“Ho zatovo mahery!: Mampifandray ny safidintsika amin’i Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ho zatovo mahery!: Mampifandray ny safidintsika amin’i Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ho zatovo mahery!: Fanaovana safidy: Lesona 171
Boky torolalana Ho zatovo mahery!
Mampifandray ny safidintsika amin’i Kristy
Manao safidy tsy tapaka isika mandritra ny androm-piainantsika. Rehefa mahatsapa ho sahirana isika eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara dia afaka mitondra hery sy fitarihana ho antsika i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia toerana iray azontsika aleha mba hahitana fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hanao fanazaran-tena hampiasa ny boky torolalana Ho zatovo mahery! mba hanaovana safidy nentanim-panahy mifototra amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny fizarana iray nosafidiny ao amin’ny Ho zatovov mahery!. Afaka mandinika ny fomba ahafahan’ny fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’io fizarana io manampy azy ireo handray fanapahan-kevitra entanim-panahy ireo mpianatra.
Sahanasa fianarana azo atao
I Jesoa Kristy no vatolampiko
Alohan’ny hanombohana ny fampianarana dia omeo ny tahadikan’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ny mpianatra na ampio izy ireo hahita izany amin’ny endrika elektrônika ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile.
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana sary iray ahitana fanilo iray ho an’ny tantsambo nandritra ny tafio-drivotra iray.
-
Inona avy ireo fitsipiky ny filazantsara azonao ampianarina amin’ny alalan’ny fampiasana ity sary ity?
Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny manontany azy ireo hoe maneho inona ny tafio-drivotra na ny vatolampy raha toa ka maneho ny fiainantsika ilay fanilo ho an’ny tantsambo. Mety hizara fitsipika isan-karazany ny mpianatra. Isaory izy ireo amin’ny fandraisany anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra.
Vakio ny Salamo 62:5–7 ka tadiavo ny ifandraisan’ireo teny ao amin’ny Salamo amin’ilay sary ahitana fanilo ho an’ny tantsambo.
-
Nahoana no famaritana tsara an’i Jesoa Kristy ny vatolampy?
Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ka tadiavo ny fomba ahafahantsika manao an’i Jesoa Kristy ho vatolampintsika.
Isaky ny manao safidy tsara mifototra amin’ireo fahamarinana mandrakizain’ny Mpamonjy ianao dia mampiseho fa maniry Azy ho ao amin’ny fiainanao ianao. Ireny safidy ireny dia manokatra ny vavahadin’ny lanitra, ary ny heriny dia hirotsaka eo amin’ny fiainanao. …
… Rehefa manorina ny fiainantsika isika, dia zava-dehibe ny manao safidy tsara. Ary zava-dehibe ny mahatakatra ny fahamarinana mandrakizain’ny Mpamonjy. Saingy ny tanjaka ilaintsika mba hanoherana ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainana dia tonga rehefa mampifandray ireo safidintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany isika. Izany no fanampiana entin’ny Ho zatovo mahery! ho antsika. (“Ho zatovo mahery!: Ny hafatry ny Mpamonjy ho anareo,” Ho zatovo mahery, Martsa 2024, 38)
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Loholona Uchtdorf?
Rehefa mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fahamarinana tahaka ity manaraka ity: mahazo hery avy amin’i Jesoa Kristy isika rehefa mampifandray ny safidintsika Aminy sy amin’ny fotopampianarany. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe mampifandray ny safidintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany?
Ny mpianatra dia mety hizara zavatra toy ny hoe, manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy, manao safidy mifototra amin’ny fampianarany, na mangataka fitarihana avy amin’ny Ray any an-danitra rehefa mandray fanapahan-kevitra.
Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia fitaovana iray izay afaka manampy antsika hampifandray ny safidintsika amin’i Jesoa Kristy.
Azonao atao koa ny mizara ity ohatra manaraka avy amin’ny Loholona Uchtdorf ity.
Nanazava ny mety ho fisehon’ny fampifandraisana ny safidintsika amin’i Jesoa Kristy sy amin’ny fotopampianarany ny Loholona Uchtdorf.
Mety ho fantatry ny namanao fa tsy hamitaka na handainga ianao ary mandray ny fianarana ho zava-dehibe. Kanefa fantany ve fa izany dia noho i Jesoa Kristy nampianatra fa “ny marina no hahafaka anareo tsy ho andevo”? [Jaona 8:32; “Ny marina no hahafaka anareo tsy ho andevo,” Ho zatovo mahery!, martsa 2024, 30]. (“Ho zatovo mahery!: Ny hafatry ny Mpamonjy ho anareo,” Ho zatovo mahery!, martsa 2024, 38)
-
Ahoana no ahafahan’ny fampifandraisana ny safidintsika amin’i Jesoa Kristy manome hery antsika mba hanoherana ireo tafio-drivotry ny fiainana?
Eritrereto ny toe-javatra iray atrehinao amin’izao fotoana izao, na mety hatrehinao any aoriana, izay mety hitaky anao hanao safidy sarotra. Hevero ny mety hanampian’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany anao.
Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa manao fanazaran-tena mampifandray ny safidinao amin’i Jesoa Kristy amin’ny fanampian’ny boky torolalana Ho zatovo mahery! ianao.
Ny firafitry ny boky torolalana
Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanampiana ny mpianatra hampahafantatra ny tenany ny firafitry ny boky torolalana Ho zatovo mahery!. Raha efa mahafantatra ny boky torolalana ny mpianatrao dia azonao dinganina ity fizarana ity ka mandehana any amin’ny lamina hakan-tahaka.
Atoroy ny mpianatra ilay kisary eo ambanin’ny “Manaova safidy entanim-panahy” ao amin’ny boky torolalana na asehoy ity fampahalalana manaraka ity izay avy ao amin’ny kisary.
“Hahita ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny ianao ato amin’ny Ho zatovo mahery! Raha ireo fahamarinana ireo no mitarika anao dia afaka manao safidy entanim-panahy izay hitahy anao amin’izao fotoana izao sy mandritra ny mandrakizay ianao.” (“Manaova safidy entanim-panahy,” Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 4). Mizara ho lohahevitra samihafa ny boky torolalana ary misy fizarana telo ny lohahevitra tsirairay:
-
Fahamarinana mandrakizay, na fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny
-
Fanasana hanao asa mahakasika ireo fahamarinana ireo
-
Ireo fitahiana nampanantenaina omen’ny Tompo an’ireo izay miaina araka ny fampianarany
Mamolavola ny dingana
Ity fizarana ity dia mampiasa ny ohatra nasehon’i Josefa tany Egypta izay nandositra ny vadin’i Potifara sy ny ampahany amin’ny “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery! ho toy ny lamina hakan-tahaka mba hampiasana ny boky torolalana amin’ny fanaovana safidy entanim-panahy.
Azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Josefa mandositra ny vadin’i Potifara ary manontany ny mpianatra izay tadidiny mikasika ilay tantara. Raha ilaina dia hazavao fa nandritra ny nanompoany tao amin’ny tranon’i Potifara, i Josefa dia nanohitra tamim-pahatokiana tanteraka ny fitadiavan’ny vadin’i Potifara hanao firaisana ara-nofo (jereo ny Genesisy 39:1–8). Na azon’ny mpianatra atao ny mijery ny “Joseph en Égypte” (2:51) manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:41.
Vakio ny Genesisy 39:9–12 ka tadiavo ny fomba nampifandraisan’i Josefa ny safidiny tamin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany.
-
Inona no hitanao?
Hevero ny hamorona vondrona ahitana mpianatra telo. Asao ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona hisafidy tarehimarika iray ka hatramin’ny telo izay mifanaraka amin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
Halalino ny fizarana “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery! ary mifantoha amin’ny iray amin’ireto manaraka ireto:
-
Inona no “Fahamarinana mandrakizay” heverinao fa nanampy an’i Josefa hanao ny safidy nataony?
-
Inona no “Fanasana” narahin’i Josefa?
-
Inona amin’ireo “Fitahiana nampanantenaina” araka ny hevitrao no niainan’i Josefa?
Asao ny mpianatra hizara izay hitany amin’ny vondrona misy azy. Azonao marihina fa na dia nigadra vokatry ny safidy handositra ny vadin’i Potifara aza i Josefa dia mbola niaraka taminy hatrany ny Tompo (jereo Genesisy 39:20–21; 41:38–43).
Manao fampiharana
Omeo fahafahana ny mpianatra hanao fanazaran-tena hampiasa ireo lamina napetraka ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ao anatin’ny toe-javatra iainany manokana. Hevero ny hampiasa ny taratasy zaraina “Mampifandray ny safidintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany”mba hanaovana izany.
Rehefa vitan’ny mpianatra ny tao anatin’ny taratasy zaraina dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny fomba nampaherezan’i Jesoa Kristy azy ireo rehefa nampifandray ny safidiny taminy sy tamin’ny fotopampianarany izy ireo.
Azonao iverenana indray ny Salamo 62:5–7. Avy eo dia hevero ny hametraka ity fanontaniana manaraka ity amin’ny mpianatra.
-
Inona no nianaranao androany momba ny fanohizana tsy tapaka ny fifandraisana amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany rehefa mandray fanapahan-kevitra?
Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Azonao faranana amin’ilay teny namabara ao amin’ny fizarana “Hanampy anao i Jesoa Kristy,” ao amin’ny Ho zatovo mahery ny fampianarana. Amporisiho ny mpianatra hampifandray ny safidiny Aminy sy amin’ny fotopampianarany.