“Abrahama 1: -Naniry … ny ho mpandala … ny fahamarinana,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Abrahama 1: -Naniry … ny ho mpandala … ny fahamarinana,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: Lesona 22
Abrahama 1
“Naniry … ny ho mpandala … ny fahamarinana”
Nihalehibe teo anivon’ny faharatsiana sy fanompoan-tsampy izay nanodidina azy i Abrahama. Naniry i Abrahama ny hanaraka an’i Jesoa Kristy, izay fantatra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ho ilay Jehovah, na dia teo aza ireo toe-javatra ireo. Teo am-pikatsahan’i Abrahama hanatontosa ireo faniriany feno fahamarinana dia nitahy azy ny Tompo mba hahazoany izany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fanantenana fa afaka manampy azy ireo ny Ray any An-danitra hahazo ireo fitahiana izay tiany horaisin’izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao ny lisitr’ireo zavatra irian’izy ireo indrindra eo amin’ny fiainana ary hieritreritra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba ny zavatra irian’izy ireo indrindra.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no irinao?
Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fanampiana ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra izay mety hampananosarotra azy ireo ny hino fa ny Tompo dia afaka manampy azy ireo hahazo fitahiana marina izay iriany. Azonao atao ny mizara ireto rafi-tantara tsy feno manaraka ireto mba hanaovana izany ary asao ireo mpianatra hamantatra ny sakana iray izay mety hatrehan’ilay olona.
Manana faniriana mafy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsarany amin’ny olona hafa i Samantha. Kanefa, toa sarotra izany amin’izao fotoana izao satria …
Manana faniriana mafy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandoavana ny fahafolonkarenany i Yuchen. Kanefa, toa sarotra izany amin’izao fotoana izao satria …
Manana faniriana mafy ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny batisa i Carlos. Kanefa, toa sarotra izany amin’izao fotoana izao satria …
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny toe-javatra iainany manokana sy ireo sakana mety hatrehan’izy ireo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Angataho izy ireo hamita ireto dingana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany.
Ao amin’ny diary fandalinanao:
-
Raketo ireo fitahiana sasany irinao indrindra eo amin’ny fiainana.
-
Tanisao izay sakana rehetra hitanao fa manakana ny hahazoana an’ireo fitahiana ireo.
Asao ireo mpianatra, rehefa mandalina ny Abrahama 1, mba hikatsaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fanampian’ny Ray any An-danitra. Afaka manampy azy ireo hahatsapa fanantenana ny Fanahy Masina fa afaka manaraka an’i Jesoa Kristy sy mahazo ny fitahiany izy ireo na inona na inona sakana mety hatrehany.
Ireo toe-javatra nisy an’i Abrahama
Ao amin’ny lesona 3: Abrahama 3, dia nianatra ny niandohan’ny bokin’i Abrahama ireo mpianatra. Azonao atao ny manazava izany izao, raha tsy nanao izany ianao tao amin’ny Lesona 3. Azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary “The Book of Abraham | Now You Know” manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 2:43, raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny niandohan’ny bokin’i Abrahama ireo mpianatra. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Mety hanampy ny mangataka ireo mpianatra hamorona tabilao misy tsanganana roa. Azon’izy ireo atao ny manome lohateny ny tsanganana voalohany hoe “Ireo fitahiana nirin’i Abrahama” ary ny faharoa hoe “Ireo sakantsakana natrehan’i Abrahama.” Afaka manampy amin’ny fandaminana ny zavatra ianaran’ireo mpianatra avy amin’ny Abrahama 1:1–7 izany.
|
Ireo fitahiana nirin’i Abrahama |
Ireo sakantsakana natrehan’i Abrahama |
|---|---|
Ireo fitahiana nirin’i Abrahama | Ireo sakantsakana natrehan’i Abrahama |
Vakio ny Abrahama 1:1–7, ka tadiavo hoe inona avy ireo fitahiana nirin’i Abrahama sy ireo sakana natrehany tamin’ny fahazoana ireo fitahiana ireo.
-
Inona araka ny eritreritrao no manan-danja indrindra amin’ireo fitahiana nirin’i Abrahama?
-
Nahoana no mety ho zavatra irinao ihany koa ireo fitahiana ireo ?
-
Ahoana no nahafahan’ny fanirian’i Abrahama hanara-dia an’i Jesoa Kristy nanampy azy tao anatin’ireo toe-javatra sarotra natrehany?
Nanampy an’i Abrahama handresy ireo sakana i Jehovah
Vakio ny Abrahama 1:15–20 ka tadiavo ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Abrahama handresy ireo sakana natrehany.
Na koa, azonao atao ny misafidy ny hampiseho ilay horonan-tsary “Deliverance of Abraham” (1:38), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Azonao atao ny manokana fotoana ifanakalozana hevitra momba ny fomba mahagaga nanafahan’i Jehovah an’i Abrahama, raha ampy ny fotoana. Azonao ampitahaina amin’ny fomba anafahan’ny Tompo antsika amin’ireo sakana izay manakana antsika tsy hiaina amim-pahamarinana io fanafahana io. Afaka manafaka antsika amin’ny fahazaran-dratsy, toy ny fampiasana tafahoatra ny tambajotran-tserasera na ny teknôlôjia na ny fampiasana pôrnôgrafia, ny Tompo. Afaka mijoro ho vavolombelona ianao fa afaka manafaka antsika i Jehovah amin’izay sakana rehetra mety hanasarotra ny fanarahana Azy.
-
Araka ny hevitrao, inona no nianaran’i Abrahama avy amin’io traikefa momba an’i Jehovah io?
-
Ahoana no mety hanampian’ny Ray any An-danitra antsika handresy ireo sakana amin’ny fahazoana ireo fitahiana marina iriantsika?
Hazavao amin’ireo mpianatra fa nankany Kanana i Abrahama taorian’ny nanafahana azy. Nanome voninahitra an’i Abrahama ny Tompo, tamin’ny alalan’ny fanomezana azy ny fisoronana sy ireo fitahiana manan-danja hafa, noho ny nanaovany zavatra araka ny faniriany . Nampanantena an’i Abrahama ireo fitahiana ireo Andriamanitra ho ampahany amin’ilay antsointsika hoe fanekempihavana natao tamin’i Abrahama. Hianatra kokoa momba io fanekempihavanana io ireo mpianatra mandritra ireo lesona hoavy.
Nitsidika an’i Abrahama ny Tompo, taty aoriana teo amin’ny fiainany, ary nampanantena fa hanatanteraka ireo faniriany marina rehetra Izy (jereo ny Abrahama 2:9–11). Vakio ny Abrahama 2:12–13 ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Abrahama taorian’io zavatra niainany io.
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny traikefan’i Abrahama?
Mety hamantatra fitsipika isan-karazany ireo mpianatra, anisan’izany ny: Hanome antsika ireo fitahiana marina irintsika Andriamanitra raha mikatsaka ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy isika.
Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, na jereo ny horonan-tsary “Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 11:09 ka hatramin’ny 11:38. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Nahoana isika no tsy hanantena fa ireo faniriantsika marina sy araka an’i Kristy dia hovalian’ilay Andriamanitry ny fanantenana amin’ny fomba mahatalanjona sy mahagaga? Mila mino isika rehetra fa izay irintsika ao anatin’ny fahamarinana dia afaka ny ho azontsika indray andro any na ahoana na ahoana. (“Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra,” Liahona, mey 2020, 83)
Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra tsiroaroa na amin’ny vondrona kely momba ireto fanontaniana manaraka ireto, na ataovy soratan’ireo mpianatra ao amin’ny diary fandalinany ny valim-panontaniany. Afaka mizara ny valim-panontanian’izy ireo anankiray na roa amin’ny iray kilasy ireo mpianatra izay manolo tena, rehefa avy nahazo fotoana ampy.
-
Ahoana no anomezan’ny tenin’ny Filoha Holland sy ny zavatra niainan’i Abrahama fanantenana anao fa afaka manampy anao handresy ireo sakana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ny Tompo?
-
Oviana ny Ray any An-danitra no nanampy anao, na ny olona iray fantatrao, handresy ireo sakana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?
Hevero ny hizara ny zavatra niainanao momba ny fotoana nanampian’ny Ray any An-danitra anao handresy ny sakana iray mba hahazoana fitahiana marina.
Asao ireo mpianatra hirakitra ny zavatra nianarany androany ao amin’ny diary fandalinany.
Hevero ny hanasa ireo mpianatra manolo tena hizara ny zavatra nosoratany. Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ireo.