“Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo: Mampiditra ny tenin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho isan’ny fandalinanao ny filazantsara”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo: Mampiditra ny tenin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho isan’ny fandalinanao ny filazantsara”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Lesona 206
Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo
Mampiditra ny tenin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho isan’ny fandalinanao ny filazantsara
Ahoana no nitahian’ny hafatra avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo ny fiainanao? Ny fandalinana ny tenin’ny Tompo izay omena amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manampy antsika handre ny feon’ny Tompo. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hampiditra ny fandalinana ny hafatry ny Tompo izay nomen’ireo mpanompony ho isany amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny filazantsara.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny sasany amin’ireo fitahiana noraisin’izy ireo rehefa nandalina ny hafatra vao haingana avy tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana momba ny fitahiana izay noraisin’izy ireo. Hanana fahafahana izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana hizarana momba ireo fitahiana ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no antony andalinana ny hafatr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?
Hanombohana izany dia hevero ny hizara ireto teny nambara manaraka ireto sy hanasa ny mpianatra hanombantombana manokana ny ezaka ataon’izy ireo mba handray anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Rehefa manombantombana ireo fanambarana roa etsy ambany ianao, moa ve ianao hamaritra ny tsirairay amin’izy ireo ho “mihatra amiko” sa “tsy mihatra amiko”?
-
Mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho.
-
Mamaky sy mandalina ireo lahateny aho aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Rehefa avy nomena fotoana hisaintsainana ny mpianatra dia omeo toky izy ireo fa ny tanjon’ny fanombantombanana ny tena manokana dia fahafahana ho azy ireo hanombantombana ny fomba fanaovan’izy ireo sy ny hoe ahoana no ahafahan’izy ireo mivoatra.
Teo am-pamaranana ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Manantena aho fa handalina hatrany hatrany ireo hafatra tamin’ity fihaonambe ity ianareo mandritra ireo volana ho avy. (“Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana”, Liahona, mey 2024, 119)
-
Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fandalinana ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana?
-
Nahoana no mety ho sarotra ho an’ny zatovo ny mandalina ireo hafatra ireo? Inona avy ireo sakana natrehanao, na mety hatrehanao, rehefa mikatsaka ny handalina tsy tapaka ireo hafatra ireo ianao?
Eo am-pizaran’ny mpianatra dia mety ilainao ny mitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo sakana nolazain’izy ireo. Azo ampiasainao io lisitra io aoriana kely mandritra ny lesona.
Rehefa mandalina ianao anio, dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ny antony maha-zava-dehibe ny fandalinana ireo hafatra ireo. Azonao atao ny mitady fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao handresy izay mety ho olana mampanahirana ny fampidirana ireo hafatra ireo ao anatin’ny fandalinanao manokana ny filazantsara.
Ireo mpaminany dia milaza ny tenin’ny Tompo
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fandalinana ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo dia azonao atao ny manasa azy ireo handalina ny antso natao ho an’i Ezekiela mba ho mpaminany nandritra ny fotoanan’ny apôstazia teo amin’i Isiraely. Mety nandalina ny antso natao ho an’i Ezekiela mba ho “mpitily eny ambony tilikambo” ny mpianatra (jereo ny Ezekiela 3:16–17) ao amin’ny Lesona 138: “Ezekiela 1–3; 33”. Raha mbola tsy nanao ity lesona ity ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ity famintinana manaraka ity.
Voasambotra niaaraka tamin’ny Isiraelita maro i Ezekiela ary nentina tany Babylona. Nitsidika azy ny Tompo ary niantso azy ho mpaminany nandritra ny fotoana naha babo azy (jereo ny Ezekiela 1–2).
Vakio ny Ezekiela 3:4, 10–11, 27, ka tadiavo ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ny mpaminaniny.
-
Inona no azontsika ianarana momba ny anjara asan’ny mpaminanin’ Andriamanitra?
Azonao atao ny manamarika ny andian-teny hoe “henoy amin’ny sofinao” ao amin’ny andininy 10 sy “Izay mihaino, dia aoka izy hihaino” ao amin’nyandininy 27. Zarao fa omen’ny Tompo ny vahoakany ny safidy handre ny teniny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny sy ireo izay antsoiny hitarika.
Avy eo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana tsy feno ity: Rehefa misafidy ny handre ny tenin’ny Tompo izay nomen’ireo mpanompony isika dia …
Asao ny mpianatra hameno io andian-teny io ho fitsipika amin’ny alalan’ny fampiasana ity teny nambaran’ny Filoha Nelson manaraka ity.
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy an’ireo izay mandre (mihaino), mihaino (vonona ny hankatò), ary manaraka (manaraka amim-pinoana) ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay nomen’ireo mpanompony:
Mihaino Azy rehefa manaraka ny tenin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Mijoro ho vavolombelona momba Azy foana ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy izay voatendry. Manoro ny lalana izy ireo eo am-pamakivakiantsika ny sangodim-panina maha-valaketraky ny fiainantsika eto an-tany.
Inona no hitranga rehefa mihaino sy mitandrina ary manaraka amin’ny nahim-po kokoa izay nolazain’ny Mpamonjy sy izay lazainy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny mpaminaniny ianareo? Mampanantena aho fa hotahiana amin’ny hery lehibe kokoa ianareo hahafahana miatrika ny fakam-panahy sy ny ady ary ny fahalemena. Mampanantena fahagagana aho eo amin’ny fanambadianareo, sy ny fifandraisan’ny mpianakavy, ary ny asanareo andavanandro. Ary mampanantena aho fa hitombo ny fahafahanareo mahatsapa fifaliana na dia mitombo aza ireo zavatra mampisafotofoto eo amin’ny fiainanareo. (“Henoy Izy”, Liahona, mey 2020, 90) (mari-potoana 13:07 hatramin’ny 14:16)
-
Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina hitanao?
Azon’ny mpianatra atao ny mamantatra fa ny Mpamonjy dia:
-
Manoro ny lalantsika ao anatin’ireo sangodim-panina maha-valaketraky ny fiainantsika eto an-tany.
-
Omeny ny heriny isika mba hiadiana amin’ny fakam-panahy sy ny fahasahiranana ary ny fahalemena.
-
Mitondra fahagagana eo amin’ny fianakaviantsika sy ny asantsika isan’andro.
-
Mampitombo ny fahafahantsika mahatsapa fifaliana na dia mitombo aza ny fisafotofotoan’ny fiainana.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara izay mety ho fitahiana hafa hitan’izy ireo avy amin’ny ezaka nataon’izy ireo mba handalina ny tenin’ny Mpamonjy sy hampiditra izany ao amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe. Mety hahazo tombony ny mpianatra amin’ny famantarana fomba sasantsasany ahafahan’ireo fitahiana nampanantenaina ireo manampy ny zatovo. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona kely maromaro mba hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto:
Rehefa mijery ireo fitahiana nampanantenaina ireo dia mieritrereta toe-javatra manokana iray izay mety hanampian’ny iray amin’ireo fitahiana ireo ny zatovo iray.
-
Inona no azonao zaraina mba hanampiana ny zatovo handalina ireo hafatra avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana raha toa ka sahirana amin’ny fanaovana izany izy ireo?
-
Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no niaina ireo fitahiana ireo?
Ampitomboy ny fandalinanao ireo hafatry ny Tompo
Hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy ombam-bavaka ny iray na maromaro amin’ireo fitahiana nampanantenaina eny amin’ny solaitrabe izay tian’izy ireo horaisina eo amin’ny fiainany ary hanoratra izany ao amin’ny diary fandalinany.
Azonao atao ny miresaka momba ny lisitra ahitana ireo sakana mety hatrehan’ny zatovo noforonina teo aloha nandritra ny lesona. Azonao atao ny misafidy sakana iray ary mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:
-
Inona no torohevitra homenao mba hanampiana olona izay miatrika izany sakana izany?
Hevero ny hanasa mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mampiditra ny fandalinana ny hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fiainan’izy ireo. Omeo toky izy ireo fa tsy maka fotoana betsaka izany. Mizarà hevitra vitsivitsy amin’ny iray kilasy ary asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’izay nanampy azy ireo. Afaka mahita sahanasa fanampiny amin’ny endrika f nomerika ianao ao amin’ny Sahanasa fianarana fanampiny ao amin’ny endrika an-jotran’ity boky torolalana ity.
Mieritrereta fomba iray izay tsapanao fa toa azo ampidirana ny fandalinana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fandalinanao manokana. Misafidiana iray amin’ireto hevitra manaraka ireto:
-
Araho ny kaonty ao amin’ny tamba-jotran-tseraseran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
-
Mandalina lahateny iray na ampahany amin’ny lahateny iray ho isan’ny fitsaohanao isaky ny Alahady na amin’ny andro iray na mihoatra mandritra ny herinandro.
-
Mihainoa lahateny iray eo am-panatanterahana asa iray hafa toy ny hoe fanaovana fanatanjahan-tena, eny an-dalana mankany am-piasana na mody, na eo am-piasana.
-
Ampiasao ny fomba fiasa Drafitra Fandalinana mba hamoronana drafitra handalinana ireo lahateny avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra na ireo hafatra avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.
-
Ampiasao ny Fanoroana Soratra Masina manaraka ny abidia rehefa mahita soratra masina iray izay manan-danja aminao ianao mandritra ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Hita ao amin’ny scriptures.byu.edu, io filaharana io dia afaka manampy anao hahita ny fampiasana farany indrindra an’ilay andinin-tsoratra masina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Azonao atao ny mampifandray ilay teny nindramina amin’ilay andininy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
-
Mitadiava iray avy aminao manokana.
Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo fanampiana eo am-piezahan’izy ireo ny teniny izay nomena tamin’ny alalan’ireo mpanompony Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana azonao rehefa niezaka ny hampitombo ny fandalinanao ireo hafatry ny mpanompon’ny Tompo ianao. Hevero ny hanara-maso ny fivoaran’ny mpianatra ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, ka omeo fahafahana izy ireo hizara ny fahombiazana sy ny fahasahiranana nananan’izy ireo.