“Manao fampitahana: Manao fampitahana mba hamantarana ireo fahamarinana voafono ao amin’ny soratra masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Manao fampitahana: Manao fampitahana mba hamantarana ireo fahamarinana voafono ao amin’ny soratra masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana soratra masina: Lesona 170
Manao fampitahana
Manao fampitahana mba hamantarana ireo fahamarinana voafono ao amin’ny soratra masina
Nisy anjely iray niteny tamin’i Nefia fa ny soratra masina dia ahitana fahamarinana “tsotra sady sarobidy indrindra” (1 Nefia 13:26). Na izany aza dia mety ho sarotra ny mamantatra ireo fahamarinana ireo na mahatsapa fa manan-danja ny soratra masina. Ny fampitahana tantara sy hevitra ary olona ao amin’ny soratra masina dia fahaiza-manao afaka manampy amin’ny antsika hamantatra fahamarinana sarobidy avy amin’i Jesoa Kristy sy handray fitahiana avy amin’ny teniny. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao fampitahana ao amin’ny soratra masina mba hamantarana fahamarinana voafono.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Mosesy 4:1–2, ka hitady ireo fitoviana sy fahasamihafana hitan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy i Satana. Asao izy ireo hisaintsaina ny antony ilàna ny fanaovana fampitahana ao amin’ny soratra masina.
Sahanasa fianarana azo atao
Siramamy sy sira
Hevero ny hitondra siramamy sy sira any am-pianarana ka avelao ny mpianatra iray na roa hanandrana kely ny tsirairay amin’izany. Azonao atao koa ny mampiseho ny sarin’ireo zavatra ireo tahaka ity aseho manaraka ity. Raha tsy izany dia azonareo atao ihany io sahanasa io fa amin’ny alalan’ny fampiasana zava-pisotro mamy sy zavatra marikivikivy toy ny vinaingitra.
-
Inona no hitovian’ny sira sy ny siramamy? Inona no tsy mampitovy azy ireo?
-
Nahoana no ny fampitahana ny sira sy ny siramamy no manampy anao hahatakatra azy ireo bebe?
Torak’izany koa, rehefa manao fampitahana ao amin’ny soratra masina isika dia afaka mahatakatra mazava kokoa sy mankasitraka ireo fampianarana maro avy amin’ny Mpamonjy. Afaka mahita tsara kokoa ny fomba ahafahany mitahy ny fiainantsika isika rehefa miaina ireo fampianarana ireo.
Eo am-pianaranao ity fomba fandalinana soratra masina ity dia aoka ianao hisokatra amin’ny fandraisana fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao hamantatra ny fomba ahafahan’ny fandalinanao soratra masina ho manan-danja kokoa.
Fahaiza-manao: Manao fampitahana
Mba hanampiana ny mpianatra hianatra ity fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana ny soratra masina ity dia mizara toy izao ny lesona: “Mamaritra” (mamaritra ilay fahaiza-manao), “Manome lamina hakan-tahaka” (manome ohatra ho an’ny mpianatra ary mitarika azy ireo hampiasa ilay fahaiza-manao), ary “Manao fampiharana“ (manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ilay fahaiza-manao).
Mamaritra
Vakio na fintino ity manaraka ity.
Ny fanaovana fampitahana ao amin’ny soratra masina dia midika hoe mijery ireo zavatra mitovy sy tsy mitovy eo amin’ireo tantara, na hevitra na olona. Manampy antsika hamantatra fahamarinana voafono ireo fampitahana ireo (fahamarinana mety tsy ho hitantsika raha tsy atao izany). Afaka manao fampitahana ao amin’ny andinin-tsoratra masina tokana isika, na ao amin’ny toko, na manerana ireo boky maromaro.
Ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny tenanao dia hanampy anao amin’ny fanaovana fampitahana mandritra ny fandalinana soratra masina ataonao:
Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto. Hampiasa izany mandritra ny lesona iray manontolo ny mpianatra.
-
Inona no hitovian’ireo tantara, na hevitra na olona ao amin’ity tantara ity? Inona no tsy mampitovy azy ireo?
-
Inona no azoko ianarana amin’ity fampitahana ity?
-
Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianarako avy amin’ity fampitahana ity manampy ahy androany?
-
Ahoana no fahafahan’ny zavatra nianarako manampy ahy hitia na hanaraka bebe kokoa ny Tompo?
Manome lamina hakan-tahaka
Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ity fahaiza-manao ity samirery dia mety hanampy ny fitarihana azy ireo hampiasa tantara ao amin’ny soratra masina aloha. Hevero ny hampiasa izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny tantara momba ny Filankevitra tany An-danitra talohan’ny nahaterahana ka jereo ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy sy i Satana. Azonao atao ny misafidy ny hampiasa tantara hafa toy ny amin’ireto manaraka ireto:
-
Ny olona talohan’ny vanim-potoanan’i Enoka (Mosesy 7:17–19) sy ny olona nandritra ny vanim-potoanan’i Noa (Mosesy 8:28–30)
-
Ny safidy nataon’i Abrahama sy nataon’i Lota momba ny tany honenana (Genesisy 13:8–13)
Hevero ny hampiseho ilay sary etsy ambany ary hanasa ny mpianatra hizara izay fantany mikasika ny zavatra nitranga.
Nandritra ilay Filankevitra tany An-danitra talohan’ny nahaterahana dia nampahafantatra ny drafiny ho an’ny famonjena ny zanany ny Ray any An-danitra. Hitaky mpamonjy ilay drafiny.
Hevero ny hamerina hijery ireo fanontaniana efatra naseho teo aloha ka hanasa ny mpianatra hanoratra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany eo am-pamakian’izy ireo ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto.
Vakio ny Mosesy 4:1–2 ka tadiavo ny fomba namalian’i Jesoa Kristy sy i Satana an’ Andriamanitra.
Asao ny mpianatra hizara ny valinteniny amin’ny fanontaniana tsirairay.
Rehefa mizara izay nianarany avy tamin’ny fampitahana ny Mpamonjy sy an’i Satana ny mpianatra dia mety hizara fahamarinana tahaka ireto manaraka ireto izy ireo:
-
I Jesoa Kristy dia mikatsaka ny hanao amim-panetrentena ny sitrapon’ny Ray any an-danitra. I Satana dia mikatsaka amim-pitiavan-tena ny voninahiny manokana.
-
Ny Ray any an-danitra dia nifidy an’i Jesoa hatrany am-boalohany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao. Nikomy tamin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy i Satana.
Manao fampiharana
Afaka manao ity sahanasa fampiharana ity samirery na tsiroaroa na ao anaty vondrona kely ny mpianatra.
Ny “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ity lesona ity dia ahitana safidy fanampiny.
Misafidiana iray amin’ireo safidy atolotra hanaovana fandalinana etsy ambany. Ampiasao ireo tari-dresaka aseho mba hanampiana anao hanao fampitahana sy hamantatra fahamarinana manan-danja.
Safidy atolotra hanaovana fandalinana:
-
Ny tatitra nataon’ireo mpisafo tany niisa 12. Naniraka mpisafo tany niisa 12 hizaha ny tany Kanana mba hijery ny toetran’ny tany sy ny olona i Mosesy (jereo ny Nomery 13:17–20). Rehefa niverina izy ireo dia tsy nitovy ny tatitra nataon’ireo mpisafo tany niisa 10 sy ny tatitra nataon’i Kaleba sy i Josoa (ireo mpisafo tany roa hafa). Vakio ny Nomery 13:26–33; 14:6–9 ka ampitahao ireo tatitra.
-
Ny fanjakan’i Solomona Mpanjaka. I Solomona Mpanjaka no lasa mpanjaka manaraka taorian’ny nahafatesan’i Davida rainy. Rehefa nandeha ny fotoana dia niova ireo fanirian’i Solomona sy ireo fampanantenana nomen’ny Tompo azy. Vakio ny 1 Mpanjaka 3:3, 7–12; 11:4–6, 9–11 ka ampitahao ireo fanirian’i Solomona sy ireo fampanantenana nataon’ny Tompo taminy tany am-piandohana sy tany amin’ny fiafaran’ny fanjakany.
-
Mpiandry ondrin’i Israely. Nanoro hevitra ireo mpitarika Isiraelita ny Tompo tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminaniny ka niantso azy ireo ho “mpiandry ondrin’[i] Isiraely” (Ezekiela 34:2). Vakio ny Ezekiela 34:2–6, 11–16 ka ampitahao ny mpiandry ondrin’i Isiraely sy ny Tompo, ilay Mpiandry Ondry Tsara.
Rehefa vitan’ny mpianatra ny sahanasa dia afaka mizara ny valinteniny amin’ireo fanontaniana napetraka amin’ny mpianatra iray hafa, na amin’ny mpianatra miara-miasa tsiroaroa na amin’ny vondrona iray izay nandalina tantara hafa izy ireo. Avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara izany amin’ny iray kilasy. Afaka manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitany sy manazava ny maha- zava-dehibe izany amin’izy ireo koa ny mpianatra manolo-tena.
Ireto manaraka ireto dia ohatra ahitana fahamarinana mety hozarain’ny mpianatra:
-
Afaka mampahery antsika ny Tompo rehefa misafidy ny hijery ireo olana atrehintsika amin’ny finoana isika fa tsy amim-panahiana isika.
-
Hitahy antsika ny Tompo rehefa mitia Azy kokoa noho ny itiavantsika ny zavatr’izao tontolo izao isika.
-
Lasa mitovy kokoa amin’ny Tompo isika rehefa mitady sy miahy ny hafa.
Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanohy ny fampiharana ny fanaovana fampitahana amin’ny alalan’ny fampiasana tantara na andian-tsoratra masina safidin’izy ireo. Afaka mizara izay nianarany avy tamin’ny fanaovana izany fampitahana izany izy ireo avy eo.
Fehin-kevitra
Rehefa mandalina soratra masina ianao dia mitadiava fomba ahafahanao mampiditra ny fahaiza-manao eo amin’ny fanaovana fampitahana. Ohatra, raha mandalina mikasika ny olona iray nandray fanapahan-kevitra tsy mahasoa ianao dia hevero ny hitady olona hafa ao amin’ny soratra masina izay nandray fanapahan-kevitra tsara. Raha mahita ny iray amin’ireo mpaminanin’ny Tompo izay nolavina ianao dia eritrereto raha tsaroanao ny fotoana naneken’ny olona ny mpaminaniny.
Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao na ao amin’ny diary fandalinanao ireo zavatra hitanao tao anatin’izany.
-
Ahoana no mety ho fiantraikan’ny zavatra nianaranao androany eo amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina?
Hevero ny hamarana izany amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny soratra masina sy ny fahamarinana fonosin’izany.
Mety hanampy ny fanaovana fanaraha-maso ao anatin’ireo lesona any aoriana ka manontany ny mpianatrao ny fizotran’ny fampiharany io fahaiza-manao iray eo amin’ny fandalinana soratra masina io.