Seminera
Eksodosy 1: Manome voninahitra an’Andriamanitra manoloana ny fanoherana


“Eksodosy 1: Manome voninahitra an’Andriamanitra manoloana ny fanoherana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Eksodosy 1: Manome voninahitra an’Andriamanitra manoloana ny fanoherana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 1–6: Lesona 38

Eksodosy 1

Manome voninahitra an’Andriamanitra manoloana ny fanoherana

Illustration of a party scene with drinking going on and one girl standing alone.

Nanandevo ny Israelita ny Faraon’i Egyptiana ary nanome baiko ny mpampivelona hamono ny zazalahy Isrealita vao teraka rehetra. Tsy nankatoa an’i Farao ireo mpampivelona ireo noho ny fanajan’izy ireo fatratra an’ Andriamanitra. Tahaka ireo vehivavy mahatoky ireo dia afaka misafidy ny hametraka ny fitokisantsika amin’ Andriamanitra isika na dia ao anatin’ny toe-java-tsarotra iainana aza. Afaka manampy ny mpianatra haniry hametraka an’Andriamanitra ho lohalaharana manoloana ireo tsindry hafa ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona ao amin’ny fianakaviana na namana ny amin’ny fomba nahitan’izy ireo an’ Andriamanitra nitahy azy ireo noho ny fanarahan’izy ireo Azy fa tsy zavatrahafa.

Sahanasa fianarana azo atao

herimpo tahaka ny an’i Kristy

Azonao atao ny mizara ity teny avy amin’ny Filoha Nelson manaraka ity.

Nofaritan’ny Filoha Russell M. Nelson ny toetoetra mampiavaka ny mpianatr’i Jesoa Kristy:

14:51
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao. Izy ireo dia tsy hay tohaina sy be fanolorantena ary be herimpo. (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika, ” Liahona, mey 2017, 40–41)

  • Nahoana no mety mila herimpo ny manao ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson?

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny manaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson?

Asehoy ity tomban’ezaky ny tena manokana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany mikasika ny fankatoavana an’ Andriamanitra fa tsy hanaiky ho resin’ny tsindry hafa.

Vakio ireto teny nambara manaraka ireto ary omeo isa amin’ny mari-drefy manomboka amin’ny 1 (tsy marina mihitsy) ka hatramin’ny 5 (tena marina) izany hamaritana ny fahamarinany.

  • Vonona ny hametraka ny Tompo ho lohalaharana aho, eny fa na dia mahatsapa tsindry avy amin’ny hafa aza aho hampidina ny fenitra arahako.

  • Tsy azoko antoka raha tena hitahy ahy ny Andriamanitra noho ny ezaka ataoko hankatò ny didiny aho.

  • Vonona ny hiaro izay fantatro fa marina aho, eny fa na dia tsy izany aza no safidin’ny ankamaroan’ny olona.

Amporisiho ny mpianatra hifantoka tsara amin’ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy rehefa mandalina ny Eksodosy 1. Afaka manampy azy ireo hanao asa amin-kerimpo ny Fanahy rehefa mahatsapa tsindry hanao zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo.

Ohatra tsara

Azonao atao ny manentana ny mpianatra hizara izay fantany mikasika izay nitranga tamin’ny Israelita taorian’ny nahafatesan’i Josefa tany Egypta. Raha ilaina dia ampiasao ny sasany na izy rehetra amin’ireto famintinana manaraka ireto.

Taorian’ny nahafatesan’i Josefa tany Egypta dia nihamaro tao amin’ny tany Egypta ny Isrealita (antsoina koa hoe Hebreo). Noho ny tahotra fa mety hahery hono ny Egyptiana ny Isrealita dia nanandevo azy ireo ilay Farao vaovao (jereo ny Eksodosy 1:6–14).

Vakio ny Eksodosy 1:15–16, dia tadiavo ny baiko nomen’i Farao an’i Sifra sy i Poa, mpampivelona Hebreo roa, mikasika ny zavatra tokony hataon’izy ireo. Ny hoe “mpampivelona” dia entina ilazana ireo vehivavy mampiteraka. Ny hoe “Fipetrahany” (andiny 16) dia entina ilazana ilay seza ampiasain’ilay vehivavy miteraka.

Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra. Mitadiava fomba hanampiana ny mpianatra ahatsapa ny tsindry nahazo ireto vehivavy ireto mba hanaovany izay tian’ny olona hafa ataon’izy ireo fa tsy izay tian’Andriamanitra ataony. Fomba iray hanaovana izany ireto fanontaniana sy sahanasa manaraka ireto.

  • Raha teo amin’ny toeran’i Sifra sy i Poa ianao dia inona no mety nahasarotra ny nametraka ny sitrapon’Andriamanitra ho laharam-pahamehana noho ny an’i Farao?

Zarao ho vondrondra vitsivitsy ny mpianatra. Asao ireo vondrona hamantatra ireo toe-javatra nolalovany ka mety hanahirana azy ireo ny hisafidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra noho ny fisian’ireo tsindry hafa. Angataho izy ireo hamorona lisitra ahitana ireo antony mahatonga ny olona mety ho sahirana amin’ny fanarahan-dia an’ Andriamanitra ao anatin’izany toe-javatra izany.

Vakio ny Eksodosy 1:17–21, ary tadiavo ny antony nahatonga an’i Sifra sy i Poa handray ny fanampaha-kevitra noraisin’izy ireo.

  • Inona no hitanao?

  • Inona amin’ireo andininy ireo no mety hanosika olona iray izay mety manontany tena raha tokony hametraka an’ Andriamanitra ho laharam-pahamehana noho ireo tsindry hafa mahazo azy izy na tsia?

    Rehefa mizara hevitra ny mpianatra dia azonao atao ny milaza amin’izy ireo fa ny hoe “matahotra an’ Andriamanitra” dia midika hoe mankalaza sy manaja an’Andriamanitra (jereo andiny 17, 21). Ampahafantaro ilay andian-teny hoe “nasian’Andriamanitra soa” i Sifra sy i Poa (andininy 20) raha tsy hitan’ny mpianatra izany. Asao ny mpianatra hanisy marika io andian-teny io. Midika izany fa nitahy an’i Sifra sy i Poa Andriamanitra noho ny nankatoavan’izy ireo Azy na dia teo aza ny tsindry nahazo azy ireo. Fitahiana iray nomen’ny Tompo an’i Sifra sy i Poany taranaka.

  • Inona ny famaharinana azontsika ianarana avy amin’i Sifra sy i Poa ka mety hanampy antsika rehefa miatrika tsindry hankatò ny hafa isika fa tsy hankatò an’ Andriamanitra?

    Afaka mahita fahamarinana tahaka ity ny mpianatra ary milaza izany amin’ny teniny manokana: rehefa manaiky ny sitrapon’Andriamanitra isika fa tsy milefitra amin’ireo tsindry hafa dia hitahy antsika Izy.

    Na dia mifantoka amin’ny fomba “[nanisian]’Andriamanitra soa” antsika aza ny ambin’ny lesona, dia mety ho tianao ny hanokana fotoana hifantohana amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Afaka mampiasa fanontaniana tahaka ity manaraka ity ianao hanaovana izany. Raha tsy mahita ohatra ny mpianatra dia azonao atao ny manome ohatra, azonao asaina mijery ny Jaona 6:38 na ny Lioka 22:42 izy ireo.

  • Inona ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy na natany ka mampiseho fa ohatra tonga lafatra momba izany fahamarinana izany Izy?

    Mieritrereta sahanasa hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fomba mety hanisian’ny Tompo azy ireo soa (hitahiana) noho ny fanajana Azy amin’ny alalan’ny fametrahana Azy ho laharam-pahamehana. Ireto misy ohatra roa. Misafidiana iray amin’ireto na hafa araka ny safidinao mba hanampiana ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

    1. Zarao amin’ny mpianatra ny horonan-tsary “Quitte cette fête!” (6:26) na ilay horonan-tsary “Ho sahy amin’ ny herimpo, sy ny tanjaka ary ny asa” manomboka eo amin’ny minitra faha-1:20 ka hatramin’ny minitra faha-5:13 (samy hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ireo horonan-tsary roa ireo). Asao ny mpianatra hamantatra ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Jaona noho ny fametrahany an’Andriamanitra ho laharam-pahamehana noho ireo tsindry hafa.

    6:26
    10:35
    1. Omeo soratra masina vitsivitsy hohalalinina ny mpianatra izay mampiseho ireo fomba nanisian’ ’Andriamanitra soa ireo olona hafa noho ny fisafidianan’izy ireo Azy ho ambonin’ireo tsindry hafa. Azon’izy ireo atao ny manadalina ny 2 Nefia 5:6–13; Môzià 24:11–15; 4 Nefia 1:15–18. Ny mpianatra ihany koa dia mety ahita soratra masina hafa mampiseho ny fomba nanisian’ Andriamanitra soa ny zanany rehefa nametraka azy ho lohalaharana izy ireo.

  • Mety ho toy ny ahoana ny fisehony rehefa [manisy] soa antsika Andriamanitra?

  • Ahoana ny fomba nanisian’Andriamanitra soa anao na ny olona hafa fantatrao noho ny fankatoavana ny sitrapony fa tsy nilefitra tamin’ny tsindry hafa?

  • Nahoana no zavatra mendrika hatao ny misafidy ny hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana na inona na inona mety ho vokatr’izany?

Mampanoa ny sitrampontsika amin’ny an’ Andriamanitra

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianarany na tsapany androany sy ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo rehefa mandalo toe-javatra sarotra izy ireo.

Fidio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hovaliana ao anatin’ny diary fandalinanao:

  • Inona no nianaranao na tsapanao androany ka afaka manampy anao hatoky tena fa hitahy anao Andriamanitra rehefa misafidy ny hametraka Azy ho lohalaharana ianao?

  • Inona no hozarainao amin’ny olona mbola misalasala raha tena mendrika atao ny misafidy an’ Andriamanitra rehefa miatrika tsindry hafa isika?

Omeo fotoana ahafahana mizara izay nosoratany ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fampanantenan’ny Mpamonjy amin’ny olona izay henjehina noho ny fisafidianan’izy ireo Azy, izay hita ao amin’ny Matio 5:10–12. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny fomba hitahian’Andriamanitra antsika rehefa misafidy ny hanara-dia Azy isika, eny fa na dia sarotra azy izany.