Seminera
Maodely fampianarana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Mandalina sy mampihatra ny fampianaran’ireo mpanompon’ny Tompo


“Maodely fampianarana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Mandalina sy mampihatra ny fampianaran’ireo mpanompon’ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Maodely fampianarana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Mandalina sy mampihatra ny fampianaran’ireo mpanompon’ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Lesona 207

Maodely fampianarana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Mandalina sy mampihatra ny fampianaran’ny mpanompon’ny Tompo

Studying General Conference on Mobile Device

Mitaona fanahy ny fahafantarana fa mbola miresaka amin’ireo mpanompo nofinidiny ny Mpamonjy ankehitriny. Mandritra ny taom-pianarana seminera dia hanana fahafahana maro handalinana ireo hafany amin’ny alalan’ireo mpanompo ireo ny mpianatra. Azonao ampiasaina io maodely io ho fitaovana hanampiana amin’ny fampianarana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Fanomanana ny mpianatra: Zarao amin’ny mpianatra ny lohatenin’ny lahateny izay hohalalinin’izy ireo ao an-dakilasy. Amporisiho izy ireo hamaky, hijery, na hihaino ny ampahany na izy rehetra amin’ilay lahateny mialoha ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hanomana ny fon’izy ireo ombam-bavaka mba handray ny fampianaran’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny hafatr’ireo mpanompon’i Jesoa Kristy.

Sahanasa azo atao ho an’ny fandalinana lahateny avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Fanamarihana: Mba hahitana ohatra amin’ny fomba fampiasana ity maodely ity dia jereo ny Lesona 208: “Fanantenan’ny Isiraely.”

Ity maodely ity dia manampy anao hampianatra ny mpianatrao ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tsy natao ho lesona mandeha tokana izany. Ahitana hevitra isan-karazany enti-mampianatra sy enti-mianatra izany ka azonao ampiasaina isaky ny mampianatra lahateny avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana.

Mba hanomanana lesona iray momba ny lahateny dia halalino aloha ilay lahateny izay kasainao hampianarina, ka tadiavo ireo fahamarinana izay manan-danja indrindra tokony ho takatra sy hampiharin’ny mpianatrao. Mba hanampiana anao handray izany fanapahan-kevitra izany, (1) mifantoha akaiky amin’ny bitsiky ny Fanahy, (2) ataovy ao an-tsaina ny fikasan’ilay mpanoratra nentanim-panahy, (3) tadiavo ireo fahamarinana mampiova fo izay hanampy amin’ny fampitomboana ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ary (4) hevero ny zavatra ilain’ny mpianatrao sy ny fahaiza-manaony.

Avy eo dia hevero ny hisafidy hevitra avy amin’io maodely io—na ampiasao ny hevitrao manokana—izay tsapanao fa hanampy ny mpianatrao hamantatra sy hahatakatra ary hampihatra ireo fahamarinana nosafidinao tao amin’ilay lahateny. Azonao atao ny misafidy ny hampiasa hevitra iray avy amin’ny fizarana tsirairay amin’ity maodely ity ao amin’ny lesona ataonao.

Hevero ny hanome ny mpianatra ny tahadikan’ilay lahateny izay hohalalininy. Azonao atao ihany koa ny manao taratasy zaraina amin’ireo ampahany amin’ilay lahateny izay safidinao hifantohana.

Fomba fiasa hanombohana ny lesona

Mieritrereta fomba iray hanombohana ny lesona izay afaka hampisy fahalianana ao an-tsain’ny mpianatra na ao am-pon’izy ireo mba hanampiana azy ireo hiomana ho amin’ny traikefa amin’ny fianarana. Ohatra vitsivitsy amin’izany ireto manaraka ireto:

Fanontaniana na teny nambara mitaky fisainana lalina. Mizarà fanontaniana iray na teny nambara mitaky fisainana lalina mifandray amin’ny hafatr’ilay mpandahan-teny ary asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra fohy momba izany na hirakitra an-tsoratra ny valinteniny voalohany ao amin’ny diariny. Ohatra, azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny lohatenin’ilay lahateny ary manontany ny mpianatra ny antony hiheveran’izy ireo ny maha-zava-dehibe io lohahevitra io amin’izao androntsika izao.

Lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana, sary, na horonantsary. Zarao sy ifanakalozy hevitra fohifohy ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana, sary, na horonantsary nankatoavan’ny Fiangonana izay mifandray amin’ny hafatry ny mpandahateny.

Mizarà tantara. Mizarà tantara iray avy ao amin’ny hafatr’ilay mpandahateny na mifandray amin’izany. Indraindray dia mety tsara kokoa ny mizara ampahany fotsiny amin’ilay tantara any am-piandohan’ny lesona mba hanintona ny fahalianan’ny mpianatra. Any aoriana amin’ny lesona, dia azo faranana ilay tantara mba hanehoana ny tanjon’ny hafatr’ilay mpandahateny.

Fanontaniana momba ilay lohahevitra. Zarao ny lohahevitry ny lahateny ary asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe na ao amin’ny diarin’izy ireo izay fanontaniana mety hananany na ananan’ny hafa momba izany lohahevitra izany. Azonao ato ny mamporisika azy ireo hikatsaka valiny mandritra ny lesona.

Rafi-tantara mitombona. Azonao atao ny manolotra rafi-tantara iray manan-danja—na manasa ny mpianatra hamorona rafi-tantara iray—momba ny zatovo iray afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fandrenesana sy fampiharana ny hafatry ny mpandahateny izay hohalalinin’ny iray kilasy.

Fanombanan-tena. Asao ny mpianatra mba hanombantombana manokana na hisaintsaina ny fahatakaran’izy ireo, na ny fihetsiny, na ny fampiharany ilay lohahevitra noresahina tao amin’ilay lahateny. Ny fomba iray ahafahan’izy ireo manao izany dia amin’ny alalan’ny fisaintsainana na firaketana an-tsoratra ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana fandinihan-tena. Afaka mampiasa fanontaniana izay mety avy ao amin’ilay lahateny ianao na manoratra ny anao manokana.

Fomba fandalinana ilay hafatra

Mba hanampiana ny mpianatra handalina ilay lahateny dia hevero ny hampiasa ny hevitrao, ny iray na ny maromaro amin’ireto hevitra manaraka ireto, na ny fampitambarana hevitra maromaro.

Misafidiana ampahany amin’ilay lahateny izay tena ilaina sy manan-danja ary mifanaraka amin’ny fahaiza-manaon’ny mpianatra. Ohatra, mety ho fahendrena ny manome ny ampahany fohy sy mora halalinina hovakian’ireo mpianatra, fa tsy mangataka azy ireo hamaky ilay lahateny iray manontolo.

Asao ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana mandritra ny fandalinan’izy ireo, hirakitra an-tsoratra ireo bitsika ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo na amin’ny fitaovana nomerika. Ireo hevitra fanampiny enti-mandalina dia azo jerena ao amin’ny “Fandalinana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mikatsaka. Mety hahomby kokoa ny mpianatra raha toa ka manan-javatra katsahina rehefa mandalina. Misy zavatra maro azon’ny mpianatra katsahina, toy ny:

  • Jesoa Kristy. Azon’ny mpianatra atao ny mikatsaka fahamarinana mitaona fanahy momba ny Mpamonjy, mijoro ho vavolombelona momba Azy na maneho ohatra momba Azt, na mampianatra momba ny heriny, ny sorompanavotany, ny fitiavany, ny toetrany, sns.

  • Valin’ireo fanontaniana na olana. Raha toa ianao ka nampiasa ny hevitra ao amin’ny “Fanontaniana momba ilay lohahevitra” ao amin’ny fizarana “Paika hanombohana ny lesona” ao amin’ity maodely ity, dia azon’ny mpianatra atao ny mitady ny valin’ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina izy ireo. Na azonao atao ny manasa azy ireo hitady valiny amin’ireo fanontaniana manokana na ahiahy mety hananan’izy ireo na ny hafa. Rehefa avy nandalina ny mpianatra, dia angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany. Raha nosoratanao teny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana teo aloha izay hitan’ireo mpianatra dia azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valinteniny eo ambanin’ireo fanontaniana. Avy eo dia afaka manazava ny valinteniny izy ireo.

  • Fomba hanampiana amin’ny alalan’ny rafi-tantara iray manan-danja. Raha toa ianao ka nampiasa ny hevitra hoe “Rafi-tantara manan-danja” ao amin’ny fizarana “Paika hanombohana ny lesona” dia azon’ny mpianatra atao ny mitady fomba ahafahan’ny hafatry ny mpandahateny manampy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara.

  • Ireo teny na andian-teny mitaona fanahy. Azon’ny mpianatra atao ny manisy marika na mirakitra an-tsoratra ireo eritreritra momba ireo teny na andian-teny izay mitaona fanahy na manan-danja amin’izy ireo.

  • Fahamarinana mandrakizay, fanasana, ary fitahiana nampanantenaina. Azon’ny mpianatra atao ny mitady fahamarinana mandrakizay sy fanasana ary fitahiana nampanantenaina izay hita ao amin’ilay lahateny. Azon’izy ireo atao ny manisy marika izany tsirairay amin’ny fomba samihafa, na azon’izy ireo atao ny mirakitra izany ao amin’ny diarin’izy ireo eo ambanin’ny tsanganana telo samy hafa.

Halalino samirery. Matetika ny mpianatra dia mahomby kokoa raha mandalina samirery. Asao ny mpianatra handalina ampahany amin’ilay lahateny ary avy eo hanao tatitra amin’ny iray kilasy na amin’ny vondrona kely momba ny zavatra hitany.

Fandalinana ao anaty vondrona kely. Azonao atao ny mampanao fandalinana ho an’ny mpianatra ao anatina vondrona kely. Mety hidika izany fa mifandimby mamaky andiam-pehezan-teny izy rehetra, na mihaino avokoa izy rehetra rehefa mamaky ny iray amin’ireo olona ao amin’ny vondrona.

Ampiasao ny raki-peo na ny horonan-tsarin’ilay lahateny. Azonao atao ny mandefa raki-peo na horonan-tsary avy amin’ny ampahany amin’ilay lahateny izay tsapanao fa manan-danja indrindra tokony hohalalinin’ny mpianatrao. Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hanaraka amin’ny alalan’ny fampiasana ny tahadikan’ilay lahateny natao printy na ny tahadika nomerika. Azon’izy ireo atao ny manisy marika ireo fanambarana izay mamaly fanontaniana iray manokana na hitany manokana fa manan-danja. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mirakitra an-tsoratra izay eritreritra na fahatsapana eo am-pandalinany.

Asio laharana ny andiam-pehezan-teny ary ampitapitao amin’ny mpianatra ilay lahateny. Manoràta laharan’ny andiam-pehezan-teny amin’ny alalan’ny sora-tanana na solosaina amin’ny tahadika iray an’ilay lahateny. Omeo tahadikan’izany ny mpianatra tsirairay ary asao ny mpianatra mba hisafidy izay zavatra hotadiavina. Afaka mamaky andiam-pehezan-teny iray na maromaro ny mpianatra, ka hanisy marika izany ary hanoratra fanamarihana eny amin’ny sisin’ny pejy. Azo ampitaina amin’ny mpianatra manaraka ilay taratasy, dia arahina ihany izany lamina izany. Rehefa avy mandalina ireo andiam-pehezan-teny rehetra izy ireo dia avereno amin’ilay mpianatra tany am-boalohany ilay taratasy ary avelao izy ireo hijery ireo hevi-baovao nozarain’ireo mpianatra hafa.

Soratra masina voatonona na mifandray aminy. Afaka mikaroka soratra masina voatonona ao amin’ilay lahateny na ao amin’ny fanamarihana any amin’ny farany ny mpianatra. Afaka mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo izy ireo ary manamarika ny fomba hanampian’ilay lahateny azy ireo hahatakatra kokoa ireo soratra masina voatonona na ny fomba hanampian’ireo soratra masina voatonona azy ireo hahatakatra kokoa ny hafatra entin’ilay lahateny. Azon’ny mpianatra atao ny manisy marika ireo andininy ao amin’ny soratra masiny na mampifandray izany ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Fomba hampitomboana ny fahatakarana

Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanampy ireo mpianatra hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ny lahateny izay nohalalininy. Azonao atao ny mampiasa ny hevitrao, na ny iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra handray anjara mavitrika amin’ny fifanakalozan-kevitra. Hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso rehefa mizara ny mpianatra. Ireo safidy ireo dia azo tanterahina samirery, na miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray, na anatina vondrona kely.

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Raha toa ka nandalina ilay lahateny ireo mpianatrao mba hitady fahamarinana mitaona fanahy momba an’i Jesoa Kristy, dia hevero ny hametraka ny sariny eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanoratra manodidina ilay sary ny zavatra hitan’izy ireo momba Azy ao amin’ilay lahateny. Avy eo izy ireo dia afaka mizara ny zavatra nosoratany sy ny fomba hanampian’izany mba ahalalany bebe kokoa, hitiavany, na haniriany hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Kilalao an-tsehatra. Azon’ny mpianatra atao ny maka sary an-tsaina olona iray mametraka fanontaniana amin’izy ireo izay mifandray amin’ilay lahateny. Azon’izy ireo atao ny manao fanazaran-tena mamaly io namana io miainga avy amin’ny zavatra nianarany avy amin’ilay lahateny. Na, raha toa ianao ka nampiasa ny sosokevitra hoe “Fomba hanampiana amin’ny alalan’ny rafi-tantara iray manan-danja” dia azon’ny mpianatra atao ny milalao an-tsehatra miaraka amin’ny namana iray na vondrona kely ny fomba hanampian’izy ireo ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianarany.

Mifampianara. Azon’ny mpianatra atao ny mifampianatra ny maha-zava-dehibe na ny maha-manan-danja amin’izy ireo ilay hafatra avy ao amin’ilay lahateny. Na azon’izy ireo atao ny mifampizara ny zavatra nianarany momba ilay lohahevitra sy ny fomba hanampian’ny zavatra nianarany azy ireo hanaraka bebe kokoa an’i Jesoa Kristy.

Manomàna lahateny. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamorona lahateny na lesona maharitra telo ka hatramin’ny dimy minitra izay mampianatra ny hafatra nohalalinin’izy ireo. Azon’ny mpianatra ampidirina ao anatin’izany ireo traikefa manokana na ireo andalan-tsoratra masina fanampiny izay manohana ilay hafatra. Afaka manao fanazaran-tena izy ireo mizara ny lahateniny amin’ny mpiara-mianatra iray, na anatina vondrona kely, na amin’ny iray kilasy.

Raketo ny eritreritra sy ny fahatsapana. Asao ny mpianatra hanoratra ny eritreriny na ny fahatsapana ananany rehefa nandalina ilay lahateny. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra izay asa nasain’ny Fanahy nataon’izy ireo. Raha ilaina dia azonao atao ny mangataka izay mpianatra vonona mba hizara.

Mamoròna zavatra. Amin’ny fampiasana izay nianarany tao amin’ilay lahateny dia afaka omena fotoana ny mpianatra mba hamoronana sary, sary natao tanana, peta-drindrina, mème, zavatra avoaka amin’ny tamba-jotran-tserasera, sy ny sisa. Mety ho fampahatsiahivana na zavatra entina mitaona ny hafa izany. Azon’ny mpianatra atao ny mizara amin’ny iray kilasy na amin’ny vondrona kely ny zavatra noforoniny.

Zarao amin’ny hafa. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hizara hafatra avy amin’ilay lahateny amin’ny fianakaviany na ny namany. Eo am-pizaran’izy ireo izany dia azon’ny mpianatra atao ny mampiditra fijoroana ho vavolombelona tsotsotra na fanasana mba hampihatra ny zavatra nampianarina.

Fomba hampiharana ilay hafatra

Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanome fahafahana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany sy tsapany avy amin’ny fandalinana ilay lahateny. Azonao ampiasaina ny hevitrao na ny iray na ny maromaro amin’ireto manaraka ireto mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao.

Two people sitting at a table. Text boxes representing communication.Raha mila hevitra fanampiny, dia jereo ny Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Fantaro sy ampiharo ny fanasana. Indraindray ny lahateny dia ahitana fanasana iray na maromaro. Azonao atao ny manasa mpianatra hamantatra ireo fanasana ireo ary hieritreritra ombam-bavaka ny zavatra tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo hataony hampiharana ny fanasana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mieritreritra ny fomba ahafahan’ny fanaovana asa araka izany fanasana izany manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Manaova asa araka ireo bitsiky ny Fanahy. Amporisiho ny mpianatra mba hanao asa araka ireo fahatsapana mety ho nananan’izy ireo nandritra ny fandalinana ilay lahateny. Mety ho nahatsapa ho notaomim-panahy izy ireo hitondra fanovana eo amin’ny fiainan’izy ireo, hametraka na hanatratra ny iray amin’ireo tanjony manokana, na hizara ilay hafatra amin’olon-kafa.

Manaova drafitra. Azon’ny mpianatra atao ny mamaly fanontaniana toy ireto manaraka ireto ao amin’ny diary na amin’ny fitaovana nomerika mba hanampiana azy ireo hampihatra ny zavatra nianarany:

  • Inona no drafitra ho ataoko?

  • Nahoana aho no mahatsapa fa tokony hanao izany?

  • Rahoviana aho no mikasa ny hanao izany?

  • Iza no azoko resahina mba hanampy ahy?

  • Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy?