“Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy
Topimaso
I Jesoa Kristy no maha-zatovo mahery. Afaka mitodika any Aminy sy any amin’ny fotopampianarany isika rehefa manao safidy. Ny fahafantarana ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika sy ny fametrahana tanjona dia afaka manampy antsika hitovy kokoa Aminy. Afaka manampy antsika hiandraikitra ny fampiasantsika ny teknôlôjia ny fampianaran’ny Mpamonjy. Ny tsodranon’ny patriarika nomena antsika dia afaka manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hanambara ny rohim-pirazanantsika ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely. Ny fanekena sy fanatanterahana ny antso ao amin’ny Fiangonana dia afaka manampy antsika hanompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy.
Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ireto lesona ireto dia azo ampianarina amin’ny fotoana rehetra mandritra ny taom-pianarana na mandritra ny herinandro ao amin’ny fandaminana ny fotoana ao amin’ny Avia, Hanaraka Ahy. Ireto misy torohevitra vitsivitsy.
Miomana hampianatra
Boky torolalana Ho zatovo mahery!
Sosokevitra eo amin’ny fandaminana ny fotoana: Ity lesona ity dia mampiasa an’i Josefa tany Egypta ho ohatra maneho olona iray izay nanao safidy nentanim-panahy izay nifototra tamin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Hevero ny hampianatra ity lesona ity manakaikikaiky ny fotoana hampianarana ny Lesona 34: “Genesisy 39.”
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hanao fanazaran-tena hampiasa ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy mba hanaovana safidy entanim-panahy izay mifototra amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny fizarana iray nosafidiny ao amin’ny Ho zatovov mahery!. Afaka mandinika ny fomba ahafahan’ny fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’io fizarana io manampy azy ireo handray fanapahan-kevitra entanim-panahy ireo mpianatra.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery!
-
Votoatiny haseho: Sarin’ny fanilo iray ho an’ny tantsambo nandritra ny tafio-drivotra
-
Horonan-tsary: “Joseph en Égypte” (2:51) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:41
-
Taratasy zaraina: “Mampifandray ny safidintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany”
Fametrahana tanjona
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampandray anjara ny Tompo eo amin’ny fametrahany sy fanatanterahany ny tanjony manokana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo tanjona lavitra ezaka sy antomotra ezaka izay tiany hotratrarina. Afaka manontany ny olona fantany koa izy ireo momba ny zavatra nianaran’izy ireo teo amin’ny fametrahana sy fanatrarana tanjona.
-
Votoatiny haseho: Kisary mampiseho ireo tanjona hotratrarina ao anatin’ny telo vola, sy herintaona ary dimy taona
-
Taratasy zaraina: “Fitsipika mikasika ny fametrahana sy ny fanatanterahana tanjona”
Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra
Sosokevitra eo amin’ny fandaminana ny fotoana: Ny lohahevitra mikasika ny toetra maha-Andriamanitra sy ny tanjona araka an’ Andriamanitra dia tena hamafisina ao anatin’ireo herinandro vitsivitsy voalohany ao amin’ity lesona ity. Raha nisy fampianarana nandritra ireo herinandro ireo dia tsara raha any amin’ny faramparan’ny taona no hampianaranao ity lesona ity mba hanaovana fanamafisana fanampiny izany any aoriandriana ao amin’ny lesona. Raha tsy nisy nandritra ireo herinandro vitsivitsy voalohany ny fampianarana dia azonao ampianarina any amin’ny voalohandohan’ny taona ity lesona ity mba hanomezana ny mpianatra topimaso momba ny votoatin’ny fampianarana sasantsasany izay tsy mety natrehany.
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ny toetra maha-Andriamanitra ananan’izy ireo sy ny tanjon’izy ireo araka an’ Andriamanitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny andalana voalohany ao amin’ny “Fanevan’ny zatovovavy” na ny “ Fanevan’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.” Azon’izy ireo atao ny manandrana manao tsianjery na manonona izany imbetsaka mandritra ny tontolo andro. Afaka mizara ny fiantraikan’ny fanaovana izany teo amin’ny fihetsiny sy ny zavatra nataony ny mpianatra.
-
Fitaovana haseho: Fitaratra
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ity teny nambara manaraka ity ho an’ny mpianatra tsirairay avy
Maro aminareo no manomboka ny tontolo andronareo amin’ny fijoroana eo anoloan’ny fitaratra. Rahampitso, amin’ity herinandro ity, amin’ity taona ity, dia miatoa kely foana eo am-pijerenareo ny tenanareo eo amin’ny fitaratra. Eritrereto ny tenanareo, na teneno mafy raha tianareo hoe, “Oay, jereo anie aho e! Tena mahavariana aho! Zanak’ Andriamanitra aho! Fantany aho! Tiany aho!” (Gary E. Stevenson, “Bitsiky ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2023, 45)
-
Horonantsary: “Bitsiky ny Fanahy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:08 ka hatramin’ny 13:38; “Aoka Andriamanitra no hanjaka” manomboka amin’ny mari-potoana 10:40 ka hatramin’ny 12:23
-
Votoatiny haseho: Tabilao ahitana andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny toetra maha-Andriamanitra, torolalana ho an’ny mpianatra ao amin’ny fizarana “Fandalinana sy fifanakalozan-kevitra ho an’ny mpianatra” ao amin’ity lesona ity
Mandray andraikitra eo amin’ny fampiasana ny teknôlôjia
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampiasa ny fampianaran’i Jesoa Kristy mba hanombanany ny fampiasany ny teknôlôjia.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fampiasany ny teknôlôjia sy ny mety ho fiantraikan’izany eo aminy sy eo amin’ny hafa. Mba hitondrana fanampiana ao anatin’izany dia afaka mikaroka masontsivana na application ao ao anatin’ny fitaovana elektrônika ampiasainy ny mpianatra sasantsasany izay mampiseho ny habetsahan’ny fotoana nampiasana ilay fitaovana elektrônika na ireo applications.
-
Votoatiny haseho: Sarin’olona eo amin’ny sampanan-dalana , torolalana ho an’ny mpianatra ao amin’ny fizarana “Mampiasa ny teknôlôjia ho amin’ny tanjona tsara” ao amin’ity lesona ity
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery!
-
Horonan-tsary: “Hery handresena ny fahavalo” manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:12 ka hatramin’ny 3:46
Tsodranon’ny patriarika
Sosokevitra eo amin’ny fandaminana ny fotoana: Mety ho tsara ho anao ny mampianatra ity lesona ity aorian’ny Lesona 35: “Genesisy 42–45.” Nanome tsodranon’ny patriarika ho an’ny taranany i Jakoba (na i Isiraely) ao amin’ny Genesisy 48–49.
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy fanambarana ny rohim-pirazanana ao amin’ny mpianakavin’i Israely ny tsodranon’ny patriarika.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ny iray amin’ireto manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana: (1) mamaky ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ireo na (2) manontany olona efa nandray ny tsodranon’ny patriarika mba hizara ny fomba nanampian’ireo fitahiana nomena azy ireo azy ireo.
Manaiky sy manatanteraka antso
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ao anatin’ny antson’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ireto rafi-tantara sy fanontaniana manaraka ireto. Asao izy ireo haka sary an-tsaina ny zavatra holazain’izy ireo.
-
Inona ny sasantsasany amin’ireo antso mety hangatahina mba hotanterahin’i Evelyn?
-
Inona no mety ho tsapan’i Evelyn? Nahoana?
-
Inona no tianao ho fantatr’i Evelyn momba ny fanekena sy ny fanatanterahana antso?
-
-
Horonan-tsary: “Minoa, mitiava ary manaova asa” manomboka eo amin’ny mari-potoana 11:00 ka hatramin’ny 12:08
-
Taratasy zaraina: “Manompo tahaka ny Mpamonjy”