“Fametrahana tanjona: Fametrahana tanjona sy fanatanterahana izany amin’ny fomba mahomby,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fametrahana tanjona: Fametrahana tanjona sy fanatanterahana izany amin’ny fomba mahomby,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Lesona 172
Fametrahana tanjona
Fametrahana tanjona sy fanatanterahana izany amin’ny fomba mahomby
Na dia maro aza ny olona nandray fitahiana tamin’ny alalan’ny fametrahana sy fanatanterahana tanjona, dia misy ireo hafa mety tsy hametraka tanjona na ho kivy rehefa tsy mahatratra izany. Tian’ny Tompo ho tonga tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra isika (Jereo ny 3 Nefia 12:48). Hanampy antsika izy rehefa miezaka mianatra sy mivoatra isika. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hanakaiky bebe kokoa ny Tompo eo am-pianarany mametraka sy manatanteraka ny tanjony manokana miaraka amin’ny fanampiany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo tanjona lavitra ezaka sy antomotra ezaka izay tiany hotratrarina. Afaka manontany ny olona fantany koa izy ireo momba ny zavatra nianaran’izy ireo teo amin’ny fametrahana sy fanatrarana tanjona.
Sahanasa fianarana azo atao
Tanjona sy safidy
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaovana ity kisary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanao izany koa ao amin’ny diary fandalinany.
Afaka manoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo akaikin’ny sarin’olona tsirairay eo ankavanana ny mpianatra.
-
Inona no antenainao mba hotanterahina ao anatin’ny telo volana? ao anatin’ny herintaona? ao anatin’ny dimy taona?
Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto: Afaka mizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy ny mpianatra manolo-tena avy eo.
-
Inona no tonga ao an-tsainao na zavatra tsapanao rehefa mieritreritra ireo tanjona ireo ianao? Nahoana?
Ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy dia maniry anao mba ho tonga amin’ilay tena maha-izy azy anao ary ho tonga tahaka Azy Ireo amin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 12:48). Ao anatin’ity lesona androany ity dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitana ny fomba ahafahan’Izy ireo manampy anao hametraka sy hanatanteraka ireo tanjonao manokana.
Ny fanampian’ny Tompo
Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ka tadiavo ny zavatra nianaranao mikasika ny fametrahana sy ny fanatanterahana ny tanjontsika:
Tsy voafetra ny fanampiana azontsika avy amin’ny Tompo eo amin’ireo tanjontsika sy ireo zavatra mahasoa katsahintsika, ary manohana antsika amin’izay ezaka tsara rehetra Izy. … Manasa anareo aho mba handinika ireo fomba hanohizana ireo ezaka tsara atao eo amin’ny fiainanareo manokana, na inona na inona toe-javatra iainanareo. Manome toky anareo aho fa tia antsika tsirairay ny Tompo ary eo mandrakariva Izy hanampy antsika na inona na inona toe-javatra atrehintsika. (“Goals, Growth, and Progress—Recent Messages from Prophets and Apostles,” [lahatsoratra amin’ny endrika nomerika ihany], Liahona, Jan. 2023, Bibliothèque de l’Évangile)
-
Ahoana no ahafahana mampihatra ny hafatry ny Loholona Soares eo amin’ny fametrahana sy fanatanterahana ny tanjontsika ?
Na dia amin’ny alalan’ny teny hafa aza no mety hilazan’ny mpianatra azy dia ampio izy ireo hahita fa hanampy antsika hametraka sy hanatanteraka ireo tanjontsika izay tsara ny Tompo. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.
Avy eo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Ny Tompo, eo ambonin’ilay kisary tany am-piandohan’ny lesona ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity.
-
Inona no fiovana entin’ny fahalalanao fa hanampy anao ny Tompo rehefa mametraka sy mikatsaka ny hanatratra ny tanjonao ianao?
Mety hanampy ny manazava fa afaka mametraka tanjona eo amin’ny sehatra maro eo amin’ny fiainantsika isika, ka tafiditra ao anatin’izany ireo tanjona mikasika ny fianarantsika, ny fifandraisantsika amin’ny hafa ary ny fahasalaman’ny vatantsika. Izay ezaka rehetra atao mba hihatsarana na hivoarana amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy dia tanjona tsara.
Mety ho kivy amin’ny fametrahana tanjona ny mpianatra sasany satria tsapan’izy ireo hoy toy ny tsy fahombiazany amin’izany no miseho matetika kokoa noho ny fahombiazany amin’izany. Mba hanampiana ireo mpianatra ireo dia hevero ny hametraka ity fanontaniana manaraka ity.
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa tia antsika ny Tompo ary eo Izy hanampy antsika, araka ny zavatra nampianaran’ny Loholona Sores, rehefa tsy mahatratra ny tanjontsika isika?
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny 2 Nefia 4:17–21, 26–28 ka hitady ny fomba nitodihan’i Nefia tany amin’ny Tompo rehefa nahatsapa ho tsy nahatratra ny tanjona izy.
Mba hanehoana ohatra momba ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy antsika eo amin’ny fanatanterahana ny tanjontsika, na dia toy ny tsy azo tanterahina aza izany, dia hevero ny hampiasa ny ohatra nasehon’i Abrahama. Mety efa niverina nijery izany tantara izany ny mpianatra tao amin’ny Lesona 22: “Abrahama 1.” Raha izany no izy dia azonao amboarina io sahanasa etsy ambany io hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra.
Taona maro talohan’ny niantsoana azy ho mpaminanin’ny Tompo dia lehibe tao amin’ny tany iray feno faharatsiana sy fanompoan-tsampy i Abrahama. Na ny rainy aza dia efa tapa-kevitra ny “hanaisotra ny ai[ny]” (Abrahama 1:30).
Vakio ny Abrahama 1:1–2, 4 ka tadiavo ireo tanjona napetrak’i Abrahama ho an’ny tenany.
-
Inona no hitanao?
-
Raha jerena ny toe-javatra nisy an’i Abrahama, nanao ahoana no mety ho fahasarotan’ny fanatanterahany ny tanjony?
Nanavotra ny ain’i Abrahama tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo ary nampanantena fa hanampy azy hanatanteraka ireo tanjony izay tsara (jereo ny Abrahama 1:15–20).
Vakio ny Abrahama 1:18–19 ka tadiavo ny fomba hanampian’ny Tompo an’i Abrahama.
-
Ahoana no mety ho fiantraikan’ny zavatra niainan’i Abrahama eo amin’ny fiheveranao ireo tanjonao?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao na ny olona fantatrao teo amin’ny fametrahana na fanatanterahana tanjona tsara?
Dingana arahina eo amin’ny fametrahana tanjona
Omeo an’ity taratasy zaraina “Fitsipika mikasika ny fametrahana sy ny fanatanterahana tanjona” ity ny mpianatra tsirairay. Afaka mahazo izany fampahalalana izany koa ny mpianatra ao amin’ny pejy 151 ao amin’ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023).
Afaka mandalina samirery ilay taratasy zaraina ny mpianatra ary avy eo mifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anaty vondrona kely momba ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
Avereno jerena ireo fitsipika ao anatin’ilay taratasy zaraina ary miomàna hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona amin’ireo dingana ireo no mora aminao ny manao azy? Inona amin’ireo dingana ireo no sarotra indrindra aminao? Nahoana?
-
Mety hanao ahoana raha toa ka ampandraisina anjara ao anatin’izany ny Tompo ary katsahina ny fanampiany ao anatin’ny dingana arahina?
Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.
Fampiharana ny fametrahana tanjona
Raha misy ny fotoana dia hevero ny hanampy ny mpianatrao hanao fampiharana eo amin’ny fametrahana sy fanatanterahana tanjona amin’ny alalan’ny fanarahana ireo dingana. Azon’izy ireo atao tsiroaroa na ao anaty vondrona kely ity sahanasa manaraka ity. Na azonao atao ihany ny mandeha mivantana any amin’ny fizarana “Ny tanjonao.”
Ataovy lisitra ao anaty diary fandalinanao ny ohatra maro izay ahitana tanjona tsara sy mahasoa azon’ny zatovo apetraka eo amin’ny fiainany.
Mifidiana iray amin’ireo tanjona ireo avy eo ary mamoròna rafi-tantara iray izay ahafahan’ny olona iray manatanteraka tsara ny dingana tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipika ao anatin’ny taratasy zaraina. Hevero ny fomba hampandraisanao anjara ny Tompo ao anatin’izany fanaovana dingana izany.
Azonao ampiasaina ho toy ny lamina hakan-tahaka ity rafi-tantara manaraka ity:
-
Nangataka fanampiana tamin’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fametrahana tanjona i Jayden. Nanapa-kevitra ny handalina isan’andro ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny 10 minitra izy.
-
Nanapa-kevitra ny hifoha aloha izy mba hahafahany manao fandalinana alohan’ny handehanana mianatra.
-
Herinandro taty aoriana dia nahatsikaritra i Jayden fa resin-tory foana izy. Nivavaka mba hahazo fanampiana izy.
-
Roa herinandro taty aoriana dia nahatsiaro tena ho tsy nahomby teo amin’ilay tanjony i Jayden. Nangataka ny Ray any an-danitra izy mba hanampy azy hahatsapa ny fitiavany sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy azy. Nahatsapa ho nahazo fampaherezana izy ka nanapa-kevitra ny hanandrana indray ary natoky fa hanampy azy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nanapa-kevitra ny hinia hatory aloha izy isan-kariva mba hahamora ny fifohazany.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny rafi-tantara noforoniny.
Ny tanjonao
Ity sahanasa manaraka ity dia fomba iray ahafahan’ny mpianatra manao drafitra mba hampandraisana anjara ny Tompo ao anatin’ireo tanjony. Azon’izy ireo soratana ao amin’ny diary fandalinany na eo amin’nyilay taratasy zaraina ny tanjony sy ny drafiny.
Saintsaino ireo tanjonao manokana amin’ny alalan’ny fampiasana ny dingana voalohany avy ao amin’ilay taratasy zaraina. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny misaintsaina ilay sary nataonao tany am-piandohan’ny lesona.
Manorata tanjona iray na roa izay tianao hotanterahina. Mamoròna drafitra amin’ny antsipiriany izay mampiseho ireo dingana tianao harahina mba hanatanterahana izany. Makà antoka tsara fa tafiditra ao amin’ilay drafitra ny fomba hampandraisana anjara ny Tompo ao amin’izany tanjona izany.
Amporisiho ny mpianatra ao anatin’ireo ezaka ataony mba hanatanterahana ny tanjony ary ampahatsiahivo azy ireo ny fanampian’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Hevero ny hamerina hamaky ny teny nambaran’ny Loholona Soares sy hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny zavatra nampianariny.