“Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Topimaso”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Topimaso”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Topimaso
Ho porofon’ny famindram-pon’ny Tompo ho antsika dia nalefany ireo iraka mba hanoro hevitra sy hampitandrina ny olony (jereo ny 2 Tantara 36:15). Afaka mandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny feon’ireo mpanompony. Rehefa mihaino sy mandalina ny hafatr’ireo mpanompony isika dia afaka mandre ny feon’ny Tompo. Ireo lesona ireo dia manampy ny mpianatra handalina ny hafatry ny Tompo izay nomena tamin’ny alalan’ireo mpanompony.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.
Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Sosokevitra amin’ny fandrindram-potoana: Ity lesona ity dia azo ampianarina fotoana fohy mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny volana aprily na ôktôbra. Raha mampianatra ity lesona ity indroa mandritra ny taona dia jereo ny fizarana Sahanasa fianarana fanampiny ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahitana fomba hafa hanaovana izany.
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hiomana handre ireo hafatra manokana avy amin’ny Mpamonjy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
-
Fanomanana ’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana izay mety ho azo rehefa mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana manaraka sy ny fomba ahafahan’izy ireo miomana amin’izany.
-
Fitaovana haseho: Fanamarihana na sary “Natao ho anao”, fanambaran’ny Loholona Neil L. Andersen
-
Taratasy zaraina: “Mandray izay soa indrindra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany”
-
Fitaovana ho an’ireo mpianatra: Taratasy miraikidraikitra na sombin-taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay
-
Horonan-tsary: “The Blessings of General Conference (Ireo fitahiana avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany)” (2:24)
Mandalina ireo hafatra avy amin’ny mpanompon’ny Tompo
Sosokevitra amin’ny fandrindram-potoana: Hevero ny hampianarana ity lesona ity alohan’ny hampianarana ny hafatr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mampiasa ny “Lesona 207: Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana.” Azonao atao ny mampianatra izany any akaikin’ny fiantombohan’ny taom-pianarana mba hampahafantarana ny mpianatra ny lanjan’ny fandalinana ny hafatr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hampiditra ny fandalinana ny hafatry ny Tompo izay nomen’ireo mpanompony ho ampahany amin’ny fianaran’izy ireo manokana ny filazantsara.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny sasany amin’ireo fitahiana noraisin’izy ireo rehefa nandalina ny hafatra vao haingana avy tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana momba ny fitahiana izay noraisin’izy ireo. Hanana fahafahana izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana hizarana momba ireo fitahiana ireo.
-
Fitaovana haseho: Fanambarana roa avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson
-
Horonan-tsary: “Henoy Izy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:07 ka hatramin’ny 14:16
Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Sosokevitra amin’ny fandrindram-potoana: Ny lesona rehetra mampiasa ity maodely ity dia azo ampianarina amin’ny fotoana rehetra ao anatin’ny taom-pianarana na mandritra ny herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy . Na izany aza, raha mbola tsy nampiasa io maodely io ianao teo aloha, dia mety hanampy ny fampianarana ny lesona “Fanantenan’ny Israely” etsy ambany alohan’ny hanomanana lesona vaovao izay mampiasa io maodely io.
Tanjon’ny lesona: Ity maodely ity dia natao ho fitaovana ampiasaina hanampiana anao hampianatra ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Zarao amin’ny mpianatra ny lohatenin’ny lahateny izay hohalalinin’izy ireo ao an-dakilasy. Amporisiho izy ireo hamaky, hijery, na hihaino ny ampahany na izy rehetra amin’ilay lahateny mialoha ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hanomana ny fon’izy ireo ombam-bavaka mba handray ny fampianaran’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny hafatr’ireo mpanompon’i Jesoa Kristy.
“Fanantenan’ny Isiraely”
Sosokevitra amin’ny fandrindram-potoana: Ity lesona ity dia manome ohatra amin’ny fomba hampianarana hafatra avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fampiasana ny lesona “Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana.” Hevero ny hampianatra ity lesona ity any am-piandohan’ny taom-pianarana, mialoha ireo lesona hafa izay mizara ny hafatr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hanao asa araka ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson.
-
Fanomanana ny mpianatra: Zarao amin’ny mpianatra ny lohatenin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Fanantenana ho an’i Isiraely.” Amporisiho izy ireo hamaky, hijery, na hihaino ny ampahany na izy rehetra amin’ilay lahateny mialoha ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo hanomana ny fon’izy ireo ombam-bavaka mba handray ny fampianaran’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny hafatr’ireo mpanompon’i Jesoa Kristy.
-
Fitaovana haseho: Teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson
-
Taratasy zaraina: “Ny fanangonana an’i Isiraely”; “Fanasana mba hiroso amin’ny fanangonana an’i Isiraely”
-
Horonan-tsary: “Fanantenana ho an’i Isiraely” manomboka eo amin’ny mari-potoana 29:51 ka hatramin’ny 33:37