Seminera
Paska: Topimaso


“Paska: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Paska: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Paska

Paska

Topimaso

Mankalaza ny Paska isika mba hankalazana ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Mpamonjy tamin’ny maty. Fahafahana mahafinaritra hisaintsainana ny zavatra nataony ho antsika izany.

Fanamarihana: Ho an’ity herinandron’ny toromarika ity dia misy lesona nomanina hanampiana ireo mpianatrao hisaintsaina ny fiadanana sy ny fanantenana atolotr’i Jesoa Kristy ho azy ireo. Lesona natao hanampiana ny mpianatra hiomana ho amin’ny Paska izany. Raha malalaka ny andro fampianarana amin’ity herinandro ity ary tsapanao fa hahomby ny fanaovana lesona mihoatra ny iray mba hanomanana ny mpianatrao ho amin’ny Paska, dia diniho ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto:

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome sosokevitra momba ny zavatra mety hilainao homanina mialohan’ny lesona tsirairay.

Paska

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fiadanana sy ny fanantenana atolotr’i Jesoa Kristy ho azy ireo.