“Genesisy 42–45: -Izaho no Josefa rahalahinareo,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 42–45: (Izaho no Josefa rahalahinareo,(” Testamenta Taloha: Boky toralalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 42–45: Lesona 35
Genesisy 42–45
“Izaho no Josefa, rahalahinareo”
Taona maro taorian’ny namarotana azy tany Egypta ho andevo, dia tafahaona tamin’ireo rahalahiny indray i Josefa. Afaka ny ho tezitra sy nitàna lolom-po izy noho ireo fijaliana rehetra nahazo azy. Kanefa, tahaka ny Mpamonjy, dia naleon’i Josefa namindra fo sy namela heloka ireo rahalahiny izay nanao ny tsy nety taminy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahaizana mamela heloka kokoa.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny didin’ny Mpamonjy hoe “hamela ny olon-drehetra“ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10). Angataho izy ireo hitanisa ny sasany amin’ireo fitahiana niainan’izy ireo na ny hafa tamin’ny alalan’ny famelana olona iray.
Sahanasa fianarana azo atao
Josefa tany Egypta
Mba hanombohana ny fianarana dia asao ny mpianatra hamerina hijery vetivety ny tantaran’i Josefa tany Egypta ao amin’ny Genesisy 37–41. Azonao atao ny mangataka azy ireo hamintina ny fihetsika feno haratsiam-panahy nataon’ireo rahalahin’i Josefa sy ireo tranga izay nahatonga an’i Josefa ho mpanapaka faharoa manerana an’i Egypta.
Ireo sary nomerika hita ao amin’ny Lesona 33: Genesisy 37–41 dia azo ampiasaina mba hanampiana ny mpianatra hamintina ny tantara.
-
Inona avy ireo fijaliana nahazo an’i Josefa noho ny zavatra nataon’ny rahalahiny?
-
Inona no mety ho tsapanao momba ny olona nanao izany taminao?
-
Inona no mety hahasarotra ny famelana heloka olona iray?
Eritrereto hoe manao ahoana ny fihetsika ataonao mahazatra rehefa misy olona manao na miteny zavatra mandratra anao. Rehefa mandalina ianao androany dia henoy tsara izay fahatsapana rehetra voarainao avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ny fomba azonao hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy hamela heloka.
Tafahaona indray tamin’ireo rahalahiny i Josefa
Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona ahitana olona telo mba handalina ny tantara momba ny fihaonan’i Josefa indray tamin’ireo rahalahiny. Ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona dia afaka mandalina ny iray amin’ireo famintinana telo sy ireo andalan-tsoratra masina. Afaka mampianatra an’ireo mpianatra hafa ao amin’ny vondrona misy azy ny ampahany amin’ny tantara izay nosahaniny ny mpianatra avy eo.
ChurchofJesusChrist.org
Avereno jerena ity famintinana manaraka ity ary halalino ireo andinin-tsoratra masina miaraka aminy.
Famintinana 1: Taona maro taorian’ny namarotan’izy ireo an’i Josefa ho andevo, dia nankany Egypta ny rahalahiny mba hitady fanampiana amin’ny mosary. Rehefa nijoro teo anatrehan’i Josefa izay efa mpanapaka faharoa manerana an’i Egypta ireo rahalahiny dia tsy nahalala azy. Naneho ny alahelony sy ny nenina nahazo azy ireo noho ny zavatra nataony tamin’i Josefa taona maromaro talohan’izay ireo rahalahiny, tsy nahalala akory hoe nahafantatra azy ireo sy nahazo izay nolazainy i Josefa.
Vakio ny Genesisy 42:21–24, ary jereo ny fihetsika nataon’i Josefa rehefa nahare ireo rahalahiny niresaka ny fomba nitondran’izy ireo azy.
Famintinana 2: Nanome sakafo ho an’ny fianakaviana i Josefa saingy nampiditra an’i Simeona am-ponja ary nanome toromarika ireo rahalahiny hafa tsy hiverina any Egypta raha tsy mitondra an’i Benjamina, zandrin’izy ireo faralahy. Nandeha nody ireo ny rahalahiny, kanefa rehefa tsy nanana sakafo intsony ny fianakaviana dia niverina tany Egypta niaraka tamin’i Benjamina izy ireo.
Vakio ny Genesisy 43:30, ary tadiavo ny fihetsik’i Josefa rehefa nahita an’i Benjamina rahalahiny.
Famintinana 3: Nitsapa ny fitiavan’ireo rahalahiny an’i Benjamina i Josefa tamin’ny fanendrikendrehana azy ho nangalatra ary nandrahona ny handefa azy tany am-ponja. Nanolotra ny ainy hisolo an’i Benjamina i Joda.
Vakio ny Genesisy 45:1–2, dia tadiavo ny fihetsik’i Josefa rehefa nahita an’i Joda nanolon-tena hanolotra ny ainy ho fiarovana an’i Benjaminaizy
Rehefa avy nanana fahafahana nandalina ireo famintinana ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity.
-
Inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no nanampy an’i Josefa ny fahatsiarovana azy rehefa nifanerasera tamin’ireo rahalahiny izy?
Mamela heloka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
Ireto soratra masina manaraka ireto dia mampiseho ny toetra mamela heloka ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampiseho ireo soratra masina ireo ny mpianatra mba hohalalininy na mangataka azy ireo hitady ny andinin-tsoratra masina azy ireo manokana mikasika ny toetra mamela heloka ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Vakio ireto soratra masina manaraka ireto dia tadiavo ny zavatra hanampy ny olona iray niharan’ny fampijaliana raha fantany mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Lioka 6:36
Efesiana 4:31–32
Kolosiana 3:13
-
Inona no ho zarainao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Vakio ny Genesisy 45:3–8 sy 9–15, ary tadiavo izay navalin’i Josefa ny rahalahiny.
-
Inona no azontsika ianarana mikasika ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny ohatra nasehon’i Josefa?
Mety hahita fahamarinana isan-karazany ny mpianatra. Isaory izy ireo amin’ny zavatra zarainy ary anontanio azy ireo ny antony mahatonga azy hihevitra fa fotopampianarana sy fitsipika manan-daja tsara ho fantatsika izany. Raha tsy milaza izany ny mpianatra dia zarao ireto fahamarinana manaraka ireto ary soraty eo amin’ny solaitrabe: Lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika rehefa mamela ny hafa.
Afaka mamela ny hafa isika rehefa miantehitra amin’ny Mpamonjy
ChurchofJesusChrist.org
Zavatra iray azo atao ihany koa ny mandalina ity teny nambara manaraka ity.
Manampy antsika hahatakatra ny fomba hianteherana amin’ny Mpamonjy rehefa mamela ny hafa ny Filoha Russell M. Nelson.
Raha toa tsy ho vita ny hamela heloka amin’izao fotoana izao dia mangataha hery amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanampy anareo. Raha manao izany ianareo dia mampanantena fiadanana manokana sy fitomboan’ny fahavitrihana ara-panahy aho.
Rehefa nanao ny sorompanavotana ho an’ny olona rehetra ny Mpamonjy dia nanokatra ny lalana Izy mba hahafahan’ireo izay manaraka Azy mahazo ilay heriny manasitrana sy mampahery ary manavotra. Ireo tombontsoa ara-panahy ireo dia azon’ireo rehetra izay mikatsaka ny hihaino Azy sy hanaraka Azy. (“Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, Mey 2022, 100)
-
Inona ny fanampiana entin’ny fampianaran’ny Filoha Nelson ho antsika mikasika ny famelana ny hafa?
-
Inona ny torohevitra omenao ny hafa raha manahirana azy ny mamela heloka? Toroinao hevitra hanao inona izy ireo mba hianteherany amin’ny Mpamonjy?
Raha mila fanampiana mikasika ilay fanontaniana farany ny mpianatra dia azonao atao ny mandrisika azy ireo hijery ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11, indrindra fa ny andininy 11.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany izay nahafahany na nahafahan’ny olona fantany namela heloka. Mety ho tsara ny mampatsiahy ny mpianatra tsy hizara antsipirian-javatra mahakasika loatra ny tenany manokana na ny olona fantany. Azonao atao koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana.
Ampio izahay hamela heloka an-kalalahana
Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany mikasika ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia azonao aseho ny sasany amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba ho vitain’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.
Saintsaino ombam-bavaka izay mety ho fahatsapana voarainao nandritra ny fotoana nandalinanao androany. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra izay fiovana mila entinao eo amin’ny fiainanao. Mangataha fanampiana amin’ny Ray any An-danitra hampitombo ny fahaizanao mamela ny hafa.
Misafidiana iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hovitaina ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.
-
Manorata andiam-pehezan-teny fohy mamintina ny fitahiana voarainao noho ny ezaka nataonao mba hamela ny hafa. Ataovy lisitra ny zavatra nataonao mba hampandraisana anjara ny Mpamonjy tamin’izany ezaka izany. Araka ny fahatsapanao dia inona no zavatra tsara tadidiana amin’ny fotoana manaraka izay tokony hamelanao olona?
-
Eritrereto ombam-bavaka raha misy olona eo amin’ny fiainanao tokony havelanao heloka. Manorata andiam-pehezan-teny fohy izay milaza ny fihetseham-ponao mikasika ny famelana heloka izany olona izany. Inona no hitanao fa mety manakantsakana anao tsy ho afaka hamela heloka? Mitanisà fomba vitsivitsy ahafahanao mitady ny fanampian’ny Mpamonjy amin’ny ezaka ataonao.
-
Manorata naoty kely afaka manampy ny namana iray izay sahirana mamela heloka ny hafa. Hazavao amin’ny fomba fohy ny mampitovy ny safidy nataon’ Josefa amin’ny an’ny Mpamonjy tamin’ny famelana heloka ny rahalahiny. Ampidiro ao ny andian-tsoratra masina izay nanan-danja taminao tamin’ny ezaka nataonao hamela heloka ny hafa.
Afaka manasa mpianatra vitsivitsy izay vonona ianao mba hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo. Farano amin’ny fanasana ny mpianatra hanao asa araka izay bitsika ara-panahy rehetra mety ho voarain’izy ireo ny lesona. Azonao atao ny mizara fijoroana ho vavolom-belona ny amin’ny fitahiana afaka ny ho azontsika rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy hamela heloka ny hafa isika.