“Eksodosy 2–4: -Izaho no homba ny vavanao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 2–4: -Izaho no homba ny vavanao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 1–6: Lesona 39
Eksodosy 2–4
”Izaho no homba ny vavanao”
Rehefa mandalo fahasarotana isika dia mitarika antsika am-pitiavana amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo. Tamin’ny andro nanjakan’i Farao dia niaina zava-tsarotra tao anatin’ny fangejana ny zanak’Isiraely ary nitaraina tamin’ny Tompo. Nihaino ny fitarainan’izy ireo ny Tompo ary niantso an’i Mosesy ho mpaminany mba hanampy azy ireo. Afaka manampy ny mpianatra hankatò kokoa ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminaniny eo amin’ny fiainany ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ireo fampianarana vao haingana avy amin’ny mpaminany. Avy eo dia asao izy ireo hifanakalo hevitra amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na namany iray mikasika ny fomba nitahiana ny fiainan’izy ireo vokatry ny fanarahana ny fampianaran’ny mpaminany.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny feo tokony hitokiana
Atomboy amin’ny fizarana ity teny nambara ity sy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto ny fotoam-pianarana.
Nanao fanamarihana toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Miaina eo amin’ny planeta iray isika ary an-tapitrisany no mikotaba maneho hevitra. Ny internet, ny finday sy ny vata kely fialam-bolintsika dia samy miantso antsika hijery azy avokoa ary mitaona antsika avokoa. (“Ilay Mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 26)
Ataovy lisitra ny ohatra vitsivitsy amin’ireo feo hitanao na renao tao anatin’ny andro maromaro lasa izay.
-
Inona no tsikaritrao mikasika ireo loharanom-baovao samihafa?
-
Inona no maha samy hafa ny feon’ny mpaminany amin’ireo feo hafa?
Asehoy ireto filazana fanombanan-tena ireto ary asao ny mpianatra hieritreritra ny valinteniny.
Omeo isa ny tenanao amin’ny fampiasana mari-drefy manomboka amin’ny isa 1 (tsy marina mihitsy) ka hatramin’ny 5 (tena marina tanteraka):
-
Atokisako kokoa ny tenin’ny mpaminany sy ny apôstôly noho ireo feo sy fitaomana hafa rehetra.
-
Matoky ny torohevitra sy fitarihana voaraintsika avy amin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo aho.
-
Manao ezaka handalina ny tenin’ny mpaminany sy apôstôly amin’izao fotoana izao aho.
Rehefa mandalina ny mpianatra androany dia asao izy ireo hihaino ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy ny amin’ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka feno kokoa ny torohevitra avy amin’ny mpaminany sy ny apôstôly eo amin’ny fiainany.
Niantso an’i Mosesy ho mpaminany ny Tompo
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba nanomanan’ny Tompo an’i Mosesy ho mpaminany dia asao izy ireo hizara izay fantany mikasika ny fiainan’i Mosesy tany aloha tany. Azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Mosesy zazakely mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny zavatra fantany. ChurchofJesusChrist.org
Ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto dia ahitana antsipiriany mety hanampy rehefa mamintina ny mpianatra.
Na dia teratany Isiraelita aza i Mosesy, dia tao amin’ny tokantranon’i Farao tany Egypta no nitazaina azy. Fony i Mosesy mbola zaza, dia nanome baiko ny hamonoana ny zazalahy Isiraelita vao teraka rehetra i Farao (jereo Eksodosy 1:22). Mba hamonjena an’i Mosesy, dia nafenin’ny reniny tao anaty harona izy ary napetrany teo akaikin’ny renirano iray. Hitan’ny zanak’i Farao i Mosesy, izay nanabe azy ho toy ny zanany (jereo Eksodosy 2:1–10). Nahazo fanabeaza tsara i Mosesy tao Egypta ary “nahery tamin’ny teniny sy ny asany” (Asan’ny apostoly 7:22).
Rehefa lehibe i Mosesy dia namono Egyptiana iray teo am-piarovana ny iray tamin’ireo andevo Isirealita. Nandositra tany Midiana i Mosesy ary niara-nipetraka tamin’ny mpisoronabe iray antsoina hoe Jetro tany izy dia nanambady ny zananivavy antsoina hoe Zipora (jereo Eksodosy 2:11–21). Rehefa niandry ondry tany Midiana i Mosesy dia nisy zavatra niainany niaraka tamin’i Jehovah.
Asehoy ity sary manaraka ity. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe i mosesy izy ireo eo am-pamakiana ireto andininy manaraka ireto ary hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatina vondrona kely maromaro. Afaka mizara izay ampahany manan-danja indrindra tamin’izay nianarany ny mpianatra rehetra avy eo.
Eksodosy 3:1–6. Inona no ho tsapanao? Nahoana?
Eksodosy 3:7–14. Inona tamin’ny fampianaran’ny Tompo no mety ho nanan-danja indrindra taminao na nitondra fampaherezana indrindra ho anao?
Mba hanampiana ny mpianatra hifantoka amin’i Jesoa Kristy eo ampianaran’izy ireo ireo andininy ireo dia mampisehoa sarin’ny Mpamonjy eo afovoan’ny tabilao. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra andian-teny momba ny Mpamonjy manodidina ilay sary, ka hamaritra amin’ny alalan’ny teniny ny zavatra azontsika ianarana momba Azy sy ny fifandraisany amin’i Mosesy sy ny zanak’Isiraely. Mety ho isan’ny ohatra amin’ireo hevi-baovao ny hoe niantso an’i Mosesy tamin’ny anarany i Jesoa (andininy 4), nahatonga ny tany ho masina ny fanatrehan’i Jesoa (andininy 5), nahita ireo fahoriana i Jesoa ary nahare ny fitarainan’ny olony (andininy 7), ary nampanantena i Jesoa fa hiaraka amin’i Mosesy (andininy 12).
Raha tsy lazain’ny mpianatra dia ampahafantaro ilay anarana fiantsoana hoe “IZAHO” (Eksodosy 3:14). Hazavao fa avy amin’ny fototeny mitovy amin’izayniavian’ny hoe Jehovah izany, izay azo adika ihany koa hoe “Izy” na ihany koa hoe “misy Izy.” Ho mora tamin’ny Isiraelita ny nahafantatra ilay anarana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hevitr’izany anarana izany dia azonao atao ny manontany hoe nahoana no ho zava-dehibe ny mahafantatra fa tena misy ny Tompo ary eo mandrakariva Izy.
Azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity rehefa avy mizara ny valinteniny ny mpianatra.
-
Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Mosesy dia inona no fanontaniana na ahiahy mety nanananao?
Hazavao fa na dia eo aza ny fanambaran’ny Tompo mikasika ny hoe iza Izy sy ny zavatra nampanantenainy dia mbola nanana ahiahy ihany i Mosesy mikasika ny antso nomena azy mba hanafaka an’i Isiraely.
Vakio ny Eksodosy 4:10–15, dia tadiavo ny fomba namahan’ny Tompo ny ahiahin’i Mosesy.
-
Inona no nianaranao momba ny tenin’ny mpaminany avy amin’ireo andininy ireo?
Ampio ny mpianatra hamantatra ilay fahamarinana fa miteny amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo.
-
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahalalana izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao sy ny fanapaha-kevitrao?
Tadidio ny fiandohan’ny lesona sy ireo feo isan-karazany mitady hisarika ny saintsika. Eritrereto izay azonao zaraina amin’ny olona hafa mba hanampiana azy hahatakatra fa miteny amin’ny alalan’ny mpaminany ny Tompo ary tokony ho ny mpaminany no henointsika fa tsy ny feo hafa. Azonao ampidirina ao anatin’izany ny zavatra nianaranao tao amin’ny Eksodosy 3 sy ny zavatra niainanao na niainan’ny olona fantatrao ka nanampy anao hamantatra fa miteny amin’ny alalan’ny mpaminany ny Tompo.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra mety holazain’izy ireo. Fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana azo apetraka ny hoe “Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’izany fahatakarana izany anao sy ny olona fantatrao?”
Mampihatra ny tenin’ny mpaminanin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika
-
Inona avy ireo fomba ahafahantsika mandre sy mampihatra ny tenin’ny Tompo, izay nomena tamin’ny alalan’ny mpaminaniny, eo amin’ny fiainantsika?
Amporisiho ny mpianatra maromaro hizara ohatra amin’ny fampiharana ny fampianaran’ny mpaminany. Raha manampy dia mizarà hevitra vitsivitsy toy ny hoe:
-
Mampihatra torohevitry ny mpaminany mahakasika zavatra manokana izay nalaina avy amin’ny lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana.
-
Mianatra matetika kokoa ny tenin’ny mpaminany, toy ny mihaino lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isa-maraina eo am-piomanana ho any am-pianarana.
-
Mamolavola drafitra handalinana ny lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra nataon’ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. (Raha afaka mampiasa izany amin’ny endrika elektrônika ny mpianatra dia azony atao ny mampiasa ny Study Plans ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile)
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hihainoanao sy hampiharanao ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny eo amin’ny fiananao manokana. Ampidiro ao anatin’ny drafitrao ny karazana sakana heverinao fa mety hatrehanao. Soraty ny fomba mety handresenao izany isaky ny sakana tsirairay.
Hazavao amin’ny mpianatra fa hanana fahafahana izy ireo amin’ny lesona manaraka, ny Lesona 55: “Tombano ny fianaranao 3,” hanombanana ny fahaizany manatanteraka ny drafitra nataony.
Farano amin’ny fizaranao fijoroana ho vavolombelona fa miteny amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona ny Tompo ankehitriny.