Fomba iray hafa hanaovana fanamarihana ny fanoratana fanamarihana.
Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny fomba sy antony hanoratantsika fanamarihana:
Ny fanoratana ny zavatra ianarantsika sy eritreretintsika ary tsapantsika rehefa mandalina ny soratra masina dia endrika iray hafan’ny fisaintsainana ary fanasana mahery vaika ny Fanahy Masina hitondra toromarika tsy tapaka. (“Because We Have Them before Our Eyes,” New Era, aprily 2006, 6–7)
Manome lamina hakan-tahaka
-
Inona avy ireo fomba samihafa ahafahantsika manoratra ny zavatra nianarantsika, na ny eritreritsika na ny zavatra tsapantsika tao anatin’ilay fandalinana soratra masina nataontsika?
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa afaka manoratra eo amin’ny sisiny tsy misy soratra eo amin’ny soratra masiny na ao amin’ny diary fandalinany na ao anatin’ny fitaovana fandraisana an-tsoratra amin’ny endriny elektronika izy ireo.
Asehoy ny fomba ahafahan’ny mpianatra manoratra fanamarihana eo amin’ny sisiny tsy misy soratra eo amin’ny soratra masiny amin’ny alalan’ny fampiasana ny andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hampiseho ohatra eo amin’ny fomba nanoratanao fanamarihana tao amin’ny soratra masinao na tao amin’ny diary fandalinanao. Azonao atao koa ny mampiseho ny fomba fandraisana an-tsoratra amin’ny endrika elektronika amin’ny alalan’ny fampiasana ny endri-javatra atolotra eo amin’ny fanoratana fanamarihana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile (jereo ny “Record your thoughts” ao amin’ny fizarana “Help”).
Manao fampiharana
Raha nampiasa ilay taratasy zaraina ianao tany aloha dia asao ny mpianatra hisafidy izay zavatra nasiany marika tao amin’ny Salamo 116. Avy eo dia asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra nianarany, na ny eritreriny na ny zavatra tsapany nandritra ny fandalinana nataony eo amin’ny sisiny tsy misy soratra. Raha mampiasa soratra masina amin’ny endrika nomerika ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mampiditra fanamarihana ao amin’ny iray amin’ireo zavatra nasiany marika tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ihany.
Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara izay nosoratany amin’ny iray kilasy na ao amin’ny vondrona kely.
Fahaiza-manao: Mampifandray andinin-tsoratra masina
Mamaritra
Noho ny soratra masina afaka mampitombo ny fahatakarana na afaka manohana soratra masina hafa dia mety mahasoa ny mampifandray ireo soratra masina ireo. Fomba iray ahafahana manao izany ny fanoratana soratra masina iray eo amin’ny sisiny tsy misy soratra eo amin’ny pejin’ny soratra masina iray hafa. Azonao ampiasaina ihany koa ny bokotra “Link” ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile.
Manome lamina hakan-tahaka
Ivereno ilay soratra masina eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hamaky ity soratra masina manaraka ity ho soratra masina mifandray. Raha andinin-tsoratra masina hafa no nosafidinao mba hosoratana eny amin’ny solaitrabe dia mitadiava andinin-tsoratra masina azo ampifandraisina amin’izany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21 ka tadiavo ny ifandraisan’izany andininy izany amin’ny Mosesy 7:18.
-
Nahoana no mety hanampy ny fampifandraisana ireo andininy roa ireo?
Soraty eo akaikin’ilay andininy eny amin’ny solaitrabe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21 toy ireny fomba hanoratana izany eo amin’ny sisiny tsy misy soratra eo amin’ilay andininy ireny. Ho an’ny soratra masina amin’ny endrika nomerika dia asehoy ny mpianatra ny fomba fampifandraisana andininy amin’ny alalan’ny fampiasana ny bokotra “Link” ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile (jereo ny “Link related content” ao amin’ny fizarana “Help”).
Manao fampiharana
Asao ny mpianatra hijery indray ny taratasy zaraina. Ho an’ity fampiharana ity dia hevero ny hitsinjara ny mpianatra ao anatin’ny vondrona kely vitsivitsy ary asao azy ireo hieritreritra soratra masina hafa izay mifandray amin’ilay nasiany marika tao anatin’ny taratasiny. Rehefa mahita ohatra izy ireo dia afaka mizara izany ao amin’ny vondrona misy azy ireo ary miaraka mamaky izany. Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mampiditra ny soratra masina mifandray eo amin’ny sisiny tsy misy soratra eo amin’ny pejin’ny taratasy na mampiditra rohy amin’ny alalan’ny fampiasana ny bokotry ny rohy ao amin’ny soratra masina amin’ny endrika nomerika ampiasain’izy ireo.
Fehin-kevitra
Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay manolo-tena hizara izay nianarany avy amin’ny fampiharana ireo fahaiza-manao mikasika ny fanaovana fanamarihana ireo. Azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto roa eto ambany ireto amin’izy ireo. Manehoa fisaorana ny amin’ny valinteny omen’ny mpianatra.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanaovana fanamarihana tao amin’ny soratra masinao anao ho lasa nanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy nandritra ny fandalinana manokana nataonao?
-
Inona no zava-baovao na fahaiza-manao voarainao androany ka mety hanampy anao hirotsaka bebe kokoa amin’ny fandalinana ny soratra masina?
Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ny naha-fitahiana teo amin’ny fiainanao ny fanaovana fanamarihana ao amin’ny soratra masinao manokana. Asao ny mpianatra hiezaka mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fanaovana fanamarihana ao amin’ny soratra masiny.
Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe hatraiza ny fahaizany mampiasa ny fahaiza-manao mikasika ny fanaovana fanamarihana ary hisafidy fahaiza-manao iray nianarany ka hanandrana izany mandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina.