Seminera
Manorina fizakan-tena: Topimaso


“Manorina fizakan-tena: Topimaso”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Manorina fizakan-tena: Topimaso”, Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha

Manorina fizakan-tena

Manorina fizakan-tena

Topimaso

Ny fizakan-tena dia “ny fahafahana sy ny fanolorantena ary ny fiezahana hamatsy ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Ny Fiangonan’I Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 22.0, Médiathèque de l’Évangile). Rehefa mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia hanampy antsika hanorina fizakan-tena eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanome fahafahana antsika hikarakara sy hanampy ny hafa tsaratsara kokoa.

Soso-kevitra amin’ny fandrindram-potoana: Mety hahomby indrindra ny fampianarana ireo lesona ireo araka ny filaharany ato amin’ity tahirin-kevitra ity. Ny lesona roa voalohany dia mampahafantatra ny mpianatra ny fitsipiky ny fizakan-tena ary hanampy azy ireo hahatakatra kokoa ireo lesona roa farany. Ny fampianarana ny roa voalohany amin’ireo lesona ireo any am-piandohan’ny taom-pianarana dia afaka manampy ihany koa ny mpianatra hamantatra ireo fitsipika hohalalinin’izy ireo ao amin’ny lesona “Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po”, “Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana”, ary ny lesona ”Fahombiazana any an-tsekoly”.

Ankoatra izany, ny telo amin’ireo lesona momba ny fizakan-tena dia mampiasa ampahany amin’ny tantaran’i Josefa tany Egypta izay hita ao amin’ny Genesisy 37–47. Miankina amin’ny filan’ny mpianatra sy ny fandaminam-potoana dia azonao atao ny misafidy hampianatra ny sasany amin’ireo lesona momba ny fizakan-tena ireo miaraka amin’ireo lesona ao amin’ny Testamenta Taloha izay mirakitra tantara mitovy amin’izany. Jereo ny “Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana” mba hahazoana fanampiana bebe kokoa amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra handrindrana fotoana amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fanorenana fizakan-tena ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hangataka ny mpianatra hanao manokana zavatra izay nataon’ny hafa ho azy ireo foana taloha. Ohatra, afaka mikarakara sakafo izy ireo, na manasa lamba, na mividy zavatra izay mazana vidin’ny ray aman-dreniny, na manamboatra zavatra ao an-tranony.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ireo teny nambaran’ny Eveka Waddell ary Lohahevitra sy Fanontaniana homena mpianatra roa

  • Sary: Sarina zana-borona

  • Votoatin-javatra haseho: Fanambaran’ny eveka Waddell ary Lohahevitra sy Fanontaniana; toromarika sy fanontaniana ho an’ny fanombantombanana ny tena manokana; toromarika, toko sy andinin-tsoratra masina ary fanontaniana ho an’ny sahanasa ataon’ny vondrona

  • Horonan-tsary:All I need” (1:44)

Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena

Fanamarihana: Ity lesona ity dia mampiasa ampahany amin’ny tantaran’i Josefa tany Egypta izay hita ao amin’ny Genesisy 39–41. Hevero ny hampianatra ity lesona ity manodidina ny fotoana ampianaranao ny Lesona 33: “Genesisy 37–41.” Handalina ny maro amin’ireo andinin-tsoratra masina ao anatin’ireo lesona roa ireo ny mpianatra.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny finoan’izy ireo fa hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny ezaka ataony hanorina fizakan-tena.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra sakana manasarotra ny fananana fizakan-tena amin’ny iray na maromaro amin’ireto lafin-javatra manaraka ireto:

    • Fahalalana momba ny filazantsara

    • Filàna ara-bola amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy

    • Fianarana sy asa ivelomana

    • Filàna ara-batana

    • Filàna ara-pihetseham-po sy ara-piarahamonina

  • Votoatin-javatra haseho: Fanombantombanana ny tena manokana, anisan’izany ireo toromarika sy sokajy

  • Horonan-tsary:Je pourvoirai au besoin de mes saints” (3:08) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:52

  • Taratasy zaraina:Mampihatra finoana mba hanorenana fizakan-tena

Mitantana amim-pahendrena ny vola

Fanamarihana: Ity lesona ity dia mampiasa ampahany amin’ny tantaran’i Josefa tany Egypta izay hita ao amin’ny Genesisy 41 izay tsy nohalalinina tao amin’ny Lesona 33: “Genesisy 37–41.” Mety ho tianao ny mampianatra ity lesona ity manodidina ny fotoana ampianaranao ny lesona 33 mba hanomezana fahatakarana fanampiny ho an’ireo mpianatra momba io tantara ao amin’ny soratra masina io.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampiasa ireo fitsipika nentanim-panahy mba hitantanana ireo fanapahan-kevitra ara-bola amin’ny fomban’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Alohan’ny hampianarana ity lesona ity dia hevero ny hampiseho ny “Kisarin’ny Fahombiazana amin’ny fitantanam-bola” eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra haka ny sarin’izany amin’ny findain’izy ireo. Azonao zaraina amin’ny mpianatra ihany koa ny tahadikan’izany amin’ny taratasy.

    • Asao ny mpianatra handalina ilay kisary ary hieritreritra ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo hampiditra ny Tompo amin’ny fitantanana ny loharanom-bolan’izy ireo. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo.

  • Votoatin-kevitra haseho: Tabilao mikasika ny fanapahan-kevitra ara-bola; ny “Kisarin’ny Fahombiazana amin’ny fitantanam-bola”; fanambarana nataon’ny Eveka L. Todd Budge

  • Taratasy zaraina:Mandray fanapahan-kevitra ara-bola araka ny fomban’ny Tompo

  • Horonan-tsary:Ny varavaran’ny lanitra” (16:55) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:39 ka hatramin’ny 2:22

Hamatsy ho an’ny tenantsika sy hikarakarantsika ireo sahirana

Fanamarihana: Ity lesona ity dia mampiasa ampahany amin’ny tantaran’i Josefa tany Egypta izay hita ao amin’ny Genesisy 45; 47. Azonao atao ny mampianatra io lesona io amin’ny fotoana ampianaranao ny Lesona 35: “Genesisy 42–45.”

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fomba ahafahan’ny fanorenana fizakan-tena manome fahafahana azy ireo hanampy ny hafa tahaka izay ho ataon’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hihaino na hamaky ny tonon’ilay fihirana hoe “Je rencontrais sur mon chemin” (Cantiques, no. 17). Afaka mitady fomba ahafahantsika mikarakara ny hafa tahaka izay ho nataon’i Jesoa ny mpianatra.

  • Sary: Sarin’ny saron-tava fifohana oksizena any anaty fiaramanidina

  • Horonan-tsary:Joseph Smith” (14:49) manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:38 hatramin’ny 10:20

  • Votoatin-javatra haseho: Sarina saron-tava fifohana oksizena ho ataon’ny mpianatra sary; toromarika ho an’ny sahanasa ho an’ny mpianatra