Seminera
Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina: Mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika


“Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina: Mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina: Mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana soratra masina: Lesona 167

Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina

Mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika

Seminary student studying in Ecuador

Mety mahery vaika kokoa ny fandalinana soratra masina raha mitady amim-pahavitrihana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay mampanakaiky antsika bebe kokoa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy isika. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hampitombo ny fahaizany mikaroka fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina izay hanampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanisy marika na hanoratra ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny zavatra izay nianarany avy amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina. Avy eo izy ireo dia afaka mangataka namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hamaky io andinin-tsoratra masina io ihany, sy hizara ny zavatra nianarany avy amin’izany, ary hampitaha ireo hevi-baovao.

Sahanasa fianarana azo atao

Mirakitra fahamarinana ao amin’ny ny soratra masina

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lanjan’ny fitadiavana fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina dia manome hevi-baovao mahasoa ity fanoharana ity momba ny fomba hiraketan’ireo tantara ao amin’ny soratra masina fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Hevero ny hitondra akondro any am-pianarana (na voankazo hafa azo voasana) izay tsy mahavantana ny olona miaina ny kolontsaina any amin’ny toerana misy anao ny mihinana azy. Mangataha ankizy iray manolo-tena mba hihinana ilay voankazo. Rehefa avy novoasann’ilay mpianatra izany ka mihinana sombiny amin’izany izy dia azonao atao ny manao fihetsika mody taitra ka manontany ny antony tsy nihinanan’ilay mpianatra ny hodiny. Mametraha an’ity fanontaniana manaraka ity avy eo.

(Raha tsy misy voankazo dia azonao atao ny mandamina ity fizarana ity mba hamoronana fifanakalozan-kevitra mitovitovy amin’izany amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’ny voankazo iray na amin’ny alalan’ny fanaovana ny sarin’ny voankazo iray eny amin’ny solaitrabe.)

  • Nahoana no mbola manan-danja ny hoditr’akondro na dia tsy mihinana izany aza isika?

    Azonao atao ny manampy ny mpianatra hahatakatra fa miaro ilay ampahany amin’ilay voankazo izay hanintsika, sy mitahiry izany ary mihazona izany mba hadio ny hodiny.

    Avy eo dia asao ny mpianatra hizara ny heviny amin’ny iray kilasy na amin’ny mpianatra miara-miasa aminy mikasika ireto zavatra manaraka ireto.

  • Mety maneho inona ilay ampahany hanintsika raha mampitaha ny tantara ao amin’ny soratra masina amin’ilay hoditr’akondro isika? (Amin’ny teny hafa dia inona ilay arovan’ireo tantara sy tehiriziny ary hazoniny ho madio ho antsika?)

Raha ilaina dia hazavao fa mba hahafahana mianatra bebe kokoa avy amin’ny soratra masina dia mila mijery mihoatra ireo tantara isika mba hahitana ireo fahamarinana tian’ Andriamanitra ho fantatsika. Ireo dia tahaka ilay hoditry ny voankazo izay mihazona sy mitahiry ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ka manampy antsika avy eo hahafantatra sy hanaraka an’i Kristy.

Zarao ity teny nambara manaraka ity ary asao ny mpianatra hitady ny antony maha-zava-dehibe ny fikarohana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara rehefa mandalina isika.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Fantatro fa ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no loharano fototra hahazoana fitarihana eo amin’ny fiainantsika sy fifaliana maharitra eto an-tany sy mandrakizay. … Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa ilay Mpamonjintsika velona no loharano ivoahan’ireo fahamarinana ireo. (“Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 126)

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaranao avy amin’ny Loholona Bednar?

Azonao atao ny manampy ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Bednar tahaka ity iray ity: Ny fotopampianaran’ny filazantsara sy ireo fitsipiky ny filazantsara dia avy amin’i Jesoa Kristy ary loharano mitari-dalana sy mitondra fifaliana maharitra.

(Fanamarihana: Tsy horesahina ato amin’ity lesona ity ny tsy mampitovy ny fotopampianarana sy fitsipika. Na ny fotopampianarana na ny fitsipika dia samy horesahina amin’ny alalan’ny fampiasana teny ankapobeny kokoa hoe “fahamarinana ao amin’ny filazantsara” ho an’ny tanjon’ity lesona ity. Misy teny nambara hafa ao amin’ny Loharanom-pitaovana fanampiny ao amin’ity lesona ity izay azonao ampiasaina raha hitanao fa mety hanampy ny mpianatrao ny hanavaka ny fotopampianarana amin’ny fitsipika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny fahaizany mikaroka fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina mangina ireto teny ambara manaraka ireto.

Omeo isa 1 ka hatramin’ny 5 ny fahamarinan’ireto teny ambara manaraka ireto raha ny mahakasika anao. (1 = mahalana vao marina; 5 = saika marina amin’ny fotoana rehetra)

  • Mahatoky tena amin’ny fahaizako mikaroka ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina aho.

  • Mikaroka tsy tapaka ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina aho izay mampanakaiky ahy kokoa amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Entano ny mpianatra hikatsaka ny Fanahy Masina mba hanampy azy ireo hamantatra tsara kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina izay notehirizin’ny Ray any an-danitra ho antsika.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia mety ho tianao ny hiasa amin’ny alalan’ireo fizarana “Mamaritra” sy “Manome lamina hakan-tahaka” ho an’ny fahaiza-manao tsirairay aloha izay vao manasa ny mpianatra hampihatra ireo fahaiza-manao roa ireo miaraka. Azonao ampiasaina ny iray amin’ireo hevitra ao amin’ny soratra masina notanisaina ao amin’ny fizarana “Manao fampiharana” ho an’ilay fahaiza-manao.

Fahaiza-manao: Mamantatra fahamarinana nambara mazava

Mamaritra

Iray amin’ny karazana fahamarinana ao amin’ny filazantsara mety ho hitanao mandritra ny fandalinana ataonao ny fahamarinana nambara mazava. Ny fahamarinana toy izany dia ambara amin’ny fehezan-teny na andian-teny tsotra ao amin’ny soratra masina.

Manome lamina hakan-tahaka

Asehoy ny mpianatra ny ohatra iray izay ahitana fahamarinana iray nambara mazava amin’ny alalan’ny famakiana ity soratra masina manaraka ity na ny iray amin’ireo andininy tianao indrindra izay ahitana fahamarinana iray nambara mazava.

Vakio ny Ohabolana 3:5–6 ka mitadiava fahamarinana iray nambara mazava ary asio marika izany.

  • Inona no nasianao marika?

    Ny mpianatra dia mety hahita fahamarinana iray tahaka ny hoe “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra … fa Izy handamina ny làlanao.

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ilay fahamarinana nasianao marika?

Manao fampiharana

Fomba iray hanaovan’ny mpianatra fampiharana ny fanasana azy ireo hanokatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Afaka manokatra andinin-tsoratra masina maro ny mpianatra avy eo ary mitady ireo fahamarinana nambara mazava.

Rehefa nomena fotoana ampy hamitana ny sahanasa ny mpianatra dia afaka mitodika any amin’ny namany iray na amin’ny vondrona kely iray izy ireo ary mizara ny fahamarinana hitany.

Fahaiza-manao: Mamantatra ireo fahamarinana voafono

Mamaritra

Ny karazana fahamarinana iray hafa ao amin’ny filazantsara izay mety ho hitanao mandritra ny fandalinana ataonao dia ny fahamarinana voafono. Ireo fahamiranana ireo dia voafono ao anaty andinin-tsoratra masina lava kokoa na ao anaty tantara izay mitaky ny hisaintsainantsika ny zavatra tian’ny Ray any an-danitra hianarantsika avy amin’izany. Afaka mahita ireo fahamarinana ireo isika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao.

Azonao atao ny mampiseho na mitanisa ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe.

  • Moa ve misy hevitra, na andian-teny na tandindona manan-danja izay mampianatra anao zavatra mikasika ny Ray any an-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

  • Moa ve misy antony sy vokany (raha/dia) mifandray ao amin’ity tantara ity?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nahazo fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra ny mpanoratra mba hampiditra ireo tranga na andalana ireoa?

Manome lamina hakan-tahaka

Hevero ny hanasa mpianatra iray manolo-tena mba hamaky amin’ny feo mafy ny Nomery 21:5–9 ho an’ny iray kilasy. Tantara momba ny nampianaran’ Andriamanitra sy nanasitranan’ Andriamanitra ny Israelita izay nokakerin’ny bibilava misy poizina ity tantara ity. Eo am-pihainoana izany dia entano ny mpianatra hikaroka ireo fahamarinana voafono ao anatin’ilay tantara amin’ny alalan’ny fametrahan’izy ireo amin’ny tenany ireo fanontaniana notanisaina etsy ambony.

Rehefa vita ny famakiana dia mangataha mpianatra manolo-tena hizara izay fahamarinana voafono hitan’izy ireo. Azonao atao ny manentana ny mpianatra hanoratra fahamarinana eo akaikin’ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masiny.

Anisan’ireo fahamarinana voafono mety ho hita ao amin’ity tantara ity ny hoe:

  • Hitondra mankany amin’ny fahoriana amin’ny farany ny fanoherana an’ Andriamanitra sy ny mpaminaniny.

  • Mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

  • Feno famindram-po Andriamanitra ary manokatra lalana ho antsika mba ho sitranina.

Azonao atao ny manamarika fa nampiasa ity tantara ity i Jesoa Kristy mba hampianarana fa izay rehetra mino sy manaraka Azy dia hanana fiainana mandrakizay (Jaona 3:14–16).

Manao fampiharana

Hevero ny hanao sarin’ny akondro iray izay mivaofy amin’ny ampahany eny amin’ny solaitrabe mba hanombohana ity sahanasa ity.

Showing different banana's

Hevero ny hampiseho ireto torolalana sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka asao ny mpianatra hanatanteraka ilay sahanasa samirery na miaraka amin’ny mpianatra miara-miasa aminy. Eo am-pandalinan’izy ireo dia manasà mpianatra hankeny amin’ny solaitrabe isaky ny mahita fahamarinana iray izy ireo ary soraty eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay akondro izany.

Misafidiana iray amin’ireto tantara ao amin’ny soratra masina etsy ambany ireto na tantara iray izay nosafidinao mba hohalalinina.

  1. Eo am-pamakiana dia asio marika izay fahamarinana efa nambara mazava ao amin’ny soratra masina.

  2. Rehefa vita ny famakiana nataonao dia manoràta amin’ny alalan’ny teninao manokana fahamarinana voafono iray farafahakeliny izay nianaranao avy tao amin’ilay tantara.

  3. Saintsaino ny antony maha-manan-danja ireo fahamarinana hitanao ireo aminao sy ny zavatra tsapanao fa tian’ny Ray any an-danitra hampiasanao izany.

1 Samoela 17:44–49 (I Davida mifanandrina amin’i Goliata, ilay olona goavam-be)

2 Mpanjaka 6:14–18 (Miaramila Syriana manodidina ny tanàna hisambotra an’i Elisa)

Mpitsara 6:11–16 (Antso natolotra an’i Gideona mba hanavotra ny vahoakany teo anatrehan’ny tafika mpanafika)

Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia asao izy ireo hanasongadina izay fahamarinana nosoratan’ny mpianatra hafa teny amin’ny solaitrabe ka manan-danja amin’izy ireo. Afaka mizara ny antony maha-manan-danja an’ilay fahamarinana amin’izy ireo ny mpianatra sy ny fomba ahafahany mampihatra izany eo amin’ny fiainany. Azonao atao koa ny manontany raha misy amin’izy ireo efa niaina toe-javatra izay nanampy azy ireo hahafantatra fa marina ny zavatra iray eny amin’ny solaitrabe.

Fehin-kevitra

Hevero ny hampatsiahy ny mpianatra ny momba ny tanjona manokana eo amin’ny fandalinana soratra masina izay napetrak’izy ireo tao anatin’ity enim-bolana ity. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona raha mbola tsy nanao izany.

Asao ny mpianatra hanao ao an-tsaina ny tanjon’izy ireo rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany izy ireo. Asao izy ireo mba halala-tsaina ka hanova ny tanjon’izy ireo raha toa ka mahatsapa fa tokony hanao izany izy ireo.

  • Inona avy ireo fahaiza-manao nisarika ny sainao ka afaka manampy anao amin’ny fandalinana soratra masina ataonao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahitana sy fisaintsainana fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina anao mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

Hevero ny hanasa mpianatra iray na maromaro isan’andro mandritra ny lesona maromaro manaraka mba hizara fahamarinana iray hitany nandritra ny fandalinana soratra masina nataony manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra. Mitadiava fotoana tsara hafa mandritra ireo lesona any aoriana mba hahafahan’ireo mpianatra manohy mampihatra io fahaiza-manao manan-danja io.