“Eksodosy 5–6: Manao ny sitrapon’ny Tompo na inona na inona vokatr’izany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 5–6: Manao ny sitrapon’ny Tompo na inona na inona vokatr’izany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 1–6: Lesona 40
Eksodosy 5–6
Manao ny sitrapon’ny Tompo na inona na inona vokatr’izany
Nangataka an’i Farao hamela ny olon’ny Tompo handeha i Mosesy rehefa niantso azy hanafaka an’i Israely tamin’ny fambaboan’ny Egyptiana ny Tompo. Nandà izany i Farao ary vao mainka nataony mafy kokoa ny enta-mavesatra nampitondraina ny Isiraelita. Na dia teo aza ny valinteny nomen’i Farao dia nanohy nanaraka izay nasain’ny Tompo nataony i Mosesy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra fa afaka mamporisika azy ireo hanao ny sitrapon’ny Tompo ny fampanantenana nataony, na inona na inona ny ho vokatr’izany eo no ho eo.
Fanomanana ny mpianatra:Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Manamora sa manasarotra ny fiainanao ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy?
Sahanasa fianarana azo atao
Manara-dia an’i Jesoa Kristy
Asao ny mpianatra hisaintsaina izay mety ho valinteniny raha misy manontany azy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Manamora sa manasarotra kokoa ny fiainanao ny fanarahanao an’i Jesoa Kristy?
Mba hifanakalozana hevitra momba io fanontaniana io, dia azonao atao ny manoratra hoe Manamora kokoa na Manasarotra kokoa ho lohateny eny amin’ny solaitrabe dia tanisao eo ambanin’ny lohateny sahaza izany ny antony nanomezan’ny mpianatra ny valinteniny. Angataho ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny valinteny nomeny.
Nangataka an’i Farao hanafaka ny Isiraelita i Mosesy
Mety tianao ny mampahafantatra fa mety nanontany tena i Mosesy sy ny isiraelita ao amin’ny Eksodosy 5–7 raha toa ka manamora na manasarotra ny fiainana ny manara-dia ny Mpamonjy. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Eksodosy 5–7, dia asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra tadidiny momba an’i Mosesy sy ny zanak’Isiraely ao amin’ny Lesona 39: “Eksodosy 2–4.” Raha ilaina dia asao ny mpianatra hamaky ity famintinana manaraka ity.
Nandevozin’ny Egyptiana nandritra ny fotoana niainan’ny taranaka maro nifandimby ny zanak’Israely. Ren’ny Tompo ny fitarainan’ny olony dia niantso an’i Mosesy Izy mba hanampy hanafaka azy ireo ami’ny fanandevozana (jereo Eksodosy 3:9–10).
Vakio ny Eksodosy 5:1–2, ary tadiavo ny hafatra avy amin’ny Tompo izay nolazain’i Mosesy sy i Arona an’i Farao.
-
Inona no navalin’i Farao?
Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’i Farao hoe: “Iza moa Jehovah?” Azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe nahoana no zava-dehibe amintsika ny mamaly io fanontaniana io ho an’ny tenantsika. Hiresaka momba izany fanontaniana izany ny fizarana manaraka amin’ny lesona.
Tezitra i Farao ka dia nohasarotiny kokoa ny fiainan’ny Isiraelita tamin’ny alalan’ny fampitomboana ny asa nampanaovina azy ireo isan’andro (jereo Eksodosy 5:6–9, 15–19). Nitaraina tamin’i Mosesy sy i Arona momba fampitomboana ny enta-mavesatra nentin’izy ireo ny Isirealita (jereo Eksodosy 5:20–21).
-
Inona no mety ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Mosesy?
Vakio ny Eksodosy 5:22–23, dia eritrereto ny fomba mety hamintinanao ny zavatra notenenin’i Mosesy tamin’ny Tompo.
-
Inona no mety hifandraisantsika amin’i Mosesy araka ny ao amin’ny Eksodosy 5:22–23?
Mety hizara ny zavatra tsapany rehefa tsy mahazo fitahiana eo no ho eo ny mpianatra rehefa avy mankatò ny Tompo. Asehoy azy ireo fa manan-danja aminao ny valinteny omeny sy ny fihetseham-pony.
Asehoy ireto fanombanan-tena manaraka ireto, ary asao ny mpianatra hisaintsaina ny valintenin’izy ireo.
Fenoy amin’ny fomba izay tena maneho indrindra ny fihetseham-ponao ity fehezan-teny manaraka ity. Azonao atao ny misafidy valinteny mihoatra ny iray:
Rehefa tsy mahita fitahiana eo no ho eo aho rehefa avy nankatò ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahatsiaro …
Raha hahazoan’ny mpianatra vokatsoa ny fampiasana soso-kevitra ho an’ity fanombanan-tena ity dia azonao atao ny manoratra ny sasany amin’ireto teny ireto eny amin’ny solaitrabe: sorena, very hevitra, tezitra, diso fanantenana, tapa-kevitra, feno fanantenana, matoky tena, feno fiadanana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manampy ao anatin’izany ny zavatra ho ataony ao anatin’io toe-javatra iainana io.
Rehefa manohy ny fandalinana ianao androany dia mitadiava fahamarinana mikasika an’i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hanaraka Azy, eny fa na dia sarotra aza izany ary tsy eo no ho eo no handraisana ireo fitahiana. Henoy tsara ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao manokana.
Ny fampanantenan’ny Tompo
Rehefa mamaky ity andalan-tsoratra masina manaraka ity ny mpianatra dia asao izy ireo hanisy marika ny teny nambara rehetra izay iresahan’ny Tompo ny tenany (manomboka amin’ny hoe Izaho, Izaho no, Izaho dia, ary Izaho no ho ireo teny nambara). Ny fanisiana marika ny soratra masina dia manampy ny mpianatra hahatsikaritra sy hahatadidy ireo hevi-baovao sy fahamarinana manan-danja ianarany.
Vakio ny Eksodosy 6:1–8; 7:1–2, 5, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Mosesy momba Azy.
Rehefa ampy ny fotoana namakian’ny mpianatra sy nanisiany marika izany dia afaka mifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namana mpiara-miasa iray izy ireo.
Ny fanontaniana izay manampy ny mpianatra hanombana ny zavatra nianarany dia afaka manampy ny mpampianatra hamantatra raha vonona hanohy ny lesona ny mpianatra na tsia. Fomba iray hanaovana izany ny manontany izay zavatra novakin’ny mpianatra tao amin’ny soratra masina, toy ilay iray eo ambany io. Mba hahazoana fanofanana fanampiny momba ny fametrahana fanontaniana izay manombana ny fianarana dia jereo ny “Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
-
Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ny fampanantenana nomeny an’i Mosesy?
Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valinteniny eo ambanin’ny hoe “Iza ny Tompo?” eny amin’ny solaitrabe. Mety ho isan’ny valintenin’ny mpianatra ireto voatanisa ireto:
Izy no Andriamanitra Tsitoha (6:2–3).
Mahatsiaro sy mitazona ny teny nampanantenainy Izy (6:3–5).
Nampanantena ny hanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana Izy (6:6; 7:5), nanome azy ireo ny tany Kanana (6:4, 8), ary ho Andriamaniny (6:7)
Manohy manao ny sitrapon’ny Tompo
Tadidio ny zavatra tsapan’i Mosesy teo aloha teo. Vakio ny Eksodosy 7:6, ary asio marika ny zavatra nataon’i Mosesy sy i Arona rehefa avy nianatra zavatra avy amin’ny Tompo sy nahare ny teny fampanantenany izy.
-
Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Mosesy, dia inona tamin’ny fampanantenana nataon’ny Tompo no ho nanampy anao hiverina indray tany amin’i Farao? Nahoana?
-
Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Mosesy?
Afaka mamantatra fahamarinana toy ireto manaraka ireto ny mpianatra fa amin’ny teniny manokana no ilazany azy: Rehefa mino ny Tompo sy ny teny fampanantenany isika dia afaka matoky sy manaraka Azy na dia tsy mahita vokany eo no ho eo aza.
Zarao amin’ny mpianatra ity teny nambara manaraka ity mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fomba iharan’io fahamarinana io amin’ny toe-javatra hatrehany. Afaka mamaky mafy ny andiam-pehezan-teny tsirairay amin’ny iray kilasy izay mpianatra vonona hanao izany.
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome torohevitra lehibe ho antsika eo am-piandrasana ny fitahian’ny Tompo:
Misy ny mandiso ireo fampanantenana nomen’ Andriamanitra ho midika fa ny fankatoavana Azy dia miteraka vokany manokana amin’ny fotoana manokana. Mety hieritreritra izy ireo hoe: “Raha manompo amim-pahavitrihana aho mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno dia hanome ahy tokantrano sambatra sy zanaka Andriamanitra” na “Raha tsy manao ny entimodiko mandritra ny Sabata aho dia hanome ahy naoty tsara Andriamanitra” na “Raha mandoa fahafolonkarena aho dia hanome ahy ny asa niriko hatrizay Andriamanitra.” … Isika dia tsy tokony hieritreritra ny drafitr’ Andriamanitra ho toy ny milim-pivarotana ana habakabaka izay hanindrintsika hoe (1) safidio ny fitahiana tianao, (2) ampidiro ny habetsahan’ny asa tsara vita, ary dia (3) voatitra avy hatrany ny zavatra nafarana.
Marina tokoa fa hanatanteraka ireo fanekempihavanany sy ireo fampanantenany nataony tamintsika tsirairay avy Andriamanitra. Tsy mila manahy ny amin’izany isika. Ny herin’ny sorom-panavotana nataon’i Jesoa Kristy … dia antoka fa Andriamanitra dia afaka manantateraka ary hanantanteraka ny fampanantenany. Manan-danja ny hoe manaja sy mankatò ireo didiny, saingy tsy ny fitahiana rehetra izay mifototra amin’ny fankatoavana lalàna no voavolavola, sy natao, ary mifanaraka amin’izay anantenantsika azy. Manao izay tsara vitantsika isika saingy tsy maintsy mamela Azy hitantana ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy. (“Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2022, 78)
-
Inona no nanan-danja taminao tamin’io teny nambara io?
Ampatsiahivo ny mpianatra fa zavatra iray nianarantsika mikasika ny Tompo ny hoe mahatadidy sy mihazona ny fampanantenany Izy (jereo Eksodosy 6:3–5).
Hazavao amin’izy ireo fa nanatanteraka ny fampanantenany tamin’i Mosesy ny Tompo (jereo Eksodosy 20:2; Deoteronomia 7:6; 14:2; Josoa 24:5–7, 13). Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manoratra ireo toko sy andininy ireo eo amin’ny solaitrabe ary mangataka ny mpianatra hampifandray izany amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana.
Tahaka ny nampianaran’ny Tompo misimisy kokoa an’i Mosesy mikasika Azy tamin’ny fanavaozany ny fampanantenany, dia afaka mahafantatra kokoa momba ny Tompo ihany koa isika amin’ny alalan’ny famantarana ireo fampanantenana nataony tamintsika. Afaka manampy antsika hankatò Azy ny fijerena indray ireo fampanantenana ireo, eny fa na dia tsy mahazo vokany eo no ho eo aza isika.
Mitadiava fampanantenana telo nataon’ny Tompo taminao ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny fampianarana vao haingana avy amin’ny mpanompony voafidy. Mety hahita fampanantenana ianao ao amin’ny:
-
Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na soratra masina hafa.
-
Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy.
-
Lahateniny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana.
Rehefa ampy ny fotoana nomena nanaovana izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra izay mazoto mba hizara izay nianarany sy tsapany teo am-pandalinany ny sasany tamin’ireo fampanantenana. Amporisiho ny mpianatra hanohy hatoky ny Tompo na inona na inona mety ho vokany eo no ho eo.