Seminera
Genesisy 37–41: “Ary Jehovah nomba an’ i Josefa”


“Genesisy 37–41: -Ary Jehovah nomba an’i Josefa,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Genesisy 37–41: -Ary Jehovah nomba an’i Josefa,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 37–41:Lesona 33

Genesisy 37–41

“Ary Jehovah nomba an’i Josefa”

Joseph showing Pharaoh food storage

Na dia namidy toy ny andevo, nendrikendrehina tamin’ny zavatra tsy nataony ary nogadraina aza i Josefa, dia niaina tamin’ny fahamarinana sy nampihatra finoana an’Andriamanitra izy. Vokatr’izany dia nitahy sy nanampy azy tamin’ny fitsapana nahazo azy ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanana fanantenana fa azon’Andriamanitra ampiasaina hitahiana ny fiainany ny fitsapana lalovany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fitsapana na fanamby natrehiny na mety hatrehiny. Entano izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona ny hizara ny fomba ahafahan’ny Tompo na efa nampiasan’ny Tompo izany fanamby izany mba hitahiana ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Angano momba ny ampondra

Mampisehoa sarin’ampondra eo am-pamakian’ny mpianatra iray ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Grey donkey in field

Mitantara ampondra iray nilatsaka tao anaty lavaka ilayangano. Nitaraina sy niantsoantso izy satria natahotra sady voafandrika. Rehefa avy nitady fomba hanavotana ilay ampondra ny tompony dia nanomboka nangady tany hanotorana ilay lavaka. Isaky ny nisy ranon-tany eraky ny angady nitontona teo an-damosin’ilay ampondradia vao mainka izy nitaraina.

Alohan’ny anohizana ny tantara dia mety hanampy ny mpianatra ny miato kely sy mieritreritra ilay angano ary mamaly fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Zava-tsoa sa zava-dratsy no fahitanao ilay ranon-tany nampidinina tamin’ny angady? Nahoana?

  • Maneho inona eo amin’ny fiananao ny angady feno ranon-tany.

Asao ny mpianatra hamaky ny fehin’ilay angano ato amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Nahilik’ilay ampondra ny ranon-tany tao an-damosiny ka nahatonga ny tany nisavovona tao ambaniny. Naverimberin’ilay ampondra tahaka izany hatrany hatrany ny fanilihana ny ranon-tany ary nohitsahiny ny dongon-tany, mandrapahatongan’ilay ampondra tafakatra ambony tsara mba hahafahany mivoaka ilay lavaka.

  • Inona no hifandraisan’ity angano ity amin’ny fitsapana sy fanamby avelan’ny Ray any An-danitra lalovantsika?

Asehoy ireto manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamita izany samirery.

Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nandalovanao fitsapana na fotoanam-pahakiviana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin-teninao ho an’ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataonao manoloana izany zavatra niainana izany?

  • Nahoana no mety ho sarotra ny mahatsiaro ny Tompo rehefa miantrika fanamby ianao?

  • Raha jerena amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra mampiasa ny fanamby atrehanao hitahiana ny fiainanao?

Eo am-pandalinanao ny fiainan’i Josefa androany dia mikatsaha fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina hanome anao fanantenana fa afaka mamadika ny fitsapana sarotra ho fitahiana eo amin’ny fiainanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Topimaso ankapobenymomba ny Genesisy 37–41

Mba hanampiana ny mpianatra hahazo ny fizotran’ny tantara ao amin’ny Genesisy 37–41, dia azonao atao ny mampiseho ireo sary dimy etsy ambany ireo tsy milahatra araka ny tena izy. Afaka miara-miasa mitambatra ny mpianatra rehetra na miara-miasa anaty vondrona kely maromaro mba hamerenana ny sary araka ny filaharany ao amin’ny tantara. Azonao atao avy eo ny manentana mpianatra vitsivitsy hampiasa ny sary mba hamintina fohy ny tantara ao amin’ny Genesisy 37–41.

Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny famintinana eo ambanin’ny sary tsirairay na eo ambanin’ny lohatenin’ny toko mba hanampy azy ireo hamintina na hanamarina ny filaharan’ny sary.

Jacob and Joseph in his coat

Fony mbola 17 taona i Josefa dia nialona ny fitiavan’i Jakoba rainy azy mihoatra ny hafa ny rahalahiny. Halan’izy ireo i Josefa noho ny fitantarany ny nofiny momba azy ireo hiankohoka eo anatrehany any aoriana any. Namidin’izy ireo ho toy ny andevo i Josefa tamin’izany fotoana izany (jereo ny Genesisy 37).

Joseph sold to Potiphar

Namidy tamin’i Potifara, tandapan’i Faraon’i Egypta i Josefa. Taty aoriana dia tonga mpitantana ny fananan’i Potifara rehetra i Josefa (jereo ny Genesisy 39:1–4).

Joseph telling Potiphar’s wife no

Nitsiriritra an’i Josefa ny vadin’i Potifara, kanefa tsy nanaiky ny handika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena i Josefa ka nitsoaka azy. Nanendrikendrika an’i Josefa ho nanao an-keriny azy ny vadin’i Potifara, koa dia nalefa higadra tany am-ponja i Josefa (jereo ny Genesisy 39:7–20).

Joseph interpreting prisoners’ dreams

Raha mbola tao am-ponja i Josefa dia nampahafatatra ny dikan’ny nofin’ny mpanompon’i Farao (Jereo ny Genesisy 40).

Joseph interpreting Pharaoh’s dreams

Roa taona taty aoriana dia nanofy i Farao nefa tsy azony ny hevitr’izany. Ny iray tamin’ny mpanompon’i Farao, izay nafahana avy tao am-ponja, dia niteny tamin’i Farao fa afaka milaza ny hevitry ny nofy i Josefa. Nilaza tamin’i Farao i Josefa fa maneho fzina sy fito taona hisian’ny mosary izay ho avy tsy ho ela tao Egypta ny nofiny (jereo ny Genesisy 41).

Fitahiana avy amin’ny fitsapana mahazo antsika

Mba hanampiana ny mpianatra hamanatra ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Josefa dia zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary omeo na anehoy ireto torolalana sy fanontaniana manaraka ireto.

Fanamarihana: Ny lesona 34, “Genesisy 39,” dia hifantoka amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

  1. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ahitana ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Josefa nandritra ny fitsapana nolalovany.

    1. Genesisy 39:1–6 (Taorian’ny namarotan’ny rahalahin’i Josefa azy ho toy ny andevo)

    2. Genesisy 39:20–23 (Taorian’ny nandefasan’i Potifara an’i Josefa tao am-ponja)

    3. Genesisy 41:14–16, 25–32 (Taorian’ny namoahana an’i Josefa avy tao am-ponja nony farany)

  2. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fomba niatrehan’i Josefa ireo olany?

    • Nahoana no tsy maintsy niandry taona maro i Josefa vao nahazo ny fitahiana nokasainy?

    • Inona no porofo hitanao fa nanampy an’i Josefa tao anatin’ny fitsapana Andriamanitra?

    • Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy antsika amin’ny fomba mitovy amin’izany rehefa mandalo ady sarotra isika?

Mandehandehana ary henoy ny mpianatra eo ampiadian’izy ireo hevitra momba ny valinteniny ao amin’ny vondrona misy azy. Isaory izy ireo amin’ny fizarana ny zavatra hitan’izy ireo. Ampatsiahivo ny mpianatra fa afaka mampianatra fahamarinana samihafa avy amin’io soratra masina io ny Fanahy Masina. Ny fampatsiahiavana momba ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fahamarinana fa raha mahatoky isika dia azon’Andriamanitra ampiasaina mba hitahiana ny fiainantsika sy ny an’ny hafa ny fitsapana lalovantsika.

Vakio ny Genesisy 41:37–45, ary jereo ny porofo manamarina ny fomba nampiasan’Andriamanitra ny fitsapana nahazo an’i Josefa mba hitahiana azy sy ny hafa.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’i Tompo an’i Josefa sy ny hafa tamin’ny alalan’ny fitsapana nolalovany?

    sary famantarana ny semineraMametraha fanontaniana izay afaka manampy ny mpianatra hianantra momba ny herin’Andriamanitra sy ny famindram-pony avy amin’ilay fahamarinana nampianarina. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia ohatra azonao ampiasaina. (Raha mila fitaovana fampiofanana fanampiny hanampiana ny mpianatra hianatra momba ny fitiavan’ny Tompo, ny heriny sy ny famindram-pony dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.

  • Araka ny hevitrao dia inona no mety ho tian’i Josefa ho fantatrao mikasika ny Tompo taorian’ny zavatra nolalovany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fitsapana manamafy ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24 sy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Jereo ny fomba ifandraisan’izany amin’i Josefa sy ireo olona rehetra mandalo fitsapana sy olana.

Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006.Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008.Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mijoro ho vavolombelona aho fa na dia misy fotoana aza isika mety hahatsapa ho tototr’ireo fitsapan’ny fiainana na voahodidin’ny olana ara-pihetseham-po, ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny dia hampitranga zavatra tsy takatry ny saina. (“Hanao zavatra tsy takatry ny saina Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2020, 52)

Ohatra amin’izao vaninan’andro misy antsika izao

ChurchofJesusChrist.org

4:52

Eritrereto ny zavatra niainanao na ny hafa rehefa hitanao nampiasa ireo fitsapana nolalovanao ny Ray any Aan-danitra mba hitahiana ny fiainanao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Ahoana no nahitanao ny Ray any An-danitra nampiasa fitsapana mba hitahiana ny fiainan’ireo olona fantatrao? Inona no nianaranao tamin’ireny olona ireny?

  • Raha misy olona mandalo fitsapana sarotra amin’izao fotoana izao, dia inona no tianao ho fantatr’izy ireo mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no nanampy anao hitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra nandritra ireo fitsapana nianjady taminao teo amin’ny fiainanao?

Azo atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra niainany sy ny fihetse-pony mikasika ny Mpamonjy.