Seminera
Genesisy 12; 17: Ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama


“Genesisy 12; 17: Ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Genesisy 12; 17: Ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: Lesona 23

Genesisy 12; 17

Ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama

The Old Testament prophet Abraham kneeling in prayer on the plains of Mamre. Abraham's wife, Sarah, is standing in the doorway of a tent in the background. Sarah is watching Abraham. There is desert scenery in the background.

Nanao fanekempihavanana izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama ny Tompo sy i Abrahama. Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mitandrina izany isika ankehitriny, dia afaka misitraka ireo fitahiana toy ireo izay azon’i Abrahama avy Aminy . Afaka manampy ireo mpianatra hanazava ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama sy ny ifandraisan’izany amin’izy ireo ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hikaroka ny “Fanekempihavanan’i Abrahama” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na Torolalana ho an’ny Soratra Masina ka ho vonona hizara ny zavatra hitany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe nasaina hanao lahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo momba ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama izy ireo. Asao izy ireo hanoratra sy hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany mba hanampiana azy ireo hanombana hoe hatraiza ny fahavononany hanao izany.

  • Inona no atao hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

  • Ahoana no ahafahako mandray ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

  • Nahoana no zava-dehibe amiko ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Omeo toky ireo mpianatra fa tsy maninona raha tsy mahalala betsaka momba ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama izy ireo. Ampahafantaro izy ireo fa afaka manampy zavatra amin’ny valim-panontaniany izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana. Amporisiho izy ireo hikatsaka fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina momba ny fahamarinan’ny zavatra ianarany.

Fanamarihana: mifantoka amin’ny hoe inona ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama ary nahoana izany no zava-dehibe amintsika ity lesona ity. Ny Lesona 24: “Abrahama 2:9–11” dia hifantoka amin’ireo andraikitsika ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama.

Inona no atao hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Ampahatsiahivo fa naniry ny “fitahian’ireo ray” sy ny ho “mpandala ny fahamarinana” i Abrahama (Abrahama 1:2). Nampanantena ny hampitondra ny anarany eo amin’i Abrahama ary hanome azy ny fisoronana ny Tompo (jereo ny Abrahama 1:18).

Hevero ny hanao ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra handalina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana voalohany ary tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo fitahiana izay hitan’izy ireo eo akaikin’ireo andininy mifanaraka amin’izany. Handalina ireo andininy ao amin’ny tsanganana faharoa izy ireo any aoriana any ao amin’ny lesona.

Ireo fitahian’ny Tompo izay nampanantenaina tamin’i Abrahama

Ireo fitahian’ny Tompo izay ampanantenaina amiko

Genesisy 12:2; 17:1–2, 4–6

Genesisy 12:3; 17:7

Genesisy 12:7; 17:8

Abrahama 2:11

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–22, 30–31

Abrahama 2:9–11

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:18–20

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–38

Vakio ny Genesisy 12:2–3, 7; 17:1–8; Abrahama 2:11, hitadiavana ireo fitahiana izay nomen’ Andriamanitra an’i Abrahama.

Hevero ny hivezivezy eran’ny efitrano rehefa mamaky ny soratra masina ireo mpianatra. Mety ho mora kokoa ho an’ireo mpianatra sasany ny hametraka fanontaniana rehefa eo akaiky ny mpampianatra iray, noho izany dia afaka manamora ny fangatahan’ireo mpianatra sasany fanampiana aminao ny fivezivezena eran’ny efitrano fianarana, rehefa mamaky ireo mpianatra. Rehefa vitan’ireo mpianatra izany, dia angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany.

  • Inona no hitanao?

  • Inona no ampianarin’ireo fampanantenana ireo anao momba an’ Andriamanitra?

Ity manaraka ity ny lisitr’ireo fitahiana sasantsasany mety ho hitan’ireo mpianatra:

  1. Genesisy 12:2; 17:1–2, 4–6: rain’ny firenenena maro; hahamaro anao indrindra; hahamaro ny taranakao indrindra; (amin’ny fiteny hebreo, ny anarana hoe Abrama dia midika hoe “ray nasandratra”, ary ny anarana hoe Abrahama dia midika hoe “rain’ny firenena maro.”)

  2. Genesisy 12:3; 17:7: voatahy amin’ny alalan’ny taranany ny firenena rehetra ambonin’ny tany; nitohy tamin’ny taranak’i Abrahama ny fanekempihavanan’ Andriamanitra

  3. Genesisy 12:7; 17:8: tany Kanana

  4. Abrahama 2:11: fisoronana

Mety hahita ilay andian-teny hoe “hisy mpanjaka hiseho avy aminao” ireo mpianatra (Genesisy 17:6). Manondro ireo mpanjaka izay hitondra ny Isiraely sy Joda izany; fa ny tena manan-danja indrindra, manondro an’i Jesoa Kristy izany (jereo ny Matio 1:1; Apokalypsy 19:16).

Azonao atao ny manasongadina fa fantatra amin’ny anarana hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama. Hazavao fa izany no fomba anoloran’ Andriamanitra ireo fitahiany lehibe indrindra ho an’ireo zanany. Nanamafy io fanekempihavanana tamin’i Abrahama io imbetsaka teo amin’ny fiainany Andriamanitra (Jereo ny Genesisy 13:14–17; 15:5, 18; 22:15–18; Abrahama 2:8–12; 3:14).

Ahoana no ahafahako mandray ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Zarao ity fanambarana avy amin’ny Filoha Nelson manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny ifandraisan’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama amin’izy ireo (jereo koa ny Galatiana 3:27–29; Abrahama 2:10).

Nampianatra ny fomba ahafahantsika tsirairay avy mandray ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama ihany koa ny Filoha Russell M. Nelson:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Rehefa mandray ny filazantsara sy atao batisa isika dia mitondra eo amintsika ny anarana masin’i Jesoa Kristy. Ny batisa no vavahady mitondra amin’ny [fahatongavana] ho mpiara-mandova ireo fampanantenana rehetra nomen’ny Tompo fahiny an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba sy ny taranak’izy ireo.

“Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:6) sy ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama dia iray ihany amin’ny ankapobeny—fomba anankiroa hilazana ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’ny olombelona lehilahy sy vehivavy tamin’ny vanim-potoana samihafa. …

Tahaka an’i Adama, izaho sy ianao dia niditra manokana ny lalan’ny fanekempihavanana tamin’ny batisa. Dia miditra feno kokoa ao amin’izany isika any amin’ny tempoly. Ireo fitahian’ny fanekempihavanan’i Abrahama dia atolotra any amin’ireo tempoly masina. Ireo fitahiana ireo dia mamela antsika, rehefa tafatsangana amin’ny maty, “handova fiandrianana, fanjakana, hery, fanapahana, ary fizakana, hankany amin’ny -fisandratantsika sy ny voninahitsika amin’ny zava-drehetra- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19].” (“Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 4–6)

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny Filoha Nelson momba ireo fitahian’i Abrahama?

Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana iray toy ny hoe: Rehefa manao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mitandrina izany isika dia lasa mpandova ireo fitahiana izany nomena an’i Abrahama.

Nahoana no zava-dehibe amiko ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Asao ireo mpianatra handalina ireo toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana faharoa ary hanao lisitra ao amin’ny diary fandalinany ny fomba nampanantenaina azy ireo ihany koa ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama. Mety ho tsara indrindra ho an’ireo mpianatra ny mandalina tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Ireto manaraka ireto dia sasantsasany amin’ireo fitahiana mety ho hitan’ireo mpianatra:

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–22, 30–31: fianakaviana mandrakizay (“fitohizan’ny taranaka” sy “fitohizan’ny fiainana”

  2. Abrahama 2:9–11: zaraina amin’ny fianakaviana rehetra eto an-tany ny filazantsara; famonjena sy fisandratana

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:18–20 (manondro ny tany ilay hoe “izany”): lova ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo koa ny Hebreo 11:8, 13–16)

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–38: ireo fitahian’ny fisoronana, anisan’izany ny zavatra rehetra ananan’ny Ray

  • Manan-danja aminao amin’ny fomba ahoana ireo fitahiana nampanantenaina ireo?

  • Inona no ampianarin’ireo fitahiana ireo anao momba ny fahatsapana ananan’ Andriamanitra momba anao?

Mba hametrahana ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny Ray any An-danitra dia azonao atao ny manontany ireo mpianatra hoe inona no nahatonga ny fahazoana ireo fitahiana notanisain’izy ireo ho azo tanterahina. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hisaintsaina na hizara ny eritreriny sasantsasany. Azonao atao ihany koa ny mizara ity teny nambara avy amin’ny Filoha Nelson ity.

Nanasongadina ny antony mahatonga ny fahazoana ireo fitahian’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama ho azo tanterahina ny Filoha Russell M. Nelson:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy dia mahatonga ny Ray afaka hanatanteraka ireo fampanantenana nataony amin’ireo zanany. Ny fahatanterahan’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama dia lasa mety tontosa noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia ny Tompo Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no ivon’ ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama. (“Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 7).

Hazavao ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama

Asao ireo mpianatra hanampy ny valiny nomen’izy ireo hatrany amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana:

  • Inona no atao hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

  • Ahoana no ahafahako mandray ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

  • Nahoana no zava-dehibe amiko ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hitambatra tsiroaroa sy hifanazava ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama mba hanamafisana ny fahatakarany. Amporisiho izy ireo handinika raha toa ka afaka manao valiny fohy nefa feno. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra izany mazava kokoa ny fanazavana io fanekempihavanana io amin’ny teny vitsivitsy araka izay azo atao.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana sy fampanantenana omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama.