“Tombano ny fianaranao 2: Genesisy 12–50; Abrahama 1–2,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: (2026)
“Tombano ny fianaranao 2: Genesisy 12–50; Abrahama 1–2,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 42–50: Lesona 37
Tombano ny fianaranao 2
Genesisy 12–50; Abrahama 1–2
Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Natao hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny tanjona izay napetrak’izy ireo sy ny fivoarana niainan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Genesisy 12–50 sy ny Abrahama 1–2 ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho vonona hizara ireo fomba nitomboan’izy ireo ara-panahy avy amin’ny fandalinany ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy tamin’ity taona ity. Azonao atao ny mandroso hevitra ny hamakian’izy ireo ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny fivoarany sy ny fianarany.
Sahanasa fianarana azo atao
Mety nifantoka tamin’ny voka-pampianarana hafa ankoatra ny voka-pampianarana notombanana tato amin’ity lesona ity ny fandalinan’ny mpianatrao ny Abrahama 1–2 sy Genesisy 12–50. Raha izay no nitranga dia ampifanaraho amin’ny zava-misy ny sahanasa mba hanombanana ny fivoarana niainan’ny mpianatra avy amin’ny vokam-pampianarana izay nifantohan’ny kilasinao.
Hanana fahafahana hanombana ny fivoarany amin’ireto sehatra telo manaraka ireto ny mpianatra ato amin’ity lesona ity:
-
Manazava ny maha zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. (Fanamarihana: Mifototra amin’ny fampianarana avy amin’ny Lesona 9 ity sahanasa ity: “Genesisy 1:28–2:25” sy ny Lesona 29: “Genesisy 24.”)
-
Mahatsapa faniriana misimisy kokoa hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’Andriamanitra. (Fanamarihana: Mifototra amin’ny fampianarana avy amin’ny Lesona 23 ity sahanasa ity: “Genesisy 12, 17” sy ny Lesona 31: “Genesisy 28.”)
-
Mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely. (Fanamarihana: Mifototra amin’ny fampianarana avy amin’ny Lesona 24 ity sahanasa ity: “Abrahama 2:9–11.”)
Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa
Ny fahafantarany ny halehiben’ny fitomboany ara-panahy dia afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataony ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia asehoy ireto sary manaraka ireto. Azon’ny mpianatra asolo izany ny fanaovana sary hazo roa ao amin’ny diary fandalinany soratra masina: hazo mbola vatony sy hazo efa lehibe.
Alaovy sary an-tsaina hoe sarina hazo iray ihany ireo fa nalaina tao anatin’ny elanelan-taona vitsivitsy. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny porofo hitanao fa mitombo ilay hazo.
Afaka miara-miasa amin’ny namana na ao anaty vondrona kely maromaro ny mpianatra mba hizara ny listra nataony sy hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Ahoana no fomba ampitahantsika ireo sarina hazo ireo amin’ny fitomboantsika ara-panahy mba tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa?
-
Inona avy ireo fomba ahafahantsika mahita fa mitombo ara-panahy isika ary tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa?
Hazavao fa afaka mahita ny fitomboana ara-panahy isika amin’ny alalan’ny famerenana izay nianarantsika mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny fomba nanampian’izany antsika hanatsara ny fifandraisantsika amin’Izy Ireo.
Asao ny mpianatra hanokana minitra vitsy hamerenana izay rehetra nianarany sy nampihariny nandritra ny seminera tamin’ity taona ity. Azony atao izany amin’ny alalan’ny fijereny ny soratra masina sy ny fanamarihana nosoratany.
-
Inona no ianaranao ao amin’ny seminera izay manampy anao hitombo ara-panahy sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?
-
Inona no porofon’ny fitomboana ara-panahy tsikaritrao teo amin’ny fiainanao?
Hazavao ny maha zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra
Ity fampiharana ity dia afaka manampy ny mpianatra hanazava ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Asao ny mpianatra hamadika ny pejy ao amin’ny sary nataony tao amin’ny Lesona 29: “Genesisy 24.” Omeo fotoana ny mpianatra hamerenana izay nianarany mikasika ny fanambadiana tao amin’ny Lesona 9: “Genesisy 1:28–2:25” sy ny Lesona 29: “Genesisy 24.”
Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny fanamarihana na ny hevi-baovao rehetra noraketiny tao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Azon’izy ireo averina vakina koa ireto andininy manaraka ireto sy izay mety ho fanamarihana rehetra nataony tao:
Genesisy 1:27–28
Genesisy 2:18, 21–24
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4
Mba hanampiana ny mpianatra hanazava ny zavatra azony mikasika ny fanambadiana mandrakizay, dia mizarà rafi-tantara toy izao manaraka izao. Azonao amboarina ilay rafi-tantara mba hifanaraka tsara amin’ny filan’ny mpianatrao.
Niresaka momba ny drafitra kasainao hotontosaina amin’ny hoavy niaraka tamin’ny namanao sasany ianao androany tany am-pianarana. Isan’ny drafitra noresahinao ny fanambadiana. Nanontany ny iray tamin’ny namanao hoe: “Toa manana fahafahana lehibe hidirana amin’ny sehatry ny asa ianao. Dia nahoana ianao no te hanambady?”
-
Inona no havalinao ny namanao raha ampiasainao ny zavatra nianaranao mikasika ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?
Azon’ny mpianatra atao ny maka minitra vitsy hanomanana ny valinteniny. Amporisiho ny mpianatra hitady soratra masina vitsivitsy niarany tao amin’ny Testamenta Taloha na tany amin’ny boky hafa. Amporisiho izy ireo hizara ireo soratra masina ireo ao anatin’ny fanazavana omeny.
Ampiaraho mba hiara-hiasa ny mpianatra. Asao ny mpianatra tsirairay hizatra hanazava ny zavatra holazainy amin’ny namany.
Mahatsapa faniriana misimisy kokoa hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra
Mety nanao ny sary mampiseho ny nofin’i Jakoba ny mpianatra tao anatin’ny Lesona 31: “Genesisy 28.” Afaka mijery ny sary nataony izy ireo rehefa mamerina mianatra momba ny fanekempihavanana. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ity sary manaraka ity. Asao ny mpianatra hampahatsiahy ny zavatra tsaroany avy amin’ny zavatra nitranga asehon’ilay sary momba ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana (jereo ihany koa ny Lesona 23: “Genesisy 12, 17”). Raha manampy dia azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamerina mamaky ny Genesisy 28:10–21.
Azonao atao ny mampatsiahy ny mpianatra fa nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra i Jakoba taorian’ny nandaozany ny tranon’ny ray aman-dreniny ary nanombohany niaina samirery. Nisaintsaina ny fahafahany manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra ao amin’ny tempoly ny mpianatra tao amin’ny Lesona 31:Genesisy 28. Mety nanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto tao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny mpianatra:
-
Inona ny fitahiana nampanantenaina voarainao tamin’ny fihezahana nitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’Andriamanitra na tamin’ny alalan’ny fanompoana nataonao tao amin’ny tempoly?
-
Inona ny toe-java-misy mety hatrehinao any aoriana any izay hisitrahanao ny fikarakarana sy ny fiarovana izay nampanantenain’Andriamanitra ny olona izay manao fanekempihavanana Aminy?
Raha mifanaraka amin’izay ilaina dia asao ny mpianatra hamerina hijery ny valinteny nosoratany. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia omeo taratasy sy valopy hanaovana ity sahanasa manaraka ity.
Ampiasao ny zavatra nianaranao momba ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manoratà taratasy ho an’ny tenanao izay azonao sokafana rehefa vita ny fianaranao any amin’ny kilasy ambaratonga faharoa. Soraty ao ny antony hahatsapanao fa maha-zava-dehibe ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tempoly sy eo amin’ny fiainanao manontolo. Soraty ao ny fomba ahafahan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mampitombo ny fahafahanao mahazo ny fitarihany sy ny fikarakarany ary ny fiarovany.
Mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely
Mety namolavola drafitra handraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isrealy ny mpianatra ao amin’ny Lesona 24: “Abrahama 2:9–11.” Raha nanao izany ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hamerenany mijery ny drafitra nataony. Mety ho tafiditra ao anatin’izany drafitra izany ny fomba hizarany ny filazantsara, ny fomba hanampiany ny hafa hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ny Tompo, na hitahy ny hafa amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Ny mpianatra izay tsy mbola namorona drafitra dia afaka mampiasa ireto kisary manaraka ireto hanampy azy ireo hanomboka hanao izany.
Mety nanao drafitra handraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isrealy ianao. Saintsaino ireo drafitra ireo amin’ny alalan’ny famenoana ity kisary manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Manasà mpianatra vitsivitsy manana fahavononana hizara ny zavatra niainany tamin’ny fanatanterahana ny drafitra nomaniny sy ny vokatr’izany teo amin’izy ireo. Angataho ny mpianatra hizara hoe inona no fiantraikan’ny fandraisany anjara tamin’ny fanangonana an’i Israely teo amin’ny zavatra tsapany ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Asao ny mpianatra hanohy hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hahafantaran’izy ireo ny fomba ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Israely. Amporisiho ny mpianatra izay mety tsy mbola nanatanteraka ny drafitra nataony mba hanomboka hanao izany izao. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana homen’ny Tompo azy ireo sy homeny ny hafa rehefa manatanteraka ny drafiny izy ireo.