“Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra: Zanak’ Andriamanitra aho,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra: Zanak’ Andriamanitra aho,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Lesona 173
Ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra
Zanak’ Andriamanitra aho
Ny zatovovavy ato amin’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao dia manambara hoe “Zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra aho, ary manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.” (“Fanevan’ny zatovovavy”). Ny zatovolahy dia manambara hoe, “Zanakalahy tian’ny Ray aho ary manana asa ho ahy Izy” (“Fanevan’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna”). Hanome fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ny toetra maha-Andriamanitra azy sy ny tanjony araka an’ Andriamanitra ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny andalana voalohany ao amin’ny “Fanevan’ny zatovovavy” na ny “ Fanevan’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.” Azon’izy ireo atao ny manandrana manao tsianjery na manonona izany imbetsaka mandritra ny tontolo andro. Afaka mizara ny fiantraikan’ny fanaovana izany teo amin’ny fihetsiny sy ny zavatra nataony ny mpianatra.
Sahanasa fianarana azo atao
Zanak’ Andriamanitra aho!
Ny fiatombohan’ity taranja iray ao amin’ny seminera ity dia ahitana lesona maro avy amin’ny Testamenta Taloha izay miresaka ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra. Ohatra ao amin’ny Lesona 3: “Abrahama 3,” Lesona 4: “Mosesy 1:1–11,” Lesona 5: “Mosesy 1:12–26,” ary Lesona 8: “Genesisy 1:26–27.” Ity lesona ity dia hamerina hijery ireo fahamarinana momba ny toetra maha-Andriamanitra avy ao amin’ireo lesona hafa momba ny Testamenta Taloha. Mety ho toy ny famerenana izany raha toa ireo mpianatra ka efa nianatra ireo lesona ireo na mety ho toy ny fahitana ny ambangovangon’ny lesona izay hohalalinin’izy ireo ao amin’ny seminera ao aoriana ao.
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana fitaratra ny mpianatra. Asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpianatra miara-miasa aminy:
-
Impiry mijery fitaratra ianao ao anatin’ny iray andro?
-
Inona no eritreretinao amin’ny ankapobeny rehefa mijery ny endrikao ianao?
Hevero ny hanome ny tahadikan’ity teny nambara manaraka ity ho an’ny mpianatra tsirairay:
Nanolotra izao fanasana manaraka izao ho an’ny zatovo ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Maro aminareo no manomboka ny tontolo andronareo amin’ny fijoroana eo anoloan’ny fitaratra. Rahampitso, amin’ity herinandro ity, amin’ity taona ity, dia miatoa kely foana eo am-pijerenareo ny tenanareo eo amin’ny fitaratra. Eritrereto ny tenanareo, na teneno mafy raha tianareo hoe, “Oay, jereo anie aho e! Tena mahavariana aho! Zanak’ Andriamanitra aho! Fantany aho! Tiany aho!” (“Bitsiky ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2023, 45)
Mba hanamafisana ny fanasan’ny Loholona Stevenson dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hitsangana ary hiaraka hilaza ilay teny nambarany manomboka eo amin’ilay hoe “Oay, jereo anie aho e!”
Omeo fotoana hisaintsainana ireto manaraka ireto ny mpianatra:
-
Tsapanao ve fa marina ny tenin’ny Loholona Stevenson momba anao? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?
Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ato amin’ity lesona ity ianao dia eritrereto ny ifandraisan’izany aminao. Rehefa manao izany ianao dia afaka manamafy na mampitombo ny fahatokian-tenanao mikasika ny toetra maha-Andriamanitra anao sy ny tanjonao araka an’ Andriamanitra ny Fanahy Masina.
Ohatra avy ao amin’ny soratra masina
Hevero ny hanao sary ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinany. Azonao ahena ny isan’ny andinin-tsoratra masina hohalalinin’ny mpianatra miankina amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra na ny fotoana eo am-pelatanana.
Betsaka ny zavatra ianarantsika mikasika ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra avy amin’ny zavatra niainan’ny olona ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny fampianaran’izy ireo. Na dia momba ireo olona tao amin’ny Testamenta Taloha aza ny ankamaroan’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mbola miantefa amintsika ihany ireo fahamarinana.
Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mety hanampy ny miaraka mandalina ny iray amin’ireo andininy ireo. Fomba iray ahafahanao manao izany ity manaraka ity.
Vakio ny Mosesy 1:3, 6, 12–13 ary tadiavo ny fiovana teo amin’i Mosesy noho ny fahafantarany fa zanak’ Andriamanitra izy.
-
Inona no hitanao?
Ny mpianatra dia mety hizara fahamarinana toy ny hoe zanak’ Andriamanitra aho ary manana asa ampanaovina ahy Izy na hoe ny fahalalako fa zanak’ Andriamanitra aho dia afaka manampy ahy handresy fakam-panahy. Manaova sarin’ny zana-tsipika eny amin’ny solaitrabe izay manondro ny Mosesy 1:3, 6, 12–13 mankany amin’ireo faribolana vaovao. Soraty ao anatin’ireo faribolana vaovao ireo ireto fahamarinana ireto, na ireo fahamarinana hafa hitan’ny mpianatra. Azo atao ny manasa ny mpianatra hanao toy izany koa ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
Raha mety hahasoa ny mpianatra ny fifanakalozan-kevitra bebe kokoa momba ireo fahamarinana ireo dia hevero ny hampiasa ny fitaovana ao amin’ny Lesona 4: “Mosesy 1:1–11” sy ny Lesona 5: “Mosesy 1:12–26.”
-
Inona ny fiovana nentin’ny fahalalana ireo fahamarinana ireo teo amin’ny fiainanao (na inona no fiovana mety hoentin’izany)?
-
Inona no mety ho asa tian’ Andriamanitra hotanterahinao?
Fandalinana sy fifanakalozan-kevitra ho an’ny mpianatra
Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa na ao anaty vondrona kely ary omeo azy ireo ireto toromarika etsy ambany ireto. Azonao ovaina ny toromarika miankina amin’izay fotoana eo am-pelatanana.
Fanamarihana: Azonao asaina ny mpianatra namaky ny Genesisy 1:26–27 mba hijery koa ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” raha mila hevi-baovao fanampiny. Raha tsy dia mahafantatra ny tantaran’i Estera mpanjaka ny mpianatra dia hevero ny hanazava fa vehivavy jiosy tany Persia izay nanao vivery ny ainy hamonjena ny vahoakan’ny Tompo tamin’ny fandringanana izy.
-
Vakio ny andinin-tsoratra masina telo na mihoatra amin’ireo ambiny eo amin’ilay tabilao.
-
, Manaova sarin’ny zana-tsipika eo amin’ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao, izay miainga eo amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay novakinao. Manaova sarina faribolana vaovao eny amin’ny faran’ireo zana-tsipika ireo.
-
Soraty ao anatin’ireo faribolana vaovao ireo izay zavatra nampianarin’ny soratra masina mikasika ny toetra maha-Andriamanitra anao sy ny tanjonao araka an’ Andriamanitra.
-
Ifanakalozy hevitra amin’ny vondrona misy anao ny fiantraikan’izany fampianarana izany teo amin’ny fiainanao na ny mety ho fiovana lehibe hoentin’izany.
Rehefa Vitan’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manasa azy ireo mba hampiditra ny sasany amin’ireo fahamarinana nianarany teo amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe.
Ireto ambany ireto ny fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra miaraka amin’ny lesona mifanaraka amin’izany.
Abrahama 3:22–23. Niara-nonina tamin’ny Ray any An-danitra aho amin’ny maha-fanahy iray izay zanany ahy talohan’ny nahaterahako. Jereo ny Lesona 3: “Abrahama 3.”
Abrahama 3:24–26. Nalefa tety an-tany aho mba hozahana raha toa ka hitandrina ireo didin’ Andriamanitra.
Genesisy 1:26–27. Zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra aho, noharina araka ny endrik’izy ireo. Jereo ny Lesona 8: “Genesisy 1:26–27.” Jereo koa ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”
Estera 4:14. Mametraka ahy ao anatin’ny toe-javatra izay ahafahako manampy amin’ny fanatanterahana ny asany ny Ray any An-danitra. Jereo ny Lesona 94: “Estera Fizarana 1.”
Salamo 82:6. Zanak’ Andriamanitra aho ary manana fahafahana ny ho tonga tahaka Azy.
Jeremia 1:5. Talohan’ny nahaterahako dia nahafantatra ahy ny Tompo ary nomeny andraikitra manokana aho mba hotanterahiko ety amin’ny fiainana an-tany. Jereo ny Lesona 130: “Jeremia 1.”
Malakia 2:10. Zanak’ Andriamanitra isika rehetra ary tokony hifampitondra tsara.
Azonao atao ny misafidy fanambarana vitsivitsy avy amin’izay nosoratan’ny mpianatra teny amin’ny solaitrabe ary mifanakalo hevitra mikasika izany amin’ny fampiasana ny loharanom-pitaovana avy amin’ny lesona mifanaraka amin’izany. Jereo ny faran’ity lesona ity raha hijery ilay kisary amin’ny endriny feno. Na azonao atao koa ny mametraka fanontaniana fanampiny iray na mihoatra toy ireto manaraka ireto:
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fahalalana izany fahamarinana izany?
-
Inona no zavatra niainanao ka nanampy anao hino ny fahamarinan’izany?
-
Nahoana no afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny fomba hitondrantsika ny olona hafa ny fahalalantsika ny toetra maha-Andriamanitra ananan’izy ireo sy ny tanjona araka an’ Andriamanitra ananan’izy ireo?
Azonao aseho ho anisan’ny mandrafitra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ilay fanontaniana teo aloha ity teny nambara manaraka ity:
Nitalaho tamintsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hanaja ny zanak’ Andriamanitra rehetra rehefa nilaza hoe:
Manana anjara araka an’ Andriamanitra isika tsirairay avy, satria samy zanak’ Andriamanitra avokoa ny tsirairay. Mitovy daholo ny tsirairay eo imasony. Tena lalina ny fiantraikan’io fahamarinana io. Ry rahalahy sy anabavy, henoy tsara ny zavatra holazaiko izao. Tsy manavakavaka firazanana Andriamanitra. Mazava ny fotopampianarany mahakasika ity toe-javatra ity. Manasa ny rehetra hanatona Azy Izy, “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lehilahy na vehivavy” [2 Nefia 26:33].
Manome toky anareo aho fa ny toeranareo eo imason’ Andriamanitra dia tsy voafaritry ny lokon’ny fihodiranareo. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanolorantenanareo amin’ Andriamanitra sy ny didiny, fa tsy ny lokon’ny fihodiranareo.
Malahelo aho fa miaritra ny fijaliana avy amin’ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony ireo rahalahintsika sy ranabavintsika mainty hoditra manerana izao tontolo izao. Anio aho dia manao antso avo amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao mba hitarika ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka. Miangavy anareo aho mba hamporisika ny fanajana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.
Ny fanontaniana ho antsika tsirairay, na inona na inona firazanantsika, dia mitovy. Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94)
Fehin-kevitra
Alaivo sary an-tsaina hoe rehefa mivoaka ny seminera ianao dia misy mpianatra iray hafa miteny hoe: “Mbola misalasala aho mikasika ny zavatra nianarantsika androany. Tena mino ireo zavatra rehetra momba ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra ve ianao?”
Saintsaino ny zavatra rehetra nianaranao sy tsapanao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny valiny fohy mety havalinao ilay namanao.
Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara izay zavatra nosoratany. Amporisiho ny mpianatra hametraka ny teny nambaran’ny Loholona Stevenson eo amin’ny fitaratra izay ampiasain’izy ireo matetika mba hahafahan’izy ireo manaraka ny fanasany. Ity sary manaraka ity dia manome hevitra ny amin’ny mety ho endriky ny tabilao rehefa feno, aorian’ny fahavitan’ny mpianatra ny sahanasa fandalinana rehetra.