“Ireo dingana atao izay manasa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana soratra masina: Mamorona tontolo ahafahan’ny Fanahy mampianatra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ireo dingana atao izay manasa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana soratra masina: Mamorona tontolo ahafahan’ny Fanahy mampianatra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana soratra masina: Lesona 169
Ireo dingana atao mba hanasana ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana soratra masina
Mamorona tontolo ahafahan’ny Fanahy mampianatra
Isika rehetra dia samy efa niaina fotoana izay nandalinana ny soratra masina tamin’ny fomba tsotsotra kokoa sy tamin’ny fomba feno fitandremana kokoa. Rehefa minia miezaka ny handalina ny soratra masina amin’ny fomba feno fitandremana kokoa isika dia mandefa ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hamantatra sy hampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika (jereo ny 2 Nefia 32:3, 5; Jaona 14:26). Hampihatra fahaiza-manao izay manasa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana soratra masina ny mpianatra ao anatin’ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamorona lisitry ny hevitra azon’izy ireo omena ny namana iray mba hanampiana azy ireo hanatsara ny fandalinany manokana ny soratra masina. Afaka mangataka hevitra amin’ny hafa izy ireo mba hanampiana ao amin’ny lisitr’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Zavatra iainana roa samy hafa
Hanombohana ny fotoam-pianarana dia manaova sarin’olona roa tsotsotra eny amin’ny solaitrabe toy ity manaraka ity ary asio toerana hanoratana eo anelanelany sy manodidina izany. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanao sarin’olona roa tsotsotra mitovy amin’izany eo amin’ny taratasy iray na ao amin’ny diary fandalinany.
Ataovy toy ny hoe zatovo anankiroa fahita mahazatra izy ireo.
-
Inona avy ireo zavatra mety hitovian’izy ireo?
Soraty eo anelanelan’ireo sarin’olona roa ny fanamarihana ataon’ny mpianatra.
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa zavatra tena tsy mitovy no iainan ’ireo olona roa ireo ao anatin’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina. Soraty eo akaikin’ilay sarin’olona iray ny hoe “Miaina zavatra mafonja eo amin’ny fandalinana ny soratra masina” ary “Sahirana eo amin’ny fandalinana ny soratra masina” eo akaikin’ilay sarin’olona iray hafa.
Hevero ny hanoratra ny valintenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo ambanin’ilay sarin’olona.
-
Inona avy ireo karazana zavatra atao izay mety hisy fiantraikany tsara na ratsy eo amin’ny fandalinana soratra masina?
Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay azo ampiharina amin’ny fandalinantsika soratra masina:
Tsy azo terena ny zavatra ara-panahy. Azonao atao ny mamboly toetra sy tontolo izay manasa ny Fanahy, ary azonao atao ny manomana ny tenanao, saingy tsy azonao terena ny fomba sy ny fotoana hahatongavan’ny fitaomam-panahy. Manàna faharetana ary matokia fa handray ny zavatra ilainao amin’ny fotoana mampety izany ianao. (“Bitsiky ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2023, 45)
-
Ahoana no mety hampiharana ny tenin’ny Loholona Stevenson eo amin’ny fandalinana soratra masina?
Ampio ny mpianatra hahita fa afaka mamboly toetra sy tontolo manasa ny Fanahy Masina ao amin’ny fandalinantsika soratra masina isika raha toa ka tsy nambaran’izy ireo izany.
-
Inona ny fitahiana mety ho azo avy amin’ny fanasana ny Fanahy Masina ao anatin’ny fandalinanao ny soratra masina?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Hatraiza ny fahatokian-tenanao eo amin’ny fahaizanao manasa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinanao ny soratra masina?
Rehefa mandalina ianap androany dia henoy tsara ireo hevitra sy fahatsapana izay mety hanampy anao bebe kokoa hanasa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana ny soratra masina ataonao manokana.
Ireo dingana atao izay manasa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana soratra masina
Alohan’ny hanasana ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto dia vakio ilay fanontaniana ary teneno ny mpianatra mba hieritreritra fotsiny ny valinteniny mandritra ny dimy ka hatramin’ny folo segaondra.
-
Inona no nanampy anao mba hanasana ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinanao ny soratra masina?
-
Inona no efa nandramanao saingy toa tsy nahomby?
Azonao atao ny manoratra ny valiny nomen’ny mpianatra ho an’ny fanontaniana voalohany eny amin’ny solaitrabe. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo valinteny ny hoe, manala izay manembantsembana, mivavaka, ary misaintsaina. Raha tsy voalazan’ny mpianatra ireo valinteny ireo dia azonao atao ny manampy izany eny amin’ny solaitrabe. Hiresaka mikasika ireto hevitra telo ireo ity lesona ity. Azonao atao ny miresaka mikasika ireo dingana hafa voatanisa eny amin’ny solaitrabe izay heverinao fa mety hanampy ny mpianatra hanasa bebe kokoa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina.
Azonao atao miaraka amin’ny iray kilasy ny fizarana tsirairay avy. Raha tsy izany dia azonao atao ny mandrindra faritra handinihina ny fizarana tsirairay. Azonao atao ny manendry mpianatra iray mialoha hitarika ny fifanakalozan-kevitra eny amin’ny faritra tsirairay. Ataovy izay hananan’ireo mpitarika fifanakalozan-kevitra fotoana ampy hiomanana mialoha ny fotoam-pianarana. Azo zaraina ho vondrona ny mpianatra ao an-dakilasy ka mifandimby mitety ireo faritra izay tarihin’ny mpianatra.
Manala izay manembantsembana
-
Inona avy ireo zavatra manembantsembana izay mety hanasarotra kokoa ny fahatsapana Fanahy Masina mandritra ny fandalinana ny soratra masina?
Hevero ny hitanisa ireo valinteny eny amin’ny solaitrabe. Mety hilaza zavatra toy ny hoe finday, ny habetsaky ny hery sy tanjaka, ny manodidina azy ireo, sns ny mpianatra.
-
Nahoana araka ny hevitrao no mety hanampy amin’ny fanasana ny Fanahy Masina ao anatin’ny fandalinana soratra masina ataonao ny manala izay manembantsembana?
Azonao atao ny manazava fa matetika i Jesoa Kristy Tompo no nikaroka toerana mangina rehefa te hiaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Matio 14:22–23). Fomba iray nanesorany izay manembantsembana izany.
-
Inona avy ireo zavatra manokana azonao atao hanalavirana ireo zavatra manembantsembana voalaza ireo?
Hevero ny hitanisa ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay zavatra manembantsembana mifandray amin’izany.
Raha mampiasa finday na karazana fitaovana elektrônika hafa ny mpianatra dia mety hanampy ny mampiseho azy ireo na manasa azy ireo hamelona ny mode avion ao amin’ireo fitaovana ireo. Mamono ireo fampahafantaran-javatra miseho rehetra avy amin’ireo applications ao amin’ilay fitaovana elektrônika izay mety hanelingelina ny mpianatra mandritra ny fandalinany soratra masina izany io masontsivana io. Mbola afaka mampiasa ny application Bibliothèque de l’Évangile ny mpianatra na dia ao anatin’ny mode avion aza.
Vavaka
Ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra dia fomba iray mahomby mba hanasana ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinanao ny soratra masina.
Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny mety ho valinteniny amin’ity fanontaniana manaraka ity. Asao izy ireo hizara amim-panajana ny teny mety holazainy (tsy atao vavaka efa vita tsianjery).
-
Inona no mety hoteneninao ao anatin’ny vavaka ataonao amin’ny Ray any An-danitra alohan’ny handalinanao ny soratra masina?
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ny fomba fampiasany ny vavaka mba hanasana ny Fanahy Masina ao anatin’ny fandalinany soratra masina.
Alohan’ny hamakiako ny soratra masina isan’andro, dia aondriko ny lohako ary angatahiko ny Tompo hitahy ahy mba hananako ny Fanahy hanazava ny dikan’ny zavatra vakiko ary mba hiaraka amiko mandritra ny tontolo andro hanampy ahy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy handresy ny fakam-panahy. Mamporisika anareo aho mba hanao toy izany koa. (“2.3.1. I Love My Daily Scripture Study,” Tonga soa eto amin’ny Seminera, 2012)
-
Inona ireo hevi-baovao hafa azonao avy amin’ny Filoha Oaks?
Misaintsaina ny soratra masina
Azonao atao ny mizara ny iray amin’ireto teny nambara manaraka ireto na izy roa mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany misaintsaina rehefa mandalina soratra masina. Asao ny mpianatra hizara izay zavatra nisarika ny sain’izy ireo avy tao amin’ireo fampianarana ireo.
Ny Torolalana ho an’ny soratra masina dia mampianatra fa ny atao hoe misaintsaina dia “mandinika sy mieritreritra lalina, matetika momba ny soratra masina na ny zavatra hafa an’ Andriamanitra. Mety hitondra fanambarana sy fahatakarana ny fisaintsainana ny zavatr’ Andriamanitra rehefa arahim-bavaka” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Misaintsaina,” Bibliothèque de l’Évangile).
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamaritra ny mety ho endrika hisehoan’ny fisaintsainana ny soratra masina.
Zavatra tsara indraindray ny mamaky bokin-tsoratra masina iray ao anatin’ny fotoana voafaritra mba hahafantarana ny dikan’ny hafatra entiny amin’ny ankapobeny, saingy ho an’ny fiovam-po dia tokony hiraharaha kokoa mikasika ny habetsahan’ny fotoana laninao amin’ny soratra masina ianao toy izay mikasika ny habetsahan’ny zavatra vakinao ao anatin’izany fotoana izany. Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba hisaintsaina izany, mamerina mamaky amim-pitandremana ireo andininy, ary rehefa iny mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo hambara iny ianareo, dia mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry fahatsapana ara-panahy, ary manoratra ireo zavatra tsapa sy hevi-baovao izay tonga mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina amin’ny fomba toy izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasak’adiny, fa hanisy toerana ho an’ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy. (“When Thou Art Converted,” Liahona, mey 2004, 11)
-
Inona no nisarika ny sainao avy tao amin’ny fampianaran’ny Loholona Christofferson?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manasa ny Fanahy Masina ny fisaintsainana soratra masina?
-
Inona no zavatra niainanao (na niainan’ny olona fantatrao) mahakasika ny fisaintsainana soratra masina? Aza mizara zavatra mikasika ny tena manokana loatra na masina loatra.
Manaova drafitra
Raha nifandimby nitety ireo faritra nandinihina ireo fizarana ny mpianatra dia asaivo mivondrona indray izy ireo ary mizara izay zavatra nisarika ny sain’izy ireo. Asao ny mpianatra tsirairay hanao zavatra mifototra amin’ny zavatra nianarany. Azonao atao ny mizara ity fanasana manaraka ity mba hanampiana azy ireo hanao izany.
Eo am-pieritreretana izay nianaranao androany, dia manaova drafitra mba hanasana bebe kokoa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana soratra masina ataonao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo dingana azonao atao mba hanasana bebe kokoa ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinana soratra masina ataonao?
-
Inona no mety ho vokatry ny fanananao ny Fanahy Masina miaraka aminao raha mandalina ny tenin’ Andriamanitra ianao?
Azonao zaraina ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fomba nanampian’ireo dingana noresahina androany anao teo amin’ny fanasana ny Fanahy Masina tao anatin’ny fandalinana soratra masina nataonao sy ny nampanakaikezan’izany anao kokoa tamin’i Jesoa Kristy.