“Tsodranon’ny patriarika: Fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy fanambarana ny rohim-pirazanana”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Tsodranon’ny patriarika: Fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy fanambarana ny rohim-pirazanana”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Lesona 175
Tsodranon’ny patriarika
Fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy fanambarana ny rohim-pirazanana
Ny fandraisana ny tsodranon’ny patriarika dia mety ho iray amin’ireo tranga manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika no hanambaran’ny Ray any An-danitra ny sitrapony amintsika, sy hanampiany antsika hahatsapa ny fitiavany, ary hanambarany ny rohim-pirazanantsika ao amin’ny taranak’Isiraely. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-fanehoampitiavan’ Andriamanitra sy fanambarana ny rohim-pirazanany ao amin’ny taranak’Isiraely ny tsodranon’ny patriarika.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ny iray amin’ireto manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana: (1) mamaky ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ireo na (2) manontany olona efa nandray ny tsodranon’ny patriarika mba hizara ny fomba nanampian’ireo fitahiana nomena azy ireo azy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Tsodranon’ny patriarika
Fanamarihana: Ny mpianatra sasany dia efa nandray tsodranon’ny patriarika, raha ny hafa kosa mbola eo am-piomanana ny handray izany. Samy resahina ato amin’ity lesona ity ireo vondron’ny mpianatra roa ireo. Mikatsaha fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba ahafahanao manome ireo zavatra isan-karazany ilain’ny mpianatrao. Rehefa miresaka momba ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ny tsy tokony hizarany antsipiriany manokana momba ny tsodranon’izy ireo.
Alohan’ny handalinana momba an’i Jakoba mitsodrano ny fianakaviany dia azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hieritreritra ny fahatakaran’izy ireo momba ny tsodranon’ny patriarika amin’izao fotoana izao. Fomba iray ahafahanao manao izany ny manoratra ny andian-teny hoe tsodranon’ny patriarika eny amin’ny solaitrabe, miaraka amin’ireo tsanganana telo nofaritana etsy ambany.
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantany momba ny tsodranon’ny patriarika sy ny fanontaniana mety hananan’izy ireo. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hanao tsanganana telo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
-
Tsanganana voalohany: Ny zavatra fantatro momba ny tsodranon’ny patriarika
-
Tsanganana faharoa: Ny zavatra tiako hofantarina momba ny tsodranon’ny patriarika
-
Tsanganana fahatelo: Ny zavatra ianarako momba ny tsodranon’ny patriarika
Azon’ny mpianatra atao aloha izao ny mameno ny tsanganana roa voalohany. Hanampy ao amin’ny tsanganana fahatelo ireo mpianatra mandritra ny lesona.
Talohan’ny nahafatesany dia nampivory ny fianakaviany i Jakoba mpaminany sady patriarika.
Vakio ny Genesisy 48:8–9 sy ny Genesisy 49:1–2, ka tadiavo ny zavatra nataony ho azy ireo. (Fanamarihana: Ny teny hoe milaza dia entina ilazana ny zavatra holazainy ao amin’ireo tsodranony.)
-
Inona no hitanao?
Ireo tsodrano nomen’i Jakoba an’ireo zanany lahy dia tsodranon’ny patriarika (jereo ny Genesisy 48:9–22; 49:1–28). Amin’izao androntsika izao, “Ny mpikambana mendrika sy vita batisa rehetra dia manana zo handray ny tsodranon’ny patriarika, izay manome fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 18.17, Médiathèque de l’Évangile).
Ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ireo antony handraisantsika ny tsodranon’ny patriarika amin’izao androntsika izao:
Maneran-tany, patriarika manan-kaja maro no miomana ara-panahy mba hanomezana tsodranon’ny patriarika. Raha vao mametraka ny tanany eo ambony lohanao ilay patriarika, dia tsapany ary ambarany ny fitiavan’ Andriamanitra anao. Tononony ny rohim-pirazananao ao amin’ny mpianakavin’i Israely. Lazainy ireo fitahiana avy amin’nyTompo. (“Fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana”, Liahona, nôv. 2019, 82)
-
Inona no zavatra ianaranao momba ny tsodranon’ny patriarika avy amin’io fanambarana io?
Mety hamaly fahamarinana tahaka ireto manaraka ireto ny mpianatra:
Amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika no ahafahako:
-
mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ahy.
-
mamantatra ny rohim-pirazanako ao amin’ny taranak’Israely.
-
mamantatra ireo fitahiana omanin’ Andriamanitra ho ahy.
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny mampiditra ny zavatra nianarany momba ny tsodranon’ny patriarika ao amin’ny tsanganana hoe “Ianarako”. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manoratra ireo fanontaniana mety hananan’izy ireo ao amin’ny tsanganana hoe “Tiako hofantarina”.
Ny ambin’ny lesona dia mifantoka amin’ny fomba hanampian’ny tsodranon’ny patriarika antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fomba hanambaran’izany ny rohim-pirazanantsika ao amin’ny taranak’Isiraely. Ao amin’ny Sahanasa fianarana fanampiny ho an’ity lesona ity, ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile, dia ho hitanao ny loharanom-pitaovana mikasika ny fomba hanampian’ny tsodranon’ny patriarika antsika hahita ny fitahian’ Andriamanitra ho antsika.
Fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ny tsodranon’ny patriarika
Ny Loholona Kazuhiko Yamashita ao amin’ny Fitopololahy dia nijoro ho vavolombelona momba ny maha-fanehoan’ny tsodranon’ny patriarika ny fitiavan’ Andriamanitra:
Ry rahalahy sy ranabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Lahitokana malalany, dia i Jesoa Kristy Tompo. Tia antsika Izy Ireo. Fanomezana masina avy amin’Izy Ireo ny tsodranon’ny patriarika. Rehefa mandray ny tsodranonareo ianareo dia ho resy lahatra sy hahatsapa ny fitiavan’Izy ireo anareo sy ny fomba ifantohan’Izy Ireo aminareo manokana. (“Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika”, Liahona, mey 2023, 90)
-
Ahoana araka ny eritreritrao no maha-fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ny tsodranon’ny patriarika?
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra iray amin’ny fomba fanehoan’ny tsodranon’ny patriarika ny fitiavan’ Andriamanitra dia azonao atao ny mandefa ny “Bethany’s Story” manomboka eo amin’ny mari-potoana 7:02 hatramin’ny 8:55. Asao ny mpianatra hitady ny fomba nanampian’ny fandalinana ny tsodranon’ny patriarika azy hahatsapa fa mahalala sy tia azy Andriamanitra.
11:8 -
Ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika anao?
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny mampiditra ny zavatra nianarany momba ny tsodranon’ny patriarika ao amin’ny tsanganana hoe “Ianarako”.
Ny tsodranon’ny patriarika dia manambara ny rohim-pirazanantsika
Alohan’ny hanombohana ity fizarana ity dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ny fanambarana ny rohim-pirazanana sy ny antony maha-zava-dehibe izany. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manoratra ireo fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fanambarana ny rohim-pirazanana ao amin’ny tsanganana hoe “Tiako hofantarina” ary hitady valiny eo am-pandalinan’izy ireo.
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fanambarana ny rohim-pirazanana:
Ireo antony voalohany andraisantsika ny tsodranon’ny patriarika dia ny hanampy antsika hahatakatra kokoa hoe iza isika amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika sy hamantatra ny andraikitra izay iantsorohantsika. … Isika dia voatendry mialoha tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nateraka ety an-tany mba hanatanteraka ilay fanekempihavanana sy fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama. ( “Devenir missionnaire”, Liahona, nov. 2005, 47)
-
Inona no zavatra ao amin’io teny nambara io izay azonao ampidirina ao amin’ny tsanganana hoe “Ianarako”?
Miankina amin’ny zavatra zarain’ny mpianatra no hamakinao na hamintinanao ity andiam-pehezan-teny manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’i Abrahama sy ny rohim-pirazanana nambara tao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ireo.
Nanao fanekempihavanana tamin’ny mpaminany Abrahama Andriamanitra izay antsoina hoe fanekempihavanan’i Abrahama. Nohavaozin’ Andriamanitra tamin’i Isaka sy i Jakoba, izay antsoina ihany koa hoe Isiraely, io fanekempihavanana io (jereo ny Genesisy 26:3–4; 28:12–15). Ireo zanakalahin’i Jakoba no fantatra amin’ny hoe fokon’i Isiraely. Ny tsodranon’ny patriarika nomena antsika dia mampiseho ny maha-taranak’i Abrahama antsika sy maha mpikambana antsika ao amin’ny taranak’Isiraely. Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny taranak’Isiraely, na inona na inona fokony dia afaka mandray ireo fitahiana sy mizara ireo andraikitry ny fanekempihavanan’i Abrahama.
Raha nandalina ny Lesona 23: “Genesisy 12:17”; na ny lesona 24: “Abrahama 2:9–11” ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra tsaroany momba ny fanekempihavanan’i Abrahama.
Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ao anatina vondrona kely maromaro ary hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany.
Vakio ny Abrahama 2:9–11, ka tadiavo ireo fitahiana sy andraikitra nampanantenain’ny Tompo an’i Abrahama sy ny taranany.
-
Inona avy ireo fitahiana sy andraikitra ananantsika amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika?
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tsodranon’ny patriarika mba hanampiana antsika hanatanteraka ireo andraikitra ireo?
Hevero ny hanasa ny mpianatra izay nandray ny tsodranon’ny patriarika mba hamerina hijery ny zavatra ampianarin’izany momba ny talenta na ny toetoetra nomen’ Andriamanitra azy ireo hanatanterahana ireo andraikitra ireo. Raha azo atao, dia azon’ny mpianatra atao ny mijery ny tsodranony ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile.
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny mampiditra ny zavatra nianarany momba ny tsodranon’ny patriarika ao amin’ny tsanganana hoe “Ianarako”.
Ny zavatra nianarako
Asao ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nosoratany tao amin’ny tsanganana hoe “Ianarako”. Mety hanisy faribolana ny zavatra iray na roa nanaitra azy ireo indrindra mihitsy aza izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mizara amin’ny iray kilasy na ao anatina vondrona kely ny sasany amin’ny zavatra nosoratany.
Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany.
-
Inona no nianaranao na tsapanao momba ny Ray any An-danitra?
-
Inona no zavatra nianaranao ka manosika anao handalina ny tsodranon’ny patriarika anao?
-
Inona no zavatra nianaranao ka manosika anao hiomana handray ny tsodranon’ny patriarika anao?
Hevero ny hizara ihany koa ny eritreritrao sy ny fahatsapana anananao momba ny tsodranon’ny patriarika. Asao ireo mpianatra izay tsy mbola nandray mba hieritreritra ombam-bavaka ny fotoana tokony handraisan’izy ireo izany. Asao ireo mpianatra izay efa nahazo mba handalina izany tsy tapaka.
Raha mbola manana fanontaniana momba ny tsodranon’ny patriarika ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hanohy hitady valiny. Afaka mandalina ny lohahevitra sy fanontaniana: Patriarchal Blessings [Tsodranon’ny patriarika] izy ireo na miresaka amin’ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana.