“Eksodosy 1–6: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 1–6: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 1–6
Eksodosy 1–6
Topimaso ankapobeny
Lasa andevon’ny Egyptiana ny Israelita taorian’ny nahafatesan’i Josefa. Ren’ny Tompo ny fitarainan’izy ireo koa dia niantso an’i Mosesy hanafaka azy Izy. Nampanantena hampahery an’i Mosesy Andriamanitra ary hanome azy teny holazainy.
Vonona lalandava ny handray andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra nilain’ny mpianatra ny Mpamonjy. Samy manana ny foto-piaviany sy ny toe-javatra iainany avy ny mpianatra tonga eo aminao. Afaka manampy anao hampianatra tahaka ny Mpamonjy ny fiezahana mandray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ilain’ny mpianatrao. Ahitana ohatra amin’ny fomba fanaovana izany ao amin’ny Lesona 40: “Eksodosy 5–6.” Raha te hianatra kokoa momba izany dia jereo ny “Vonona lalandava ny handray andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra nilain’ny hafa ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 17).
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Eksodosy 1
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra haniry hametraka an’Andriamanitra ho lohalaharana manoloana ireo tsindry hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona ao amin’ny fianakaviana na namana ny amin’ny fomba nahitan’izy ireo an’ Andriamanitra nitahy azy ireo noho ny fanarahan’izy ireo Azy fa tsy zavatrahafa.
-
Votoatin-javatra haseho: Filazana ny vokatry ny fanombanan-tena any am-piandohan’ny lesona; fanontaniana hovalian’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina any amin’ny faran’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Quitte cette fête !” (6:26) na “Ho sahy amin’ ny herimpo, sy ny tanjaka ary ny asa” (10:35) manomboka eo amin’ny minitra faha-1:20 ka hatramin’ny minitra faha-5:13
Eksodosy 2–4
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hankatò tanteraka ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminaniny eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ireo fampianarana vao haingana avy amin’ny mpaminany. Avy eo dia asao izy ireo hifanakalo hevitra amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na namany iray mikasika ny fomba nitahiana ny fiainan’izy ireo vokatry ny fanarahana ny fampianaran’ny mpaminany.
-
Horonan-tsary: “Ilay Mpaminanin’ Andriamanitra” (16:04) manomboka amin’ny minitra faha-9:25 ka hatramin’ny minitra faha-9:44
-
Votoatin-javatra haseho: Filazana ny vokatry ny fanombanan-tena any am-piandohan’ny lesona
-
Sary: Mosesy zazakely; Mosesy sy ny rohimena; sarin’ny Mpamonjy
Eksodosy 5–6
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hamantatra fa afaka mandrisika azy ireo hanao ny sitrapon’ny Tompo ny fampanantenana nataony, na inona na inona mety ho vokatr’izany eo no ho eo.
-
Fanomanana ny mpianatra:Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Manamora sa manasarotra ny fiainanao ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy?
-
Horonan-tsary: “Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra” (13:17) manomboka eo amin’ny minitra faha-2:26 ka hatramin’ny minitra faha-4:05
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy