Seminera
Mandray andraikitra amin’ny fampiasana teknôlôjia: “Aoka isika hitandrina fa tsy hanao tsirambina ny fampiasantsika ny teknôlôjia”


“Mandray andraikitra amin’ny fampiasana teknôlôjia: -Aoka isika hitandrina fa tsy hanao tsirambina ny fampiasantsika ny teknôlôjia-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mandray andraikitra amin’ny fampiasana teknôlôjia: -Aoka isika hitandrina fa tsy hanao tsirambina ny fampiasantsika ny teknôlôjia-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Lesona 174

Mandray andraikitra eo amin’ny fampiasana ny teknôlôjia

“Aoka isika hitandrina fa tsy hanao tsirambina ny fampiasantsika ny teknôlôjia”

Two young men share experiences on a smartphone.

Indraindray dia mora ny tsy miraika toy izay mandinika sy mitandrina rehefa mampiasa teknôlôjia. Raha mitandrina sy manan-tanjona isika rehefa mampiasa izany dia azon’ny Tompo atao ho fitahiana ho antsika ny teknôlôjia. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hampiasa ny fampianaran’i Jesoa Kristy mba hanombantombanan’izy ireo ny fampiasany ny teknôlôjia.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fampiasany ny teknôlôjia sy ny mety ho fiantraikan’izany eo aminy sy eo amin’ny hafa. Mba hitondrana fanampiana ao anatin’izany dia afaka mikaroka masontsivana na application ao ao anatin’ny fitaovana elektrônika ampiasainy ny mpianatra sasantsasany izay mampiseho ny habetsahan’ny fotoana nampiasana ilay fitaovana elektrônika na ireo applications.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanapahan-kevitra mikasika ny fampiasana ny teknôlôjia

Hevero ny hanao sarin’olona iray mijoro manoloana ny sampanan-dalana maromaro.

Which way should I go
  • Inona avy ireo fomba samihafa ampiasan’ny zatovo ny teknôlôjia ankehitriny?

    Ny mpianatra dia mety hizara ny fomba ampiasana izany toy ny hoe iresahana amin’ny hafa, andalinana soratra masina, ankafizana fialam-boly, ifaneraserana ao amin’ny tambajotran-tserasera, ary ny hanaovana entimody. Rehefa mamaly ilay fanontaniana ny mpianatra dia azonao atao ny mamorona lisitra na manisy anarana ireo lalana tsirairay eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny valintenin’ireo mpianatra. Ilain’ny mpianatra amin’ny lesona aorina kely ao io lisitra io.

  • Ahoana no ahalalantsika ny fampiasana araka ny tokony ho izy na tsia ny teknôlôjia?

Tahaka io olona io izay manana lalana maro hisafidianana, dia mety miatrika fahasarotana isika eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara mikasika ny fomba hampiasantsika ny teknôlôjia.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ny fomba ahafahan’ny Tompo mitarika antsika amin’ny fandraisantsika fanapahan-kevitra.

  • Eksodosy 13:21–22

  • Salamo 119:105

  • Isaia 2:3, 5

    Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra anampin’izy ireo ilay sary sy ny anton’izany. Mety hanampy jiro, andry rahona na afo, na soratra masina eo amin’ilay sary eo amin’ny fiandohan’ny lalana izy ireo.

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampianarana ireo anaty fehezanteny iray?

    Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana toy ny hoe: manome fanampiana antsika ny Tompo mba hitarika antsika eo amin’ny fiainantsika.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Tompo sy ny fampianarany mitarika antsika handray fanapahan-kevitra mikasika ny fomba hampiasantsika ny teknôlôjia?

Makà fotoana fohy ary eritrereto ny fomba fampiasanao ny teknôlôjia sy ny zavatra mitarika ny fomba isafidiananao ny fampiasana azy ankehitriny. Rehefa mandalina ianao anio dia henoy tsara ny bitsiky ny fanahy.

Mandray andraikitra amin’ny fampiasana teknôlôjia

Ny Fiangonana dia namorona loharanom-pitaovana ho an’ny zatovo antsoina hoe Mandray andraikitra amin’ny fampiasana teknôlôjia. Ireo fitsipika telo manan-danja ao anatiny dia afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara kokoa momba ny fampiasantsika ny teknôlôjia.

  • Tanjona. Afaka mampiasa teknôlôjia omban-tanjona aho. Tsy ataoko mifehy ahy izany.

  • Drafitra. Rehefa manomana mialoha aho dia mahazo aina kokoa ary manao safidy tsara kokoa.

  • Miato. Tsy mampaninona ahy ny miato kely aho ary maka aina.

    Raha manampy dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ilay sary eny amin’ny solaitrabe ary manontany ny fomba ahafahan’ireo fitsipika telo ireo manampy ilay olona eo amin’ilay sary handray fanapahan-kevitra tsara kokoa momba ny fampiasana ny teknôlôjia.

    Na dia manan-danja avokoa aza ireo fitsipika telo ireo dia hifantoka amin’ny fananana tanjona ny ambin’ny lesona. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny hanana tanjona amin’ny fampiasana ny teknôlôjia dia hevero ny hametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto.

  • Ahoana araka ny hevitrao no tian’ny Tompo hampiasanao ny teknôlôjia?

Mampiasa teknôlôjia omban-tanjona

Mba hanampiana antsika hampiasa ny teknôlôjia omban-tanjona dia afaka mitodika amin’ny Tompo sy ny toroheviny izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminaniny isika. Araka ny fampianaran’ny Tompo dia afaka mamorona fanontaniana isika mba hanombantombanana ny fampiasana ny teknôlôjia sy hanampiana antsika hanao zavatra am-piniavana kokoa.

Ampisehoy ireto torolalalana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hameno ireo dingana roa ireo tsirairay na anaty vondrona kely. Raha toa ka mahazo tombony amin’ny ohatra ny amin’ny fomba fanaovana izany ny mpianatra dia hevero ny hiarahan’ny iray kilasy mamaky ny iray amin’ireo soratra masina ao amin’ny dingana voalohany. Azonao atao ihany koa ny mampiseho fanontaniana fitarihan-dresaka, toy ireto manaraka ireto, mba hanampiana ny mpianatra hahita ny mety ho fipetrak’ireo fanontaniana ireo.

  • Moa ve ny fampiasana teknôlôjia amin’izany fomba izany dia …?

  • Moa ve ny fampiasako teknôlôjia manelingelina ahy amin’ny …?

Ireo fanontaniana izay azon’izy ireo foronina dia hita aorian’ny toromarika ho an’ilay sahanasa.

Manaova fanazaran-tena mamorona fanontaniana mampandini-tena miainga avy amin’ny fampianaran’ny Tompo.

  1. Vakio ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto. Ampiasao ny zavatra nianaranao mba hamoronana fanontaniana izay afaka manampy antsika hanana tanjona sy hisaintsaina momba ny fampiasantsika ny teknôlôjia.

    Isaia 55:2; 2 Nefia 9:51

    Matio 22:36–39

    Môrônia 7:45

    Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25

    Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16

  2. Vakio ny iray amin’ireo andiam-pehezan-teny efatra eo ambanin’ny lohateny hoe “Fanasana” ao amin’ny fizarana hoe “Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Ampiasao ny zavatra nianaranao mba hamoronana fanontaniana izay afaka manampy antsika hanana tanjona sy hisaintsaina momba ny fampiasantsika ny teknôlôjia.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ireo fanontaniana noforonin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe na hanoratra izany amin’ny taratasy ka hametaka izany eny amin’ny rindrina manerana ny efitrano. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo fanontaniana mety hoforonin’ireo mpianatra:

  • Moa ve ny fampiasana ny teknôlôjia amin’izany fomba izany hitondra fahafaham-po ho ahy sa hamela ahy hahatsapa fahabangana? (Isaia 55:2; 2 Nefia 9:51)

  • Moa ve ny fampiasako ny teknôlôjia manelingelina ahy amin’ny fanehoana fitiavana an’ Andriamanitra na ny olona hafa? (Matio 22:36–39)

  • Moa ve ny fampiasana teknôlôjia amin’izany fomba izany hitarika ahy hitsiriritra ny hafa sy hampitaha ny tenako amin’ny hafa? (Môrônia 7:45)

  • Ahoana no ahafahako mampiasa ny teknôlôjia amin’ny fomba izay mitondra fahazavana bebe kokoa eo amin’ny fiainako? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25)

  • Moa ve ny fampiasana ny teknôlôjia tahaka izany miteraka faniriana feno filan-dratsy? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16)

  • Moa ve ny fampiasako ny teknôlôjia manampy sa manimba ny fifandraisako amin’ny hafa? (“Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra”, Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 19)

Manasà mpianatra na vondrona vitsivitsy hizara ny zavatra novakiany ka nahatonga ny fanontanian’izy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana ny fampiasana ny fampianaran’ny Tompo araka izany fomba izany no manampy antsika hanana tanjona amin’ny fomba fampiasantsika ny teknôlôjia?

Manao fampiharana

Ity sahanasa manaraka ity dia manampy ny mpianatra hampiasa ireo fanontaniana izay noforoniny mba hanombanana ny fampiasany ny teknôlôjia.

Raha toa ka mametaka ny fanontaniany manerana ny efitrano ny mpianatra dia amporisiho ny mpianatra hitsangana sy hitety ny fanontaniana mba hamitana ilay sahanasa.

Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ny sasany amin’ireo fomba ampiasanao ny teknôlôjia amin’izao fotoana izao. Ampiasao ireo fanontaniana noforoninao sy ny mpiara-mianatra aminao, dia tombano ny fampiasanao manokana ny teknôlôjia. Eritrereto ny zavatra ataonao tsara na azonao hatsaraina. Soraty izay fahatsapana mety ho voarainao avy amin’ny Fanahy Masina.

Afaka mizara ny zavatra nianarany ireo mpianatra manolo-tena. Raha manampy dia azonao atao ny mizara ity teny nambara manaraka ity.

Ny Loholona Peter M. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fomba ahafahan’ny fampiasantsika teknôlôjia mampifandray antsika amin’ny Tompo sy ny heriny.

10:7
Official portrait of Peter M. Johnson. Sustained April 6, 2019 as a General Authority Seventy.

Tena mahatalanjona ireo fandrosoana ara-teknôlôjia […], saingy raha tsy mitandrina isika, dia mety handrebireby antsika izany ka tsy hahatratrarantsika ny fahafahana masina ananantsika. Ny fampiasana azy ireny araka ny tokony ho izy dia afaka mitondra ny herin’ny lanitra. …

Aoka isika hitandrina fa tsy hanao tsirambina ny fampiasantsika ny teknôlôjia. Katsaho tsy tapaka ny fomba mety hahafahan’ny teknôlôjia mitondra antsika ho akaiky kokoa ny Mpamponjy sy manome fahafahana antsika hanatanteraka ny asany eo am-panomanantsika ny fiaviany fanindroany. (“Hery handresena ny fahavalo”, Liahona, nôv. 2019, 110, 111)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa hitahy sy hampahatanjaka azy ireo ny Mpamonjy rehefa manao asa mifanaraka amin’izay fahatsapana mety ho azony anio izy ireo (jereo ny Salamo 29:11).