“Manaiky sy manatanteraka antso: Manompo tahaka ny Mpamonjy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Manaiky sy manatanteraka antso: Manompo tahaka ny Mpamonjy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ho zatovo mahery!: Lesona 176
Manaiky sy manatanteraka antso
Manompo tahaka ny Mpamonjy
Ny antso dia fahafahana lehibe hitomboana amin’ny fahaiza-manao sy hanatonana bebe kokoa ny Tompo. Saingy mety ho tsy mazoto hanaiky antso ny mpianatra amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hanompo tahaka ny Mpamonjy amin’ny antsony.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ireto rafi-tantara sy fanontaniana manaraka ireto. Asao izy ireo haka sary an-tsaina ny zavatra holazain’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no ho tsapanao?
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ity rafi-tantara manaraka ity ary hametraka ireto fanontaniana etsy ambany ireto. Mety ho tsara ny manova ilay rafi-tantara mba hahatonga izany ho manan-danja kokoa amin’ny mpianatra.
Hihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà ny zatovovavy iray antsoina hoe Rova. Rehefa nasainy hihaona aminy izy dia nilaza taminy fa misy antso tiany hodinihany. Tsy mbola nahazo antso mihitsy izy teo aloha.
Raha ilaina dia hazavao fa “ny Tompo dia miantso lehilahy sy vehivavy mba hanompo ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fanasana azo avy amin’ny fanentanam-panahy avy amin’ireo mpanompony. Antsoina hoe antso ireo fahafahana hanompo ireo” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 30.0, Médiathèque de l’Évangile).
-
Inona ny sasantsasany amin’ireo antso mety hangatahina mba hotanterahin’i Evelyn?
Ny sasany amin’ireo valinteny mety ho hita dia antso ao amin’ny fiadidian’ny kilasy, ao amin’ny kômitin’ny misiônera sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasinao, ary antso mba ho mpanompo olona iray ao amin’ny paroasiny.
-
Inona no mety ho tsapan’i Evelyn? Nahoana?
Mety ho anisan’ ny ohatra sasantsasany hozarain’ny mpianatrany hoe natahotra ny mety tsy hahavita tsara izy, sahiran-tsaina izy amin’ny fandraisana andraikitra iray hafa kanefa efa feno ny fotoanany, na mampientanenta azy ny hanompo satria nitady fomba hafa hanampiana ny hafa izy hatrizay.
-
Inona no tianao ho fantatr’i Evelyn momba ny fanekena sy ny fanatanterahana antso?
Makà fotoana hisaintsainana ny fahavononanao hanaiky sy hanatanteraka antso. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Tompo mba hianarana sy hahatsapana izay tena hanampy anao indrindra hanaiky sy hanompo amin’ny antso.
Nahoana isika no manaiky sy manatanteraka antso?
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny iray amin’ireo antony hanekentsika sy hanatanterahantsika antso:
Ao anatin’ny asan’ny Mpamonjy, dia matetika amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no “anatanterahana ny zavatra lehibe” [Alma 37:6].
Fantatsika fa ny fampiharana miverimberina no takiana mba hahaizana zavatra. Na eo amin’ny filalaovana kilarinety izany, na fandakana baolina hiditra ny harato, na fanamboarana fiara iray, na fanamoriana fiaramanidina, dia amin’ny alalan’ny fampiharana ihany no ahafahantsika mivoatra hatrany hatrany.
Ilay rafitra naorin’ny Mpamonjy tety an-tany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manampy antsika hanao izany mihitsy. Manolotra toerana iray mba hampiharana ny fiainana araka ny fomba nampianariny sy hitahiana ny hafa araka ny nanaovany Azy izany.
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia omena antso sy andraikitra ary fahafahana isika mba hanolo-tanana amin’ny alalan’ny fangorahana sy ny fanompoana ny hafa. (“Minoa, mitiava ary manaova asa”, Liahona, nôv. 2018, 48)
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Loholona Uchtdorf?
Mety hizara fahamarinana isan-karazany ny mpianatra. Angataho izy ireo hanazava ny antony maha-zava-dehibe ireo fahamarinana ireo. Raha tsy voalazan’ny mpianatra amin’ny fomba mandeha ho azy izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny antso ato am-piangonana dia fahafahana mitahy sy manompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy.
Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny Mpamonjy ary mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto: Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valinteniny manodidina ilay sarin’ny Mpamonjy.
-
Oviana ny olona iray no nanompo anao tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy? Inona no fiantraikan’izany taminao?
-
Nahoana ny olona iray no mety te hanompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy, na dia mety ho matahotahotra azy izy ireo amin’ny fanekena antso iray?
-
Inona avy ireo fomba hanampian’ny antso antsika hianatra hitahy sy hanompo ny hafa tahaka ny Mpamonjy?
Manompo tahaka ny Mpamonjy
Ity sahanasa manaraka ity dia manampy ny mpianatra handresy ireo fisalasalana mety hananan’izy ireo momba ny fanompoana amin’ny antso na hitady ireo fomba ahafahan’izy ireo manatsara ny ezaka ataon’izy ireo hanatanterahana antso. Azon’izy ireo atao ny mamita izany samirery na anatina vondrona kely:
Halalino ny iray na maromaro amin’ireo ohatra ao amin’ilay taratasy zaraina izay tsapanao fa afaka manampy anao rehefa mihevitra ny hanaiky sy hanatanteraka ireo antso ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ianao.
Omeo iray na maromaro amin’ireo sahanasa ao amin’ilay taratasy zaraina: “Manompo tahaka ny Mpamonjy” ny mpianatra tsirairay.
Rehefa vitan’ny mpianatra ilay sahanasa dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny faniriany manokana hanaiky sy hiezaka hanompo amin’ny antso tahaka ny mpamonjy.
Hevero ny hihira na hamaky ny tonon’ilay hira hoe “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40). Avy eo dia asao ny mpianatra hanoratra zavatra iray izay tian’izy ireo hatao mba hanompoana tahaka ny Mpamonjy amin’ny antsony amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy.