Seminera
Abrahama 2:9–11: Ireo andraikitsika ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama


“Abrahama 2: 9–11: Ireo andraikitsika ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Abrahama 2:9–11: Ireo andraikitsika ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: Lesona 24

Abrahama 2:9–11

Ireo andraikitsika ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama

A young man in a black shirt standing and showing an open Book of Mormon to another young man standing beside him.

Nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama sy ny taranany ny Tompo. Manana andraikitra isika amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika mba hitondra ireo fitahian’ny filazantsaran’ny Mpamonjy ho any amin’ireo fianakaviana rehetra eto an-tany. Hanampy ireo mpianatra hanao asa araka ny andraikitra nomen’ny Tompo azy ireo amin’ny maha-taranak’i Abrahama azy ireo ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireto fanontaniana manaraka ireto ary hifanakalo hevitra momba izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana: Nahoana no manan-danja aminao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Nahoana araka ny eritreritrao no ilain’ny olona rehetra izany?”

Sahanasa fianarana azo atao

Ny taranak’i Abrahama

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fanomezana 30 segondra ireo mpianatra hitanisany teny maro araka izay azony atao izay mamaritra ny tenany. Manaraka izany, angataho ireo mpianatra hanisy faribolana ny teny telo izay mamaritra tsara azy ireo. Afaka mizara amin’ny iray kilasy ny mpianatra vitsivitsy.

  • Misy fiantraikany amin’ny fomba ahoana amin’ny fitondrantenanao ireo famantarana ireo?

Nampianatra izao manaraka izao mikasika ny maha-isika antsika ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

17:8
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Mety mankafỳ mozika, na atletisma, na mirona amin’ny mekanika ianao, ary indray andro any ianao dia mety hiasa amina varotra na asa aman-draharaha na amin’ny zava-kanto. Na dia manan-danja toa inona aza ireo asa sy raharaha ireo dia tsy mamaritra ny maha-izy isika izy ireo. Voalohany indrindra, fanahy isika. Zanakalahy [sy zanakavavin’] Andriamanitra isika ary taranak’i Abrahama. (“Becoming a Missionary,” Liahona, Nov. 2005, 47)

  • Inona no nanaitra anao indrindra tamin’ny zavatra nampianarin’ny Loholona Bednar momba ny tena maha-isika antsika?

Raha nandalina ny lesona 23: “Genesisy 12; 17,” ireo mpianatra dia asao izy ireo hamintina amin’ny mpiara-mianatra iray ny zavatra tadidiny momba ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama. Ampio ireo mpianatra hahita fa, tsy vitan’ny hoe nampanantenaina fitahiana manan-danja isika amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika, fa manao fanekempihavanana koa isika hanatanteraka andraikitra lehibe. Asao izy ireo hamita ity fanombanan-tena manaraka ity.

Safidio amin’ireto filazana manaraka ireto izay marina momba anao:

  • Takatro ireo andraikitro amin’ny maha-taranak’i Abrahama ahy.

  • Mikatsaka ny hanatanteraka ireo andraikitro amin’ny maha-taranak’i Abrahama ahy aho.

  • Nahita fifaliana lehibe aho tamin’ny fanatanterahana ireo andraikitro amin’ny maha-taranak’i Abrahama ahy.

  • Tsy azoko hoe inona avy ireo andraikitro amin’ny maha-taranak’i Abrahama ahy.

  • Manana fanontaniana momba ireo andraikitro amin’ny maha-taranak’i Abrahama ahy aho.

Asao ireo mpianatra hirakitra izay fanontaniana mety ananany na ireo fitaomana tsapany rehefa nandinika ireo filazana ireo izy ireo. Asao izy ireo hikatsaka fanambarana avy amin’ny Rainy any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahalalany ny fomba ahafahan’izy ireo manatanteraka tsara kokoa ireo andraikiny amin’ny maha-taranak’i Abrahama azy.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Abrahama 2:9–11 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Abrahama 2:8–11, hitadiavana ireo andraikitsika amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika.

  • Inona no andrasan’ny Mpamonjy amintsika?

    Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hametraka fanontaniana momba ireo andinin-tsoratra masina ireo. Ampio ireo mpianatra rehefa mifanakalo hevitra momba ny andraikitry ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama, mba hahita fahamarinana mitovitovy amin’ny hoe: Nanome andraikitra antsika ny Tompo hitahy ny fianakaviana rehetra eto an-tany amin’ny alalan’ny fitahian’ny filazantsarany, amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika.

    Mety hanampy ireo mpianatra ny fahafantarana fa afaka manatanteraka ny andraikiny amin’ny fanekempihavanana izy ireo amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mitahy ny fianakaviana rehetra eto an-tany amin’ny alalan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

Vakio ny 1 Nefia 15:18, hitadiavana hoe rahoviana no ho tanteraka ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama.

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Andraikitsika ny manampy amin’ny fanatanterahana ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama. Ny taranatsika no ireo taranaka voatendry mialoha sy nomanina mba hitahy ny olona rehetra maneran-tany. Izany no mahatonga ny asa fitoriana ho tafiditra ao anatin’ny adidin’ny fisoronana. Rehefa vita ny 4.000 taona nitsinjovana sy nanomanana, dia izao ilay fotoana voatondro hitondrana ny filazantsara amin’ny olona rehetra maneran-tany. Izao no fotoanan’ilay fanangonana an’i Isiraely nampanantenaina. Ary dia afaka mandray anjara amin’izany isika! Tsy mampientanentana ve izany? (“Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 88)

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika, eo amin’ny lafiny roa’ny voaly, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika. (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–93)

  • Inona no tsapanao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilain’ny olona rehetra izany?

  • Inona avy ireo zavatra izay niainanao (na niainan’olona fantatrao) tamin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Fanatanterahana ireo andraikitsika

sary famantarana ny semineraManome fotoana ho an’ireo mpianatra ao an-dakilasy hanaovana zavatra mba hanatanterahana ny andraikiny ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama ity ampahan-desona ity. Azonao atao ny mamorona toerana fianarana mifototra amin’ity taratasy zaraina manaraka ity. Azon’ireo mpianatra atao ny misafidy sahanasa iray hifantohana, na koa afaka mihodinkodina amin’ny sahanasa samihafa izy ireo. Azonao atao ny manendry mpitarika mpianatra ho an’ny toerana tsirairay mba hanampy ireo namany hamita ireo fanazaran-tena. Asao ireo mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy rehefa misafidy izay hifantohana.

Asao ireo mpianatra, rehefa avy nomena fotoana ampy, hizara ny sahanasa izay nofidiny sy ny zavatra nahatsapany fitaomam-panahy mba hataony.

sary famantarana ny seminera Mieritrereta fomba hanampiana ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tenany manokana, rehefa mamaly ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo. Fomba iray hanaovana izany ny manontany tena hoe: “Inona koa no zavatra hafa hasaiko ataon’izy ireo?” Afaka manasa fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba hanampiana ireo mpianatra hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana azon’izy ireo ny fametrahana amin’ny tenanao io karazana fanontaniana io.

Jereo ny “Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana ary hanao zavatra mifanaraka amin’izany.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra, mba hahazoana fiofanana fanampiny momba ireo fanontaniana fampitomboana ny fahatakarana izay manasa ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

Mety hanampy ireo mpianatra ny fotoana hisaintsainana sy hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no nataonao na inona no drafitra nataonao mba hitahiana ny hafa amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

  • Inona no tsapanao fa nitaoman’ny Fanahy anao mba hataonao mandritra ireo andro sy herinandro ho avy mba:

    • Hanampiana ny hafa hanao fanekempihavanana sy hitandrina izany?

    • Hizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

    • Hanampiana ny olona eo amin’ny lafiny roan’ny voaly?

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny andraikitsika manan-danja, amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika, dia ny hizara ireo fitahian’ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny olona rehetra.

Manao tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Abrahama 2:9–11 dia: “Nampanantena an’i Abrahama ny Tompo fa ny taranany no -hitondra ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra.-” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”